Mba “Tsy … Hitakemotra” Isika (F&F 19:18)

David A. Bednar

Ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo

Fivoriana Fampaherezam-panahy an’ny DFF ho an’ny Tanora Tokan-tena sy Mpivady Vao Herotrerony• 3 Martsa 2013 • Oniversiten’i Texas Arlington


David A. Bednar

Feno fankasitrahana aho noho ny fahafahako mandray anjara ao anatin’ity fivoriana fampaherezam-panahy ity miaraka amin’ireo tanoran’ny Fiangonana manerana an’izao tontolo izao. Tiako ianareo ary mahafinaritra ahy izao fahafahana miara-mitsaoka izao.

Fahamarinana manan-danja maro no voaresak’i Susan sy nijoroany ho vavolombelona teo, ary ho voatahy sy hahazo hery isika tsirairay rehefa mampihatra tsy tapaka ireo fampianarany ireo eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Vehivavy marin-toetra sy nofinidy i Susan ary vady malalako.

Nisaintsaina sy nangataka tamin-kitsimpo ny Raintsika any an-danitra aho mba hahafantatra ny fomba tena tsara hahafahako manompo anareo anio hariva. Mivavaka aho mba hiaraka amintsika tsirairay avy ny herin’ny Fanahy Masina—mba hahafahantsika mieritreritra izay zavatra tokony ho eritreretintsika sy mahatsapa izay zavatra tokony ho tsapantsika ary mianatra izay zavatra tokony hianarantsika, mba hahafahantsika manao izay zavatra fantatsika fa tokony hataontsika ary ho tonga amin’ilay irian’ny Tompo hahatongavantsika.

Mpanara-dia Mahafoy Tena sy Ohatra iray eo amin’ny tsy Fihemorana

Mpanara-dia malalan’i Jesoa Kristy Tompo ny Loholona Neal A. Maxwell. Mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izy nandritra ny 23 taona, nanomboka tamin’ny 1981 ka hatramin’ny 2004. Ny hery ara-panahin’ny fampianarany sy ny ohatra amin’ny maha-mpanara-dia mahatoky izay nasehony dia nitahy ary mbola manohy mitahy amin’ny fomba mahagaga ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy naverina tamin’ny laoniny sy ireo olona eto amin’izao tontolo izao.

Tamin’ny Ôktôbra 1997 dia nandray ny Loholona Maxwell mivady tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young–Idaho izaho sy Rahavavy Bednar. Hiteny amin’ny mpianatra sy ny mpiasa ary ny sekoly ambony mandritra ny fivoriana fampaherezam-panahy iray ny Loholona Maxwell. Samy niandrandra mafy ny fitsidihany ny oniversite ny olona rehetra tao amin’ny tobim-pianarana ary niomana fatratra handray ny hafatra entiny.

Tany am-piandohan’io taona io ihany dia nanao chimiothérapie tena nahavalaka nandritra ny 46 andro sy alina hitsaboana leucémie ny Loholona Maxwell. Fotoana fohy taorian’ny nahavitan’ny fitsaboana azy sy nivoahany hôpitaly dia nandray fitenenana fohy izy nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana volana Aprily. Nandeha tsara ny fahasitranany sy ny fitsaboana azy nandritra ireo volana tao anatin’ny lohataona sy fahavaratra, saingy voafetra ihany na dia izany aza ny tanjaka ara-batan’ny Loholona Maxwell sy ny heriny nandritra ny diany nankany Rexburg. Rehefa avy niarahaba ny Loholona Maxwell mivady teny amin’ny seranam-piaramanidina izahay dia nentinay sy i Susan tany amin’ny tranony izy ireo mba hiala sasatra sy hihinana sakafo atoandro maivana alohan’ilay fivoriana fampaherezam-panahy.

Tao anatin’ny resaka nifanaovanay tamin’io andro io dia nanontany ny Loholona Maxwell aho hoe inona no lesona nianarany avy amin’ilay aretiny. Hotsaroako lalandava ilay valinteny mazava sy nanohina ny fo nomeny. “Ry Dave,” hoy izy, “Nianatra aho fa ny tsy mitakemotra dia zava-dehibe kokoa noho ny manao izay hahatafavoahana velona fotsiny.”

Ny zavatra navaliny an’ilay fanontaniako dia fitsipika iray izay nahazoany traikefa lehibe nandritra ny chimiothérapie nataony. Raha iny nitondra fiara handeha ho an’ny amin’ny hôpitaly iny ny Loholona Maxwell mivady ny volana Janoary 1997 tamin’ilay andro voatondro hanombohany ny andiany voalohany tamin’ny fitsaboana azy dia naka toerana teo amin’ny fitobiam-piarakodia izy ireo ary nijanona kely mba hiaraka haka fotoana kely manokana. “Nisento lalina ny Loholona Maxwell ary nijery [ny vadiny]. Noraisiny ny tanany ary nilaza izy hoe: … , ‘Tsy te hitakemotra mihitsy aho’” (Bruce C. Hafen, A Disciple’s Life: The Biography of Neal A. Maxwell [2002], 16).

Tao anatin’ny hafatra nentiny nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana Ôktôbra 1997 izay mitondra ny lohateny hoe “Ampiharo ilay Ra Manavotra izay an’i Kristy” dia nampianatra tamin-kitsimpo ny Loholona Maxwell hoe: “Rehefa miatrika ny fitsapantsika sy ny fahoriantsika manokana isika dia afaka mitalaho amin’ny Ray koa toy ny nataon’i Jesoa, mba ‘tsy … hitakemotra’—izay midika hoe mihemotra (F&F 19:18). Ny tsy mitakemotra dia zava-dehibe lavitra kokoa noho ny manao izay hahatafavoahana velona fotsiny! Ankoatra izany, ny fisotroana kapoaka mangidy nefa tsy arahana haratsian-toetra dia tafiditra ao anatin’ny fanarahana an’i Jesoa koa” (Ensign, Nôv. 1997, 22).

Ny valinteny nomen’ny Loholona Maxwell ny fanontaniako dia nahatonga ahy hieritreritra ireo fampianaran’ny Loholona Orson F. Whitney, izay mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôtsôly Roambinifolo koa, manao hoe: “Tsy misy fanaintainana mihatra amintsika na fitsapana iainantsika ka ho very maina izany. Manampy eo amin’ny fianarantsika izany sy ny fampivoarana ny toetra tahaka ny faharetana, ny finoana, ny fahavononana ary ny fanetren-tena. Ny zavatra rehetra mianjady amintsika sy iaretantsika, indrindra rehefa miaritra amim-paharetana isika dia mamolavola ny toetrantsika, manadio ny fontsika, mampivelatra ny fanahintsika ary mahatonga antsika ho lasa malemy fanahy sy antra olona kokoa, ary mendrika kokoa ny antsoina hoe zanak’Andriamanitra, … ary amin’ny alalan’ny fahoriana sy fijaliana ary ny asa mafy sy ny fitsapana no ahazoantsika ilay fahalalana izay ny hianatra izany no nahatongavantsika ety” (nampiasaina tao amin’ny Spencer W. Kimball, Faith Precedes the Miracle [1972], 98).

Ary ireto soratra masina ireto izay mikasika ny fijalian’ny Mpamonjy tamin’ Izy nanao ilay sorompanavotana tsy manam-petra sy mandrakizay, dia vao mainka lasa mafonja sy manan-danja kokoa ho ahy:

“Koa didiako ianao hibebaka—mibebaha, fandrao hamely anao amin’ny tsorakazon’ny vavako sy amin’ny fahatezerako Aho ary ho mamaivay ny fijalianao—mamaivay manao ahoana, tsy fantatrao, mangirifiry manao ahoana, tsy fantatrao, eny, sarotra zakaina manao ahoana, tsy fantatrao.

“Fa indro, Izaho Andriamanitra dia efa nijaly tamin’ireo zavatra rehetra ireo ho an’ny rehetra mba tsy hahatonga azy ireo hijaly raha mibebaka.

“Nefa raha tsy mety mibebaka izy ireo dia tsy maintsy mijaly tahaka Ahy;

“Fijaliana izay nahatonga ny Tenako, Ilay Andriamanitra, Ilay lehibe indrindra noho ny rehetra, hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-dra amin’ny mason-koditra rehetra, ary hijaly na vatana na fanahy—ary niriako ny mba tsy hisotroako ilay kapoaka mangidy sy hitakemotra—

“Kanefa, voninahitra anie ho an’ny Ray, ary nosotroiko izany ary novitaiko izay efa nomaniko ho an’ny zanak’olombelona” (F&F19:15–19).

Tsy nitakemotra ny Mpamonjy na tao Getsemane izany na teny Golgota.

Tsy nitakemotra koa ny Loholona Maxwell. Nibosesika nandroso tamim-piorenana io Apôstôly manana ny maha izy azy io ary nomena fotoana fanampiny tety an-tany mba hitiavana sy hanompoana ary hampianarana sy hijoroana ho vavolombelona. Ireo taona farany niainany teto an-tany dia ohatra fanampiny amin’ny maha-mpanara-dia mahafoy tena azy—na tamin’ny alalan’ny teniny izany na tamin’ny asa nataony.

Mino aho fa ny ankamaroantsika dia tena hanantena fa ny olona iray izay manana tanjaka sy traikefa ara-panahy ary manana ny maha izy azy toa ny Loholona Maxwell dia hiatrika aretina sarotra sy fahafatesana ao anatin’ny fahatakarana ny drafitry ny fahasambaran’Andriamanitra sy miaraka amin’ny fahatokiana sy ny fahasoavana ary fahamendrehana. Ary azo antoka fa izay no nataony. Saingy ny tanjoko anio dia ny hijoro ho vavolombelona fa ny fitahiana tahaka izany dia tsy natokana fotsiny ho an’ny Manampahefana Ambony na ho an’ny mpikambana vitsivitsy voafantina ato amin’ny Fiangonana.

Nanomboka tamin’ilay antso azoko mba hameno ny toerana banga tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo noho ny fahafatesan’ny Loholona Maxwell, dia nanome fahafahana ahy hahafantatra ireo Olomasin’ny Andro Farany mahatoky sy mavitrika ary be herimpo manerana an’izao tontolo izao ireo asa nampandraiketina ahy sy ireo dia nataoko. Te hiresaka aminareo mikasika ny tovolahy sy tovovavy iray aho izay nitondra fitahiana teo amin’ny fiainako ary nanampy ahy hianatra lesona tena manan-danja indrindra ara-panahy mikasika ny hoe tsy tokony hitakemotra ary mikasika ny famelana ny sitrapontsika manokana mba ho “voatelina ao amin’ny sitrapon’ny Ray” (Môsià 15:7).

Marina ity tantara ity ary tena misy ireo olona ao anatiny. Tsy hampiasaiko anefa ny tena anaran’ireo olona izay ao anatin’izany. Antsoiko hoe John ilay tovolahy ary Heather ilay tovovavy. Mampiasa teny notsoingaina tao amin’ny diarin’izy ireo manokana koa aho ary nahazo lalana ny hanao izany.

Aoka Tsy Ny Sitrapoko Anie no Hatao fa ny Anao

I John dia mpihazona fisoronana mendrika ary efa misiônera tamin’ny fotoana feno izay nanompo tamim-pahatokiana. Rehefa nody izy taorian’ny asa fitoriana nataony dia niaraka tamin’i Heather izay tovovavy marin-toetra sy mahafinaritra ary nanambady azy. Telo amby roapolo taona i John ary 20 taona i Heather tamin’ny fotoana namehezana azy ireo tany amin’ny tranon’ny Tompo hiaraka eto amin’izao fiainana izao sy ho mandrakizay. Mba tadidio azafady ny taonan’i John sy i Heather rehefa mandeha ny tantara.

Teo amin’ny roa tokom-bolana taorian’ny fanambadian’izy ireo tany amin’ny tempoly dia hita fa voan’ny homamiadan’ny taolana i John. Rehefa nahitana vongana homamiadana ihany koa tao amin’ny havokavony dia fa tsy tsara mihitsy ny vinavina natao.

Toy izao no nosoratan’i John tao amin’ny diariny: “Ity no andro faran’izay nampatahotra indrindra teo amin’ny fiainako. Tsy noho ny nilazana ahy hoe voan’ny homamiadana fotsiny akory izany fa satria koa noho izaho vao avy nanambady ary somary nahatsapa aho fa tsy nahomby tamin’ny maha vady ahy. Izaho no mpamelona sy mpiaro ilay fianakavianay vaovao kanefa ankehitriny—roa tokom-bolana nitazonana io andraikitra io—dia nahatsapa ho tsy nahomby aho. Fantatro fa adaladala izany eritreritra izany saingy izany no iray amin’ireo zavatra adaladala nolazaiko ny tenako tao anatin’ny fotoana iray tena sarotra.”

Nanamarika i Heather hoe: “Vaovao nampivaloharika izany ary tsaroako fa tena nanova tanteraka ireo tanjonay izany. Tao amin’ny efitrano fiandrasana tao amin’ny hôpitaly aho, teo am-panoratana taratasy fisaorana ny olona nanotrona tamin’ny fanambadianay, raha niandry ny valin’ireo fitiliana natao tamin’i [John] izahay. Saingy rehefa nahafantatra izahay fa voan’ny homamiadana i [John] dia toa tsy dia nanan-danja firy intsony ny mikasika ireo fatana sy fitaovana fandrahoan-tsakafo. Izany no andro tena ratsy indrindra teo amin’ny fiainako, saingy tsaroako fa tamin’io alina io aho dia nandeha natory niaraka tamin’ny fanehoana fankasitrahana noho ny famehezana anay tany amin’ny tempoly. Na dia 30 isan-jato fotsiny aza ny taham-panantenana nomen’ny dokotera fa mety haha avotra an’i [John] dia fantatro fa raha mitoetra ho mahatoky izahay dia ho azo antoka 100 isan-jato ny hahafahako hiaraka aminy mandrakizay.”

Teo amin’ny iray volana teo ho eo taty aoriana dia nanomboka ny Chimiothérapie i John. Nitantara ny zavatra niainany izy: “Nahatonga ahy ho nihanarary kokoa nihoatra noho izay efa niainako hatramin’izay ireo fitsaboana natao. Nihintsana ny voloko, very 19 kilao aho ary toy ireny hoe hisaratsaraka ireny ny vatako. Nisy fiantraikany ara-pihetseham-po sy ara-tsaina ary ara-panahy tamiko koa ilay chimiothérapie. Niakanidina be ny fiainana nandritra ireo volana nanaovana chimio izay nahitana ambony sy ambany ary ny zavatra rehetra teo anelanelan’izany. Saingy tao anatin’ireo zavatra rehetra ireo dia nanam-pinoana hatrany izahay sy i [Heather] fa hositranin’Andriamanitra aho. Fantatray fotsiny izany.”

Noraketin’i Heather an-tsoratra ny ertireriny sy ny zavatra tsapany: “Tsy zakako ny namela an’i [John] mijanona irery ao amin’ny hôpitaly mandritra ny alina, ka dia natory teo amin’ny seza lava kely tao amin’ny efitranony aho isan-kalina. Maro ireo namana sy fianakaviana mamangy anay mandritra ny atoandro, saingy ny alina no tena mafy. Mibanjina ny valindrihana no ataoko ary manontany tena hoe inona no zavatra nomanin’ny Ray any An-danitra ho anay. Indraindray mivenjivenjy any anaty toerana maizina ny saiko ary mila handrendrika ahy ny fahatahorana hamoy an’i [John]. Saingy fantatro fa tsy avy amin’ny Ray any an-danitra ireo eritreritra ireo. Lasa matetika kokoa ireo vavaka fangatahana fampaherezana nataoko ary dia nomen’ny Tompo hery aho hitrakana hatrany.”

Telo volana taty aoriana dia nandalo fandidiana i John mba hanesorana ilay fivontosana lehibe iray tao amin’ny ranjony. Hoy i John hoe: “Zava-dehibe ho anay ilay fandidiana satria nilaina ny hanaovana fitiliana an’ilay fivontosana mba hahitana ny ampahany izay mbola tavela sy ny ampahany izay efa maty tamin’ilay homamiadana. Io fitiliana io no hanome fampahafantarana voalohany anay mikasika ny fahombiazan’ilay chimiothérapie sy ny hoe tokony hatao hatraiza ny herin’ny fitsaboana atao amin’ny ho avy.”

Namangy an’i John sy i Heather tany amin’ny hôpitaly aho roa andro taorian’ny fandidiana. Niresaka momba ny nihaonako voalohany indrindra tamin’i John tany amin’ny sahan’ny asa fitoriana izahay sy momba ny fanambadian’izy ireo ary ny homamiadana sy ireo lesona manan-danja mandrakizay ianarantsika avy amin’ireo fitsapana eto an-tany. Raha namarana ny fotoana niarahana izahay dia nanontanian’i John aho raha mba afaka manome tsodranon’ny fisoronana azy. Novaliako hoe amim-pifaliana no hanomezako izany tsodrano izany saingy mila mametraka fanontaniana vitsivitsy aho aloha.

Avy teo aho dia nametraka fanontaniana izay tsy nokasaiko hapetraka ary tsy mbola noeritreretiko hapetraka velively: “Ry [John,] moa ve ianao manana finoana hanekena ny tsy ho sitranina? Raha toa ka sitrapon’ny Raintsika any an-danitra ny hifindranao amin’izao fahatanoranao izao amin’ny alalan’ny fahafatesana mankany amin’ny tontolon’ny fanahy mba hanohy ny asa fanompoanao, dia moa ve ianao manana ny finoana hanekena ny sitrapony sy ny tsy ho sitranina?”

Tena nanaitra ahy ireo fanontaniana tsapako fa tokony hapetraka tamin’ireto mpivady manokana ireto. Matetika ao amin’ny soratra masina no nampiasan’ny Mpamonjy na ireo mpanompony ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy mba hanasitrana (jereo ny 1 Korintiana 12:9;F&F 35:9; 46:20) ka nahatsapany fa nanana finoana ny ho sitrana ny olona iray (jereo ny Asan’ny Apôstôly 14:9; 3 Nefia 17:8; F&F 46:19). Saingy rehefa nifampiresaka izaho sy i John ary i Heather ary nitolona anaty tamin’ireo fanontaniana ireo dia nitombo ny fahatakaranay fa raha sitrapon’Andriamanitra ny hahasitranan’ity tovolahy tsara toetra ity dia tsy ho azo izany fitahiana izany raha tsy manana finoana hanekena ny tsy ho sitranina aloha ity mpivady mahery fo ity. Amin’ny teny hafa dia nilain’i John sy i Heather ny mandresy, amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Tompo, ilay toetry ny “olona araka ny nofo” (Môsià 3:19) ao anatintsika rehetra izay mangataka tsy amim-paharetana sy tsy ankiato izay fitahiana tiantsika ho azo sy heverintsika fa mendrika antsika.

Nahita fitsipika iray izay miantefa amin’ireo mpanara-dia mahafoy tena rehetra izahay: ny hoe finoana mafy orina ny Mpamonjy dia ny fanekena amim-panoavana ny sitrapony sy ny fotoany eo amin’ny fiainantsika—na dia tsy izay nantenaintsika sy niriantsika aza ny vokany. Azo antoka fa haniry sy hiandrandra ary hitalaho fahazoana fahasitranana amin’ny heriny sy ny sainy ary ny tanjany manontolo i John sy i Heather. Saingy ny manan-danja kokoa dia ny “hahavonona azy ireo hanoa amin’ny zava-drehetra izay hitan’ny Tompo fa mety ampitondraina [azy ireo], dia tahaka ny zaza manoa an-drainy” (Môsià 3:19). Tena vonona tokoa izy ireo “hanolotra ny fanahin’[izy ireo] manontolo ho fanatitra ho Azy” (Ômnia 1:26) ary hivavaka amim-panentren-tena hoe: “Ray ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny Anao” (Lioka 22:42).

Ireo fanontaniana izay toa nanahirana ahy sy i John ary i Heather tany am-boalohany dia lasa tafiditra tao anatin’ny andiam-pitsipika iray ao amin’ny filazantsara izay toa mifanohitra. Eritrereto ilay fampitandreman’ny Mpamonjy hoe: “Izay mamonjy ny ainy no hamery azy; ary izay mamery ny ainy noho ny amiko dia hahazo azy” (Matio 10:39). Nanambara koa Izy hoe: “Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany” (Matio 19:30). Ary nanoro hevitra ireo mpanara-dia azy amin’ny andro farany ny Tompo manao hoe: “Ary noho ny teninao, dia olona manandra-tena maro no haetry, ary noho ny teninao dia olona manetry tena maro no hasandratra.” (F&F 112:8). Noho izany ny fananana finoana hanekena ny tsy ho sitranina dia toa tafiditra tsara ao anatin’ny andiam-pitsipika iray mahery vaika ao amin’ny filazantsara izay toa mifanohitra, izay mitaky antsika mba hangataka sy hikatsaka ary handondona mba hahazoantsika fahalalana sy fahatakarana (jereo ny 3 Nefia 14:7).

Rehefa avy nanokana fotoana nisaintsainana ireo fanontaniako sy niresahana tamin’ny vadiny i John dia nilaza tamiko hoe: “ Ry Loholona Bednar, tsy te ho faty aho. Tsy te handao an’i [Heather] aho. Saingy raha toa sitrapon’ny Tompo ny hamindra ahy ho any amin’ny tontolon’ny fanahy dia mihevitra aho fa vonona hanaiky izany.” Feno fankasitrahana sy finaritra ny foko nahita ireto mpivady vao herotrerony ireto niatrika ny ady ara-panahy izay nitaky ezaka lehibe indrindra amin’ireo ady ara-panahy rehetra misy—dia ny fampandeferana amim-panoavana ny sitrapon’izy ireo eo anatrehan’ny sitrapon’Andriamanitra. Lasa nihanatanjaka ny finoako rehefa nanatrika ireto mpivady ireto namela ireo faniriany lehibe sy azon’ny saina takarina tsara mba ho “voatelina ao amin’ny sitrapon’ny Ray” (Môsià 15:7).

Notantarain’i John ny fihetsika nasetriny taorian’ny resaka nifanaovanay sy ny tsodrano noraisiny: “Nozarain’ny Loholona Bednar taminay ilay hevitra avy amin’ny Loholona Maxwell hoe tsara kokoa ny tsy mitakemotra toy izay manao izay hahatafavoahana velona fotsiny. Dia nanontany anay avy eo ny Loholona Bednar hoe: ‘Fantatro fa manana finoana hahazo fahasitranana ianao saingy moa ve ianao manana finoana hanekena ny tsy ho sitranina?’ Zava-baovao ho ahy izany. Raha ny marina ny fanontaniany ho ahy dia hoe moa ve aho manana finoana hanaiky ny sitrapon’Andriamanitra raha toa ka ny tsy hahazoako fahasitranana no sitrapony? Raha toa ka manakaiky ny fotoana hidirako ny tontolon’ny fanahy amin’ny alalan’ny fahafatesana, dia vonona ve aho ny hanoa sy hanaiky izany?”

Notohizan’i John izany hoe: “Ny fananana finoana hanekena ny tsy ho sitranina dia toa tsy nifanaraka tamin’ny zavatra tokony antenaina, saingy nanova ny fomba fisainanay sy ny vadiko izany fomba fijery izany ary nanome fahafahana anay hametraka tanteraka ny fahatokianay eo amin’ilay drafitra nomanin’ny ny Ray ho anay. Nianatra izahay fa tokony hanana ilay finoana fa mandray andraikitra ny Tompo na inona na inona miseho ary hitarika anay Izy hiala eo amin’izay misy anay hankany amin’izay tokony hisy anay. Rehefa nivavaka izahay dia niova ny fangatahanay hoe ‘Mba omeo fahasitranana aho” ka lasa hoe ‘Mba omeo finoana aho hanaiky izay zavatra hitranga nomaninao ho ahy.’

“Nanana fahatokiana aho fa noho ny Loholona Bednar hoe Apôstôly dia hitsodrano ireo ampahany rehetra amin’ny vatako izy mba hiverina amin’ny laoniny ka dia afaka hitsambikina avy ao am-pandriana aho ary hanomboka handihy na hanao zavatra lehibe tahaka izany! Kanefa rehefa nitsodrano ahy izy tamin’io andro io dia talanjona aho fa ireo teny nolazainy dia saika nitovy tanteraka tamin’ny an’ny raiko sy ny rafozandahiko ary ny filohan’ny misiônako. Tsapako tamin’izay fa tena tsy mampaninona na tanan’iza na tanan’iza no eo ambonin’ny lohako. Tsy miova ny herin’Andriamanitra ary ampahafantarina antsika manokana ny sitrapony sy amin’ny alalan’ireo mpanompony nomena lalana.”

Nanoratra i Heather hoe: “Feno fihetseham-po nifamahofaho ity andro ity ho ahy. Resy lahatra aho fa hametraka ny tanany eo ambonin’ny lohan’i [John] ny Loholona Bednar hanasitrana tanteraka ny homamiadany. Fantatro fa afaka mahazo fahasitranana izy amin’ny alalan’ny herin’ny fisoronana ary naniry mafy ny hitrangan’izany aho. Taorian’ny nampianarany anay mikasika ilay finoana hanekena ny tsy ho sitrana dia raiki-tahotra aho. Hatamin’io fotoa io aloha dia tsy mbola tonga tao antsaiko mihitsy ny hoe mety ho tafiditra ao anatin’ny drafitry ny Tompo ny hamoizako ny vadiko. Niankina tamin’ilay vokany niriako ny finoako. Azo lazaina hoe fomba fijery tokana ilay izy. Na dia nampahatahotra aza tamin’ny voalohany ilay hevitra hoe manana finoana hanekena ny tsy ho sitrana dia nanafaka ahy tamin’ny tebitebiko izany tamin’ny farany. Nahafahako nanana fahatokiana tanteraka izany fa mahafantatra ahy bebe kokoa noho ny fahafantarako ny tenako manokana ny Raiko any an-danitra ary hanao izay zavatra tsara indrindra ho ahy sy i John Izy.”

Nomena ilay tsodrano ary nandeha ny herinandro, sy ny volana ary ny taona maro. Sitrana tamim-pahagagana ilay homamiadan’i John. Afaka namita ny fianarany tany amin’ny oniversite izy ary nahazo asa tsara. Nanohy nanamafy orina ny fifandraisany i John sy i Heather ary niara-nifaly tamin’ny fiainana.

Rehefa nandeha ny fotoana dia naharay taratasy avy tamin’i John sy i Heather aho taty aoriana izay nampahafantara ahy fa niverina indray ilay homamiadana. Naverina ny chimiothérapie ary napetraka ny fotoana hanaovana fandidiana. Nanazava i John hoe: “Tsy hoe nahadiso fanantenana ahy sy i [Heather] fotsiny ilay vaovao fa tena nahazendana anay. Moa ve nisy zavatra tsy mbola nianaranay tamin’ny voalohany? Moa ve nanantena zavatra bebe kokoa avy taminay ny Tompo? Rehefa lehibe teo anivon’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mahazatra rehefa miangona ny maheno ilay teny hoe: ‘mahasoa antsika ny fitsapana rehetra omen’Andriamanitra antsika.’ Raha tsorina aloha dia tsy hitako loatra ny fomba hahitako soa amin’izany!

“Noho izany dia nanomboka nivavaka aho mba hahazo fanazavana sy fanampiana avy amin’ny Tompo hahatakatra ny antony nitrangan’izao fiverenan’ilay homamiadana izao. Indray andro raha namaky tao amin’ny Testamenta Vaovao aho dia nahazo valiny. Novakiako ny tantaran’i Kristy sy ny Apôstôliny teny an-dranomasina rehefa nisy tafio-drivotra mafy. Noho ny fahatahoran’ireo mpanara-dia sao dia milentika ny sambo dia nanatona ny Mpamonjy izy ireo ary nanontany hoe, ‘Tompoko, vonjeo fa maty izahay!’ Izany mihitsy no tsapako! Fantatrao ve ny homamiadana mahazo ahy? Fantatrao ve fa te hanorina fianakaviana aho? Saingy rehefa nanohy namaky ilay tantara aho dia nahita ilay valiny nilaiko. Nijery azy ireo ny Tompo ary nilaza hoe, ‘Nahoana no saro-tahotra ianareo ry kely finoana?’ Dia nahinjiny ny tanany ary nampitoniany ny ranomasina.

“Tsy maintsy nanontany ny tenako aho tao anatin’izay fotoana izay hoe, ‘Moa ve mino marina izany aho?’ Moa ve mino marina aho fa nampitony ny ranomasina Izy tamin’io andro io? Sa moa ve tantara mahafinaritra natao ho vakiana fotsiny izany?’ Ny valiny dia hoe: Mino aho ary satria fantatro fa nampitony ny ranomasina izy dia fantatro teo no ho eo ihany fa afaka manasitrana ahy izy. Hatreo aloha dia sahirana aho nampifanaraka ny hoe mila finoana Azy aho sy ny hoe tsy azo ihodivirana ny sitrapony. Noraisiko ho zavatra roa misaraka tsara izy ireo ary nahatsapa aho indraindray fa toy ny mifanohitra izy ireo. Nahoana moa aho no tokony hanana finoana rehefa ny sitrapony ihany no tsy maintsy ho tanteraka amin’ny farany,’ hoy ny fanontaniako? Taorian’izay zavatra niainana izay dia nahafantatra aho fa ny fananana finoana—farafaharatsiny tao anatin’ny zava-nitranga tamiko—dia tsy voatery hoe fahafantarana fa hanasitrana ahy Izy, fa hoe afaka manasitrana ahy Izy. Tsy maintsy nino aloha aho hoe afaka manao izany Izy ary avy eo dia miankina Aminy ny hitrangan’izany na tsia.

“Rehefa navelako hiara-hitoetra tao anatin’ny fiainako ireo hevitra ireo, dia ny hoe finoana mifantoka amin’i Jesoa Kristy sy fanekena tanteraka ny sitrapony, dia nahazo fampaherezana sy fiadanana bebe kokoa aho. Tena nahatalanjona ny fiasan’ny tanan’ny Tompo teo amin’ny fiainanay. Niseho araka ny tokony ho izy ny zavatra rehetra, nisy ny fahagagana ary mampanetrin-tena lalandava ny fahitanay ny fahatanterahan’ny drafitr’Andriamanitra ho anay.”

Averiko ny tenin’i John mba ho fanamafisana: “Rehefa navelako hiara-hitoetra tao anatin’ny fiainako ireo hevitra ireo, dia ny hoe finoana mifantoka amin’i Jesoa Kristy sy fanekena tanteraka ny sitrapony, dia nahazo fampaherezana sy fiadanana bebe kokoa aho.”

Tena fitaovana ilaina hamindrana tendrombohitra tokoa ny fahamarinan-toetra sy ny finoana—raha toa ka manatanteraka ny tanjon’Andriamanitra sy mifanaraka amin’ny sitrapony ny hamindrana tendrombohitra. Tena fitaovana entina hanasitranana ny marary, na ny marenina, na ny malemy ny fahamarinan-toetra sy ny finoana—raha toa ka manatanteraka ny tanjon’Andriamanitra sy mifanaraka amin’ny sitrapony ny fanasitranana toy izany. Noho izany, na dia miaraka amin’ny finoana matanjaka aza, dia maro ireo tendrombohitra izay tsy hifindra. Ary tsy ho sitrana daholo akory ny marary sy ny manana fahasembanana. Raha toa ka noferana ny fifanoherana rehetra ary nesorina ny aretina rehetra dia ho voasampona ireo tanjona voalohan’ny drafitry ny Ray.

Ny ankamaroan’ireo lesona tokony hianarantsika eto amin’ny fiainana an-tany dia tsy ho azo raha tsy amin’ny alalan’ireo zavatra iainantsika ary indraindray mampijaly antsika. Ary Andriamanitra dia manantena sy matoky fa isika dia hiatrika ny fitsapana mandalo eto an-tany miaraka amin’ny fanampiany mba hahafahantsika mahafantatra ny zavatra tokony ho fantatsika ary amin’ny farany ho tonga amin’ilay tokony hahatongavantsika any amin’ny mandrakizay.

Ny Hevitry ny Zava-drehetra

Ity tantara mikasika an’i John sy i Heather ity dia zavatra sady mahazatra ihany nefa miavaka ihany koa. Ireto mpivady vao herotrerony ireto dia solontenan’ireo Olomasin’ny Andro Farany an-tapitrisa manerana an’izao tontolo izao izay mahatoky sy mitandrina ny fanekempihavanany ary mibosesika mandroso eo amin’ilay lalana ety sy tery amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy sy amin’ny fananana fanantenana mamirapiratra sy lavorary. Tsy nanana antso hoe mpitarika misongadina i John sy i Heather tao amin’ny Fiangonana ary tsy havan’ireo Manampahefana Ambony akory, ary nanana ahiahy sy tahotra indraindray. Raha ny ankamaroan’ireo antsipirian-javatra ireo no jerena dia zavatra mahazatra ihany ny tantaran’izy ireo.

Kanefa ry rahalahy sy rahavavy, io tovolahy sy tovovavy io dia nomena fitahiana tamin’ny fomba miavaka mba hianatra lesona manan-danja ho an’ny mandrakizay tamin’ny alalan’ny fitsapana sy ny fahasarotana. Nozaraiko taminareo izany tantara izany satria i John sy i Heather, izay mitovy amin’ny ankamaroanareo ihany dia lasa nahatakatra fa zava-behibe kokoa ny tsy mitakemotra toy izay manao izay hahatafavoahana velona fotsiny. Noho izany ny zavatra niainany dia tsy mikasika ny hoe miaina sy miatrika fahafatesana, fa mikasika kosa ny hoe mianatra sy miaina ary tonga amin’izay tokony hahatongavana.

Ny fiaraha-miasa ara-panahy mahery vaika misy eo amin’ny finoana ny Anarana Masin’i Jesoa Kristy, sy ny fanekena amim-pahatsorana ny sitrapony sy ny fotoany, sy ny fibosesehana mandroso “miaraka amin’ny fahazotoana tsy mety sasatra” (Helamàna 15:6), ary ny fanekena hiasan’ny tanany ao anatin’ny zava-drehetra dia mampirotsaka ireo zavatra mitondra fiadanana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra izay mitondra fifaliana sy fiainana mandrakizay (jereo ny F&F 42:61). Rehefa niatrika olana toa mahavalaka ireto mpivady ireto dia niaina “fiainana mandry fahizay amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra sy ny fahamaotinana ” (1 Timoty 2:2). Nandeha tamim-pahatoniana izy ireo (jereo ny Môrônia 7:4) teo anivon’ny zanak’olombelona. “Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana dia niaro ny fon’[izy ireo] sy ny hevitr’[izy ireo] ao amin’i Jesoa Kristy” (Filipiana 4:7).

Ho an’ny ankamaroanareo dia iainanareo, na efa niainanareo na mety mbola hiainanareo ny tantaran’izy ireo. Miatrika na efa niatrika na mbola hiatrika fanamby mitovy amin’izany eo amin’ny fiainanareo ianareo miaraka amin’ilay herimpo sy tanjona ara-panahy nananan’i John sy i Heather. Tsy fantatro hoe maninona no amin’ny alalan’ny fitsapana sy fijaliana no hianaran’ny olona sasany lesona mikasika ny mandrakizay—raha toa ka amin’ny alalan’ny famonjena sy ny fahasitranana kosa no hianaran’ny hafa lesona mitovy amin’izany. Tsy fantatro daholo ny antony rehetra sy ny tanjona rehetra ary ny zavatra rehetra momba ny fandaharam-potoan’ny Tompo. Izaho sy ianao dia afaka miteny miaraka amin’i Nefia hoe: “Tsy fanta[tsika] ny hevitry ny zava-drehetra” (1 Nefia 11:17).

Saingy misy zavatra sasantsasany izay tena fantatro tanteraka. Fantatro fa fanahy zanakalahy sy zanakavavin’ny Ray any an-danitra be fitiavana isika. Fantatro fa ny Ray Mandrakizay no tompon’ny drafitry ny fahasambarana. Fantatro fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Fantatro fa nanao izay ahatanteraka ny drafitry ny Ray i Jesoa tamin’ny alalan’ilay Sorompanavotany tsy manam-petra sy mandrakizay. Fantatro fa ny Tompo izay “nokaravasiana, nampijaliana, noratraina ho antsika” (“Jésus de Nazareth, Sauveur et Roi,” Cantiques, no. 105), dia afaka mamonjy sy mampatanjaka ny “vahoakany arakaraka ny rofiny” (Almà 7:12). Ary fantatro fa iray amin’ireo fitahiana lehibe indrindra eto amin’ny fiainana an-tany ny tsy mitakemotra ary mamela ny sitrapontsika manokana ho “voatelina ao amin’ny sitrapon’ny Ray” (Môsià 15:7).

Na dia tsy fantatro aza ny zava-drehetra mikasika ny fomba sy ny fotoana ary ny toerana sy ny antony hisehoan’ireo fitahiana ireo, dia fantatro fa tena misy izy ireo. Mijoro ho vavolombelona aho fa marina ireo zavatra rehetra ireo—ary izay zavatra fantatsika amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina dia ampy hijoroana ho vavolombelona azo antoka fa masina sy tena misy ary mandaitra izy ireo. Izao no tsodrano omeko anareo: Rehefa mibosesika mandroso eo amin’ny fiainanareo miaraka amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy ianareo dia hanana hery mba tsy hitakemotra. Mijoro ho vavolombelona sy manao izany tsodrano izany aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo, amena.

© 2013 an’ny Intellectual Reserve, Inc. Zo rehetra voatokana. Fankatoavana ny Teny Anglisy: 8/12. Fankatoavana ny Fandikana: 8/12. Fandikana ny That We Might “Not … Shrink. Malagasy. PD50045417 654