2010–2019
Fijoroana ho vavolombelona Mitombo
Aprily 2011


Fijoroana ho vavolombelona Mitombo

Ny fijoroana ho vavolombelona dia mitaky fanolokoloana avy amin’ny alalan’ny vavaky ny finoana, sy fahalinana higoka ny tenin’Andriamanitra ao amin’ny soratra masina, ary fankatoavana ny fahamarinana.

Ry zatovovavy zandry malalako, ianareo no fanantenana mamirapiratry ny Fiangonan’ny Tompo. Ny tanjoko anio hariva dia ny hanampy anareo hino fa marina izany. Raha afaka ny ho tonga fijoroana ho vavolombelona lalina avy amin’Andriamanitra izany finoana izany dia hanampy amin’ireo safidinareo isan’andro sy isan’ora. Avy eo dia hitarika anareo amin’ny fahasambarana izay tadiavinareo ny Tompo avy amin’ireo toa miendrika ho safidy madinidinika nataonareo. Amin’ny alalan’ny safidinareo no Hahafahany hitahy ireo hafa tsy hita isa koa.

Ny safidinareo hiaraka aminay anio hariva dia ohatra amin’ireo safidy izay manan-danja. Mihoatra ny iray tapitrisa ireo zatovovavy, sy reny ary mpitarika nasaina. Nisafidy ny hiaraka aminay ianareo manoloana ireo safidy maro hafa azonareo natao. Nanao izany ianareo noho ny finoanareo.

Mpino ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ianareo. Manam-pinoana ampy ianareo matoa tonga hihaino ireo Mpanompony ary manam-panantenana fa hitarika anareo amin’ny fiainana tsaratsara kokoa ny zavatra renareo na tsapanareo eto. Tsapanareo ao am-ponareo fa ny fanarahana an’i Jesoa Kristy no lalana mitondra amin’ny fahasambarana bebe kokoa.

Ankehitriny dia mety tsy ho tsapanareo ho safidy voalanjalanja izay manana ny maha-zava-dehibe azy tokoa izany. Mety ho ny fiarahana amin’ny namana na ny fianakaviana no nahasarika anareo ho tonga eto. Mety ho nanaiky tsotra fotsiny ny fanasana mba ho avy nataon’ny olona tsara fanahy iray ianareo. Kanefa na dia tsy tsapanareo aza izany dia tsapanareo ny sombintsombin’ny akon’ilay fanasan’ny Mpamonjy manao hoe: “Avia, Manaraha Ahy.”1

Nandritra izay adin’iray efa niarahantsika teto izay dia nampiorim-paka ny finoanareo Azy ny Tompo ary nanamafy ny fijoroanareo ho vavolombelona. Tsy teny sy hira fotsiny no renareo. Nahatsapa ny tenivavolombelon’ny Fanahy tao am-ponareo ianareo hoe misy mpaminany velona eto an-tany ato amin’ny Fiangonana marin’ny Tompo ary ny lalana mankany amin’ny fahasambarana dia hita ato amin’ny Fanjakany. Nitombo ny fijoroanareo ho vavolombelona fa ity no hany Fiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tany ankehitriny.

Mety tsy ho tena mitovy ny fahatsapana tsapantsika tsirairay avy. Ho an’ny sasany ny zavatra tsapany dia ny tenivavolombelon’ny Fanahy milaza hoe i Thomas S. Monson dia mpaminanin’Andriamanitra. Ho an’ny hafa ny zavatra tsapany dia hoe tena toetran’ny Mpamonjy tokoa ny fahamarinana, sy ny fahamendrehana ary ny fanaovan-tsoa amin’ny olon-drehetra. Ary vokatr’izany no nitsirian’ny faniriana mivaivay ny hitovy Aminy.

Samy manam-paniriana ny hanamafy orina ny fijoroanareo ho vavolombelona ny amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ianareo rehetra. Hitan’ny Filoha Brigham Young taona maro lasa izay ny zavatra ilainareo. Mpaminanin’Andriamanitra izy ary hitany araky ny fahitana ara-paminaniana 142 taona lasa izay ny zavatra ilainareo sy ny fanirianareo. Raim-pianakaviana be fitiavana sy mpaminany velona izy.

Hitany ny fahatongavan’ny fisarihan’izao tontolo izao tamin’ireo zanany vavy. Hitany fa nitarika azy ireo hanalavitra ny lalan’ny fahasambaran’ny Tompo ireo fisarihan’izao tontolo izao. Tamin’ny androny dia tamin’ny alalan’ny lalamby vaovao namakivaky ny kaontinanta izay nampitohy ireo Olomasina nitokana sy voaro tamin’izao tontolo izao no nahatongavan’ny ampahany tamin’ireo fisarihana ireo.

Mety tsy nahita ireo fahagagana ara-teknôlôjia misy ankehitriny izy hoe amin’ny alalan’ny fitaovana iray azonareo hazonina eny an-tanana dia hahafahanareo misafidy ny hikaroka ireo hevitra maro sy mifandray amin’ny olona tsy hita isa manerana an’izao tontolo izao. Kanefa hitany ny maha-sarobidy amin’ireo zanany vavy—sy aminareo—ny fanaovana safidy avy amin’ny fijoroana ho vavolombelona mahery ny amin’Andriamanitra be fitia sy velona ary ny amin’ny Drafitry ny fahasambarany.

Indreto ireo torohevitra mifono faminaniana sy nentanim-panahy ho an’ireo zanany vavy sy ho anareo.

Izany no votoatin’ny hafatra entiko anio hariva. Nilaza izy tao amin’ny efitrano iray tsy lavitra eto izay hiaingan’ity hafatra ity ankehitriny ho an’ireo zanakavavin’Andriamanitra amin’ny firenena maro manerana an’izao tontolo izao, hoe: “Ilain’ireo zanakavavy tanoran’i Isiraely ny mitombo amin’ny fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana.”2

Nanorina fikambanana iray hiarahan’ny zatovovavy izy izay antsointsika ankehitriny ato amin’ny Fiangonan’ny Tompo, hoe: “Zatovovavy.” Tsapanareo androany hariva ny sasantsasany amin’ireo vokatra tsara nentin’izany safidy nataony nandritra ny fivoriana iray indray Alahady hariva tao amin’ny efitrano fandraisam-bahinin’ny tokantranony.

Zato taona mahery aty aoriana dia zanakavavin’i Isiraely manerana an’izao tontolo izao no manana ilay faniriana hanana fijoroana ho vavolombelona mitombo momba ny fahamarinana ho an’ny tenany manokana. Amin’izao fotoana izao sy ho an’ny andro sisa iainanareo dia mila manana izany fijoroana ho vavolombelona mitombo sy velona izany ianareo mba hampatanjaka sy hitarika anareo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Ary noho izany dia ho lasa mpampita ny Hazavan’i Kristy amin’ireo anadahinareo sy rahavavinareo manerana an’izao tontolo izao sy amin’ireo taranaka mifandimby ianareo.

Fantatrareo avy tamin’ny zavatra niainanareo ny atao hoe fijoroana ho vavolombelona. Nampianatra ny Filoha Joseph Fielding Smith fa ny fijoroana ho vavolombelona “dia fahalalana mandresy lahatra nomena tamin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny [olona iray] izay nikatsaka tamim-panetren-tena ny fahamarinana.” Niresaka mikasika ny fijoroana ho vavolombelona sy ny Fanahy Masina izay mampahafantatra izany fanambarana izany izy, nanao hoe: “Ny heriny izay mandresy lahatra dia mahery vaika tokoa ka toa tsy misy fisalasalana intsony ao an-tsaina rehefa avy niteny ny Fanahy. Izany no hany fomba izay hahafahan’ny olona iray tena mahafantatra fa i Jesoa no Kristy ary marina ny filazantsarany.”3

Nahatsapa izany fitaomam-panahy izany teo amin’ny tenanareo koa ianareo. Mety ho fitaomam-panahy nanamafisana ny ampahany iray amin’ny filazantsara izany, tahaka izay tsapako izao hariva izao. Rehefa nandre ireo teny avy tao amin’ny Fanekempinoana faha-telo ambin’ny folo aho, manao hoe “ho marina, ho mahatoky, ho madio fitondrantena, ho antra olona,” dia amiko toy ny hoe ny Tompo no niteny izany. Nahatsapa indray aho fa ireo dia Toetrany. Nahatsapa aho fa i Joseph Smith dia Mpaminaniny. Ka noho izany dia tsy teny fotsiny ireo amiko.

Hitako tato an-tsaiko ireo lalan-tanin’i Jodia sy ny Sahan’i Getsemane. Tato am-poko dia nahatsapa farafahakeliny ampahany amin’ny hoe ho tahaka ny ahoana re izany hoe mandohalika tahaka ny nataon’i Joseph teo anoloan’ny Ray sy ny Zanakalahiny tao amin’ny alakely tao New York e! Tsy nahita hazavana teo amboniko nihoatra ny famirapiratan’ny masoandro tamin’ny andro mitataovovonana aho tato an-tsaiko tahaka ny hitany kanefa tena nahatsapa ny hafanana sy ny zava-mahatalanjona entin’ny fijoroana ho vavolombelona iray.

Ho tonga tsikelikely aminareo ny fijoroana ho vavolombelona rehefa voamarina aminareo ireo ampahan’ilay fahamarinana manontolo dia ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ohatra, rehefa mamaky sy mandalina ny Bokin’i Môrmôna ianareo, dia ho toy ny vaovao aminareo sy hitondra hevi-baovao ho anareo ireo andinin-tsoratra efa novakianao teo aloha. Hitombo eo amin’ny habeny sy eo amin’ny halaliny ny fijoroanareo ho vavolombelona rehefa manamafy ny fahamarinany aminareo ny Fanahy Masina. Hitombo ny fijoroanareo ho vavolombelona rehefa mianatra, sy mivavaka ary mandalina ny soratra masina ianareo.

Ny famaritana tsara indrindra ho ahy amin’ny fomba hahazoana sy hihazonana io fijoroana ho vavolombelona mitombo io dia efa noresahina. Hita ao amin’ny Almà toko faha- 32 ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izany. Mety efa novakianareo imbetsaka izany. Mahazo fahatakarana vaovao foana aho ao anatin’izany isaky ny mamaky izany. Handeha isika hamerina hijery ny lesona ampianarin’izany indray anio hariva.

Ampianarina avy amin’ireo hafatra nentanim-panahy ireo isika mba hanomboka ny fikatsahantsika fijoroana ho vavolombelona amin’ny alalan’ny “sombiny amin’ ny finoana” sy amin’ny faniriana ny mba hitomboan’izany.4 Anio hariva dia nahatsapa finoana ianareo sy izany faniriana izany eo am-pihainoana ireo lahateny mitaona fanahy mahakasika ny hatsaram-panahin’ny Mpamonjy, sy ny fahamarinan-toetrany, ary ny fahadiovana izay entin’ny Didiny sy ny Sorompanavotany ho antsika.

Izany hoe nisy voan’ny finoana efa nambolena ao am-ponareo. Mety efa nahatsapa ny sasantsasany tamin’ilay hoe mandrombona ao an-tratra izay nampanantenaina ao amin’i Almà ianareo. Izaho koa nahatsapa.

Kanefa toy ny hazo izay maniry dia tsy maintsy kolokoloina izany fa raha tsy izany dia halazo. Ireo vavaky ny finoana matetika sy vokatry ny fo dia tena zava-dehibe ary izany no tsiron-tany ilaina. Hihazona ny fijoroana ho vavolombelona azonareo ho velona hatrany ary hampatanjaka izany ny fankatoavana ny fahamarinana izay voarainareo. Ny fankatoavana ireo didy dia ampahan’ny fanolokoloana izay tsy maintsy ataonareo amin’ny fijoroanareo ho vavolombelona.

Tsaroanareo ny fampanantenan’ny Mpamonjy hoe: “Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy, na avy amin’Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho.”5

Nandaitra tamiko izany ary handaitra aminareo koa. Iray amin’ireo fotopampianarana izay nampianarina ahy fony aho zazalahy kely dia hoe ny fanomezana lehibe indrindra avy amin’Andriamanitra dia ny fiainana mandrakizay.6Nianatra aho fa ny ampahan’izany fiainana mandrakizay izany dia fiarahana miaina am-pitiavana amin’ny fianakaviana mandrakizay.

Hatramin’ny fotoana voalohany nandrenesako ireo fahamarinana ireo sy nanamafisana tato am-poko ny fahamarinan’izy ireo dia tsapako ny tokony hanaovako ny safidiko rehetra azoko atao mba hialana amin’ny fifandirana sy hikatsahana filaminana eo amin’ny fianakaviako sy ao an-tokantranoko.

Izany hoe, aorian’ity fiainana ity ihany anefa aho vao afaka ny hahazo ny fahafenoan’izany lehibe indrindra amin’ny fitahiana izany dia ny fiainana mandrakizay. Kanefa eo anatrehan’ireo fanamby eo amin’ity fiainana ity dia nomena sombim-pahitana kely aho ny amin’ny mety ho endri-pianakaviako any an-danitra. Avy amin’ireo zavatra niainana ireo, dia nitombo sy nihanatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananako mahakasika ny fisian’ny hery famehezana izay ampiasaina any amin’ny tempoly.

Ny fanatrehana ireo zanakovavy roa natao batisa tao amin’ny tempoly ho an’ireo razambeny dia nanosika ny foko hanatona azy ireo kokoa ary an’ireo razambe izay fantatra ny anarany. Nomena mba ho tanteraka eo aminay ilay fampanantenan’i Elia hoe hifampody ny fon’ny tsirairay ao amin’ny fianakaviana.7Ka noho izany dia lasa fahalalana tomombana amiko ny finoana arak’ilay nampanantenaina antsika ao amin’ny Bokin’i Almà.

Efa nahatsapa kely ny sasantsasany amin’ireo fifaliana izay tsapan’ireo razambeko aho tamin’ny nahatongavan’ny Mpamonjy tany amin’ny tontolon’ny fanahy taorian’ny asa fanompoana nataony teto an-tany. Toy izao ny famaritana izany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana:

“Ary ireo olomasina dia nifaly tamin’ ny fanavotana azy ireo ka nampilefitra lohalika ary nanaiky ny Zanak’ Andriamanitra ho Mpanavotra sy Mpanafaka azy ireo amin’ ny fahafatesana sy ny gadran’ ny helo.

“Namirapiratra ny tavan’ izy ireo, ary ny famirapiratana avy amin’ ny fanatrehana ny Tompo dia nitoetra tamin’ izy ireo, ary izy ireo dia nihira fiderana ho an’ ny anarany masina.”8

Ny fahatsapako ny fifalian’izy ireo dia azo avy tamin’ny fampiharana ny fijoroako ho vavolombelona fa ny fampanantenan’ny Tompo ny fiainana mandrakizay dia tena marina. Nihanatanjaka izany fijoroako ho vavolombelona izany noho ny fisafidianako ny hampihatra izany, arak’izay efa nampanantenain’ny Mpamonjy.

Nampianatra antsika koa Izy fa ankoatry ny fisafidianana ny ho mpankato dia tokony hangataka amim-bavaka koa isika mba hahazo fijoroana ho vavolombelon’ny fahamarinana. Nampianatra izany antsika ny Tompo tamin’ny Didiny hoe mba hivavaka mikasika ny Bokin’i Môrmôna. Hoy Izy tamin’ny alalan’i Môrônia Mpaminaniny hoe:

“Indro, ta hamporisika anareo aho, rehefa hamaky ireto zavatra ireto ianareo, raha toa ka fahendren’ Andriamanitra ny hamakianareo ireto, mba hahatsiarovanareo ny naha-feno famindram-po ny Tompo tamin’ ny zanak’ olombelona, hatry ny nahariana an’ i Adama ka hatramin’ ny fotoana izay handraisanareo ireto zavatra ireto sy ny hisainanareo izany ao am-ponareo.

“Ary rehefa handray ireto zavatra ireto ianareo, dia ta hamporisika anareo aho ny mba hanontanianareo an’ Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay, amin’ ny anaran’ i Kristy, raha tsy marina ireto zavatra ireto; ary raha manontany amin-kitsimpo ianareo, omban’ ny tena finiavana, sady manam-fpinoana an’ i Kristy, dia haneho ny fahamarinan’ izany aminareo Izy amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina.

“Ary amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ ny zava-drehetra.”9

Manantena aho fa efa nanandrana izany fampanantenana izany ho an’ny tenanareo manokana daholo ianareo na hanao izany ato ho ato. Mety tsy ho amin’ny alalan’ny zavatra iainana ara-panahy izay miseho indray mandeha sy mahery vaika ny valin’izany. Ho ahy dia tamim-pahanginana no nahatongavan’izany tamin’ny voalohany. Kanefa nihanahery ny fahatongavan’izany isaky ny namaky sy nivavaka mikasika ny Bokin’i Môrmôna aho.

Tsy miantehitra fotsiny amin’ny zavatra nitranga tamin’ny fotoana lasa aho. Mba hiarovako ny fitomboan’ny fijoroako ho vavolombelona ny amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia mandray matetika ilay fampanantenan’i Môrônia aho. Tsy raisiko ho fitahiana mandeha ho azy toy ny fanomezana voaray mandrakizay izany hoe fahazoana fijoroana ho vavolombelona izany.

Ny fijoroana ho vavolombelona dia mitaky fanolokoloana avy amin’ny alalan’ny vavaky ny finoana, sy fahalinana higoka ny tenin’Andriamanitra ao amin’ny soratra masina, ary fankatoavana ny fahamarinana izay voaraintsika. Mampidi-doza ny tsy firaharahiana ny vavaka. Mety hiteraka loza eo amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika ny fandalinana sy ny famakiana ny soratra masina indraindray fotsiny. Misy tsiron-tsakafo ilaina ho famahanana ny fijoroantsika ho vavalombelona.

Tsaroanareo angamba ilay teny fampitandreman’i Almà:

“Fa raha tsy miraharaha ny hazo ianareo sy tsy manana eritreritra ny amin’ ny famahanana azy, dia indro tsy hiorim-paka izy; ary rehefa tonga ny hafanan’ ny masoandro, dia mandazo azy, satria tsy niorim-paka izy, ka maina, dia ongotanareo sy arianareo.

“Ankehitriny, izany dia satria tsy ny voa no tsy tsara, na satria koa tsy mampilendalenda ny voany; fa izany dia satria karakaina ny taninareo ary tsy te hamahana ny hazo ianareo, noho izany ianareo dia tsy afaka hanana ny voany.”10

Tsy maintsy ampiharina tsy tapaka sy mitohy ny fivokisana amin’ny Tenin’Andriamanitra, sy ny vavaka vokatry ny fo ary ny fankatoavana ny didin’ny Tompo mba hahafahan’ny fijoroanareo ho vavolombelona hitombo sy hiroborobo. Misy fotoana izay iainantsika rehetra toe-javatra izay tsy voafehintsika ka manakana ny drafitra fandalinantsika ny soratra masina. Mety misy fotoana hisafidianantsika ny tsy hivavaka. Mety misy didy izay safidiantsika tsy horahirahiana mandritra ny fotoana voafetra.

Kanefa tsy hanana ilay faniriana ny hahazo ny fitomboana eo amin’ny fijoroana ho vavolombelona ianareo raha toa ka manadino ny teny fampitandremana sy fampanantenan’i Almà manao hoe:

“Ary dia toy izany, raha tsy te hamahana ny teny ianareo, ka miandrandra amin’ ny masom-pinoana ny voany, no tsy ahafahanareo na oviana na oviana mioty ny voa avy amin’ ilay hazon’ aina.

“Nefa raha mamahana ny teny ianareo, eny, mamahana ny hazo raha manomboka mitombo izy, amin’ ny finoanareo miaraka amin’ ny fahazotoana be sy miaraka amin’ ny faharetana, sady miandrandra ny voany, dia hiorim-paka izy; ary indro izy ho tonga hazo maniry hatrany amin’ ny fiainana maharitra mandrakizay.

“Ary noho ny fahazotoanareo sy ny finoanareo ary ny faharetanareo amin’ ny teny, amin’ ny famahanana azy mba hahazoany miorim-paka ao aminareo, dia indro, raha afaka kelikely ianareo dia hioty ny voany izay tena sarobidy, izay mamy manoatra noho ny rehetra izay mamy, ary izay fotsy manoatra noho ny rehetra izay fotsy, eny, ary madio manoatra noho ny rehetra izay madio; ary hivoky amin’ izany voankazo izany ianareo, mandra-pahavoky anareo ka tsy ho noana ianareo sady tsy hangetaheta.

“Amin’ izay … dia hotazanareo ny lokan’ ny finoanareo sy ny fahazotoanareo, ary ny faharetanareo sy ny fahariponareo amin’ ny fiandrasana ny hazo hitondra voa ho anareo.”11

Ireo teny ao amin’izany soratra masina izany manao hoe “sady miandrandra ny voany,” no nitarika ny fampianarana feno fahendrena izay noraisinareo androany hariva. Izany no antony hitodihan’ny masonareo amin’ny andro iray izay hoavy ao amin’ny efitrano famehezan’ny tempoly iray. Izany no antony nanampiana anareo hibanjina anio hariva ny fahazavana mitohy sy tsy misy fiafarana asehon’ireo fitaratra manoloana anareo eo amin’ny rindrin’ny efitrano famehezana izay toerana azo hanaovana ny fanambadianareo ao amin’ny tempolin’Andriamanitra.

Raha afaka miandrandra izany andro izany ianareo amin’ny faniriana ampy azo avy amin’ny fijoroana ho vavolombelona dia hahazo tanjaka handresena ny fakam-panahin’izao tontolo izao. Isaky ny misafidy ny hiaina bebe kokoa tahaka ny Mpamonjy ianareo dia hohamafisina ny fijoroanareo ho vavolombelona. Ho avy ny fotoana hahafantaranareo manokana fa Izy no Fahazavan’Izao Tontolo Izao.

Hahatsapa ny fitomboan’ny fahazavana eo amin’ny fiainanareo ianareo. Tsy ho tonga anefa izany raha tsy misy ezaka. Kanefa ho avy izany rehefa mitombo ny fijoroanareo ho vavolombelona ary misafidy ny hanolokolo izany ianareo. Izao no fampanantenana azo antoka avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: “Izay avy amin’ Andriamanitra dia hazavana; ary izay mandray hazavana sy mitoetra ao amin’ Andriamanitra dia handray hazavana misimisy kokoa; ary izany hazavana izany dia mihamamiratra hatrany hatrany mandra-pitataovovonan’ ny andro.”12

Ho tonga fahazavana ho an’izao tontolo izao ianareo rehefa mizara ny fijoroanareo ho vavolombelona amin’ny hafa. Hisy fiantraikany eo amin’ny hafa ny fahazavan’i Kristy eo amin’ny fiainanareo. Hahita fomba hikasihana ireo izay tianao amin’izany hazavana izany ny Tompo. Ary amin’ny alalan’ny fitambaran’ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelon’ireo Zanany vavy dia hikasika ny fiainan’ireo an-tapitrisany maro eo amin’ny Fanjakany sy ireo manerana an’izao tontolo izao amin’izany Hazavany izany Andriamanitra.

Miankina amin’ny fijoroanareo ho vavolombelona sy ny safidinareo ny fanantenan’ny Fiangonana sy ny an’ireo taranaka izay hanaraka ny ohatry ny fampandrianareo sofina sy ny fanekenareo ilay fanasana nataon’ny Tompo hoe: “Avia, manaraha Ahy.” Fantatry ny Tompo ianareo ary tiany.

Zaraiko aminareo ny fitiavako sy ny fijoroako ho vavolombelona. Ianareo dia Zanakavavin’ny Ray any an-danitra be fitiavana sy velona. Fantatro fa ny Zanakalahiny nitsangana tamin’ny maty, i Jesoa Kristy, no Mpamonjy sy fahazavan’izao tontolo izao. Ary mijoro ho vavolombelona aho fa ny Fanahy Masina dia nampita hafatra ho anareo androany hariva nanamafy orina ny fahamarinana tao am-ponareo. Mpaminany velon’Andriamanitra ny Filoha Thomas S. Monson. Izany no ijoroako ho vavolombelona, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

  1. Lioka 18:22.

  2. Brigham Young, in A Century of Sisterhood: Chronological Collage, 1869–1969 (1969), 8.

  3. Joseph Fielding Smith, Answers to Gospel Questions, natambatr’i Joseph Fielding Smith Jr., Boky 5. (1957–66), 3:31.

  4. Jereo ny Almà 32:27.

  5. Jaona 7:17.

  6. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7.

  7. Jereo ny Malakia 3:23–24; Joseph Smith—Tantara 1:38–39.

  8. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:23--24.

  9. Môrônia 10: 3–5.

  10. Almà 32:38–39.

  11. Almà 32:40–43.

  12. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:24.