2010–2019
Eto am-pamaranana
Aprily 2011


Eto am-pamaranana

Mino aho fa tsy misy na dia iray amintsika aza afaka mahatakatra ny tena lanjan’ny zavatra nataon’i Kristy tao Getsemane, kanefa feno fankasitrahana aho isan’andro isan’andro eo amin’ny fiainako ny amin’ny Sorompanavotana nataony ho antsika.

Ry rahalahiko sy anabaviko, feno ny foko eto am-pamaranana ity fihaonambe ity. Nirotsahan’ny Fanahin’ny Tompo sesehena tokoa isika. Maneho ny fankasitrahako aho sy ny fankasitrahan’ ireo mpikamban’ny Fiangonana na aiza na aiza tamin’ny fandraisan’anjaran’ny tsirairay, isan’izany ireo nanolotra ny vavaka. Enga anie ka hotsaroantsika ireo hafatra rentsika. Rehefa mandray ny bokyEnsign sy Liahona izay ahitana izany hafatra izany an-tsoratra isika dia enga anie isika hamaky sy handalina izany.

Ireo hira nandritra ny fivoriana rehetra dia mbola tena nahafinaritra foana. Maneho ny fankasitrahako manokana ireo izay mizara an-tsitrapo ny talentany ho amintsika aho, izay mahasika ny fo sy mitaona fanahy nandritra ity fotoana ity.

Nanohana, tamin’ny alalan’ny fananganana tanana, ireo Rahalahy izay vao avy nantsoina amin’ny antso vaovao isika nandritra ity fihaonambe ity. Tianay ho fantatr’izy ireny fa miandrandra ny fotoana hiarahana hiasa amin’izy ireny tokoa izahay eo amin’ny asan’ny Tompo.

Maneho ny fitiavako sy ny fankasitrahako ireo mpanolotsaiko be fanoloran-tena koa aho, dia ny Filoha Henry B. Eyring sy Filoha Dieter F. Uchtdorf. Lehilahy feno fahendrena sy manam-pahalalana tokoa izy ireo. Tsy ho voavidy vola ireo asa ataony. Tiako ary manohana ireo rahalahy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo aho. Manompo amim-pahombiazana tokoa izy ireo, ary manolotra ny tenany manontolo amin’ity asa ity. Maneho ny fisaorako ireo mpikambana ao amin’ny Fitopololahy sy ny Episkôpà Mpiahy koa aho.

Miatrika fanamby maro isika eto amin’izao tontolo izao ankehitriny, kanefa manome toky aho fa ny Raintsika any an-danitra dia miahy ny amintsika. Tiany isika tsirairay avy ary hitahy antsika Izy raha mikatsaka Azy amin’ny alalan’ny vavaka sy miezaka ny mitandrina ny Didiny isika.

Fiangonana hita maneran-tany isika. Hita manerana an’izao tontolo izao ny mpikamban’ny Fiangonantsika. Aoka isika ho olom-pirenena vanona eo amin’ny firenena izay hipetrahantsika ary ho mpiray vodirindrina tsara fanahy eo amin’ny fiaraha-monintsika, manampy ireo izay tsy amin’ny finoantsika sy ny ireo ao aminy koa. Aoka isika ho ohatra amin’ny fahamarinan-toetra sy tsy mivadi-pitokisana na aiza na aiza alehantsika ary na inona na inona ataontsika.

Misaotra noho ny vavaka ataonareo ho ahy ry rahalahy sy ranabavy, ary ho an’ireo Manampahefana Ambony rehetra ato amin’ny Fiangonana. Velom-pisaorana lalina anareo sy amin’izay rehetra ataonareo mba hampandrosoana ity asan’ny Tompo ity izahay.

Enga anie ka ho tafaverina soa aman-tsara any an-tokantranonareo ianareo. Ny fitahian’ny lanitra anie hirotsaka aminareo.

Ankehitriny alohan’ny hisarahantsika androany dia mamelà ahy hizara aminareo ny fitiavako ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotana lehibe izay nataony ho antsika. Afaka telo herinandro dia hankalaza ny fotoan’ny Paska ny Kristianina maneran-tany. Mino aho fa tsy misy na dia iray aza amintsika afaka mahatakatra ny tena lanjan’ny zavatra nataon’i Kristy ho antsika tao Getsemane, kanefa feno fankasitrahana aho isan’andro isan’andro eo amin’ny fiainako ny amin’ny Sorompanavotana nataony ho antsika.

Tamin’ny fotoana farany dia afaka nihemotra Izy, saingy tsy nanao izany. Nidina tambanin’ny zava-drehetra Izy mba hamonjeny ny zava-drehetra. Teo am-panaovany izany dia nanolotra ny fiainana ho antsika Izy ankoatry ny fiainana an-tany. Nanavotra antsika tamin’ny Fahalavoan’i Adama Izy.

Amin’ny foko iray manontolo no hanehoako fankasitrahana Azy. Nampianatra antsika ny fomba hananana fiainana tsara Izy. Nampianatra antsika ny fomba hahafatesana Izy. Manome antoka ny amin’ny famonjena ho azontsika Izy.

Eto am-pamaranana dia mamelà ahy hizara aminareo teny mampihetsimpo nosoratan’i Emily Harris izay mamaritra tsara ny fahatsapana ananako rehefa mby akaiky ny Paska:

Foana ny lambam-paty izay namonosana Azy teo.

Nivalona teo izany,

Fotsy ary tena madio.

Nisokatra ny varavarana.

Nikodiadia ny vatobe,

Ary toy ny maheno ireo anjely mihoby Azy aho.

Tsy nahasakana Azy ny lambam-paty.

Voakodia niala ny vato.

Nanakoako avy tao amin’ilay efi-bato efa foana ireo teny hoe,

“Tsy ato Izy.”

Foana ilay lambam-paty namonosana Azy teo.

Nivalona teo izany,

Fotsy ary tena madio.

Ary ô endrey, haleloia, foana izany.1

Ho anareo anie ny fitahiana ry rahalahy sy ranabaviko. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, Mpamonjy antsika, amena.

  1. Emily Harris, “Empty Linen,” New Era, Apr. 2011, 49.