2010–2019
Fihaonambe Indray Izao
Aprily 2011


Fihaonambe Indray Izao

Misaotra anareo aho noho ny finoana sy fanoloran-tenanareo ho an’ny filazantsara, noho ny fitiavana sy fifampitsinjovanareo ary noho ny asa fanompoana izay atolotrareo.

Tamin’ny fotoana nandrafetana ity trano ity, dia nihevitra izahay hoe tsy ho fenontsika na oviana na oviana izy ity. Jereo ange ity izy ankehitriny.

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, tsara ery izany hoe tafaraka indray izany eto am-panombohantsika ny fihaonambe fanao isan-taona faha-181 an’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Ireo enim-bolana lasa farany teo dia toa nandalo haingana raha sahirana tamin’ny andraikitra maro aho. Iray amin’ireo fitahiana lehibe nandritra izany fotoana izany dia ny namerenana nanokanana ilay Tempoly tsara tarehin’i Laie Hawaii, izay avy nandalo fanavaozana goavana saika nandritra ny roa taona. Niaraka tamiko tamin’izany ny Filoha Henry B. Eyring mivady, ny Loholona Quentin L. Cook mivady ary ny Loholona William R. Walker mivady. Nandritra ny hariva mialohan’ny namerenana ny fanokanana, izay natao tamin’ny Nôvambra, dia nijery ireo tanora 2.000 avy amin’ny fari-piadidian’ilay tempoly izahay raha nameno ny Foibe fanaovana Fiaraha-mientana Cannon ao amin’ny BYU-Hawaii izy ireo ary nanolotra fampisehoana ho anay. Ny fampisehoan’izy ireo dia nitondra ny lohateny hoe “Ilay Toeram-pivondronana” izay nitantarana tamin’ny saina tia mamorona sy fahaizana mifehy ireo zava-nitranga tamin’ny tantaram-piangonana teo an-toerana sy ny tantaran’ilay tempoly. Nahafinaritra ery izany takariva izany!

Ny ampitson’io dia hanim-pitoloha ara-panahy rehefa naverina notokanana ilay tempoly nandritra ny fotoam-pivoriana in-telo. Niaraka taminay tamin’ny fomba feno dia feno ny Fanahin’ny Tompo.

Manohy hatrany manorina tempoly isika. Tombotsoa manokana ho ahy anio maraina ny hanambara tempoly telo fanampiny izay efa eo ampividianana ny tany hanorenana azy ary ato anatin’ny volana sy taona vitsivitsy dia haorina amin’ireto toerana ireto: Fort Collins, Colorado; Meridian, Idaho ary Winnipeg, Manitoba, Canada. Tena ho fitahiana ho an’ireo mpikambana any amin’ireo faritra ireo izany.

Isan-taona dia ôrdônansy an-tapitrisa no tanterahina any amin’ireo tempoly. Enga anie isika hanohy hatrany ho mahatoky eo amin’ny fanatanterahana ôrdônansy tahaka izany, tsy ho an’ny tenantsika ihany fa ho an’ireo malalantsika izay nodimandry ihany koa izay tsy afaka nanao izany ho an’ny tenany.

Manohy manolotra fanampiana olona ny Fiangonana amin’ny fotoanan’ny loza. Vao haingana indrindra izao dia nangoraka an’ireo mponina any Japon ny fontsika ary nanolotra fanampiana ho azy ireo taorian’ilay horohorontany sy tsunami nandravarava sy ireo olana ara-nokleary naterak’izany. Nizara kojakoja maherin’ny 63 taonina isika, an’isan’izany ny sakafo, rano fisotro, bodofotsy, kojakoja fidiovana, akanjo fitafy ary solika. Ireo tanora mpitovo tato amintsika dia nanolotra ny fotoany mba hikarohana ireo mpikambana tsy hita popoka tamin’ny fampiasana ny Internet, sy ireo fitaovam-pifandraisana samihafa sy fomba fifandraisana maoderina hafa. Manolotra fanampiana ireo mpikambana, amin’ny alalan’ireo môtô natolotry ny Fiangonana, ho an’ireo faritra izay saro-dalana ho an’ny fiarakodia. Volavolan’asa fanompoana entina hanambatra kojakoja fidiovana sy fanadiovana no eo an-dalam-panatanterahana any amin’ireo tsatòka sy paroasy maro ao Tokyo sy Nagoya ary Osaka. Hatreto aloha dia maherin’ny 40.000 ny ora nanaovana asa fanasoavana efa natolotry ny tsara sitrapo maherin’ny 4.000. Ny fanampiantsika dia mbola hitohy any Japon sy rehefa mety ho faritra hafa ilàna izany.

Ry rahalahiko sy anabaviko, misaotra anareo aho noho ny finoana sy fanoloran-tenanareo ho an’ny filazantsara, noho ny fitiavana sy fikarakarana izay ifanaovanareo ary noho ny asa fanompoana izay atolotrareo any amin’ny paroasy sy sampana ary tsatòka sy distrika misy anareo. Misaotra anareo ihany koa noho ny fahatokianareo eo amin’ny fandoavanareo fahafolonkarena sy fanatitra ary noho ny falalahan-tanana asehonareo eo amin’ny fanomezana vola hafa ato amin’ny Fiangonana.

Tamin’ny faran’ny taona 2010 teo dia nisy misiônera 52.225 am-perin’asa any amin’ny misiona 340 maneran-tany. Ny asa fitoriana no fanalahidin’ny fitomboan’ny Fiangonana. Mamelà ahy hanao sosokevitra hoe raha afaka manao ianareo dia azonareo dinihina ny handraisanareo anjara amin’ny Fonds Missionnaire Général [Kitapom-bola Foibe ho an’ny Asa Fitoriana] an’ny Fiangonana.

Ankehitriny, rahalahy sy ranabavy, dia tsindrin-daona isika hihaino ireo hafatra izay hatolotra ho antsika anio sy rahampitso. Ireo izay hiteny amintsika dia nikaroka ny fanampiana sy ny fitarihan’ny lanitra raha nanomana ny hafatr’izy ireo. Ny vavaka ataoko dia ny mba ho heniky ny Fanahin’ny Tompo isika sy ho tonga mafy orina ary handray fitaomam-panahy raha hihaino sy hianatra. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.