Toko 

Fandikana an' ireo Rakitsoratra tranainy sasantsasany izay tonga teo an-tananay ary avy any amin' ireo zohim-pasan' i Egypta. Ireo asa soratr' i Abrahama, raha mbola tany Egypta izy, izay atao hoe ny Bokin' i Abrahama, dia nosoratan' ny tanany ihany tamin' ny papirosy. (History of the Church, 2:235--236, 348--351.)
Toko 1
Nokatsahin' i Abrahama ireo tsodranon' ny lamina patriarikaly—Nenjehin' ireo mpisorona sandoka tao Kaldea izy—Novonjen' i Jehovah izy—Fijerena indray ny niandohana sy ny governemantan' i Egypta
Toko 2
Nandao an' i Ora i Abrahama ary nankany Kanana—Niseho taminy tao Harana i Jehovah—Ireo fitahian' ny filazantsara rehetra dia nampanantenaina ny taranany ary amin' ny alalan' ny taranany ho an' ny rehetra—Nandeha nankany Kanana izy ary nanohy hatrany Egypta.
Toko 3
Nianaran' i Abrahama tamin' ny alalan' ny Orima sy Tomima ny momba ny masoandro, ny volana, ny kintana—Nambaran' ny Tompo azy ny toetra mandrakizain' ireo fanahy—Nianatra ny amin' ny fiainana talohan' ny fianana an-tany, ny fanokanana mialoha, ny fahariana, ny nifidianana Mpanavotra ary ny toetra faharoan' ny olona izy.
Toko 4
Novolavolain' ireo Andriamanitra ny fahariana ny tany sy ny aina rehetra eo aminy—Aroso etoana ny drafiny nandritra ny enina andro nahariana izao tontolo izao.
Toko 5
Novitain' ireo Andriamanitra ny drafiny momba ny fahariana ny zava-drehetra—Notanterahany ny Fahariana araka ny drafiny—Nomen' i Adama anarana ny voary manana aina rehetra.