2010–2019
Nantsoina mba ho Olomasina
Aprily 2011


Nantsoina mba ho Olomasina

Ry rahalahy sy anabavy malala, tena voatahy isika noho ny nitondrana antsika ao anatin’ity fianakaviamben’ny Olomasin’ny Andro Farany ity!

Ry rahalahiko sy rahavaviko malala, mivavaka aho mba hanampy ahy ny Fanahy Masina hampita ny hafatro.

Nandritra ireo fitsidihiko sy nandritra ireo fihaonambe tany amin’ny tsatòka, sy paroasy ary sampana, dia feno fahatsapana hafaliana lalina hatrany aho rehefa mihaona amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana, ireo izay antsoina hoe olomasina ankehitriny toy ny niantsoana ny mpino tamin’ny mitataovovonan’ny fotoana koa. Ny fanahin’ny fiadanana sy ny fifankatiavana izay tsapako foana rehefa miaraka amin’izy ireo aho no manampy ahy hahatakatra fa ao anatin’ny iray amin’ireo tsatòkan’i Ziona no misy ahy.

Na dia maro aza ireo izay avy amin’ny fianakaviana efa mpikambana hatramin’ny taranaka faharoa na mihoatra tato amin’ny Fiangonana, dia maro ireo olona hafa niova fo vao haingana. Averinay amin’izy ireo ilay teny fiarahabana nataon’ny Apôstôly Paoly tamin’ireo Efesiana:

“Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony hianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ny olona masina sady ankohonan’Andriamanitra;

“Natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra (Efesiana 2:19–20).

Taona maro lasa izay, nandritra ny fiasako tao amin’ny birao misahana ny seraseran’ny Fiangonana amin’ny any ivelany tany Mexique, dia nasaina izahay handray anjara amin’ny valan-dresaka tao amin’ny fampielezam-peo iray. Ny tanjon’ilay fandaharana dia ny haneho sy hifanakalo hevitra momba ireo fivavahana isan-karazany manerana izao tontolo izao. Roa taminay no nomena andraikitra hisolo tena ny Fiangonana hamaly ireo fanontaniana izay mety hipetraka mandritra ity karazanafandaharana ity. Taorian’ny dokam-barotra fanelanelanana maro araka ny filaza azy amin’ny onjam-peo, dia nilaza izao manaraka izao ny mpitantana ny fandaharana: “Miaraka amintsika amin’ity hariva ity ny Loholona roa avy amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.” Niato kely izy ary nanontany hoe, “Fa nahoana no lavabe tahaka izany ny anaran’ny Fiangonana? Fa nahoana no tsy ataonareo anarana fohifohy izany na atao somary manaitra kokoa?”

Nitsiky izaho sy ilay mpiara-mitory tamiko tamin’izany fanontaniana mahafinaritra izany ary dia nanomboka nanazava fa ny anaran’ny Fiangonana dia tsy nosafidian’olombelona. Nomen’ny Mpamonjy izany tamin’ny alalan’ny mpaminany amin’izao andro farany izao. “Satria toy izany no hiantsoana ny fiangonako amin’ ny andro farany, dia Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany.” (F&F 115:4) Namaly avy hatrany sady tamim-panajana ilay mpitantana ny fandaharana nanao hoe: “Amim-pifaliana lehibe izanyno hamerenanay azy.” Ankehitriny tsy tadidiko hoe impiry no namerimberenany izany anarana manan-danjan’ny Fiangonana izany, kanefa tsaroako tokoa ilay fahatsapana tsara izay tsapanay rehefa tsy nanazava fotsiny ny anaran’ny Fiangonana izahay fa nanazava koa hoe entina iantsoana ny mpikamban’ny Fiangonana ny hoe—ny Olomasin’ny Andro Farany.

Mamaky isika ao amin’ny Testamenta Vaovao fa ny mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia nantsoina hoe Kristianatany Antiokia (jereo ny Asan’ny Apôstôly 11:26), kanefa izy ireo dianifampiantso hoe Olomasina. Tena mety nampientanentana be azy ireo tokoa ny nandre ny Apôstôly Paoly niantso azy ireo hoe: “ mpiray fanjakana amin’ny olona masina sady ankohonan’Andriamanitra” (Efesiana 2:19), ary koa “Voantso ho masina” (Romana 1:7; nampiana fanamafisana).

Arakaraky ny fiainan’ireo mpikamban’ny Fiangonana ny filazantsara sy ny fanarahany ny torolalan’ireo mpaminany, no hahatonga azy ireo ho masina tsikelikely ary tsy ho tsikaritr’izy ireo akory aza izany. Ireo mpikamban’ny Fiangonana manetry tena izay manatanteraka ny vavaka sy ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina isan’andro, izay mirotsaka amin’ny fanaovana tetiarana, ary manokana ny fotoanany hivavahana matetika any amin’ny tempoly, dia ho tonga Olomasina. Izy ireo no izay manolo-tena hanorina fianakaviana mandrakizay. Izy ireo ihany koa no ireo izay manokana fotoana amin’ny fiainan’izy ireo efa maharempotra mba hamonjena ireo izay nanalavitra ny Fiangonana ka hankahery azy ireny hiverina sy hipetraka eo amin’ny latabatry ny Tompo. Izy ireo no ireo misiônera lahy sy vavy, ary mpivady matotra izay namaly ny antso mba hanompo ho misiôneran’ny Tompo. Eny ry rahalahy sy anabaviko, lasa Olomasina izy ireo ka tonga tany amin’ny fahitany fahatsapana mifono hafanana sy fahatsapana mahafinaritra izay antsoina hoe fiantrana, na fitiavana madion’i Kristy (jereo ny Môrônia 7:42–48).

Ny Olomasina na ny mpikamban’ny Fiangonana, dia lasa mahafantatra ny Mpamonjy ihany koa amin’ny alalan’ny fahoriana sy ny fitsapana. Aoka tsy ho hadinontsika fa na Izy aza dia niaritra ny zavatra rehetra. “Ary haka ny fahafatesana ho eo Aminy Izy, mba hahazoany mamaha ny famatoran’ ny fahafatesana izay mamatotra ny olony; ary haka ny rofiny ho eo aminy Izy mba hahatonga ny ao anatiny ho feno famindram-po araka ny nofo, mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny.” (Almà 7:12)

Tao anatin’ny taona maromaro izay dia nanatri-maso ny fijalian’ny olona maro aho, ka anisan’izany ireo Olomasintsika maro. Mivavaka mandrakariva ho azy ireo izahay, mitalaho amin’ny Tompo mba tsy ho osa ny finoan’izy ireo ary handroso hatrany amim-paharetana izy ireo. Averinay amin’ireo olona ireo ilay teny feno fankaherezan’ny mpaminany Jakôba ao amin’ny Bokin’i Môrmôna manao hoe:

“Amin’ izany ry rahalahiko malala, manatòna ny Tompo, Ilay Iray Masina. Tsarovy fa marina ny lalany. Indro, ety ho an’ ny olona ny lalana, kanefa dia voasoritra mahitsy eo anoloany izany, ary ny Iray Masin’ ny Isiraely no mpiandry ny vavahady; ary tsy mampiasa mpanompo Izy eo amin’ny vavahady; ary tsy misy lalan-kafa afa-tsy ny vavahady; satria tsy azo fitahiana Izy, fa ny Tompo Andriamanitra no anarany.

“ Ary na zovy na zovy no handondona dia hovohany” (2 Nefia 9:41–42).

Tsy mampaninona izay toerana na izay toe-javatra misy, na fitsapana na fanamby izay mety hanodidina antsika. Ny fahatakarana ny fotopampianaran’i Kristy sy ny sorompanavotany no ho loharanon’ny herintsika sy ny fiadanana ananantsika. Eny ry rahalahy sy anabavy, izany fahatoniana anaty izay avy amin’ny Fanahy ary omen’ny Tompo ho an’ireo Olomasiny mahatoky. Mamelona antsika Izy amin’ny alalan’ny fitenenana hoe: “Fiadanana no avelako ho anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo” (Jaona 14:27).

Nandritra ny taona maro no efa nanatrehako maso ny fahatokian’ireo mpikamban’ny Fiangonana, Olomasin’ny andro farany, izay tamin’ny alalan’ny finoana ny drafitry ny Raintsika any an-danitra sy ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, Jesoa Kristy, dia nandresy ny fahoriana sy fijaliana tamin-kerim-po sy tamim-pientanentanana lehibe, ka dia maharitra sy mandroso hatrany ao anatin’ilay lalana ety sy tery mitondra mankany amin’ny fahamasinana. Tsy ampy ny teny entiko hanehoana ny fankasitrahako sy fankafizako an’ireo olomasina mahatoky rehetra izay efa nananako tombontsoa manokana niarahana niasa!

Na dia mety tsy lalina tahaka ny fijoroantsika ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny filazantsara aza ny fahatakarantsika ny filazantsara, rehefa mametraka ny fahatokiantsika amin’ny Tompo isika, dia hahazo fanohanana ao anatin’ny fahasarotana sy fitsapana ary fijalianamianjady amintsika (jereo ny Almà 36:3). Izany fampanantenana avy amin’ny Tompo ho an’ny olomasiny izany dia tsy midika akory fa ho tratran’ny fijaliana na fitsapana isika, fa hahazo fanohanana isika amin’ny alalan’izy ireny ary hahafantatra fa ny Tompo no manohana antsika.

Ry rahalahy sy anabavy malala, tena voatahy isika noho ny nitondrana antsika ao anatin’ity fianakaviamben’ny Olomasin’ny Andro Farany ity! Tena voatahy isika noho ny fananantsika fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpamonjy toy ny an’ireo mpaminany fahiny sy ankehitriny!

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Tompontsika, Ilay Masin’i Isiraely, dia velona, ary Izy no mitantana ny Fiangonany, dia ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, amin’ny alalan’ny mpaminany malalantsika, Thomas S. Monson. Amin’ny anaran’ny Jesoa Kristy Tompontsika, amena.