Fomba Hijerena


Fitaovana Famakiana an’ny OAF (Horonan-tsary)

Inona avy no fepetra takiana amin’ny rafitra mampandeha ny fitaovana ampiasainao raha te hijery horonan-tsary amin’ny alalan’ny Fitaovana Famakiana an’ny OAF?

Tokony hisy iray amin’ireto fijerena Internet manaraka ireto sy hisy Flash ao amin’ny solosainao.

Fanamarihana: Raha mikatso hatrany ny flash-nao dia ampiatoy azafady ny fanafainganana ny flash amin’ny alalan’ny fitaovana. Tokony hampitsahatra ny fikatsoana izany ary ahafahan’ny fijerena horonan-tsary hitohy. Jereo azafady ireo toromarika mahakasika ny fomba fanaovana izany.

 

 

 

Solosaina PC Windows

Mac

Fijerena Internet

  • Chrome
  • Firefox 3.0.1 na avo lenta kokoa
  • Internet Explorer 6 SP1
  • Internet Explorer 7
  • Internet Explorer 8
  • Safari 3.2.2 na avo lenta kokoa
  • Safari 4 na avo lenta kokoa
  • Chrome
  • Firofox 3.0.1 na avo lenta kokoa
  • Safari 3.2.1 na avo lenta kokoa
  • Safari 4 na avo lenta kokoa

 

 

Flash

  • Flash Player 10
  • Flash Player 10

Fanamarihana: Misy olana efa fantatra amin’ny Flash andiany 10.1.85.3. Havaozy amin’ny alalan’ny andiany farany amin’ny Flash azafady raha misedra olana ianao rehefa mijery horonan-tsary amin’ny alalan’ny Fitaovana Famakiana an’ny OAF.

Nahatsikaritra olana ihany koa izahay tamin’ny iOS 4.3x. Rehefa avy namotsitra ny bokotra hoe “alefa” dia miandrasa segondra vitsivitsy azafady mandra-pahatafiditra ilay izy dia tokony handeha tsara izany avy eo. Rehefa eo am-pidirana ilay horonan-tsary dia aza averina tsindrina azafady ilay bokotra fandefasana eo afovoany na ilay bokotra izay mipoitra eo amin’ny zorony. Tsy mitranga izany raha tsy amin’ny 4.3x.


Nahoana ny horonan-tsary no mitsitapitapy na miato rehefa jerena?

Mety hitsitapitapy na hiato ny horonan-tsary rehefa alefa raha toa ka tsy ampy ny hafainganam-pandehan’ny zotra Internet ampiasainao na rehefa miadam-piasa mihoatra noho ny mahazatra ny processeur na kely loatra ny RAM (mémoire) ao amin’ny solosainao. Na dia amin’ny karazana zotra Internet haingam-pandeha aza dia mety hahatonga ny horonan-tsary hitsitapitapy na ny sary hiverimberina rehefa betsaka loatra ny mampiasa Internet na misy fitohanana.

Ahoana no fomba ahafahako mizara rohy iray izay mitondra mankamin’ny horonan-tsary iray manokana?

Ampiasao ireo safidy hoe Horonan-tsary Ifampizarana na hoe Haka Rohy izay hita ao amin’ireo bokotra fisafidianana eo amin’ilay fandefasana horonan-tsary. Azonao adika ho ao amin’ny e-mail na ny takelaka iray ao amin’ny tranonkala ilay rohy.

Inona no dikan’ny hoe “Haka ny Mari-pamantarana”?

Ny safidy hoe Haka ny Mari-pamantarana dia ahafahanao mandika ny mari-pamantarana HTML raikitra ho an’ny fandefasana horonan-tsary iray ary mametraka izany ao amin’ny takelakao ao amin’ny tranonkala. Azonao ampiasaina io safidy io raha tianao ho tafiditra ao anatin’ny takelakao ao amin’ny tranonkala ny Fitaovana Famakiana an’ny OAF.

Mampiseho fampitandremana ilay Fitaovana Famakiana an’ny OAF izay milaza fa mila manova ny Flash Player ho avo lenta kokoa aho. Ahoana no fomba fanavaozana ho amin’ny avo lenta kokoa?

Hamoaka hafatra iray mitovitovy amin’izao ilay Fitaovana Famakiana:

Afaka mikitika eo amin’ilay hafatra ianao raha te hahazo ny andiany farany amin’ny Flash Player avy amin’i Adobe.

Tsy mamoaka sary tsara ny Fitaovana Famakiana an’ny OAF na horonan-tsary tsy izy no alefany. Ahoana no fomba ahazoako manitsy izany?

Mety ho zavatra efa voatahiry ao (taloha) no vakian’ny fijerena Internet ampiasainao. Mba hanadiovana ny tahiry ao amin’ny fijerena Internet ampiasainao ary mba hahitana ny endrika farany an’ilay pejy izay misy anao dia kitiho ny CTRL + F5 ho an’ny Windows na COMMAND + SHIFT + R raha toa ka Mac.

Windows Media Player (Horonan-tsary na Horonam-peo fotsiny)

Mampiasa ny Windows Media Player avy amin’i Microsoft ny ChurchofJesusChrist.org mba handefasana horonan-tsary na horonam-peo mivantana. Mba hahafahana mijery na mihaino horonan-tsary na horonam-peo mivantana dia mila mampiditra Windows Media Player ao amin’ny solosainao ianao raha tsy mbola manana izany.

Mba hahitana hoe misy Windows Media Player ve sa tsia ao amin’ny solosainao dia kitiho ny Fanandramana ny Windows Media Player. Raha misy varavarankely misokatra tampoka ary maheno feo mandeha ianao dia efa manana an’ilay famakiana izany ianao. Raha milaza ny fijerena Internet ampiasainao fa tsy manana plug-in na ny application iray fanampiny ilaina ianao, dia azonao atao ny maka maimaimpoana ny Windows Media Player.