2010–2019
Fanorenana Tokantrano mifantoka amin’i Kristy
Aprily 2011


Fanorenana Tokantrano mifantoka amin’i Kristy

Mahatakatra sy mino ny toetra mandrakizain’ny fianakaviana isika. Izany fahatakarana sy finoana izany dia tokony hitaona fanahy antsika hanao ny zava-drehetra tratry ny herintsika hanorenana tokantrano mifantoka amin’i Kristy.

Tamin’ny fanombohan’ny asa fitoriana nataoko fony aho misiônera tanora tany Uruguay sy Paraguay dia nahatsapa aho fa isan’ny zavatra tena nahasarika ireo izay nikatsaka hahafantatra bebe kokoa momba Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia ny fahalianan’izy ireo amin’ny fotopampianarantsika mahakasika ny fianakaviana. Raha ny tena marina, hatramin’ny namerenana tamin’ny laoniny ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy, dia ny fotopampianarana izay milaza fa ny fianakaviana dia afaka ny hiaraka mandrakizay no nanintona ireo naman’ny Fiangonana mpikatsaka ny fahamarinana.

Ny fitsipiky ny fianakaviana mandrakizay dia singa iray tena manan-danja ao amin’ny drafitra lehiben’ny Ray any an-danitra ho an’ny Zanany. Zava-dehibe indrindra ao amin’izany drafitra izany ny fahatakarana fa manana fianakaviana any an-danitra isika ary manana fianakaviana eto an-tany ihany koa. Mampianatra antsika ny Apôstôly Paoly fa ny Ray any an-danitra dia rain’ny fanahintsika:

“Ary hitady an’Andriamanitra izy ireo … ka hahita Azy. …

“Fa Izy no ivelomantsika, sy ihetsehantsika ary iainantsika; … Fa terany koa isika.”1

Ny maha-zanaky ny Ray any an-danitra be fitiavana antsika dia fitsipika fototra iray tena manan-danja tokoa ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy hany ka na dia ireo zanatsika aza dia manambara izany fahamarinan’izany rehefa mihira ny hiran’ny kilonga hoe “Zanaky ny Ray Aho” izy ireo, tsaroanareo ve ny tonony?

Zanaky ny Ray aho,

Napetrany ety,

Nomeny fianakaviana aho

Ray aman-dreny tia.

Tariho, ampio, miaraha,

Eo anilanay.

Toroy ahy ny ataoko

Hiverina any indray.2

Ny fahafantarana fa manana fianakaviana isika any an-danitra dia manampy antsika hahatakatra ny maha-mandrakizay ny fianakaviantsika ety an-tany. Ny Fotopampianarana sy ny Fanekempihavanana dia nampianatra antsika fa ny fianakaviana no fototry ny lamina any an-danitra: “Ary ny fiaraha-miaina izay misy etoana eo anivontsika ihany no hisy eo amintsika any, saingy izany dia homban’ny voninahitra mandrakizay.”3

Ny fahatakarana ny hoe ny fianakaviana dia ho mandrakizay dia singa tena manan-danja eo amin’ny fahatakarana ny drafitry ny Ray any an-danitra ho an’ireo Zanany. Ny fahavalo etsy ankilan’izany dia manao izay rehetra tratry ny heriny handravana ny drafitry ny Ray any an-danitra. Eo am-piezahana handresy ny drafitr’Andriamanitra ny fahavalo dia mitarika fanafihana tsy mbola nisy toy izany eo amin’ny rafitry ny fianakaviana. Ny sasany amin’ireo fiadiana mahery vaika izay ampiasainy amin’ny fanafihana ataony dia ny fitiavan-tena, sy ny fitiavan-karena, ary ny pôrnôgrafia.

Ny hasambarantsika mandrakizay dia tsy isan’ny tanjon’i Satana. Fantany fa fanalahidy iray manan-danja ahafahany manao izay hahatonga ny lehilahy sy ny vehivavy ho ory tahaka azy ny manaisotra azy ireo amin’ny fifandraisany amin’ny fianakaviany izay mety ho tonga ho mandrakizay. Noho ny fahatakaran’i Satana fa ny hasambarana marina eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny mandrakizay dia hita ao amin’ny rafitry ny fianakaviana, dia ataony izay rehetra tratry ny heriny hanapotehina izany.

Ny mpaminany fahiny Almà dia niantso ny drafitr’Andriamanitra ho an’ny Zanany ho “drafitra lehibe ny fahasambarana.”4 Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izay tohanantsika ho mpaminany, sy mpahita, ary mpanambara dia efa nanolotra antsika ity torolalana nentanim-panahy ity raha ny mikasika ny hasambarana sy ny fiainam-pianakaviana: “Ny fianakaviana dia tendrin’Andriamanitra. Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia tena ilaina eo amin’ny drafitra mandrakizainy. Natao ho teraka ao anatin’ny fanambadiana ny ankizy, ary hotezain’ny ray sy ny reny izay manaja ny voady nataony tamin’ny fanambadiana amim-pahatokiana tanteraka. Ny fahasambarana ao amin’nyfiainam-pianakaviana dia azo tratrarina kokoa raha miorina amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy Tompo.”5

Izany hasambarana noresahin’i Almà izany, izay noresahan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo vao tsy ela dia azo antoka kokoa ny ahitana azy ao an-tokantrano miaraka amin’ny fianakaviana. Ho hita sy ho be dia be izay hasambarana izany rehefa manao izay rehetra tratry ny hery isika hanorenana tokantrano izay mifantoka amin’i Kristy.

Izaho sy Rahavavy Maynes dia nianatra fitsipika manan-danja sasantsasany teo am-panombohana ny fanorenana tokantrano iray izay mifantoka amin’i Kristy fotoana aloha be teo amin’ny fanambadianay. Natombokay tamin’ny fanarahana ny torolalan’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana izany. Notarihanay hatrany ny zanakay tamin’ny fanaovana ny takarivan’ny mpianakavy isan-kerinandro ary eo ihany koa ny vavaka isan’andro sy ny fandalinana ny soratra masina. Tsy mora, na mety, na nahomby hatrany anefa izany, kanefa rehefa nandeha teny ny fotoana dia lasa fomba amam-panao sarobidy ho an’ny fianakaviana ireo fiarahana tsotra ireo.

Hitanay fa mety tsy hotsaroan’ireo zanakay daholo ny momba ilay lesona tamin’ny takarivan’ny mpianakavy rehefa mandeha ny herinandro, kanefa ho tsaroan’izy ireo fa nanao izany izahay.Fantatray fa aoriana kely rehefa tonga any an-tsekoly dia mety tsy ho tsaroan’izy ireo teny tao amin’ny soratra masina na ny vavaka, kanefa ho tsaroan’izy ireo fa namaky ny soratra masina tokoa izahay ary nanaony vavaka tokoa Ry rahalahy sy anabavy, misy hery sy fiarovana lehibe ho antsika sy ho an’ny tanorantsika ny fanaovana ireo fomba amam-panaon’ny lanitra ireo ao an-tokantrano.

Manampy hanorenana fomba fiainana izay hitoeran’ny Fanahy ny fianarana, sy ny fampianarana, ary ny fampiharana ny fitsipiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ao an-tokantranontsika. Amin’ny alalan’ny fanorenana izany fomba amam-panao ao an-tokantranontsika izany no hahafahantsika miala amin’ny fomba amam-panao ratsin’izao tontolo izao ary hianatra hametraka ny filan’ny hafa sy ny olan’ny hafa ho vaindohan-draharaha.

Ny andraikitra amin’ny fanorenana tokantrano mifantoka amin’i Kristy dia miankina amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Ny ray aman-dreny dia manana andraikitra hampianatra ireo zanany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana. Raisina ho tompon’andraikitra eo anoloan’ny Tompo ireo ray aman-dreny amin’ny fomba nanatanterahan’izy ireo ny andraikitra masiny. Ny ray aman-dreny dia mampianatra ireo zanany amin’ny teny sy amin’ny alalan’ny ohatra. Ity tononkalo nataon’i C.C. Miller ity izay mitondra ny lohateny hoe: “Ny Ako” dia mampiseho ny maha-zava-dehibe ireo ray aman-dreny sy ny fiantraikan’izy ireo rehefa mitarika ny zanany izy ireo:

Ondry fa tsy zanakondry anie

Ilay nivily lalana tamin’ny fanoharan’i Jesoa,

Diso lalana ilay ondry iray lehibe

Ka niala nanalavitra iretsy namany tokoa.

Fa nahoana no tadiavintsika ilay ondry nania

Satria manantena no mivavaka fatratra ery?

Satria zava-doza raha mania ny renin’ondry,

Izay hitarika sy hamery ireto zanakondry.

Hanaraka ilay ondry ireto zanakondry,

Na aiza na aiza toerana halehany.

Satria rehefa diso lalana ity renin’ondry,

Tsy ho ela akory ny zanakondry dia hiala amin’ny lalana tokony halehany.

Ka noho izany ry ondry dia miangavy izahay

Mba ho tombotsoan’ireo zanakondry ankehitriny,

Satria rehefa very ny ondry ankiray

Dia ho loza tokoa tsy roa aman-tany

F’ireo zanakondry no hanefa izany.6

Ny vokatry ny fitarihan’ireo ray aman-dreny ny zanany amin’ny lalan-diso dia hazavain’ny Tompo amintsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: “Ankoatra izany, raha manan-janaka ao i Ziona … ka tsymampianatra azy hahazoany ny fotopampianarana momba ny finoana an’i Kristy, ny Zanak’Ilay Andriamanitra velona, ary ny momba ny batisa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana … dia mby eo amin’ ny lohan’ny ray aman-dreny ny fahotana.”7

Sarotra ny manantitrantitra be loatra ny maha-zava-dehibe ny fampianaran’ireo ray aman-dreny ny zanany ireo fomba amam-panaon’ny lanitra amin’ny alalan’ny teny sy ny ohatra. Ny zanaka ihany koa dia manana anjara manan-danja eo amin’ny fanorenana tokantrano mifantoka amin’i Kristy. Mamelà ahy hizara lahateny fohifohy izay vao tsy ela akory no nataon’i Will, ilay zafikeliko valo taona, izay mampiseho ity fitsipika ity:

“Tiako ny mitaingin-tsoavaly sy mampiasa atsamo-tady miaraka amin’ny dadako. Ny atsamo-tady dia vita amin’ny kofehy maromaro mirandrana mba hampahatanjaka izany. Raha kofehy tokana no mamaritra ilay izy dia tsy hahavita ny asany. Kanefa noho izy hoe kofehy maro no mirandrana ary miara-miasa, dia azonay ampiasaina amin’ny fomba maro izany ary tena mafy tokoa.

“Ny fianakaviana dia tahaka ny atsamo-tady. Rehefa ny olona iray monja no miasa mafy ary manao izay mety dia tsy hatanjaka ny fianakaviana raha oharina amin’ny hoe ny rehetra no miara manao ezaka hifanampy.

“Fantatro fa rehefa manao ny tsara aho dia manampy ny fianakaviako. Rehefa manao tsara toetra amin’ny Isabelle zandriko vavy aho, dia miara-paly izahay ary mahafaly an’i dadanay sy mamanay izany. Rehefa te-hanao zavatra ny reniko, dia afaka manampy azy aho amin’ny filalaovako miaraka amin’i Joey zandriko kely. Afaka manampy ny fianakaviako ihany koa aho amin’ny fanadiovako ny efitranoko sy ny fanampiana isaky ny azo atao ary manao izany am-pifalifaliana. Satria moa izaho no lahimatoan’ny fianakaviako, dia fantatro fa ny fanehoana ohatra tsara dia tena zava-dehibe. Afaka miezaka araka izay tratrako aho hisafidy ny tsara ary hanaraka ireo didy.

“Fantatro fa ireo ankizy dia afaka manampy ireo fianakaviany ho matanjaka tahaka ny atsamo-tady mafy fatotra. Rehefa manao ny tsara indrindra ny tsirairay ary miasa miaraka, dia ho faly sy hatanjaka ny fianakaviana.”

Rehefa miahy amim-pitiavana sy amim-pahamarinana ny fianakaviany ny ray aman-dreny ary mampianatra ireo zanany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’nyteny sy amin’ny alalan’ny ohatra, ary rehefa tia sy manohana ireo ray aman-dreniny ireo zanaka amin’ny alalan’ny fianarana sy fampiharana ny fitsipika nampianarin’ny ray aman-dreniny azy ireo, dia ny fanorenana ny tokantrano mifantoka amin’i Kristy no ho vokatr’izany.

Ry rahalahy sy anabavy, amin’ny maha-mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika dia takatsika ary inoantsika ny maha-mandrakizay ny fianakaviana. Izany fahatakarana sy finoana izany dia tokony hitaona fanahy antsika hanao ny zava-drehetra tratry ny herintsika hanorenana tokantrano mifantoka amin’i Kristy. Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa rehefa miezaka manao izany isika, dia ho feno kokoa ny fampiharantsika ny fitiavana sy ny asa fanompoana izay hita taratra tao amin’ny fiainan’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy ny sorompanavotany, ary vokatr’izany ny tokantranontsika dia tena afaka ny ho tahaka ny lanitra ety an-tany, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

  1. Asan’ny Apôstôly 17:27-28.

  2. “Zanaky ny Ray Aho” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy pejy 113.

  3. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130: 2; jereo ny Robert D. Hales, “The Eternal Family Ensign Nôv. 1996, 64.

  4. Almà 42:8.

  5. “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao,” Liahona, Nôv. 2010, 129.

  6. C. C. Miller, “The Echo,” tao amin’ny Best-Loved Poems of the LDS People, edisiona nataon’i Jack M. Lyon sy ireo hafa (1996), 312–13.

  7. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25; nampiana fanantitranterana.