2010–2019
Faneva ho an’ireo Firenena
Aprily 2011


Faneva ho an’ireo Firenena

Raha mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy isika sy mihaino amin’ny alalan’ny Fanahy, dia hisy olona sasantsasany amintsika izay handray an-tanana ny toe-javatra iainantsika.

Nanohina ahy ny feo rehetran’ny hira nohiraina sy ny teny rehetra nolazaina ka mivavaka aho mba ho afaka ny hiteny.

Talohan’ny nialana tao Nauvoo tamin’ny ririnina 1846, dia nanofy ny Filoha Brigham Young izay nahitany anjely iray nijoro teo amin’ny havoana izay miendrika kitso loha tany amin’ny faritra Andrefana tany ary nanondro ilay lohasaha teo ambanin’izany ilay anjely. Rehefa niditra teo amin’ny Lohasahan’i Salt Lake izy 18 volana taty aoriana dia hitany teo ambonin’ity toerana ivoriantsika ity mihitsy ny fijoalajoalan’ilay havoana izay hitany tao amin’ilay fahitana.

Araka ny efa voalaza matetika teo amin’ity polpitra ity, dia nitondra mpitarika maromaro teny an-tampon’izany havoana izany Rahalahy Brigham ary niantso izany hoe Tampon’ny Faneva, anarana iray izay mifono dikany ara-pinoana ho an’ireto Isiraelita maoderina ireto. Dimanjato sy roa arivo taona talohan’izany dia nanambara ny mpaminany Isaia fa amin’ny andro farany, “ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra” ary eo no hananganany “faneva ho an’ny jentilisa.”1

Noho ny fahitan’ireo rahalahy izany fotoana tao anatin’ny tantara izany ho toy ny fahatanterahana amin’ny ampahany an’izany faminaniana izany, dia naniry ny hanofahofa karazana saina iray izy ireo mba hanehoana ara-bakiteny ilay hevitra hoe “faneva ho an’[ireo firenena].” Namoaka lamba fehitenda mavomavo ny Loholona Heber C. Kimball. Nofatoran’ny Rahalahy Brigham tamin’ny tehina nentin’ny Loholona Willard Richards izany ary avy eo dia natsatony ilay saina vao noforonina ary nanambarany fa ny lohasaha Lehiben’i Salt Lake sy ireo tendrombohitra manodidina azy dia ilay toerana voalaza tao amin’ny faminaniana izay hivoahan’ny tenin’ny Tompo amin’ny andro farany.

Ry rahalahy sy rahavavy, ity fihaonamben’ny Fiangonana ity sy ilay fihaonambe fanao isan-taona sy isaky ny tapa-taona dia fitohizan’izany fanambarana tany aloha tany izany ho an’izao tontolo izao. Mijoro ho vavolombelona aho fa ireo zava-niseho tao anatin’izay roa andro lasa izay dia mbola porofo bebe kokoa anankiray araka ny filazan’ilay hirantsika hoe: “Jereo fa manangana ny fanevany i Ziona” 2— Tsy kisendrasendra akory ny nahatonga ny famoahana amin’ny teny anglisy ireo hafatsika avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana ao anatin’ny gazetiboky izay antsoina tsotra izao hoe: Ensign (Ilay Faneva).

Satria efa akaiky hifarana ny fihaonambentsika dia mangataka anareo aho ao anatin’ireo andro ho avy mba tsy handinika fotsiny ireo hafatra henonareo fa koa handinika ny maha-zava-mahatalanjona manokana ny fihaonamben’ny Fiangonana—eritrerireto hoe inona no dikan’ny fihaonambe toy izao ho antsika Olomasin’ny Andro Farany ary inona ao amin’izany no hanasantsika an’izao tontolo izao mba hohenoiny sy hodinihiny. Mijoro ho vavolombelona amin’ireo firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra isika fa tsy velona fotsiny Andriamanitra fa miresaka koa Izy ary amin’izao vanimpotoanantsika sy androntsika izao ny torohevitra henonareo dia eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina, “sitrapon’ny Tompo, …tenin’ny Tompo, … feon’ny Tompo, dia ny herin’Andriamanitra ho famonjena.”3

Angamba efa fantatrareo (fa raha tsy fantatrareo dia tokony hofantarinareo) fa tsy misy lehilahy na vehivavy izay mandray fitenenana eto ka omena lohahevitra iray ho resahany, fa tena mahalana vao misy an’izany. Tsy maintsy mifady hanina sy mivavaka ny tsirairay ary mandalina sy mikaroka, mamerimberina manoratra ny lahateniny mandrapahazoan’izy ireo toky fa amin’ity fihaonambe ity sy amin’ity fotoana ity, ny lohahevitr’izy ireo no tian’ny Tompo hozarainy na inona na inona fanirian’izy ireo manokana na zavatra tian’izy ireo horesahana. Ireo lehilahy sy vehivavy rehetra henonareo nandritra izay adiny 10 efa lasa teto amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana izay dia niezaka nanaraka izany bitsika izany. Samy nitomany ny tsirairay ary niahiahy sy nitady mafy ny fitarihan’ny Tompo mba hitantana ny eritreriny sy ny teniny. Ary toy ny nahitan’i Brigham Young anjely iray nijoro teto ambonin’ity toerana ity no ahitako koa anjely izay mijoro eo amin’izany. Mety tsy dia hahazo aina loatra ireo rahalahiko sy anabaviko eo anivon’ireo manampahefana ambonin’ny Fiangonana noho ny fiantsoako azy ireo hoe anjely, saingy izay no fahitako azy ireo—olombelona mpitondra hafatra miaraka amin’ny hafatra toy ny avy amin’ny anjely, lehilahy sy vehivavy izay manana ireo olana rehetra ara-batana sy ara-bola ary olana eo amin’ny fianakaviana toy izaho sy ianao, saingy niaraka tamin’ny finoana dia nanokana ny fiainany amin’ireo antso izay tonga teo amin’izy ireo sy ny adidy hitory ny tenin’Andriamanitra fa tsy ny azy.

Diniho ny karazana hafatra henonao—izay mahatonga ny fihaonambe ho tena mahagaga kokoa satria tsy misy ny fandrindrana lohahevitra afa-tsy amin’ny alalan’ny fitarihan’ny lanitra ihany. Nahoana moa izy ireo no misy karazany samihafa? Ny ankamaroan’ny mpiangona ato amintsika na ireo manatrika eto izany na ny tsy eto dia mpikamban’ny Fiangonana. Kanefa noho ireo fomba fifandraisana vaovao izay mahatalanjona, dia misy ampahany lehibe amin’ireo mpihaino na mpijery ny fihaonambentsika izay tsy mitsaha-mitombo no mbola tsy mpikamban’ny Fiangonana. Noho izany dia tsy maintsy miresaka amin’ireo izay mahafantatra tsara antsika isika ary koa amin’ireo izay tsy mahafantatra antsika mihitsy. Ao anatin’ny Fiangonana fotsiny ohatra dia tsy maintsy miresaka amin’ny ankizy, ny zatovo sy ny tanora zokiny, ny olon-dehibe ary ireo efa antitra isika. Tsy maintsy miresaka amin’ny fianakaviana sy ny ray aman-dreny ary ny zanaka ao an-tokantrano isika toy ny tsy maintsy iresahantsika koa amin’ireo izay tsy manambady, tsy manan-janaka ary ireo izay tena lavitry ny fonenany. Mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana, izahay dia manamafy foana ireo fahamarinana mandrakizay momba ny finoana, fanantenana, fiantrana 4 ary ny nanomboana an’i Kristy tamin’ny hazo fijaliana5 toy ny tsy maintsy iresahanay mivantana momba ireo olana manokana ara-pitsipi-pitondrantena miseho amin’izao androntsika izao. Nodidiany isika ao amin’ny soratra masina mba “tsy hilaza na inona na inona afa-tsy fibebahana amin’ity taranaka ity” 6 ary miaraka amin’izay koa, isika dia tokony hitory “teny soa mahafaly amin’ireo mpandefitra [ary] hahasitrana ny torotoro fo.” Ireo hafatra mandritra ny fihaonambe ireo na inona na inona endriny dia “mitory fanafahana amin’ny babo” 7 ary manambara “ny haren’i Kristy tsy hita lany.” 8 Noho ireo karazana lahateny maro zaraina dia eritreretina fa samy hahazo izay ilainy ny rehetra. Hain’ny Filoha Harold B. Lee tsara araka ny eritreritro ny namaritra an’izay lafiny izay taona maro lasa izay rehefa nilaza izy hoe: “Rehefa jerena, ny filazantsara dia natao hampaherezana izay ory ary hampahoriana [izay miadana].”9

Ezahanay foana izay hahatonga ny fampianaranay mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana mba haneho fitiavana sy hanolo-tanana araka ny nampianarin’i Kristy tany am-boalohany ary rehefa manao izany izahay dia mitadidy an-tsaina ny fitsipi-pifehezana izay miaraka foana amin’ny hafany. Tao anatin’ilay toriteny malaza indrindra natao hatramin’izay, dia nanomboka tamin’ny fanambarana tamin’ny fomba mampitolagaga fitahiana feno fitiavana izay iriantsika tsirairay ho azo Izy—fitahiana nampanantenaina ny malahelo am-panahy, ny madio am-po, ny mpampihavana ary ny malemy fanahy.10 Tena manome hery ireo Fahasambarana ireo ary tena mampitony ny fanahy. Marina izy ireo. Saingy tao anatin’izany toriteny izany ihany, ny Mpamonjy dia nanohy nampiseho fa tena ho tery hatrany ny lalan’ny mpampihavana sy ny madio am-po. “Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: Aza mamono olona,” Hoy Izy. “Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin’ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin’ny fitsarana.” 11

Ary torak’izany koa no nilazany hoe:

“Efa renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga:

Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia nijangajanga taminy tam-pony sahady.””12

Mazava ho azy fa rehefa lasa mpianatra tsara kokoa isika dia maro ny zavatra antenaina avy amintsika mandrapiatrehantsika ilay fangatahana faratampony izay mampitahotra ao amin’ilay toriteny manao hoe: “Koa amin’izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo Izay any an-danitra.”13 Ilay zavatra tsotra tany am-piandohan’ny fanehoana fahatokiana dia lasa henjana sy tena mitaky zavatra maro rehefa tonga any amin’ny ambaratonga faran’ny maha-tena mpanara-dia marina. Mazava ho azy fa ireo izay mieritreritra fa nampianatra i Jesoa hoe tsy tompon’andraikitra amin’ny fahotany ny olona dia tsy namaky tsara ny soratra masina! Tsia, raha mikasika ny maha-mpanara-dia antsika, ny Fiangonana dia tsy hotely mpanao sakafo vita haingana izay ahafahantsika mangataka izay “tadiavintsika.” Indray andro any, ny lohalika rehetra dia handohalika ary ny lela rehetra dia hiaiky fa i Jesoa no Kristy ary amin’ny Alalany ihany no ahatongavan’ny famonjena. 14

Na dia te-hitory tsara ireo fahamarinana henjana sy ireo fahamarinana mampitony aza izahay ao anatin’ireo hafatry ny fihaonamben’ny Fiangonana zarainay, dia matokia ianareo fa rehefa miresaka momba ireo lohahevitra sarotra izahay dia azonay tsara fa tsy ny rehetra akory no mijery pôrnôgrafia, mandositra ny fanambadiana na manao firaisana ara-nofo tsy ara-dalàna. Fantatray fa tsy ny olona rehetra akory no tsy manaja ny Sabata, na mijoro ho vavolombelona mandainga, na manao herisetra amin’ny vadiny. Fantatray fa ny ankamaroan’izay mijery sy mihaino anay diatsy meloka amin’ny zavatra toy izany, saingy isika dia eo ambanin’ny didy masina mba hampitandrina ireo izay meloka, na aiza na aiza misy azy ireo eto an-tany. Noho izany raha miezaka manao izay vitanareo ianareo—raha toa, ohatra, ianareo ka miezaka foana manao takarivan’ny mpianakavy na dia eo aza ny korontandrotana izay matetika miseho any amin’ny trano feno mpanakorontana kely be dia be—dia afaka milaza amin’ny tenanareo ianareo fa manao tsara izany rehefa miresaka izany lohahevitra izany izahay ary mihainoa lahateny iray hafa izay miresaka lohahevitra iray izay mila hanaovanareo ezaka. Raha mampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy izahay ary mihaino amin’ny alalan’ny Fanahy ianareo, dia hisy hiresaka momba ny zavatra mifandray amin’ny toe-javatra iainanareo ny sasany aminay ary izany dia toy ny mandefa hafatra ara-paminaniana izay ho anareo manokana.

Ry rahalahy sy rahavavy, mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana dia manolotra ny fijoroana ho vavolombelonay izahay izay mitohy amin’ireo fijoroana ho vavolombelona ho avy satria na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana dia tsy maintsyho re ny feon’Andriamanitra. Hoy ny Tompo tamin’ireo mpaminaniny hoe: “Naniraka anareo Aho ho vavolombelona manambara sy hampitandrina ny olona.”15

“[Ary] aorian’ny tenivavolombelonareo dia tonga ny tenivavolombelon’ny horohoron-tany, … ny feom-baratra, … sy ny feon’ny tselatra, sy … ny feon’ny tafio-drivotra, sy ny feon’ny onjan-dranomasina miantoraka any ankoatra ny morony. …

“Ary ireo anjely … [dia hihiaka] amin’ny feo mahery sady hitsoka ny trompetran’Andriamanitra.”16

Ankehitriny ireo anjely eto an-tany ireo izay tonga teto amin’ity polpitra ity dia samy “nitsoka ny trompetran’Andriamanitra” tamin’ny fombany. Ny lahateny rehetra zaraina, rehefa faritana, dia sady fijoroana ho vavolombelona maneho fitiavana no fampitandremana foana, toy ny hijoroan’ny natiora koa ho vavolombelona amim-pitiavana sy toy ny maha-fampitandremana azy amin’izao andro farany izao.

Ankehitriny, afaka fotoana fohy dia ho avy eto amin’ity polpitra ity ny Filoha Monson hamarana ity fihaonambe ity. Mamela ahy ianareo hilaza zavatra manokana momba an’io lehilahy malala sy Apôstôly zokiny indrindra io ary mpaminany amin’izao andro iainantsika izao. Raha dinihina ireo andraikitra nolazaiko teo ireo sy ireo zavatra rehetra henonareo nandritra ity fihaonambe ity dia hita miharihary fa tsy mora ny fiainan’ireo mpaminany ary tsy mora ny fiainan’ny Filoha Monson. Niresaka manokana momba izany izy omaly hariva nandritra ny fivorian’ny fisoronana. Voantso ho apôstôly izy tamin’ny faha-36 taonany ary ireo zanany dia 12 taona sy 9 taona ary 4 taona tamin’izany. Nomen-drahavavy Monson sy ny zanany ho an’ny Fiangonana sy ireo andraikiny nandritra ny 50 taona mahery izao ilay vadiny sy rainy. Nahazaka ireo aretina sy zavatra takiana izy ireo sy ireo olana madinidinika eo amin’ny fiainana izay atrehan’ny rehetra, ary ny sasany amin’izany dia azo antoka fa ho atrehiny amin’ny hoavy. Saingy ny Filoha Monson dia mitoetra ho miran-dava foana ao anatin’izany rehetra izany. Tsy misy zavatra mety mahakivy azy. Manana finoana sy faharetana miavaka izy.

Ry Filoha, ho an’ny olona rehetra hita manatrika etoana sy izay tsy hita dia lazaiko fa tianay ianao ary hajainay. Ohatra ho anay rehetra ny fanoloran-tena asehonao. Misaotra anao izahay noho ny fitarihanao. Tia anao sy manohana anao ary mifanome tanana miaraka aminao ao amin’ity asa ity ireo efatra ambin’ny folo hafa mihazona ny anjara fanompoan’ny apôstôly, miampy ireo olon-kafa mipetraka ety ambony ety sy ireo olona mipetraka manatrika antsika ary ireo olona maro dia maro mivory manerana an’izao tontolo izao. Izahay dia manavaina ny enta-mavesatrao amin’izay fomba rehetra azonay hanaovana izahay. Ianao dia iray amin’ireo mpitondra hafatra toy ny an’ny anjely izay voantso talohan’ny nanorenana an’izao tontolo izao mba hanofahofa ilay fanevan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’izao tontolo izao. Ataonao amin’ny fomba tena tsara izany. Izaho dia mijoro ho vavolombelona momba izany filazantsara ambara izany sy ny famonjena omeny ary Ilay manome izany amin’ilay anarana lehibe sy be voninahitr’i Jesoa Kristy Tompo amena.

  1. Isaia 2:2; 11:12.

  2. “Le Jour Paraît Chassant la Nuit,” Cantiques, no. 1.

  3. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:4.

  4. Jereo ny 1 Korintiana 13:13.

  5. Jereo ny 1 Korintiana 1:23.

  6. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:9; 11:9.

  7. Isaia 61:1.

  8. Efesiana 3:8.

  9. Jereo ny Harold B. Lee, in “The Message,” New Era, Jan. 1971, 6.

  10. Jereo ny Matio 5:3–12.

  11. Matio 5:21–22; jereo koa ny 3 Nefia 12:22.

  12. Matio 5:27–28.

  13. Matio 5:48.

  14. Jereo ny Romana 14:11; Mosià 27:31.

  15. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:81.

  16. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:89–90, 92.