2010–2019
Aoka Ianao ho Tonga Tahaka ny Ankizy Kely
Aprily 2011


Aoka Ianao ho Tonga Tahaka ny Ankizy Kely

Raha manana fo te hianatra sy fahavononana hanaraka ny ohatra asehon’ny ankizy isika dia ny toetra araka an’Andriamanitra ananan’izy ireo no afaka manana ilay fanalahidy izay mamoha ny fivoarantsika ara-panahy manokana.

Ao anatin’ny fahendreny sy ny fitiavany lehibe, ny Raintsika any an-danitra dia mandefa ireo zanakalahiny sy zanakavaviny ara-panahy eto amin’ity tany ity ho toy ny ankizy. Tonga ao amin’ny fianakaviana izy ireo tahaka ny fanomezana sarobidy miaraka amin’ny toetra sy sori-piainana araka an’Andriamanitra. Ny Raintsika any an-danitra dia mahafantatra fa ny ankizy dia fitaovana tena ilaina amin’ny fanampiana antsika ho tonga tahaka Azy. Maro tokoa ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ny ankizy.

Izany fahamarinana manan-danja izany dia voaporofo taona maro lasa izay raha notendrena ho any Hong Kong ny mpikambana tao amin’ny Fitopololahy iray. Namangy paroasy tena mahantra iray izay nitolona tamin’ny sehatra maro izy, ary tsy nahavita nizaka tena akory tamin’ny zavatra nilaina tao aminy. Raha namaritra ny toe-javatra niainan’izy ireo ny eveka dia nahatsapa ilay Manam-pahefana Ambony fa tokony hampandoavina fahafolonkarena ireo mpikambana. Ilay eveka, izay nahalala ny toe-piainan’izy ireo tena nahakivy dia niasa saina nikasika ny fomba hanatanterahany izany torohevitra izany. Nieritreritra an’izany izy ary nanapa-kevitra fa hiresaka amin’ny sasantsasany amin’ireo mpikamban’ny paroasiny izay manam-pinoana indrindra ary hangataka azy ireo mba handoa ny fahafolonkarenany. Ny Alahady manaraka dia nandeha tao amin’ny Kilonga izy. Nampianatra ny ankizy momba ny lalàn’ny fahafolonkarenan’ny Tompo izy ary nanontany raha toa ka vonona ny handoa ny fahafolonkarena amin’ny vola izay azony izy ireo. Nilaza ireo ankizy fa hanao izany. Ary dia nanao izany tokoa izy ireo.

Taty aoriana dia nankao amin’ny olon-dehibe tao amin’ny paroasy ny eveka ary dia nizara tamin’izy ireo fa nandritra ny enim-bolana lasa dia nandoa fahafolonkarena ny zanak’izy ireo izay mahatoky. Nanontany azy ireo izy raha vonona ny hanaraka ny ohatr’ireo ankizy izy ireo ka hanao tahaka izany. Tohina noho ny fahavononan’ireo ankizy nanao fahafoizan-tena ny fon’ireo olona hany ka nanao izay nilaina izy ireo mba handoavana ny fahafolonkarena. Ary dia nisokatra ny varavaran’ny lanitra. Noho ny ohatr’ireto ankizy mahatoky ireto dia nitombo tao anatin’ny fankatoavana sy tao anatin’ny fijoroana ho vavolombelona ny paroasy iray.

I Jesoa Kristy mihitsy no nampianatra antsika mba handray ireo ankizy ho fianarana. Ny Testamenta Vaovao dia mirakitra ny valinteniny rehefa niady hevitra ireo Apôstôliny mikasika ny hoe iza no tokony ho lehibe indrindra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra. Namaly ny fanontanian’izy ireo i Jesoa tamin’ny lesona kely nefa mahery vaika izay nampiasana zavatra azo tsapain-tànana. Niantso ankizy kely iray hankeo Aminy Izy ary nametraka azy teo afovoan’izy ireo ary niteny hoe:

“Raha tsy miova ianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely dia tsy hiditra amin’ny Fanjakan’ny lanitra mihintsy hianareo.

“Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra” (Matio 18:3–4).

Inona no tokony hianarantsika avy amin’ny ankizy? Inona avy ireo toetra tsara ananan’izy ireo ary inona no ohatra izay asehon’izy ireo ka afaka manampy antsika amin’ny fivoarantsika manokana ara-panahy?

Ireo zanaka sarobidin’Andriamanitra ireo dia tonga eo amintsika miaraka amin’ny fo mino. Feno finoana izy ireo ary mora mandray ireo fahatsapana avy amin’ny Fanahy. Ohatra velon’ireo toetra tsara toy ny fanetren-tena sy ny fankatoavana ary ny fitiavana izy ireo. Izy ireo matetika no tia voalohany sy mamela heloka voalohany.

Mamelà ahy hizara toe-javatra niseho sasantsasany izay maneho ny fomba ahafahan’ny ankizy mitahy ny fiainantsika amin’ny alalan’ny ohatra tsotra nefa mahery vaika asehon’izy ireo eo amin’ny fananana toetra tahaka ny an’i Kristy.

I Todd, ankizilahy kely vao roa taona monja dia nandeha niaraka tamin’ny reniny vao haingana tany amin’ny tranom-bakoka ho an’ny zava-kanto izay nampiseho fampirantiana manokana ireo sary hosodoko tsara tarehin’ny Mpamonjy. Rehefa nandalo ireo sary masina izy ireo dia naheno ilay zanany lahy kely izy niteny tamim-panajana ilay anarana hoe “Jesoa.” Niondrika izy ary nahita azy namoritra ny tànany sy nanondrika ny lohany rehefa nijery ireo sary hosodoko. Moa ve afaka mianatra zavatra avy amin’i Todd isika mikasika ny fihetsika feno fanetren-tena sy fanajana ary fitiavana ho an’ny Tompo?

Tamin’ny fararano farany teo, dia nijery ny ohatra nasehon’ny ankizilahy kely 10 taona tany Arménie aho. Raha niandry ny fiandohan’ny fivorian’ny Fanasan’ny Tompo izy dia hitany fa tonga ilay mpikambana antitra indrindra tao amin’ny sampana. Izy no voalohany nandeha haingana nanatona azy ary nanolotra ny sandriny mba hitazona azy tsara noho ilay fandehany mangozohozo. Nampiany izy hatreny amin’ny dabolio teny aloha indrindra tao amin’ny trano fivoriana, izay toerana nahafahany naheno tsara. Moa ve ny fihetsika kely feno hatsaram-panahy nataony afaka mampianatra antsika fa ireo izay lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ny Tompo dia ireo izay mitady fomba ahafahana manompo ny hafa?

I Katie, izay ankizivavy kely dia nampianatra anay rehefa nahita ny hery misarika entiny eo amin’ny fianakaviany izahay. Nanatrika ny kilonga izy ary voasinton’ny fampianaran’ny filazantsara. Niaraka tamin’ilay finoana sy fijoroana ho vavolombelona nihanitombo dia namela taratasy kely teo amin’ny ondan’ny ray aman-dreniny i Katie. Nanoratra izy hoe ny fahamarinan’ny filazantsara dia nahita “toerana tao am-pony.” Nizara ny faniriany hanakaiky bebe kokoa ny Rainy any an-danitra izy sy hankato ireo didiny ary ny faniriany hofehezina ny fianakavian’izy ireo any amin’ny Tempoly. Ilay fijoroana ho vavolombelona tsotra an’ilay zanakavavy malalan’izy ireo dia nanohina ny fon’ireo ray aman-dreniny tamin’ny fomba tena nahery vaika tokoa. I Katie sy ny fianakaviany dia nandray tokoa ireo ôrdônansy masin’ny tempoly izay namehy ny fianakavian’izy ireo ho mandrakizay. Ny fon’i Katie feno finoana sy ny ohatry ny finoana nasehony dia nitondra fitahiana mandrakizay ho an’ny fianakaviany. Moa ve ny fijoroana ho vavolombelona tamin-kitsimpo sy ny faniriany hanaraka ny drafitry ny Tompo afaka mitarika antsika hahita mazava kokoa ireo zavatra izay tena manan-danja indrindra?

Ny fianakavianay dia mianatra zavatra avy amin’ny havana akaiky iray, dia i Liam izay enin-taona. Tamin’iny taona lasa iny izy dia niady tamin’ny homamiadan’ny ati-doha. Taorian’ny fandidiana sarotra in-droa dia tapaka ny hevitra fa ilaina koa ny fitsaboana amin’ny alalan’ny radiothérapie. Nandritra ireo fotoana nanaovana radiothérapie ireo dia nitakiana ny maha-irery tanteraka azy sy ny handriany tsara tsy mihetsiketsika mihitsy. Nandà ny hihinana fanafody mampitony izy satria tsy tiany ny fahatsapana nentin’izany. Tapa-kevitra izy fa raha mahare fotsiny ihany ny feon’ny rainy amin’ny alalan’ny vata-pifandraisana dia afaka ny hatory tsy mihetsiketsika tsy mila fanafody fampitoniana.

Nandritra ireo fotoana nampitaintaina ireo dia niresaka taminy tamin’ny alalan’ny fanehoana teny feno fankaherezana sy fitiavana ny rainy nanao hoe “Liam a!na dia tsy mahita ahy aza ianao dia eto aho. Fantatro fa vitanao io. Tiako ianao.” Nahavita tamim-pahombiazana ireo fitsaboana in-33 tamin’ny radiothérapie izay notakiana i Liam ary nandritra izany dia tony tanteraka izy. Izany zavatra tontosa izany dia noeritreretin’ireo mpitsabo azy fa tsy ho tanteraka raha tsy misy fanafody fampitoniana ho an’ny olona mbola kely loatra toa azy. Nandritra ireo volana maro feno fanaintainana sy fahasahiranana dia ohatra iray mahery vaika maneho ny fomba fiatrehana olana miaraka amin’ny fanantenana sy ny fifaliana mihitsy aza ilay fiheveran’i Liam ny zava-drehetra ho tsara izay nifindra tamin’ny hafa. Ireo dokoterany sy ireo mpitsabo mpanampy ary ireo maro hafa tsy tambo isaina dia nentanin’ny herim-pony.

Mianatra lesona manan-danja avy amin’i Liam daholo isika—lesona mikasika ny fisafidianana ny finoana sy ny fahatokiana ny Raintsika any an-danitra. Tahaka an’i Liam dia tsy mahita ny Raintsika isika, saingy afaka mandre ny feony manome ny hery izay ilaintsika hahazakana ireo fanambin’ny fiainana.

Moa ve ny ohatr’i Liam afaka manampy antsika hahatakatra tsara kokoa ny tenin’ny Mpanjaka Benjamina hoe ho tonga tahaka ny ankizy—mankato, malemy paika, manetry tena, miaritra ary feno fitiavana? (Jereo ny Mosià 3:19).

Ireo ankizy ireo dia manome ohatra amin’ny sasantsasany amin’ireo toetra tsaran’ny ankizy izay ilaintsika ananana sy karohana indray ao anatintsika mba hidirana ny fanjakan’ny lanitra. Fanahy madio izy ireo izay mbola tsy voaloton’izao tontolo izao—mora ampianarina sy feno finoana. Tsy mahagaga raha toa ny Mpamonjy ka manana fitiavana sy fankasitrahana manokana ny ankizy madinika.

Tao anatin’ireo zava-niseho mahatalanjona nandritra ny famangian’ny Mpamonjy tany Amerika dia tena niavaka ny fanompoany tamim-pitiavana ireo ankizy. Tamin’ny fomba nampihetsi-po no nanolorany tanana tamin’ny ankizy tsirairay.

“Ary nalainy tsirairay ny ankizy madininy arynotsofiny rano izy ireo, nivavahany ny Ray ho azy ireo.

“Ary nony nanao izany Izy dia nitomany.… …

“Ary niteny tamin’ny valalabemandry Izy, ary hoy Izy taminy: Jereo ny madinikareo. (3 Nefia 17:21–23).

Ny Loholona M. Russell Ballard dia nampianatra antsika ny maha-zava-dehibe ilay didin’ny Mpamonjy hoe “Jereo ireo madinikareo,” raha nilaza izy hoe: “Jereo tsara fa tsy nilaza Izy hoe ‘topazo maso izy ireo’ na “tazano indraindray izy ireo’ na ‘ mitodia kely indraindray any ho any amin’izay misy azy ireo.’Nilaza izy hoe jereo izy ireo. Ho ahy izany dia midika fa tokony hamihina azy ireo amin’ny masontsika sy ny fontsika isika. Tokony hijery sy hankasitraka azy ireo isika noho ny fahafantarana hoe iza marina moa izy ireo: fanahy zanaky ny Raintsika any an-danitra miaraka amin’ny toetra araka an’Andriamanitra” (“Behold Your Little Ones,” Tambuli, Ôkt. 1994, 40; nampiana fanamafisana).

Tsy misy toerana lavorary kokoa hahafahantsika “mijery ireo madinintsika” noho ny ao amin’ny ankohonantsika. Ny tokantrano dia toerana iray izay ahafahantsika rehetra miara-mianatra sy mivoatra. Ny iray amin’ireo hira tsaran’ny Kilonga dia mampianatra izany fahamarinana izany:

Fianakaviana

Mba hanampiana antsika ho tonga toa Azy—

Izany no Fitiavany,

Drafitra napetrany.

Eto ao amin’ny fianakaviantsika, ao anatin’ny tontolo misy fitiavana no toerana ahitantsika sy ankasitrahantsika amin’ny fomba manokana kokoa ireo toetra araka an’Andriamanitra ananan’ireo fanahy izay zanany. Eto ao amin’ny fianakaviantsika no afaka ho lasa malefaka ny fontsika ary maniry ny hiova ao anatin’ny fanetren-tena isika, ho tonga tahaka ny ankizy kokoa. Izany no dingana arahana mba hahatongavantsika bebe kokoa tahaka an’i Kristy.

Moa ve ny zavatra niainana sasany teo amin’ny fiainana nanaisotra ilay fo feno finoana sy ilay finoana toy ny an’ny zaza izay nanananao fahiny? Raha izany dia jereo ireo ankizy eo amin’ny fiainanao. Dia avereno jerena indray. Mety ho ankizy ao amin’ny fianakavianao izany, na ery ampitanao, na ao amin’ny Kilongan’ny paroasy misy anao. Raha manana fo te hianatra sy fahavononana hanaraka ny ohatra asehon’ny ankizy isika dia ny toetra araka an’Andriamanitra ananan’izy ireo no afaka manodina ilay fanalahidy izay mamoha ny fivoarantsika ara-panahy manokana.

Ho feno fankasitrahana foana aho noho ny fitahiana avy amin’ireo zanako manokana. Nampianatra ahy lesona izay ilaiko ny ohatra nasehon’izy ireo tsirairay avy. Nanampy ahy hiova ho tsara kokoa izy ireo.

Mijoro ho vavolombelona amim-panentren-tena aho fa i Jesoa no Kristy. Izy no ilay Zanakalahy tonga lafatra—mankato, malemy paika, manetry tena, miaritra ary feno fitiavana tokoa. Enga anie ny tsirairay amintsika hanana fo te-hanaraka ny ohatra napetrany, sy te-ho tonga tahaka ny ankizy, ary amin’ny alalan’izany dia hiverina any amin’ilay fonenantsika any an-danitra. Izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.