2010–2019
Mpiambina ny Hasina
Aprily 2011


Mpiambina ny Hasina

Miomana ankehitriny mba hahamendrika anareo hahazo ireo fitahiana rehetra izay miandry anareo ao amin’ny tempoly masin’ny Tompo.

Misy fotoana indraindray izay tsy ahafahan’ny teny maneho ny zavatra tsapantsika. Mivavaka aho mba hijoro ho vavolombelona ao am-ponareo ny Fanahy momba ilay foto-piavianareo masina sy ilay andraikitrareo mandrakizay. Ianareo no fanantenan’i Isiraely. Ianareo dia zatovovavy voafidy sy manam-boninahitra an’ilay Raintsika any an-danitra.

Tamin’ny volana lasa teo aho dia nanana fahafahana nanatrika ny fanambadian’ny tovovavy iray tany amin’ny tempoly, izay fantatro efa hatry ny nahaterahany. Rehefa nipetraka tao amin’ny efitrano fanaovana famehezana aho, ary nijery ireo fitoeran-jiro tsara tarehy izay nanjelanjelatra tao anatin’ny hazavan’ny tempoly, dia tsaroako ilay andro izay nitrotroako azy voalohany. Nampanaovin’ny reniny akanjo kely lava fotsifotsy izy ary nihevitra aho fa an’isan’ireo zazakely tsara tarehy indrindra hitako hatrizay izy. Dia niditra ny varavarana izany tovovavy izany ary nitafy akanjo fotsy indray. Feno hazavana izy ary faly. Rehefa niditra ilay efitrano izy dia niriako mafy tamin’ny foko manontolo ny mba hahitan’ny zatovovavy rehetra izany fotoana izany ary ny mba hiezahan’izy ireo lalandava ho mendrika ny hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina ary handray ireo ôrdônansin’ny tempoly ho fiomanana amin’ny fahazoana ireo fitahian’ny fisandratana.

Rehefa nandohalika teo amin’ny alitara masina izy roa, dia nandray fampanantenana mihoatra noho izay azon’ny sain’olombelona takarina, izay hitahy sy hampahery ary hanampy azy ireo mandritra ny diany eto an-tany. Izany dia iray amin’itony fotoana izay nampangina an’izao tontolo izao itony ary nampifaly ny lanitra iray manontolo. Rehefa nijery tany amin’ireo fitaratra lehibe tao amin’ilay efitra ilay mpivady vao, dia nanontaniana an-dralehilahy izay zavatra hitany. Hoy izy hoe: “Ireo rehetra izay efa niaina talohako.” Dia nijery ilay fitaratra lehibe teny amin’ny rindrina nanatrika azy izy ireo ary nilaza ravehivavy niaraka tamin’ny ranomaso hoe: “Izaho dia mahita an’ireo rehetra izay ho teraka ao aorianay.” Hitany ilay fianakaviany ho avy—ilay taranany. Fantatro fa takany indray tao anatin’izany fotoana izany ny maha-zava-dehibe ny finoana hoe tokony ho madio ara-pitondrantena ary ho masina. Tsy misy zavatra tsara kokoa noho ny fahitana olon-droa niomana tsara ka miara-mandohalika eo amin’ny alitaran’ny tempoly.

Ireo taona handalovanareo ao amin’ny Zatovovavy dia hanomana anareo ho any amin’ny tempoly. Any ianareo no handray ireo fitahiana izay natokana ho anareo amin’ny maha-zanakavavy sarobidin’Andriamanitra anareo. Tia anareo ny Rainareo any an-danitra ary maniry ny hahazoanareo fifaliana. Ny fomba hanatanterahana izany dia ny “mandeha amin’ny lalan’ny hatsaran-toetra” 1 ary “mifikitra amin’ny fanekempihavana[nareo].”2

Ry zatovovavy! Ao anatin’ity izao tontolo izao ity izay tsy mitsaha-mitombo ny fahalotoana ara-pitondrantena, ny fileferana amin’ny ratsy, ny fanararaotana ny vehivavy ary ny fibiriokan’ireo anjara andraikitra, dia tsy maintsy mijoro ianareo mba hiambina ny tenanareo sy ny fianakavianareo ary ireo rehetra mifanerasera aminareo. Tokony ho mpiambina ny hasina ianareo.

Inona no atao hoe hasina ary inona no atao hoe mpiambina? “Ny hasina dia fomba fisainana sy fitondrantena izay mifototra amin’ny fenitra ara-pitondrantena ambony. Izany dia ahitana ny fahadiovam-pitondrantena.”3 Ary inona no atao hoe mpiambina? Ny mpiambina dia olona iray izay miaro ary miambina.4 Noho izany, amin’ny maha-mpiambina ny hasina anareo dia hiaro ny fahadiovana ara-pitondrantena ianareo satria ny hery hamoronana aina dia hery masina sy tena ambony ary tsy maintsy hambenana mandrapanambadinareo. Ny fananan-kasina dia fepetra takiana mba hananana ny fiarahana sy ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Ilainareo izany fitarihana izany mba hahafahana manao safidy amim-pahombiazana ao anatin’ilay izao tontolo izao izay iainanareo. Ny fananan-kasina dia fepetra takiana mba hahafahana miditra ny tempoly. Ary izany dia fepetra takiana mba ho mendrika ny hijoro eo anatrehan’ny Mpamonjy. Miomana ho amin’izany fotoana izany ianareo ankehitriny. Ny Mon Progrès Personnel sy ireo fitsipika hita ao amin’ny Jeunes Soyez Forts dia manan-danja. Ny fiainana ireo fitsipika hita ao amin’ireo bokikely tsirairay ireo dia hanamafy orina anareo sy hanampy anareo ho lasa “mendrika kokoa ao amin’ny fanjakana.”5

Tamin’ny fotoam-pahavaratra lasa teo dia nisy vondron-jatovovavy avy any Alpine, Utah nanapa-kevitra ny ho lasa “mendrika kokoa ao amin’ny fanjakana.” Nanapa-kevitra ny hifantoka amin’ny tempoly izy ireo amin’ny alalan’ny fandehanana an-tongotra miala eo amin’ny Tempolin’i Draper Utah hatrany amin’ny Tempolin’i Salt Lake, izay 35 kilaometatra ny halavirany. Toy ny zavatra nataon’i John Roe Moyle mihitsy izany izay iray tamin’ireo mpisava lalana. Rahalahy Moyle dia mpandrafi-bato izay nantsoin’ny mpaminany, Brigham Young, mba hiasa tamin’ny fanorenana ny Tempolin’i Salt Lake. Manao ilay dian-tongotra 35 kilaometra miala eo an-tranony mankany amin’ny tempoly izy isan-kerinandro. Anisan’ny asany ny fanaovana sokitra teo amin’ny ilany atsinanan’ny Tempolin’i Salt Lake ny teny hoe “Hamasinina ho an’i Jehovah.” Tsy mora izany ary tsy maintsy nandresy sakana maro izy. Indray andro dia voadakan’ny iray tamin’ireo ombivaviny teo amin’ny ranjony izy. Tsy maintsy notapahana izany ranjony izany satria tsy nety notsaboina intsony. Saingy tsy nanakana azy tsy hanolo-tena ho an’ny mpaminany sy hanao asa teo amin’ny tempoly izany. Nanamboatra ranjo hazo izy ary herinandro maro taty aoriana dia nanao an’ilay dia an-tongotra 35 kilaometatra mankany amin’ny tempoly indray izy mba hanao ilay asa efa nanolorany tena.6

Nanapa-kevitra ireo zatovovavy tao amin’ny Paroasy Fahaenin’i Cedar Hills fa hanao dia an-tongotra amin’izany halaviran-dalana izany ho an’ny razambe iray ary koa ho an’ny olona iray izay nanentana ny fanahin’izy ireo hitoetra ho mendrika hiditra ny tempoly. Nanao fanazaran-tena isan-kerinandro izy ireo tamin’ny fiaraha-mientana ifampizarana ary rehefa teny am-pandehanana an-tongotra izy ireo dia nizara ny zavatra nianarany sy tsapany momba ny tempoly.

Natombok’izy ireo vao maraim-be tamin’ny alalan’ny vavaka ny dian’izy ireo. Raha nanomboka izany izy ireo dia variana tamin’ny fahatokian’izy ireo aho. Niomana tsara izy ireo ary fantatr’izy ireo fa vonona izy ireo. Nifantoka tamin’ny tanjony ny mason’izy ireo. Ny dingana tsirairay noraisin’izy ireo dia maneho anareo tsirairay avy noho ianareo izay miomana koa ny handeha ho any amin’ny tempoly ankehitriny. Ny fanazaran-tenanareo manokana dia efa nanomboka tamin’ny alalan’ny vavaka samirery ataonareo isan’andro, ny famakianareo isan’andro ny Bokin’i Môrmôna ary ny fanaovanareo asa ao amin’ny Mon Progrès Personnel.

Rehefa nanohy ny diany ireo zatovovavy ireo dia nisy ny zavatra nahavarimbariana teny an-dalana saingy nifantoka hatrany tamin’ny tanjony izy ireo. Ny sasany nanomboka nahatsapa fa nisy masaka ny tongotra ary ny sasany nahatsapa fa nanomboka nikomy ny lohalika, saingy nandeha ihany izy ireo. Maro ireo zavatra mahavarimbariana sy maharary ary ireo sakana ho anareo tsirairay eny amin’ny lalanareo mankany amin’ny tempoly, saingy ianareo koa dia tapa-kevitra ka mandehana foana. Ny lalana nalehan’ireto zatovovavy ireto dia efa voafaritr’ireo mpitarika azy ireo izay nandeha an-tongotra sy nitondra fiara tamin’izany ary namantatra ny lalana tena azo antoka sy manitsy tokony haleha. Averina indray fa misy marika ny lalanareo ary afaka mahazo antoka ianareo fa ny Mpamonjy dia tsy hoe efa nandeha tamin’izany lalana izany fotsiny fa mbola handeha amin’izany miaraka aminareo—isaky ny dingana rehetra ao amin’ilay lalana.

Tao anatin’izany dia nankany amin’ny tempoly izany dia teo ireo ray, ireo reny, ireo olona ao amin’ny fianakaviana ary ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana izay nanao mpiambina. Ny asan’izy ireo dia ny maka antoka fa voaro amin’ny loza ny tsirairay. Nataon’izy ireo izay hijanonan’ny zatovovavy tsirairay ho ampy rano tsara sy ho ampy sakafo tsara mba hitazonany ny heriny. Nisy ireo toeram-pijanonana hahazoana fanampiana nomen’ireo mpitarika azy ireo ao amin’ny fisoronana izay ahitana toerana hialana sasatra sy hisotroana rano. Ry zatovovavy! Ny rainareo, ny reninareo, ny evekanareo, ary ireo olon-kafa maro dia ho mpiambina anareo rehefa mandeha amin’ilay lalanareo mankany amin’ny tempoly ianareo. Hanome fampitandremana izy ireo sy hitarika ny lalanareo ary hanampy anareo raha toa ianareo ka maratra na marary, na nivoaka ny lalana.

Variana aho satria tany amin’ny kilaometatra faramparan’ny dia nataon’izy ireo dia tonga nanohana ireo zatovovavy vonona ireo ny anadahiny sy ireo zatovolahy sy namana hafa ary nampahery azy ireo. Nisy rahalahy iray nibata ny anabaviny izay masaka be ny tongony ary nibaby azy nandeha tamin’ilay halaviran-dalana farany nankany amin’ny tempoly. Rehefa tratran’ireo zatovovavy mahatalanjona ireo ny tanjony dia nilatsaka ny ranomaso rehefa nikasika ny tempoly izy ireo sy nanao fanoloran-tena mangina fa ho mendrika lalandava ny hiditra ao.

Ilay dia an-tongotra nankany amin’ny tempoly dia toy ny fanoharana eo amin’ny fiainanareo. Ny ray aman-dreny sy ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana dia nijoro ho mpiambina teny an-dalana teny. Nanome fanohanana sy fanampiana izy ireo. Nifampiambina sy nifankahery ny zatovovavy. Nidera ny hery sy ny fanoloran-tena ary ny tanjak’ireo zatovovavy ireo ny zatovolahy. Nilanja ireo anabaviny naratra ireo anadahiny. Nifaly niaraka tamin’ny zanany vavy ireo fianakaviana rehefa nanapitra ny diany teo amin’ny tempoly izy ireo ary nitondra azy ireo nody soa aman-tsara.

Mba hijanonana eo amin’ilay lalana mankany amin’ny tempoly dia tsy maintsy miambina ilay hasintsika manokana isika ary ny hasin’ny hafa izay mifanerasera amintsika. Nahoana?” I Môrmôna dia nampianatra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa ny fananana hasina sy ny fahadiovam-pitondrantena no “soa sy sarobidy indrindra tambonin’ny zava-drehetra.”7

Inona no azonareo tsirairay avy atao mba ho mpiambina ny hasina? Izany dia manomboka amin’ny finoana fa afaka mitondra fiovana ianareo. Izany dia manomboka amin’ny fanaovana fanoloran-tena. Fony aho zatovovavy dia nianatra aho fa ny fanapahan-kevitra sasany dia ilaina tonga dia raisina indray mandeha. Nosoratako tao anatin’ny kahie kely iray ny lisitry ny zavatra izay ho ataonareo foana sy ny zavatra tsy mba ho ataonareo na oviana na oviana . Izany dia ahitana zavatra toy ny hoe: fanajana ny Tenin’ny Fahendrena, ny fivavahana isan’andro, ny fandoavana ny fahafolonkarenako ary ny fanoloran-tena fa hiangona foana. Noraisiko indray mandeha ihany ireo fanapahan-kevitra ireo ary tao anatin’ny fotoana nanapahana hevitra dia fantatro tsara ny zavatra tokony hatao satria efa nanapa-kevitra mialoha aho. Rehefa nilaza ireo namako tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa hoe: “Izay misotro indray mandeha ve dia haninona!” dia nihomehy aho ary nilaza hoe: “Tamin’izaho 12 taona no nanapa-kevitra ny tsy hanao izany.” Ny fandraisana fanapahan-kevitra mialoha dia hanampy anao ho mpiambina ilay hasina. Manantena aho fa ianareo tsirairay dia hanoratra ny lisitry ny zavatra ho ataonareo foana sy ny zavatra tsy mba ho ataonareo na oviana na oviana . Dia iaino izay voarakitra ao anatin’ny lisitrareo.

Ny hoe mpiambina ny hasina dia midika hoe tsy ho maotina foana eo amin’ny fitafinareo fotsiny ianareo fa eo amin’ny fiteninareo sy ny zavatra ataonareo koa ary eo amin’ny fampiasanareo ny fitaovana fifandraisana aman’olona. Ny hoe mpiambina ny hasina dia midika fa ianareo dia tsy handefa teny na sary amin’ny zatovolahy izay mety hanala eo amin’izy ireo ny Fanahy na ny herin’ny fisoronany na ny hasiny. Midika izany fa mahatakatra ny lanjan’ny fahadiovam-pitondrantena ianareo satria takatrareo koa fa tempoly ny vatanareo ary izany hery masin’ny fananahana izany dia tsy tokony hosimbaina alohan’ny fanambadiana. Takatrareo fa manana hery masina ianareo izay ahitana ilay andraikitra masina hitondra fanahy hafa eto an-tany mba hahazo vatana izay hitoeran’ny fanahy mandrakizainy. Izany hery izany dia ahitana fanahy masina iray hafa. Ianareo dia mpiambin-javatra izay “sarobidy noho ny voahangy.”8 Aoka ianareo hahatoky. Aoka ianareo hankatò. Miomana ankehitriny mba hahamendrika anareo hahazo ireo fitahiana rehetra izay miandry anareo ao amin’ny tempoly masin’ny Tompo.

Ho an’ireo reny izay mihaino androany hariva dia ianareo no ohatra tena manan-danja ho an’ny zanakavavinareo eo amin’ny fahamaotinana sy fananan-kasina—misaotra anareo! Aza misalasala ny mampianatra fa izy ireo dia zanakavavy be voninahitr’Andriamanitra ary ny lanjan’izy ireo dia tsy mifototra amin’ny herin-tsintony manaram-batana. Ary avelao izy ireo hahita ilay finoanareo hita taratra tsara sy tsy miovaova eo amin’ny toetranareo manokana sy ny bika aman’endrikareo ety ivelany.9 Mpiambina ny hasina ihany koa ianareo.

Nihanika teny amin’i Ensign Peak indray aho tamin’ity herinandro ity. Vao maraina be tamin’izay ary rehefa nojereko avy teny amin’io tendrombohitra io ilay tendrombohitra misy ny Tranon’i Jehovah—ny Tempolin’i Salt Lake—dia tena nazava indray ny maha-zava-dehibe ny tempoly. Nanome ny zavatra rehetra nananany ireo mpisava lalana mba hahatongavana teny an-tampon’ny tendrombohitra mba hahafahako sy hahafahanao mahazo ireo fitahian’ny tempoly sy hofehezina mandrakizay amin’ny maha-fianakaviana antsika. Efapolo taona nihafiana, asa nokaliana fatratra, dia an-tongotra avy any Alpine mankany amin’ny tempoly mihitsy aza—nahoana? Satria nino toa anareo izy ireo! Nino ny mpaminany izy ireo. Nino izy ireo fa nahita sy niresaka tamin’Andriamanitra sy ny Zanakalahy Malalany izy. Nino ny Mpamonjy izy ireo. Nino ny Bokin’i Môrmôna izy ireo. Izay no nahafahan’izy ireo niteny hoe: “Isika dia mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, efa niaritra zavatra maro ary manantena ny ho afaka hiaritra ny zavatra rehetra.”10 Niaritra zavatra maro izy ireo noho izany dia afaka manao izany koa isika. Ny Fanekem-pinoana fahatelo ambin’ny folo no zavatra inoantsika satria ireo no tena zavatra izay ahafahantsika ho mendrika ny hiditra ny tempoly sy ahafahantsika hijoro eo anatrehan’ny Ray any an-danitra indray andro any—efa notsapaina sy madio ary nofehezina. Izany dia hitaky anareo mba ho “mendrika kokoa ao amin’ny fanjakana” ary mila miomana dieny izao ianareo sy manana fahatokiana fa afaka manao zavatra mafy.

Ry zatovovavy, tafiditra ao anatin’ny asa iray lehibe ianareo! Ary tsy irery ianareo! Rehefa miambina ny hasinareo sy ny fahadiovanareo ianareo dia hahazo hery. Rehefa mitandrina ny fanekempihavanana nataonareo ianareo dia hitarika anareo ny Fanahy Masina ary hiambina anareo. Ho voahodidin’ireo andian’anjelin’ny lanitra ianareo. Mampahatsiahy antsika ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Tsarovy fa tsy mihazakazaka irery isika ao anatin’ity hazakazaka hatao eo amin’ny fiainana ity, fa mahazo ny fanampian’ny Tompo.”11 Miomàna ianareo amin’ilay andro izay handehananareo any amin’ny tempolin’ny Tompo ao anatin’ny fahamendrehana ary efa niomana ny hanao fanekempihavanana masina. Amin’ny maha-mpiambina ilay hasina anareo dia haniry ny hitady ny Mpamonjy ao amin’ny tranony masina ianareo.

Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Andriamanitra ary velona ilay Zanaka Malalany, Jesoa Kristy. Noho ilay herin’ny Sorompanavotany tsy manam-petra izay mitondra fanavotana sy manome fahafahana hiasa dia hotarihina sy hambenana ianareo eny amin’ny lalanareo mankany amin’ny tempoly sy eny amin’ny lalanareo miverina eo anatrehany. Mivavaka aho mba hahazoanareo tsirairay hery amin’izany asa izany izay ho toy ny fotoana tena tsara indrindra ho anareo. Aoka ianareo hiaina ho an’ilay andro mahafinaritra izay voalaza ao amin’ny bokin’ny Apôkalypsy fa ho fotoana “handehanana … miaraka amin’ny fitafiana fotsy [satria mendrika ianareo].”12 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

  1. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:2.

  2. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:13.

  3. Mon Progres Personnel (bokikely, 2009), 70.

  4. Jereo ny thefreedictionary.com/guardian.

  5. “Ah! Donne-moi Père,” Cantiques, no. 70.

  6. Jereo ny Dieter F. Uchtdorf, “Lift Where You Stand,” Liahona, Nôv. 2008, 55.

  7. Môrônia 9:9.

  8. Ohabolana 3:15.

  9. Jereo ny M. Russell Ballard, “Mothers and Daughters,” Liahona, Mey 2010, 18–21.

  10. Fanekem-pinoana 1:10.

  11. Thomas S. Monson, “Great Expectations” (Church Educational System fireside for young adults, Jan. 11, 2009), http://lds.org/library/display/0,4945,538-1-4773-1,00.html.

  12. Apôkalypsy 3:4.