Toetoetran’ny Fitaovana Famakiana


video player features

  1. Fampahalalana momba ny Horonan-tsary
    Ahitana fampahalalana mombamomba ilay horonan-tsary izay mandeha.
  2. Hizara
    Ahafahanao mizara ilay horonan-tsary amin’ny alalan’ny fandikana ilay rohy sy ny fizarana izany amin’ny alalan’ny e-mail na ny Fandefasana Hafatra eo no eo. Azonao atao ihany koa ny mizara amin’ny alalan’ny Facebook na ny Twitter.
  3. Hampifandray
    Ahafahanao mandika sy mizara ny rohy mitondra mankao amin’ilay tranonkala.
  4. Mampiraikitra
    Ahafahanao mandika ny mari-pamantarana raikitra ho an’ilay famakiana horonan-tsary ary mampiditra ilay famakiana horonan-tsary ho ao amin’ny tranonkala na ny blaogy iray.
  5. Bokotra Alefa/Aato
  6. Fijerena Internet
    Ny fijerena Internet dia mampiseho anao ny mari-potoana ao amin’ilay horonan-tsary ary ahafahanao mifindra amin’ny dingana samihafa ao amin’ilay horonan-tsary amin’ny alalan’ny fanisahana ilay marika hiverina na handroso.
  7. Bokotra DVR mivantana
    Rehefa eo ampijerena horonan-tsary mivantana dia azonao atao ny mikisaka mankeo amin’ny dingana iray efa nandeha eo amin’ilay horonan-tsary na ny manindry ilay bokotra fampiatona, ary dia ho lasa volon-davenona ny lokon’ilay bokotra hoe mivantana. Ny fanindriana indray ilay bokotra hoe mivantana dia hampitsambikina ilay horonan-tsary ho lasa mivantana indray ary miverina ho lasa maintso ilay bokotra rehefa sary mivantana no jerena. (Rehefa mijery horonan-tsary amin’ny fotoana hitiavana azy dia tsy miseho ilay bokotra hoe mivantana ary azonao atao ny mikisaka amin’izay dingana tianao ao amin’ilay horonan-tsary
  8. Soratra ery ambanin’ny efijery
    Tsindrio ity bokotra ity raha hijery amin’ny endrika misy soratra ery ambanin’ny efijery. Raha te hijery ny soratra ambanin’ny efijery amin’ny fitaovana mandeha amin’ny iOS dia araho ireto torolalana ireto:

    • Tsindrio ny hoe “Fanamboarana”
    • Tsindrio ny hoe “Horonan-tsary”
    • Ataovy hoe “Alefa” ny hoe “Soratra ery ambanin’ny efijery”
  9. Efijery Manontolo
    Tsindrio ity bokotra ity raha te hijery ilay horonan-tsary amin’ny endrika efijery manontolo.

  10. Hamafin’ny Feo
    Tsindrio ity bokotra ity mba hifehezana ny hamafin’ny feo.