Fizarana 113

Valin' ireo fanontaniana sasany, momba ny asa soratr' i Isaia, nomen' i Joseph Smith Mpaminany, ny volana Martsa 1838 (History of the Church, 3:9–10).

1–6, Fampahafantarana ny vatan' i Jese, ny solofo mitsimoka avy ao ary ny fakan' i Jese; 7–10, Ireo sisa tavela amin' i Ziona naely dia manana zo amin' ny fisoronana ary antsoina hiverina amin' ny Tompo.

  IZA no vatan' i Jese voalaza ao amin' ny andininy faha-1, 2, 3, 4 ary faha-5 ao amin' i Isaia toko faha-11

  Toy izao marina tokoa no lazain' i Tompo: I Kristy izany.

  Inona ilay solofo voalaza ao amin' ny andininy voalohany ao amin' i Isaia toko faha-11, izay hivoaka avy ao amin' ny vatan' i Jese

  Indro, toy izao no lazain' ny Tompo: Izany dia mpanompoko eo an-tanan' i Kristy, izay tamingan' i Jese ary koa Efraima ny ampahany, na avy amin' ny tranon' i Josefa izay ametrahana hery lehibe.

  Inona no fakan' i Jese voalaza ao amin' ny andininy faha-10 amin' ny toko faha-11

  Indro, toy izao no lazain' ny Tompo: izany dia tamingan' i Jese, ary koa an' i Josefa izay manan-jo ara-dalana amin' ny fisoronana sy ireo fanalahidin' ny fanjakana, ho faneva sy ho fanangonana ny vahoakako amin' ny andro farany.

  Fanontaniana nataon' i Elias Higbee: Inona no tian-kolazaina amin' ny didy ao amin' i Isaia faha-52 andininy voalohany, izay manao hoe: Tafio ny tanjakao ry Ziona ô—ary iza no vahoaka tondroin' i Isaia eto

  Ny tondroiny eto dia ireo izay hantsoin' Andriamanitra amin' ny andro farany, izay hihazona ny herin' ny fisoronana hampodiana indray an' i Ziona, ary ny fanavotana an' i Isiraely; ary ny hoe mitafy ny tanjany dia ny mitafy ny fahefan' ny fisoronana izay ananany, izy Ziona, zo noho ny firazanany; ary miverina ihany koa amin' izany hery izany izay efa nariany.

  Inona no hevitry ny hoe famahan' i Ziona ny fatorana amin' ny tendany, eo amin' ny andininy faha-2

  10 Tokony hazava amintsika fa ireo sisa tavela sady naely patrana dia entanina hiverina amin' ny Tompo, izay teo Aminy no efa lavo izy ireo; ary raha ataony izany, dia izao no fampanantenan' ny Tompo: Izy dia hiteny aminy na hanome azy ireo fanambarana. Jereo ny andininy faha-6, faha-7, faha-8. Ny fatorana amin' ny tendany dia ireo ozon' Andriamanitra taminy, na tamin' ireo sisa tavela amin' i Isiraely, ao amin' ny fielezany any anivon' ny Jentilisa.