Toko 3

Nanokana mpisorona sy mpampianatra ny loholona tamin' ny alalan' ny fametrahan-tanana. Tokony ho 401–421 taorian' i j.k.

  Ny fomba nanokanan' ny mpianatra, izay nantsoina hoe loholon' ny fiangonana, mpisorona sy mpampianatra—

  Rehefa avy nivavaka tamin' ny Ray tamin' ny anaran' i Kristy izy ireo dia nametraka ny tanany taminy sy nanao hoe:

  Amin' ny anaran' i Jesoa Kristy, no anokanako anao ho mpisorona (na raha mpampianatra izy, no anokanako anao ho mpampianatra) hitory ny fibebahana sy ny famelana ny fahotana amin' ny alalan' i Jesoa Kristy, amin' ny fiaretana ny finoana ny anarany hatramin' ny farany. Amena.

  Ary araka izany fomba izany no nanokanany mpisorona sy mpampianatra, araka ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan' Andriamanitra ny olona; ary natokany izy tamin' ny herin' ny Fanahy Masina izay tao aminy.