2010–2019
“Mino Isika fa Tokony ho Marina, ho Mahatoky”
Aprily 2011


“Mino Isika fa Tokony ho Marina, ho Mahatoky”

Ny fijoroana ho mahatoky amin’ny finoantsika—na dia toa hafahafa amin’ny hafa, na tsy mora na tsy mahafinaritra aza ny manao an’izany—dia miaro antsika amin’ilay lalana izay mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Raintsika any an-danitra.

Ry zatovovavy malalako, voninahitra sy tombontsoa lehibe ho ahy ny mijoro eto anoloanareo amin’ity takariva ity. Tena mahafinaritra sy mitaona fanahy ny fahitana anareo.

Ny fanekem-pinoana fahatelo ambin’ny folo no teny filamatra ho amin’ny fiaraha-mientana Ifampizarana mandritra ny taona 2011. Raha nanatrika ny fivorian’ny tanora sy ny fanasan’ny Tompo aho tamin’ity taona ity, dia nandre ireo zatovolahy sy zatovovavy nizara ny hoe midika inona amin’izy ireo ny fanekem-pinoana fahatelo ambin’ny folo ary ahoana no fihatran’izany eoamin’ny fiainan’izy ireo. Maro ireo mahafantatra izany ho toy ny fanekem-pinoana farany sy lava indrindra ary sarotra tadidiana indrindra, ary fanekem-pinoana izay antenain’izy ireo mba tsy ho asain’ny eveka hotanisain’izy ireo. Kanefa, maro aminareo no mahatakatra fa ny fanekem-pinoana fahatelo ambin’ny folo dia mifono zavatra mihoatra noho izany.

Ny Fanekem-pinoana fahatelo ambin’ny folo dia fitarihana ho an’ny fiainana marina sy Kristiana. Alaivo sary an-tsaina kely fotsiny ny mety ho endriky ity tontolontsika ity raha toa ny olon-drehetra ka misafidy ny hiaina ny fampianarana hita ao amin’ny ny Fanekem-pinoana fahatelo ambin’ny folo: “Mino isika fa tokony ho marina, ho mahatoky, ho madio fitondrantena, ho antra olona, ho mendrika ary hanao soa amin’ ny olon-drehetra; afaka milaza marina tokoa isika fa manaraka ny fananaran’ i Paoly manao hoe—Isika dia mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, efa niaritra zavatra maro ary manantena ny ho afaka hiaritra ny zavatra rehetra. Raha toa ka misy zavatra mendrika, maha-te ho tia, tsara na mendrim-piderana dia mikatsaka ireny zavatra ireny isika.”

Tao anatin’ny lahatenin’ny Filoha Thomas S. Monson nataony amin’ny maha mpaminany azy nandritra ny fivoriana Alahady maraina sy Alahady voalohan’ny fihaonamben’ny Fiangonana dia nilaza ny fananarana nataon’i Paoly izay hita ao amin’ny Filipiana 4:8, izay toy ny aingam-panahy nahazoana ny ankamaroan’ny fitsipika ao amin’ny fanekem-pinoana fahatelo ambin’ny folo. Ny Filoha Monson dia nahafantatra ny fotoam-pitsapana izay iainantsika ary nanome fankaherezana. Hoy izy, “Ao anatin’ity dia eto amin’ity fiainana an-tany ity izay mampidi-doza indraindray, dia aoka isika … hanaraka ny torohevitry ny Apôstôly Paoly izay hanampy antsika ho voaaro sy hijanona amin’ny lalana.”1

Anio hariva aho dia te-hifantoka amin’ny fitsipika roa mifandray akaiky hita ao amin’ny Fanekem-pinoana fahatelo ambin’ny folo izay azo antoka fa “hanampy antsika ho voaaro sy hijanona amin’ny lalana.” Izaho dia manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ireo fitsipika manan-danja hoe, tokony ho marina sy mahatoky ary manolo tena ny ho toy izany aho.

Voalohany, “[Izaho dia] mino fa tokony ho marina.” Inona no dikan’izany hoe marin-toetra izany? Ny bokikely Ancrés dans la Foi dia mampianatra fa, “Ny dikan’ny hoe marin-toetra dia tsotra, marina ary tsy misy fitaka amin’ny fotoana rehetra.”2 Didin’Andriamanitra ny fahamarinan-toetra,3 ary “ny fahamarinan-toetra feno dia tena ilaina amin’ny famonjena antsika.”4

Ny Filoha Howard W. Hunter dia nampianatra fa tsy maintsy vonona ny ho marin-toetra tanteraka isika. Hoy izy hoe:

“Taona maro lasa izay, ny efitra malalaka fidirana amin’ny trano fiangonanay dia nahitana peta-drindrina izay ahitana ny soratra hoe: ‘Aoka ho Marin-toetra amin’ny Tenanao Ianao.’‘ Ny ankamaroan’izy ireny dia mifandray amin’ny zavatra kely sy tsotran’ny fiainana. Kolokoloina amin’ny alalan’ireo zavatra ireo ny fitsipiky ny fahamarinan-toetra.

“Misy ireo izay hanaiky fa tsy mety eo amin’ny lafiny ara-tsaina amam-panahy ny tsy fahamarinan-toetra amin’ny zavatra goavana saingy mino izy fa azo leferina izany raha ny mikasika ireo zavatra tsy dia manan-danja loatra. Moa ve tena misy fahasamihafana eo amin’ny tsy fahamarinan-toetra mahakasika ny vola arivo dôlara sy ny tsy fahamarinan-toetra mikasika ny vola venty sy kirobo? … Moa ve misy ambaratongany tokoa ny tsy fahamarinan-toetra, ka miankina amin’ny halehibe na hakelin’ilay trangan-javatra?”

Nanohy hatrany ny Filoha Hunter hoe, “Raha toa isika ka manana ny Tompo sy ny Fanahy Masina ho namana dia tsy maintsy marin-toetra amin’ny tenantsika isika, marin-toetra eo anatrehan’Andriamanitra, ary amin’ny mpiara-belona amintsika. Izany dia hiteraka hafaliana marina.”5

Rehefa marin-toetra amin’ny zava-drehetra isika, na lehibe na kely, dia hiaina fiadanan-tsaina isika ary fandrian’ny eritreritra tanteraka. Mafy orina ny fifandraisantsika amin’ny hafa satria mifototra amin’ny fahatokiana izany. Ary ny fitahiana lehibe indrindra izay azo avy amin’ny fahamarinan-toetra dia ny fahafahantsika hanana ny Fanahy Masina ho namana.

Te-hizara tantara tsotra iray aho izay nanamafy ny fanolorantenako mba ho marina amin’ny zava-drehetra:

“Indray hariva dia nisy lehilahy iray nandeha nangalatra katsaka tany amin’ny sahan’ny mpifanolobodirindrina taminy. Nentiny niaraka taminy ny zanany lahikely mba hipetraka teo amin’ny fefy ary hiambina, ka hanome fampitandremana azy raha toa ka misy olona manatona. Nitsambikina ny fefy ilay lehilahy niaraka tamin’ny gony lehibe teny an-tsandriny, ary talohan’ny nangalany katsaka dia nijery ny manodidina aloha izy, teny aloha ary avy eo tany aoriana. Ary rehefa tsy nahita na iza na iza izy dia nandeha nameno ny goniny. …[ Niantsoantso ilay zazalahy hoe]

“ ‘Dada a, mbola misy faritra iray tsy nojerenao! … adinonao ny nijery ny teny ambony.’”‘”6

Rehefa alaim-panahy ho tsy marin-toetra isika, ary tonga amintsika rehetra izany fakam-panahy izany, dia mety hieritreritra isika fa tsy hisy olona hahafantatra izany mihitsy. Io tantara io dia mampahatsiahy antsika fa ny Raintsika any an-danitra dia mahafantatra foana, ary tompon’andraikitra eo anatrehany isika amin’ny farany. Ny fahalalana izany dia manampy ahy hiezaka hatrany hanaja ity fanoloran-tena ity: “[Izaho dia] mino fa tokony ho marina.”

Ny fitsipika faharoa ampianarina ao amin’ny fanekem-pinoana fahatelo ambin’ny folo dia ny hoe: “Mino [aho] fa tokony ho …mahatoky.” Ny rakibolana dia mamaritra ny teny hoe mahatoky ho toy ny hoe “tsy miova”, “mahitsy saina”, “tena marina”, na “tsy mivilivily”7

Ny iray amin’ireo boky tena tiako dia ilay boky Anglisy hoe Jane Eyre , nosoratan’i Charlotte Bronte tamin’ny taona 1847. I Jane Eyre izay olona ivon’ny tantara, dia zatovovavy kamboty tena mahantra izay maneho tsara ny dikan’izanyhoe “mahatoky” izany Ao anatin’ity tantara noforonin’ny eritreritra ity dia nisy lehilahy iray, Andriamatoa Rochester, izay raikim-pitia tamin-dramatoakely Eyre kanefa tsy afaka nanambady azy. Ka dia naleony nitalaho tamin-dramatoakely Eyre mba honina hiaraka aminy ao anaty tokantrano maso. Ramatoakely Eyre koa dia tia an’Andriamatoa Rochester ary nisy fotoana kely izy nalaim-panahy, nanontany tena hoe: “Iza moa eto amin’izao tontolo izao no mba miraharaha anao? Na iza ihany koa no haratra amin’izay ataonao?”

Avy hatrany anefa dia namaly ny eritreritr’i Jane hoe: “Izaho dia miraharaha ny tenako. Arakaraka ny maha irery ahy, ny maha tsisy namana ahy, ny maha tsy misy mpanohana ahy, no hanajako ny tenako bebe kokoa. Hitandrina ny lalàna nomen’Andriamanitra aho … Ireo lalàna sy fitsipika dia tsy natao amin’ny fotoana tsy hisian’ny fakam-panahy: fa natao ho an’ny fotoana toy izao izany … Raha ohatra aho ka mandika azy ireo amin’ny fotoana itiavako hanaovana izany, dia inona intsony no ho lanjan’izy ireo? Manan-danja izy ireo—nino izany foana aho hatrizay … Hevitra noeritreretina mialoha sy fanapahan-kevitra noraisina tany aloha, no hany ananako amin’izao ora izao ka azoko hifikirana: koa eo amin’izany no hamboleko ny tongotro.”8

Nahatoky tamin’ny finoany i Jane Eyre tao anatin’ny fotoanan’ny fakam-panahy mahakivy. Nahatoky tamin’ilay lalàna nomen’Andriamanitra izy, ary dia “namboleny ny tongony” hanoherana ny fakam-panahy.

Ny fijoroana ho mahatoky amin’ny finoantsika—na dia toa hafahafa amin’ny hafa, na tsy mora na tsy mahafinaritra aza ny manao an’izany—dia miaro antsika amin’ilay lalana izay mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Raintsika any an-danitra. Tena tiako ity sary iray nataon’ny zatovovavy iray ity izay mampahatsiahy azy ny faniriany hiaina ny hafaliana amin’ny fiainana miaraka amin’ny Ray any an-danitra mandrakizay.

Ny fijoroana ho mahatoky koa dia ahafahantsika manana fiantraikany tsara eo amin’ny fiainan’ny hafa. Vao tsy ela akory izay aho no nandre tantara iray manentana ny fanahy momba ny zatovovavy iray izay nitondra fiantraikan-javatra lehibe teo amin’ny fiainan’ny zatovovavy iray hafa noho ny fanoloran-tenany mba ho mahatoky amin’ny finoany.

Taona maro lasa izay, i Kristi sy i Jenn dia samy nanatrika fampianarana tao amin’ny amboarampeo tao Hurst, Texas. Na dia tsy nifankafantatra tsara aza izy ireo, dia ren’i Jenn i Kristi niresaka tamin’ireo namany momba ny fivavahana sy ireo zavatra samihafa inoan’izy ireo, ary ny tantara tiany indrindra ao amin’ny Baiboly. Rehefa nifandray tamin’i Kristi indray izy elabe taty aoriana dia nizara izao tantara izao i Jenn:

“Nalahelo aho fa tsy nahafantatra na inona na inona tamin’ny resaka nifanaovanao sy ireo namanao, ary noho izany tamin’ny noely dia nangataka Baiboly tamin’ireo ray aman-dreniko aho. Nahazo Baiboly aho ary nanomboka namaky izany. Izay no nanombohan’ilay dian’ny finoako ary ny fitadiavako ny Fiangonana marina. … Lasa ny roa ambin’ny folo taona. Nandritra ny fotoana nitsidihako fiangonana maromaro sy nandehanako niangona tsy tapaka dia mbola nahatsapa hatrany aho fa misy zavatra hafa bebe kokoa. Indray alina, dia nandohalika aho ary nitalaho mba hahafantatra ny tokony hatao. Tamin’io alina io no nanofisako anao ry Kristi. Tsy nahita anao intsony aho hatramin’ny nivoahantsika tamin’ny sekoly ambaratonga faharoa. Nieritreritra aho hoe hafahafa izany nofiko izany, saingy nieritreritra aho fa tsy nisy dikany izany. Nanonofy anao indray aho nandritra ny alina anankitelo manaraka. Nandany fotoana aho nieritreritra ny dikan’ny nofiko. Tsaroako fa ianao dia Môrmôna. Nijery ny tranokalan’ny Môrmôna aho. Ny zavatra voalohany hitako dia ny Tenin’ny Fahendrena. Ny reniko dia maty noho ny aretina homamiadan’ny avokavoka roa taona lasa talohan’io. Mpifoka sigara izy ary ny famakiana ny Tenin’ny Fahendrena dia tena nisy dikany lehibe tamiko. Taty aoriana dia nitsidika ny tranon-draiko aho. Nipetraka teo amin’ny trano fandraisam-bahininy aho, ary dia nanomboka nivavaka. Nanontany izay tokony halehako sy izay tokony hataoko aho. Tamin’izay fotoana izay indrindra no nisy dokam-barotra momba ny Fiangonana nandeha tamin’ny fahitalavitra. Noraisiko an-tsoratra ilay laharan-tariby ary nantsoiko tamin’io alin’io ihany. Niantso ahy ny misiônera telo andro taty aoriana ary nanontany raha toa ka azon’izy ireo atao ny manatitra Bokin’i Môrmôna iray any an-tokantranoko. Namaly aho hoe, ‘Eny.’ Natao batisa aho telo volana sy tapany taty aoriana. Roa taona taty aoriana dia nahita ny vadiko tao amin’ny Fiangonana aho. Nivady tany amin’ny Tempolin’i Dallas izahay. Ankehitriny dia ray aman-drenin’ny zaza roa mahafatifaty izahay.

“Te hisaotra anao aho ry Kristi. Nampiseho ohatra tsara ianao nandritra ny fotoana tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa. Tsara fanahy sy feno fahamasinana ianao. Nampianatra ahy ireo lesona ny misiônera ary nanasa ahy mba hatao batisa, fa ianao no misiônerako fahatelo. Namafy voa tamin’ny alalan’ny asanao ianao, ary tena nahatonga ny fiainako ho tsaratsara kokoa. Manana fianakaviana mandrakizay aho ankehitriny. Hihalehibe ao anatin’ny fahafantarana ny fahafenoan’ny filazantsara ireo zanako. Izany no fitahiana lehibe indrindra izay azon’iza n’iza amintsika raisina. Ianao no nanampy nitondra izany teo amin’ny fiainako.”

Rehefa nifandray tamin’i Kristi aho, dia hoy izy hoe: “Indraindray aho mieritreritra fa rehefa mandre ireo lisitry ny toetra voatanisa ao amin’ny fanekem-pinoana fahatelo ambin’ny folo isika, dia mahatsiaro ho mavesatra. Kanefa fantatro fa rehefa miaina ireo fitsipika sy miezaka ny hanaraka ny ohatra nasehon’i Kristy isika, dia afaka mitondra fiovana. … Tsapako ho toa an’i Amôna ao amin’ny Almà 26:3 aho raha niteny izy hoe, “Ary izany no fitahiana izay efa natolotra antsika, dia ny efa nanaovana antsika ho fitaovana teo an-tànan’ Andriamanitra mba hanatanteraka ity asa lehibe ity.”

Mivavaka aho mba tsy hanambara fotsiny hoe: “Izaho dia mino fa tokony ho marina sy ho mahatoky,” ianareo tsirairay fa mba hanolo-tena ihany koa hiaina izany fampanantenana izany isan’andro. Mivavaka aho hoe rehefa manao izany ianareo, dia hanohana anareo ny hery sy ny fitiavana ary ny fitahian’Andriamanitra rehefa manao ny asa nanirahana anareo tsirairay avy ianareo. Lazaiko izany rehetra izany amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, Amena.

  1. Thomas S. Monson, “Looking Back and Moving Forward,” Liahona, Mey 2008, 90.

  2. Ancrés dans la Foi(2004), 84.

  3. Jereo ny Eksodosy 20:15–16.

  4. Fitsipiky ny Filazantsara (2009), 179.

  5. Howard W. Hunter, “Basic Concepts of Honesty,” New Era, Feb. 1978, 4, 5.

  6. William J. Scott, “Forgot to Look Up,” Scott’s Monthly Magazine, Des. 1867, 953.

  7. Jereo Merriam-Webster’s Collegiate Dictionary, 11th ed. (2003), “true.”

  8. Charlotte Brontë, Jane Eyre (2003), 356.