2010–2019
Tatitry ny Departemanta Fanamarinana ny Fampiasam-bolan’ny Fiangonana, taona 2010
Aprily 2011


Tatitry ny Departemanta Fanamarinana ny Fampiasam-bolan’ny Fiangonana, taona 2010

Ho an’ny Fiadidiana Voalohany an’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany

Ry Rahalahy Malala: Araka ny voalaza tamin’ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana faha-120, ny Filankevitry ny Fitantanana ny Fahafolonkarena dia manome lalana ny hampiasana ny volan’ny Fiangonana. Io filankevitra io dia ahitana ny Fiadidiana Voalohany, ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary ny Episkôpà Mpiahy. Io Filankevitra io dia manaiky ny teti-bola ho an’ireo departemantan’ny Fiangonana sy ireo asa ato amin’ny Fiangonana ary ireo vola omena ireo mpitarika ireo vondrona. Mampiasa ny vola arak’ilay teti-bola nekena ireo departemantan’ny Fiangonana ary araky ny rafitra sy fomba fiasan’ny Fiangonana.

Ny Departemanta Fanamarinana ny Fampiasam-bolan’ny Fiangonana dia nahazo fahefana hijery ireo firaketana sy hampiasa ireo fomba rehetra ilaina mba hanatanterahana ny fanaraha-maso araky ny tokony ho izy ireo vola miditra sy vola mivoaka ary ny fitehirizana ny vola raisin’ny Fiangonana. Ny Departemanta Fanamarinana ny Fampiasam-bolan’ny Fiangonana dia tsy miankina amin’ireo departemanta sy asa hafa ato amin’ny Fiangonana, ary ny olona miasa ao aminy dia mpitam-bola voamarina ara-panjakana, mpanamarinany fampiasam-bola anatiny voamarina ara-panjakana, mpiandraikitra ny rafitry ny serasera voamarina ara-panjakana, ary olona matihanina itokisana hafa koa.

Raha mifototra amin’ny fanaraha-maso natao, ny Departemanta Fanamarinana ny Fampiasam-bolan’ny Fiangonana dia maneho ny heviny fa, ny zavatra ara-materialy rehetra, ny anjara biriky voaray, ny vola nampiasaina, ary ny fidiram-bolan’ny Fiangonana tamin’ny taona 2010 dia voarakitra sy voatantana araky ny fomba fitantanana ara-dalàna, araky ny teti-bola nekena ary araky ny rafitra sy fomba fiasan’ny Fiangonana.

Natao tatitra tamim-panajana,

Ny Departemanta Fanamarinana ny Fampiasam-bolan’ny Fiangonana

Robert W. Cantwell

Tale Mpitantana