2010–2019
Mahatalanjona ireo Vehivavy Olomasin’ny Andro Farany!
Aprily 2011


Mahatalanjona ireo Vehivavy Olomasin’ny Andro Farany!

Ny ankamaroan’ny zavatra vitantsika ato amin’ny Fiangonana dia vokatry ny asa fanompoana feno fitiavana ataon’ny vehivavy.

Nanoratra momba ny fifindra-monin’ireo Môrmôna sy ny fivondronany tao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake ny mpanoratra sy mpahaitantara Wallace Stegner. Tsy nanaiky hanaraka ny finoantsika izy ary feno fitsikerana ihany tamin’ny lafiny maro. Na dia izany aza dia talanjona izy nahita ny fanoloran-tenan’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany am-piandohana sy ny herim-pon’izy ireo, indrindra fa ny vehivavy. Nilaza izy hoe: “Mahatalanjona ny vehivavin’izy ireo.”1 Averiko lazaina koa izany anio. Mahatalanjona ireo vehivavintsika Olomasin’ny Andro Farany!

Ny vehivavy dia nomen’Andriamanitra toetra masina toy ny fahatanjahana, fahamasinana, fitiavana ary fahavononana hiafy mba hitaiza ireo taranaka hoavin’ireo Zanany mbola fanahy.

Fanadihadiana iray natao vao tsy ela tany Etazonia no milaza fa ny vehivavy avy amin’ny finoana rehetra dia “mino amin-kafanam-po bebe kokoa an’Andriamanitra,” ary manatrika fivoriam-piangonana bebe kokoa noho ny lehilahy. “Raha eritreretina eo amin’ny lafiny rehetra dia mivavaka kokoa izy ireo.”2

Tsy nahagaga ahy izany valiny izany indrindra rehefa nandinika ilay andraikitra faratampon’ny fianakaviana sy ny vehivavy ato amin’ny finoantsika aho. Mazava ny fotopampianarantsika: Ny vehivavy dia zanakavavin’ny Raintsika any an-danitra izay tia azy ireo. Mitovy lenta amin’ny vadiny ny vehivavy. Ny fanambadiana dia mitaky fiaraha-miasa feno izany ahitana ny fiarahan’ny mpivady miasa akaiky mba hanomezana izay ilain’ny fianakaviana.3

Fantatsika fa maro ireo fanamby atrehin’ny vehivavy ka ao anatin’izany ny fiezahana mafy hiaina ny filazantsara.

Lova avy amin’ireo Rahavavy Mpisava Lalana

Ny zavatra iray tena niavaka teo amin’ny fiainan’ireo razambentsika mpisava lalana dia ny finoan’ireo rahavavy ato amintsika. Ny vehivavy noho ilay toetra voajanahary araka an’Andriamanitra dia manana fanomezam-pahasoavana sy andraikitra lehibe kokoa hikarakara ny tokantrano sy ny zanaka ary hikolokolo ny ao an-tokantrano sy any amin’ny toeran-kafa. Rehefa mieritreritra izany, dia tena manentana ny fanahy ny finoan’ireo rahavavy izay nanana fahavononana ny handao ny tokantranony mba hamakivaky tany lemaka ho any amin’ny ampitso tsy mbola fantatra. Raha toa ka hofaritana ny toetra tena nampiavaka indrindra azy ireo, dia tsy inona fa ilay finoana mafy orin’izy ireo ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy Tompo naverina tamin’ny laoniny.

Ireo tantara mifono herim-po mikasika ny zavatra nafoin’ireo vehivavy mpisava lalana ireo sy notanterahany rehefa namakivaky ireo tany lemaka izy ireo dia lova sarobidy ho an’ny Fiangonana. Nampihetsi-po ahy ny tantaran’i Elizabeth Jackson, izay namoy an’i vadiny Aaron izay maty taorian’ny niampitana ny Renirano Platte River niaraka tamin’ny vondron-tsarety tarihin-tanan-dry Martin. Nanoratra izy hoe:

“Tsy hivalampatra aho hitantara ny zavatra tsapako tamin’ny nahatonga ahy ho vady mananotena miaraka amin’ny zaza telo. Eo anatrehan’ny toe-javatra toy izany. … Mino aho … fa ny fijaliako noho ny fitiavana ny filazantsara dia horaisina ho toy ny asa masina mba hahasoa ahy. …

“ Izaho dia [niantso] ny Tompo, … Ilay nampanantena fa ho vadin’izay mananotena ary ho rain’izay tsy manan-dray. Niantso Azy aho ary tonga nanampy ahy Izy.”4

Nilaza i Elizabeth fa nanoratra izany tantara izany amin’ny anaran’ireo izay niaina toe-javatra toy izany, ka manantena izy fa ireo taranaka hoavy dia ho vonona ny hijaly sy hahafoy ny zavatra rehetra ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra.5

Matanjaka sy Mahery fo ny Vehivavy ao amin’ny Fiangonana Ankehitriny

Mino aho fa miatrika izany fanamby izany ireo vehivavin’ny Fiangonana ankehitriny ary tena matanjaka sy mahatoky mitovy amin’izany koa. Ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ao amin’ity Fiangonana ity isaky ny ambaratonga dia mankasitraka tokoa ny asa fanompoana ataon’ireo rahavavy, ny fahafoizan-tenany sy ny fanoloran-tenany ary ny anjara biriky entiny.

Ny ankamaroan’ny zavatra vitantsika ato amin’ny Fiangonana dia vokatry ny asa fanompoana feno fitiavana ataon’ny vehivavy. Mahafinaritra ny mahita ny fisoronana sy ny Fikambanana Ifanampiana miara-miasa ao anatin’ny firindrana tanteraka, na ao am-piangonana izany na any an-trano. Ny fifandraisana toy izany dia tahaka ny rodoben-javamaneno voarindra tsara ary manentana ny fanahintsika rehetra ny amboaram-peonkira avoakany.

Tamin’izaho nirahina mba hanatrika ny fihaonamben’ny Tsakòkan’i Mission Viejo Californie vao tsy ela akory izay, dia tohina tamin’ny tantara iray momba ny lanonam-pandihizan’izy ireo hitsenana ny Taom-baovao ho an’ny zatovo avy amin’ny tsatòka efatra aho. Taorian’ny lanonam-pandihizana dia nisy kitapo iray hita izay tsy nahitana famantarana hoe iza no tompony. Zaraiko aminareo ny ampahan’ny zavatra nosoratan-drahavavy Monica Sedgwick, filohan’ny Zatovovavy ao amin’ny tsakòkan’i Laguna Niguel: “Tsy te-hisavasava izahay. Zavatr’olona manokana izany! Noho izany dia nosokafanay tamim-pitandremana ilay izy ary nalainay izay zavatra voalohany teo amin’ny tampony indrindra—ary nantenaina fa mba hahafantarana azy izany. Nahafantarana azy tokoa izany,saingy tamin’ny fomba hafa—bokikelin’ny Jeunes Soyez Forts ilay izy. Oay! Nilaza zavatra taminay momba azy izany. Dia nalainay indray ny zavatra manaraka izay karine kely. Azo antoka fa hanome valiny ho anay izany, saingy tsy ilay valiny nantenainay. Ny pejy voalohany dia lisitr’ireo soratra masina tiany manokana. Nisy pejy dimy hafa nahitana soratra masina nosoratana tamim-pikaliana tsara sy zavatra manokana noraketina an-tsoratra tao anatin’izany.”

Te-hihaona haingana dia haingana tamin’ity zatovovavy mahatoky ity ireo rahavavy. Niverina teo amin’ilay kitapo indray izy ireo mba hahafantarana izay tompony. Navoakan’izy ireo avy tao ny vatomamy manala fofom-bava, savony, menaka fanosotra amin’ny hoditra ary borosim-bolo. Tiako ny zavatra nolazain’izy ireo: “Oay! Zavatra tsara no mivoaka ny vavany. Manana tanana madio sy malefaka izy ary mikarakara vatana.”

Niandry mafy ny zava-tsarobidy manaraka izy ireo. Nivoaka avy tany ny poketra kely fitoerana vola madinika vita tanana izay namboarina avy tamin’ny baoritra fitoeran-dranomboankazo ary nisy vola kely tao anatin’ny paosy iray misy hidiny. Nihoraka izy ireo hoe: “Andray! Mahay mamorona sy miomana izy!” Nahatsapa ho toy ny ankizy tao anatin’ny marainan’ny Krismasy izy ireo. Mbola nanaitra azy ireo bebe kokoa ny zavatra voasinton’izy ireo manaraka: taratasy misy fomba fanaovana mofomamy antsoina hoe fôret noire ary teny kely izay nilaza ny hanaovana ilay mofomamy ho an’ny fankalazana ny tsingerintaona nahaterahan’ny namana iray. Nila hikiakiaka mihitsy izy ireo nanao hoe: “MPANAO ZAVATRA AMBOARINA AO AN-TRANO izy!! Tsara fanahy sy tia manompo.” Eny, nahita famantarana vitsivitsy ihany izahay tamin’ny farany. Nilaza ireo mpitarika ny zatovo fa nahatsapa ho tena voatahy izy ireo “tamin’ny fandinihana ny ohatra mangina nasehon’ny tovovavy iray izay niaina ny filazantsara.”6

Ity tantara ity dia maneho ny fanoloran-tenan’ireo zatovovavintsika amin’ireo fitsipiky ny Fiangonana.7 Izany koa dia ohatra iray momba ireo mpitarika ny zatovovavy manerana an’izao tontolo izao izay mikarakara sy feno fahalianana ary manolo-tena. Mahatalanjona izy ireo!

Ny rahavavy dia manana andraikitra tena manan-danja eo amin’ny Fiangonana, eo amin’ny fiainan’ny fianakaviana ary amin’ny maha-olona manokana azy izay ilaina indrindra ao amin’ny drafitry ny Ray any an-danitra. Tsy handraisam-bola ny ankamaroan’ireo andraikitra ireo, saingy tena manome fahafahampo ary manan-danja mandrakizay. Vao haingana no nisy vehivavy iray mahafinaritra sy mahavita azy avy ao amin’ny komity misahana ny fanontana ao amin’ny gazety iray izay nangataka ny famaritana ny andraikitry ny vehivavy ao amin’ny Fiangonana. Nohazavaina fa ireo mpitarika rehetra eo anivon’ny mpiangona dia tsy mandray vola. Notapahiny izany mba hilazany fa tena nihena be ny fahalianany. Hoy izy: “Tsy mino aho hoe mbola mila asa fanampiny tsy handraisam-bola ny vehivavy.”

Notsindrinay fa ny rafitra manan-danja indrindra eto an-tany dia ny fianakaviana ka “ny ray sy ny reny … dia mpiara-miasa mitovy lenta.”8 Samy tsy mandray vola izy roa ireo, saingy tsy hay faritana kosa ny fitahiana azo. Mazava ho azy fa nolazainay taminy ny momba ny Fikambanana Ifanampiana sy ny Fikambanan’ny Zatovovavy ary ny Fikambanan’ny Kilonga izay tarihan’ireo filoha vehivavy. Nomarihanay fa efa hatrany am-piandohan’ny tantarantsika mihitsy no nahitana lehilahy sy vehivavy nivavaka, nilalao mozika, nanao lahateny, sy nihira tao anatin’ny amboarampeo na dia nandritra ny fivorian’ny Fanasan’ny Tompontsika aza izay fivoriantsika masina indrindra.

Ilay boky vao nivoaka hoe American Grace izay nahazo fankasitrahana lehibe, dia miresaka momba ireo vehivavy ao anatin’ny finoana maro. Voamarika tao fa ny vehivavy Olomasin’ny Andro Farany dia miavaka amin’ny maha afa-po tanteraka azy ireo amin’ny anjara andraikiny eo amin’ny fitantanana ny Fiangonana.9 Ankoatr’izay dia ny Olomasin’ny Andro Farany iray manontolo, lahy sy vavy, no manana firaiketam-po mafy indrindra amin’ny finoany teo anatrehan’ireo finoana hafa izay nohadihadiana.10

Tsy hoe mahatalanjona ny vehivavintsika satria afaka niala tamin’ireo olana teo amin’ny fiainana—ny mifanohitra amin’izany aza no izy. Mahatalanjona izy ireo noho ny fomba fiatrehan’izy ireo ny fitsapana eo amin’ny fiainana. Na dia eo aza ireo olana sy fitsapana atolotry ny fiainana—avy amin’ny fanambadiana na ny tsy fanambadiana na ny safidin’ny zanaka na ny tsy fahasalamana, na ny tsy fisian’ny fahafahana manao zavatra mitondra soa ary ireo olana maro hafa—dia mijanona amin’ny fomba mahagaga ho mafy orina sy tsy azo hozongozonina izy ireo ary mahatoky amin’ny finoany. Ireo rahavavy ato amintsika manerana ny Fiangonana dia “mamonjy tsy tapaka ny osa sy mampiakatra ny tanana izay miraviravy ary mampatanjaka ny lohalika malemy.”11

Nilaza ny Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana anankiray izay nankasitraka izany asa fanompoana mampitolagaga izany hoe: “Na dia efa eo am-panompoana aza ireo rahavavy dia mieritreritra hoe: ‘Inay aho mba afaka nanao zavatra bebe kokoa!’” Na dia tsy tanteraka aza izy ireo ary miatrika olana manokana daholo dia manenika ny fiainan’izy ireo ny finoany an’ilay Ray any an-danitra be fitiavana sy ny fahatokiany an’ilay sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Ny Anjara asan’ireo Rahavavy ao amin’ny Fiangonana

Nandritra ny telo taona lasa izay dia nikatsaka fitarihana sy aingam-panahy ary fanambarana ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo rehefa niara-nivory tamin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana sy ny vondrona fanampiny izahay sy rehefa nanamboatra ireo manuels de l’Église (boky torolalan’ny Fiangonana) vaovao. Tao anatin’izany toe-javatra izany no nahatsapako fankasitrahana mihoapampana noho ny andraikitra tena ilaina izay nosahanin’ireo rahavavy ara-tantara, na ny manambady na ny tokan-tena, ary mbola sahaniny ankehitriny ao amin’ny fianakaviana sy ny Fiangonana.

Ireo mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia tokony “hiasa ao amin’ny tanimboalobony ho famonjena ny fanahin’ny olona.”12 “Ny asa famonjena dia ahitana ny asa fitoriana ataon’ny mpikambana, ny fihazonana ireo vao niova fo, ny famerenana ireo mpikambana malaindaina mba hazoto, ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tetiarana, … ny fampianarana ny filazantsara,” 13 ary ny fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana.14 Izany dia alamina mialoha amin’ny alalan’ny filankevitry ny paroasy.15

Ny eveka, izay mahafantatra ny enta-mavesatra efa misy dia andrasana manokana mihitsy ao amin’ny manuels de l’Église (boky torolalan’ny Fiangonana)vaovao, mba hizara andraikitra bebe kokoa. Mila mahafantatra ireo mpikambana fa ny eveka dia efa nomena torolalana mba hizara andraikitra. Mila manohana sy manampy azy ireo mpikambana rehefa manaraka izany torohevitra izany izy. Izany dia hanome fahafahana ny eveka mba hanana fotoana bebe kokoa iarahana amin’ny zatovo, ny tanora mpitovo sy ny fianakaviany manokana. Hanome andraikitra manan-danja hafa an’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana sy ireo filohan’ny vondrona fanampiny ary ireo lehilahy sy vehivavy manokana izy. Ao amin’ny Fiangonana dia hajaina fatratra ny andraikitry ny vehivavy ao an-tokantrano.16 Rehefa mahazo antso iray ao am-piangonana izay mitaky fotoana betsaka ny renim-pianakaviana iray dia matetika homena antso tsy dia mitaky fotoana betsaka ilay raim-pianakaviana mba hitazonana ny fifandanjana eo amin’ny fiainan’ny fianakaviana.

Taona maro lasa izay dia nanatrika fihaonamben’ny tsatòka tany Tonga aho. Feno lehilahy teo amin’ny 26 ka hatramin’ny 35 taona ny seza telo voalohany teny anoloana tao amin’ny trano fiangonana ny alahady maraina. Nihevitra aho hoe amboaram-peon-dehilahy izy ireo. Saingy rehefa natao ny filazan-draharahan’ny fihaonambe dia nitsangana tsirairay ireo lehilahy ireo, izay 63 ny totaliny rehefa voatonona ny anarany ary notohanana mba homena ny Fisoronana Melkizedeka. Sady faly aho no taitra.

Taorian’ny fivoriana dia nanontany ny Filoha Mateaki, filohan’ny tsatòka aho hoe ahoana no nahatanteraka izany fahagagana izany. Nilaza izy fa nandritra ny fivorian’ny filankevitry ny tsatòka dia noresahana ny momba ny famerenana izay malaindaina ho mazoto. Nangataka ny Rahavavy Leinata Va’enuku, izay filohan’ny Fikambanana Ifanampian’ny tsatòkany raha mba afaka milaza zavatra. Rehefa niteny izy dia nohamafisin’ny Fanahy tamin’ilay filoha fa marina ny zavatra narosony. Nohazavainy fa maro be ireo tovolahy mahafinaritra maherin’ny 25 taona sy maherin’ny 35 taona ao amin’ny tsatòkan’izy ireo izay tsy nandeha nanao asa fitoriana. Nilaza izy fa maro amin’izy ireo no mahafantatra fa nandiso fanantenana eveka sy mpitarika ao amin’ny fisoronana izay namporisika azy ireo mafy mba hanao asa fitoriana ary ankehitriny izy ireo dia mahatsapa ho toy ny mpikamban’ny Fiangonana tsy manan-danja loatra. Notsindriany ny hoe efa mihoatra ny taona takiana hanaovana asa fitoriana izy ireo. Naneho ny fitiavany sy ny fiahiany azy ireo izy. Nohazavainy fa mbola afaka mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena izy ireo ary ny zavatra tokony hifantohana dia ireo fanendrena ao amin’ny fisoronana sy ireo ôrdônansin’ny tempoly. Nomarihiny fa fony ireo tovolahy ireo mbola mpitovo, dia nanambady vehivavy mahafinaritra ny ankamaroan’izy ireo—ny sasany mpikambana mazoto, ny sasany mpikambana mangatsiaka ary ny sasany tsy mpikambana.

Taorian’ny fifanakalozan-kevitra lalina nandritra ny filankevitry ny tsatòka dia tapaka fa ny lehilahy ao amin’ny fisoronana sy ny vehivavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia handeha hamonjy ireo lehilahy ireo sy ny vadiny ary ireo eveka dia nanokana bebe kokoa tamin’ny fotoanany niarahana tamin’ny zatovolahy sy zatovovavy tao amin’ireo paroasy. Ireo izay tafiditra tao anatin’ilay asa famonjena dia nifantoka tamin’ny fanomanana azy ireo amin’ny fisoronana aloha sy ny fanambadiana mandrakizay ary ireo ôrdônansin’ny famonjena any amin’ny tempoly. Tao anatin’ny roa taona taty aoriana dia nandray ny fanafiana masina tany amin’ny tempoly sy nofehezina tamin’ny vadiny ny ankamaroan’ireo lehilahy 63 ireo izay notohanana handray ny Fisoronana Melkizedeka nandritra ilay fihaonambe izay natrehiko. Izany tantara izany dia ohatra iray fotsiny izay maneho fa tena ilaina ny rahavavintsika ao anatin’ny asa famonjena any amin’ny paroasintsika sy tsatòkantsika ary tena manamora ny fahazoana fanambarana izy ireo, indrindra fa mandritra ireo filankevitry ny Fiangonana.17

Ny Anjara Asan’ny Rahavavy ao amin’ny Fianakaviana

Fantatsika fa maro ireo hery goavana izay ampiasaina mba hanoherana ny vehivavy sy ny fianakaviana. Ny fanadihadiana natao vao haingana dia milaza fa misy ny fihenan’ny fanoloran-tena ao amin’ny fanambadiana miaraka amin’ny filatsahan’ny isan’ny olon-dehibe manambady.18 Ho an’ny sasany ny fanambadiana sy ny fianakaviana dia lasa “safidy tsy voatery atao fa tsy fitsipika fototra mandrafitra ny fiaraha-monintsika.”19 Miatrika safidy maro ny vehivavy ary mila mandinika ombam-bavaka ireo safidy izay ataony sy ny fiantraikan’izany safidy izany eo amin’ny fianakaviana.

Tamin’izaho tany Nouvelle Zélande tamin’ny taon-dasa teo dia namaky avy tao amin’ny gazetin’i Auckland aho ny momba ireo vehivavy tsy avy ao amin’ny finoantsika izay sahirana tamin’ireo olana ireo. Nilaza ny renim-pianakaviana iray fa nahatsapa izy, raha mikasika ny toe-javatra iainany, fa ilay safidiny hoe hiasa sa hijanona ao an-trano dia noho ilay karipetra vaovao sy ilay fiara faharoa izay tsy dia nilainy raha ny marina. Nisy vehivavy iray anefa nahatsapa fa “ny fahavalo lehibe indrindran’ilay hoe fiainam-pianakaviana feno hafaliana dia tsy ny asa andraisam-bola—fa ny fahitalavitra.” Nilaza izy fa mandany fotoana be loatra hijerena fahitalavitra ny fianakaviana ary zara raha manam-potoana iarahana.20

Fanapahan-kevitra tena ara-pihetseham-po sy an’ny tena manokana ireo, saingy misy fitsipika anankiroa izay tokony hataontsika ao an-tsaina foana. Voalohany, dia tsy misy vehivavy tokony hanana fahatsapana hoe mila maneho fialan-tsiny na hanana fahatsapana ho tsy dia manan-danja loatra ny anjara biriky nentiny, noho izy hoe manokana ny ezaka lehibe ataony amin’ny fitaizana sy fikarakarana ny zanaka. Tsy misy zavatra hafa mety hanan-danja kokoa noho izany ao anatin’ny drafitry ny Raintsika any an-danitra. Faharoa, tokony hitandrina tsara isika mba tsy hitsara na hihevitra fa tsy dia mahery fo loatra ireo rahavavy izay manapa-kevitra ny hiasa any ivelan’ny tokantrano. Mahalana isika vao mba manakatra an-tsaina sy mankasitraka tanteraka ny toe-javatra iainan’ny olona. Tokony hiaraka hifanakalo hevitra ombam-bavaka ny mpivady ao anatin’ny fahatakarana fa tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny fanapahan-kevitra raisiny izy ireo.

Ho anareo rahavavy be fandavan-tena izay reny tokan-tena, na inona na inona antony, dia maneho amin’ny fo ny fankasitrahana anareo izahay. Nataon’ireo mpaminany mazava tsara “fa maro ireo tanana izay vonona hanampy anareo. Tsy manadino anareo ny Tompo.” Torak’izany koa ny Fiangonana.”21 Manantena aho fa ny Olomasin’ny Andro Farany dia ho lohalaharana eo amin’ny famoronana tontolo iray any amin’ny toeram-piasana, izay ahaizana mandray kokoa sy ahazoana aina kokoa ho an’ny lehilahy sy vehivavy eo amin’ny andraikitra maha-ray aman-dreny azy ireo.

Ho anareo rahavavy mpitovo izay mahery sy mahatoky, dia aoka ho fantatrareo fa tianay ianareo ary mankasitraka anareo izahay ary manome toky anareo fa tsy hisy fitahiana mandrakizay tsy ho azonareo izany.

I Emily H. Woodmansee izay vehivahy mpisava lalana niavaka iray, no nanoratra ny tonon’ilay hira hoe: “Nous Soeurs de Sion.” Nohamafisiny mazava tsara fa “ny asan’ny vehivavy dia toy ny an’ny anjely.”22 Izany dia nofaritana ho toy ny “tsy fanaovana afa-tsy ny sitrapon’ny Raintsika any an-danitra mivantana ary ‘izany dia fanomezana … izay tadiavin’ireo … rahavavy.’”23

Ry rahavavy malala, tianay sy mampitolagaga anay ianareo. Isaoranay ny asa fanompoana ataonareo ato amin’ny fanjakan’ny Tompo. Mahatalanjona ianareo! Maneho fankasitrahana an’ireo vehivavy teo amin’ny fiainako aho. Mijoro ho vavolombelona momba ny fisian’ny Sorompanavotana aho sy ny maha-Andriamanitra ny Mpamonjy ary ny Famerenana ny Fiangonana amin’ny laoniny. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

  1. Wallace Stegner, The Gathering of Zion: The Story of the Mormon Trail (1971), 13.

  2. Robert D. Putnam and David E. Campbell, American Grace: How Religion Divides and Unites Us (2010), 233.

  3. Jereo ny Handbook 2: Administering the Church (2010), 1.3.1; jereo koa ny Mosesy 5:1, 4, 12, 27.

  4. Ao amin’ny Andrew D. Olsen, The Price We Paid: The Extraordinary Story of the Willie and Martin Handcart Pioneers (2006), 445.

  5. Jereo ny “Leaves from the Life of Elizabeth Horrocks Jackson Kingsford,” Utah State Historical Society, Manuscript A 719; ao amin’ny “Remembering the Rescue,” Ensign, Aog. 1997, 47.

  6. 6. Natambatra sy nafohezina avy amin’ny e-mail iray nosoratan-dRahavavy Monica Sedgwick, Filohan’ny Zatovovavin’ny Tsatòkan’i Laguna Nigel ary lahateny iray izay nataon’i Sister Leslie Mortensen, Filohan’ny Zatovovavin’ny Tsatòkan’i Mission Viejo.

  7. Ao amin’ny lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe “Why Do We Let Them Dress Like That?” (“Nahoana no Avelantsika Hiankanjo Toy Izao Izy Ireo?”) (Wall Street Journal, Mar. 19–20, 2011, C3), nisy renim-pianakaviana Jiosy feno hatsaram-panahy iray izay nanoro hevitra momba ny fomba fiankanjo sy ny fitsipi-pitondrantena ary nankasitraka ny ohatra nasehon’ireo vehivavy Môrmona.

  8. “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao Tontolo Izao,” Liahona, Nôv. 2010, 129.

  9. Jereo ny Putnam and Campbell, American Grace, 244–45.

  10. Jereo ny Putnam and Campbell, American Grace, 504.

  11. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:5; jereo koa ny Môsià 4:26.

  12. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:56.

  13. Manuel 2: Administration de l’Église (2010), pejy 22.

  14. Jereo ny Manuel 2, 6.1.

  15. Jereo ny Manuel 2, 4.5.

  16. Jereo ny Emily Matchar, “Why I Can’t Stop Reading Mormon Housewife Blogs,” salon.com/life/feature/2011/01/15/feminist_obsessed_with_mormon_blogs. Ity vehivavy mamaritra ny tenany ho mpiaro ny zon’ny vehivavy sy ho tsy mpino an’Andriamanitra ity dia mankasitraka izay lafiny izay ary milaza fa izy dia adala mamaky ny blog momba ireo vehivavy Môrmôna manambady izay mikarakara tokantrano.

  17. Resaka nifanaovana tamin’i Lehonitai Mateaki, filohan’ny Tsatòkan’i Tonga Ha’akame, (izay lasa filohan’ny Misiônan’i Papua Nouvelle Guinée Port Moresby) ary i Leinata Va’enuku filohan’ny Fikambanana Ifanampian’ny Tsatòka.

  18. Jereo ny D’Vera Cohn and Richard Fry, “Women, Men, and the New Economics of Marriage,” Pew Research Center, Social and Demographic Trends, pewsocialtrends.org. Nihena be koa ny isan’ireo zaza teraka tany amin’ny firenena maro. Izany dia nantsoina hoe ny ririnin’ny haimponina.

  19. “A Troubling Marriage Trend,” Deseret News, Nôv. 22, 2010, A14, nindramina avy amin’ny tatitra tao amin’ny msnbc.com.

  20. Jereo ny Simon Collins, “Put Family before Moneymaking Is Message from Festival,” New Zealand Herald, Feb. 1, 2010, A2.

  21. Gordon B. Hinckley, “Women of the Church,” Ensign, Nôv. 1996, 69; jereo koa ny Spencer W. Kimball, “Our Sisters in the Church,” Ensign, Nôv. 1979, 48–49.

  22. “Nous, Soeurs de Sion” Cantiques, no. 201.

  23. Karen Lynn Davidson, Our Latter-Day Hymns: The Stories and the Messages, rev. ed. (2009), 338–39.