2010–2019
Mahita Fifaliana amin’ny alalan’ny Asa Fanompoana feno Fitavana
Aprily 2011


Mahita Fifaliana ao anatin’ny Asa Fanompoana feno Fitiavana

Aoka isika haneho ny fitiavantsika sy ny fankasitrahantsika nohon’ny sorompanavotan’ny Mpamonjy, amin’ny alalan’ny asa fanompoana tsotra sy feno fangorahana.

Ry rahalahy sy ranabavy, manantena aho fa ianareo izay mivahiny eto Salt Lake dia hanararaotra izao fotoana izao hankafizana ny loko sy ny hanitr’ireo voninkazo kanto ao Temple Square.

Ny lohataona dia mitondra fanavaozana eo amin’ny fahazavana sy ny fiainana—mampahatsiahy antsika, amin’ny alalan’ny fiverimberenan’ny fizaran-taona, ny fiainana sy ny sorona ary ny fitsaganan’ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika tamin’ny maty, dia i Jesoa Kristy, fa “ny zavatra rehetra dia vavolombelona manambara [Azy]” (Mosesy 6:63).

Etsy ankilan’izany sehatra mahafinaritra entin’ny lohataona izany sy ny tandindon’ny fanantenana entiny, dia misy kosa tontolo feno ahiahy, fahasarotana sy fikorontanana. Ny zavatra takian’ny fiainana andavanandro—ny fianarana, ny asa, ny fitaizana zanaka, ny fitantanana sy ny antso ao am-piangonana, ny hetsika rehetra arak’izao tontolo izao, eny na dia ny fanaintainana sy ny fijaliana entin’ny aretina sy ny fahoriana tsy nampoizina aza—dia mety hahatorovana antsika. Ahoana no fomba hialantsika amin’ireo sangodim-panin’ireo olana sy ahiahy mba ahitana fiadanan-tsaina sy fahasambarana?

Matetika isika no mitovy amin’ilay mpivarotra tanora avy any Boston izay tamin’ny 1849, araka ny voalaza, dia voaray tao anatin’ilay hafanam-pon’ny hazakazaka hitadiavana volamena tany Californie. Namidiny daholo ny fananany rehetra mba hitadiavana harena tany amin’ireo reniranon’i Californie, izay nolazaina taminy fa feno vongam-bolamena vaventy loatra ka sarotra ho an’ny olona iray ny mibata izany.

Nifandimby tsy nisy fiafarana ireo andro, izay nandrotsahany ny fanivanany tao anaty rano fa foana hatrany izany rehefa nakarina. Ny hany valisoa azony dia vato nivangongo niavosa. Kivy sy borona izy ary efa hilavo lefona kanjo indray andro nisy mpitrandraka iray efa antitra sy za-draharaha niteny taminy hoe, “Tena miavosa izany vato azonao izany, ry tovolahy.”

Namaly ilay tovolahy hoe “Tsy misy volamena eto. Handeha hiverina hody aho.”

Nanatona ireo vato niavosa ilay mpitrandraka anti-dahy ary nilaza hoe “Misy volamena tokoa moa. Fa mila mahafantatra fotsiny hoe aiza no tokony ahitana azy.” Naka vato roa tamin’ny tanany izy ary nampifampikapohany izy roaroa. Vaky nisokatra ny vato iray ka niseho teo ny poti-bolamena nanjelatra notarafin’ny masoandro.

Nahatsikaritra kitapokely hoditra nibontsina nifatotra teny am-balahan’ilay mpitrandraka ilay tovolahy dia niteny hoe “Vongany no tadiaviko, tahaka ireo ao anaty kitaponao, fa tsy poti-bolamena madinika fotsiny.”

Naroson’ilay mpitrandraka anti-dahy ny kitapony ho hitan’ilay tovolahy izay nijery tao anatiny, nanantena ahita vongam-bolamena vaventy maro. Gaga izy raha nahita fa feno poti-bolamena an’arivony ilay kitapo.

Hoy ilay mpitrandraka anti-dahy hoe “Anaka, raha ny fahitako azy dia sahirana loatra ianao mitady vongam-bolamena vaventy ka tsy vitanao ny mameno ny kitaponao amin’ireto poti-bolamena sarobidy ireto. Ny fanangonana tamim-paharetana an’ireto poti-bolamena madinika ireto no nahazoako harem-be.”

Izany tantara izany dia ahitana taratra ilay fahamarinana ara-panahy izay nampianarin’i Almà tamin’i Helamana zanany lahy manao hoe:

“Amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra no anatanterahana ny zavatra lehibe. …

“… ary amin’ny alalan’ny zavatra tena madinika no…itondran[’ny Tompo] ny famonjena ho an’ny fanahy maro.” (Almà 37:6–7).

Rahalahy sy ranabavy, ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia tsotra, na manao ahoana fihezahantsika hanasarotra izany. Tokony hiezaka isika hitandrina ny fiainantsika ho tsotra tahaka izany, afaka amin’ireo fitaomana avy any ivelany, ary mifantoka amin’ireo zavatra izay tena manan-danja indrindra.

Inona ary ireo zavatra sarobidy sy tsotra ao amin’ny filazantsara izay mitondra fahazavana sy tanjona eo amin’ny fiainantsika? Inona ary ireo poti-bolamena an’ny filazantsara, izay raha angonina amim-paharetana mandritra ny androm-piainantsika dia hitondra ho antsika ilay harena fara-tapony—dia ny fanomezana sarobidin’ny fiainana mandrakizay?

Izaho mino fa misy fitsipika iray tsotra nefa lalina—eny mafonja mihitsy—izay mahafaoka ny filazantsaran’i Jesoa Kristy manontolo. Raha raisintsika amin’ny fo manontolo io fitsipika io ary ataontsika ifantohan’ny fiainantsika, dia hanadio sy hanamasina antsika ka ho afaka hiverina hiaina eo anatrehan’Andriamanitra indray isika.

Niresaka momba io fitsipika io ny Mpamonjy raha namaly ilay fariseo izay nanontany hoe “Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin’ny lalàna?”

“Dia hoy Jesosy taminy: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.”

“Izany no didy lehibe sady voalohany.

“Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Matio 22:36—40).

Rehefa tia an’Andriamanitra sy i Kristy amin’ny fontsika sy ny fanahitsika ary ny saintsika rehetra ihany isika vao afaka mizara izany fitiavana izany amin’ny namantsika amin’ny alalan’ny fihetsika feno hatsaram-panahy sy ny asa fanompoana—amin’ny fomba izay ho nitiavan’ny Mpamonjy sy ho nanompoany antsika rehetra raha niaraka tamintsika tety Izy ankehitriny.

Rehefa manenika antsika io fitiavana madion’i Kristy io—na fiantrana—dia hanahaka kokoa ny an’ny Ray any An-danitra sy ny an’i Jesoa ny fomba fisainantsika, sy ny zavatra tsapantsika ary ny fomba fiasantsika. Ny antony manosika antsika sy ny faniriantsika any am-po dia mitovy amin’ny an’ny Mpamonjy. Nozarainy tamin’ireo Apôstôliny izany faniriana izany ny andro talohan’ny nanomboana Azy. Hoy izy:

“Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo. …

“Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia” (Jaona 13:34—35).

Ilay fitiavana izay nofaritan’ny Mpamonjy dia fitiavana miasa. Tsy miseho amin’ny asa goavana sy feno herim-po izany, fa miseho kosa amin’ny alalan’ny fihetsika tsotra feno hatsaram-panahy sy asa fanompoana.

Misy fomba sy toe-javatra maro karazana ahafahantsika manompo sy mitia ny hafa. Mamelà ahy hanolotra vitsivitsy fotsiny amin’izany.

Voalohany, ny fiantrana dia manomboka ao an-tokantrano. Ilay hany fitsipika manan-danja indrindra izay tokony hifehy ny tokantrano tsirairay dia ny mampihatra ilay Fitsipika Volamena—dia ilay fampitandreman’ny Tompo manao hoe “na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany” (Matio 7:12). Makà fotoana kely dia alaivo sary an-tsaina hoe ahoana no mety ho fahatsapanao raha ianao no maharay teny sy hiaran’ny fihetsika tsy voahevitra. Aoka isika, amin’ny alalan’ny ohatra asehontsika, hampianatra ny olona ao amin’ny fianakaviantsika mba hifankatia.

Ny toerana iray hafa izay hananantsika fahafahana betsaka hanompoana dia ao am-piangonana. Ny paroasy sy sampana misy antsika dia tokony ho toerana hoe ilay Fitsipika Volamena hatrany no mitaona ny teny sy ny fihetsika ifanaovantsika. Ny fifampitondrantsika amin’ny hatsaram-panahy, ny fifampitenenana teny fanohanana sy fampaherezana, ary ny fahatakarana izay ilain’ny hafa eo amintsika samy isika dia hahafahantsika manorina firaisan-kina feno fitiavana eo amin’ny samy mpikambana ao amin’ny paroasy. Rehefa misy fiantrana, dia tsy misy toerana hoan’ny fifosana sy ny teny tsy voahevitra.

Ireo mpikambana ao amin’ny paroasy, na olon-dehibe na tanora, dia afaka miray hina manao asa fanompoana misy lanjany mba hitahiana ny fiainan’ireo hafa. Vao tapa-bolana lasa izay, nanao tatitra ny Filohan’ny Vondrom-paritra Avaratra-andrefana any Amerika Atsimo, ny Loholona Marcus B. Nash avy ao amin’ny Fitopololahy, fa ny fanendrena “ireo matanjaka ara-panahy ho any amin’ireo malemy” dia nahafahan’izy ireo nanavotra olon-dehibe sy tanora an-jatony izay nangatsiaka. Amin’ny alalan’ny fitiavana sy fanompoana—dia tafaverina tsirairay izy ireo. Ireny fihetsika feno hatsaram-panahy ireny dia manorina fifamatorana matanjaka sy maharitra eo amin’ny tsirairay izay tafiditra amin’izany—na ireo izay manampy na ireo izay ampiana. Fahatsiarovana sarobidy maro tokoa no ateraky ny asa fanompoana tahaka izany.

Rehefa manao jery todika an’ireo taona maro nitantanako tato am-piangonana aho dia an’isan’ireo fahatsiarovana lalina indrindra ananako ireo fotoana izay niarahako tamin’ny mpikambana tao amin’ny paroasy nanampiana olona iray.

Ohatra, tsaroako fony aho eveka, ny niarahako niasa tamin’ny mpikambana mazoto maro tao amin’ny paroasiko raha nanadio nanala ireo sakafom-biby lò izahay tanatin’ireo lavaka fanotrehana izany tany amin’ny trano fiompiana ho an’ny fifanampiana an’ny tsatòka. Tsy dia nahafinaritra loatra izany asa izany! Nisy rahalahy mpikambana nalaina iray, izay tsy niangona efa nandritra ny taona maro, voaasa hiaraka taminay. Noho ilay fitiavana sy finamanana tsapany niaraka taminay tamin’izahay niasa sy tafaresaka tao anatin’io lavaka mamofona fanotrehana sakafom-biby io, dia niverina tato am-piangonana izy ary taty aoriana nofehezina tany amin’ny tempoly tamin’ny vady aman-janany. Ny fiarahanay tamin’ny alalan’ny asa fanompoana dia nitondra fitahiana ho an’ny zanany sy ny zafikeliny ary ankehitrany ho an’ny zafiafiny. Maro tamin’izy ireo no nanao asa fitoriana, nanambady tany amin’ny tempoly, ary manorina fianakaviana mandrakizay—asa lehibe iray tanteraka tamin’ny fihetsika tsotra iray—poti-bolamena madinika anankiray.

Ny sehatra fahatelo ahafahantsika manompo dia eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika. Ho fanehoana madio ny fitiavantsika sy ny fiahiantsika dia afaka manolo-tanana amin’ireo izay mila ny fanampiantsika isika. Betsaka aminareo no efa nitafy akanjo “Manome Tanana” ary tsy nitandro asasarana hanamaivana ny fahoriana sy hanatsara ny fiarahamonina misy anareo. Vao tsy ela ny tanora toka-tena maro tao amin’ny Tsatokan’i Sendai Japon no nanolotra asa fanompoana tsy voavidim-bola tamin’ny nikarohana ireo mpikambana taorian’ilay horohoron-tany sy tsunami nahatsiravina. Tsy hay ho isaina ny fomba ahafahana manompo.

Amin’ny alalan’ny hatsaram-panahy sy ny asa fanompoana ataontsika avy ao am-po no ahafahantsika minamana amin’ireo izay tompointsika. Avy amin’ireo finamanana ireo no hipoiran’ny fahatakarana tsara kokoa ny fanolorantenantsika amin’ny filazantsara sy ny faniriana hamantatra bebe kokoa mikasika antsika.

Ilay namako akaiky hoe Loholona Joseph B. Wirthlin, dia niresaka mikasika ny herin’io fitsipika io raha nilaza isy hoe: “Ny hatsaram-panahy no fototry ny alehibeazana. [io] no fanalahidy manokatra varavarana sy mamolavola namana. Manalefaka ireo fo izy io ary manorina fifandraisana izay afaka maharitra mandritra ny androm-piainana manontolo” («The Virtue of Kindness,» Liahona, Mey 2005, 26).

Ny fomba iray hafa hahafahantsika manompo ireo zanaky ny Ray any An-danitra dia amin’ny alalan’ny asa fitoriana—tsy hoe amin’ny maha-misiônera amin’ny fotoana feno ihany fa amin’ny maha-namana sy mpiray vodirindrina ihany koa. Ny hoavin’ny fitomboan’ny Fiangonana dia tsy ho tanteraka amin’ny alalan’ny fandondomana amin’ny varavaran’ny olon-tsy fantatra fotsiny. Ho tanteraka izany rehefa ireo mpikambana, miaraka amin’ireo misiônerantsika, heniky ny fiatiavan’Andriamanitra sy Kristy, no mamantatra ny zavatra ilaina ary manatanteraka izany ao anatin’ny toe-panahin’ny asa fanompoana feno fiantrana.

Rehefa manao izany isika ry rahalahy sy ranabavy, dia hahatsapa ny fitiavantsika sy ny fahadiovam-pontsika ireo izay madio-ampo mikatsaka ny fahamarinana. Betsaka no haniry hamantatra bebe kokoa mikasika antsika. Izay, ary izay ihany, vao hitombo ny Fiangoanana ka hameno ny tany manontolo. Tsy ho vitan’ireo misiônera irery izany fa mitaky ny fahazotoana sy ny asa fanompoana avy amin’ny mpikambana tsirairay.

Amin’ireo asa fanompoana rehetra ataontsika dia mila mahay mihaino ireo fitaoman’ny Fanahy Masina isika. Ilay feo tony sy malefaka dia hampahafantatra antsika hoe iza no mila ny fanampiantsika ary inona no azontsika atao hanampiana azy ireo.

Hoy ny Filoha Spencer W. Kimball hoe: ‘Tena manan-danja be ny hifanompoantsika tsirairay ato amin’ny fanjakana… Matetika ny asa fanompoana ataontsika dia fampaherezana tsotra na fanolorana… fanampiana amin’ny alalan’ny asa tsotra, kanefa tahakan’ny inona ny vokatsoa feno voninahitra mirotsaka… avy amin’ny fihetsika kely nefa niniana natao!” ( Enseignement des Présidents de l’Eglise: Spencer W. Kimball [2006], 82).

Ary nanoro hevitra ny Filoha Thomas S. Monson hoe:

“Ny fanampiana ilain’ny hafa dia misy tokoa ary isika tsirairay avy dia afaka manao zavatra entina hanampiana olona iray.

“… Raha tsy manokana fotoana hanompoana ny hafa isika dia tsy misy antony manan-danja firy ny fianantsika.” (Liahona, “Inona no zavatra nataoko ho an’ny hafa androany?” Liahona, Nôv. 2009, 85.

Ry rahalahy sy ranabavy, mamelà ahy hanantitrantitra indray hoe ny toetra manan-danja indrindra ananan’ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy Zanany Malala izay tokony iriantsika ny mikatsaka mba hanana izany ao amin’ny fiainantsika dia ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana, ilay fitiavana madion’i Kristy (Môrônia 7:47). Avy amin’io fanomezam-pahasoavana io no mivelatra ny fahafahantsika mitia sy manompo ny hafa—tahaka izay nataon’ny Mpamonjy.

Môrmôna mpaminany dia nampianatra antsika ny maha-manan-danja indrindra an’io fanomezam-pahasoavana io ary nanoro antsika ny fomba ahafahantsika mahazo izany: “Noho izany ry rahalahiko malala dia mivavaha amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo mba hahazoana mameno anareo amin’izany fitiavana izany, izay efa natolony ireo rehetra izay mpanaradia marina an’i Jesoa Kristy Zanany; mba hahatonga anareo ho zanak’Andriamanitra; ka rehefa hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy tahaka ny maha-Izy Azy; mba hananantsika izany fanantenana izany; mba hahazoana manadio antsika tahaka Azy izay madio” (Môrônia 7:48).

Zava-dehibe no tanteraka amin’ny alalan’ny zavatra tsotra sy madinika. Tahaka ireo poti-bolamena madinika izay voaangona mandritra ny fotoana ela ka tonga harem-be, ireo fihetsika kely sy tsotra ataontsika maneho hatsaram-panahy sy fanompoana dia hangonina ka ho tonga fiainana iray heniky ny fitiavana ho an’ny Ray any An-danitra sy ny fanoloran-tena ho amin’ny asan’Andriamanitra sy Jesoa Kristy, ary ho tonga fahatsapana fiadanana sy fifaliana isaky ny mifanolo-tanana isika.

Raha miha-manakaiky ny vanin-andron’ny Paska dia aoka isika haneho ny fitiavantsika sy ny fankasitrahantsika nohon’ny sorompanavotan’ny Mpamonjy, amin’ny alalan’ny asa fanompoana tsotra sy feno fangorahana ataontsika amin’ireo rahalahy sy anabavintsika ao an-trano, any am-piangonana ary eo anivon’ny fiarahamonina. Ho amin’izany no vavaka ataoko amim-panetretena amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.