Fizarana 66

Fanambarana nomena tamin' ny alalan' i Joseph Smith Mpaminany tao Orange, Ohio, ny 25 Ôktôbra 1831 (History of the Church, 1:219–221). Izany no andro voalohan' ny fihaonambe iray manan-danja. Raha nanolotra ny sasin-tenin' ity fanambarana ity ny Mpaminany dia nanoratra hoe: “Noho ny fangatahan' i Willliam E. McLellin, dia nanontany ny Tompo aho ary nandray izao manaraka izao” (History of the Church, 1:220).

1–4, Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay no fahafenoan' ny filazantsara; 5–8, Tokony hitory, hijoro ho vavolombelona ary hifandahatra amin' ny olona ireo loholona; 9–13, Ahazoana antoka ny fandovana ny fiainana mandrakizay ny asa fanompoana mahatoky.

  INDRO, izao no lazain' ny Tompo amin' i William E. McLellin mpanompoko—Sambatra ianao satria efa nivily niala tamin' ny fahotanao ary efa nandray ny fahamarinako, hoy ny Tompo Mpanavotra anao, ny Mpamonjy izao tontolo izao, dia izay rehetra mino ny anarako.

  Lazaiko aminao marina tokoa, sambatra ianao fa nandray ny fanekempihavanako maharitra mandrakizay, dia ny fahafenoan' ny filazantsarako nalefa ho an' ny zanak' olombelona mba hananany fiainana ary hahatonga azy ho mpandray anjara amin' ireo voninahitra izay haseho amin' ny andro farany, toy izay nosoratan' ireo mpaminany sy apostoly tamin' ny andro fahiny.

  Lazaiko aminao marina tokoa ry William mpanompoko fa madio ianao, saingy tsy madio tanteraka; koa mibebaha amin' ireo zavatra izay tsy ankasitrahana eo imasoko ireo, hoy ny Tompo, fa hasehon' ny Tompo anao ireo.

  Ary ankehitriny dia hasehoko Izaho Tompo marina tokoa aminao izay sitrako momba anao na izay sitrapoko momba anao.

  Indro, lazaiko aminao marina tokoa, fa izao no sitrapoko dia ny hanambaranao ny filazantsarako isam-paritra sy isan-tanàna, eny, amin' ireo faritra manodidina ireo izay tsy nanambaràna izany.

  Aza mitoetra andro maro eo amin' ity toerana ity; aza mbola mandeha miakatra any an-tanin' i Ziona; fa izay azonao alefa dia alefaso; raha tsy izany dia aza mihevitra ny amin' ny fanananao.

  Mandehana any amin' ireo tany atsinanana, mijoroa ho vavolombelona amin' ny toerana rehetra, amin' ny olona rehetra ary any amin' ny sinagogany, sady mifandahara amin' ny olona.

  Aoka i Samuel H. Smith mpanompoko handeha hiaraka aminao, dia aza mahafoy azy ary omeo azy ny toromarikao; ary izay mahatoky no hatanjahina amin' ny toerana rehetra; ary Izaho Tompo dia handeha hiaraka aminareo.

  Ametraho ny tananao ny marary dia ho sitrana ireny. Aza miverina raha tsy Izaho Tompo no handefa anao. Mahareta amin' ny fahoriana. Mangataha dia hahazo ianao; dondòny dia hovohana ianao.

  10 Aza mitady izay hahasahirana. Afoizo ny tsy fahamarinana rehetra. Aza manitsakitsa-bady—izay fakam-panahy nanahirana anao.

  11 Tano ireto teny ireto, fa marina sy mahatoky ireo; ary hanandriana ny anjara fanompoanao ianao sady hanosika olona maro ho any i Ziona miaraka amin' ny hiran' ny fifaliana maharitra mandrakizay eo amin' ny lohany.

  12 Mitozoa amin' ireo zavatra ireo hatramin' ny farany, dia ho azonao ny satroboninahitry ny fiainana mandrakizay eo antanana ankavanan' ny Raiko izay feno fahasoavana sy fahamarinana.

  13 Dia izany marina tokoa no lazain' ny Tompo Andriamanitrao, ny Mpanavotra anao, dia i Jesoa Kristy. Amena.