2010–2019
Fahafahana Hanao Zava-tsoa
Aprily 2011


Fahafahana Hanao Zava-tsoa

Ny fomban’ny Tompo entina hanampiana ireo izay mila fanampiana ara-nofo dia mitaky ny fitiavana tsy misy tambiny avy amin’ireo olona izay manokana ny tenany sy ny zavatra ananany ho an’Andriamanitra sy ho an’ny Asany.

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, ny tanjon’ny hafatro dia ny haneho haja sy fankalazana ny zavatra nataon’ny Tompo sy ny mbola ataony hanompoana ireo mahantra sy mila fanampiana eto anivon’ny Zanany eto an-tany. Tiany ireo Zanany izay mila fanampiana ary ireo maniry ny hanampy koa. Ary dia nanorina fomba Izy entina hitahiana ireo izay mila fanampiana sy ireo izay hanome.

Henon’ny Raintsika any an-danitra ny vavak’ireo Zanany manerana an’izao tontolo izao izay mangataka sakafo ho hanina, akanjo mba hotafiana ary ny mba hahazo haja noho ny fahafahana hamelona ny tenany sy ny fianakaviany. Reny ireo fiangaviana ireo hatramin’izay nametrahany ny lehilahy sy ny vehivavy teto an-tany izay.

Mahafantatra ireo zavatra ilaina ireo koa ianao any amin’ny toerana onenanao sy manerana an’izao tontolo izao. Matetika no vonton’alahelo ny fonao mahatsapa fangorahana. Rehefa mahita olona sahirana amin’ny fitadiavan’asa ianao dia mahatsapa izany faniriana hanampy izany. Mahatsapa izany ianao rehefa mandalo ao an-tranon’ny mananotena iray ary mahita fa tsy manan-ko hanina izy. Mahatsapa izany ianao rehefa mahita ny sarin’ireo zazakely mitomany manoloana ny tranony rava noho ny horohoron-tany na ny hain-trano.

Satria ren’ny Tompo ny hiaka ataon’izy ireo ary tsapany ny fangorahanao lalina azy ireo dia efa nanome fomba Izy hatrany am-piandohana hahafahan’ireo mpianany manampy. Nanasa ireo Zanany Izy hanokana ny fotoany, ny fananany ary ny tenany mba hiaraka Aminy amin’ny fanompoana ny hafa.

Nisy fotoana niantsona izany fombany entina manampy izany hoe fiainana ny lalàn’ny fanokanana. Nandritra ny fotoana hafa dia nantsoina hoe lamina miray izany. Amin’izao fotoantsika izao izany dia antsoina hoe fandaharan’asa fifanampiana an’ny Fiangonana.

Novaina ny anarana sy ireo pitsopitsony amin’ny fanatanterahana izany mba hifanaraka amin’ny zavatra ilaina sy ny toe-javatra iainan’ny olona. Kanefa ny fomban’ny Tompo entina hanampiana ireo izay mila fanampiana ara-nofo dia mitaky ny fitiavana tsy misy tambiny avy amin’ireo olona izay manokana ny tenany sy ny zavatra ananany ho an’Andriamanitra sy ho an’ny Asany.

Nanasa sy nandidy antsika Izy handray anjara amin’ny Asany mba entina hampitraka ireo izay mila fanampiana. Manao fanekempihavanana hanao izany isika ao amin’ny ranon’ny batisa sy any amin’ny tempoly masin’Andriamanitra. Manavao izany fanekempihavanana izany isika isaky ny Alahady rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo.

Ny tanjoko anio dia ny hamariparitra ny sasantsasany amin’ireo fahafahana natolony ho antsika mba hanampiana ny hafa izay mila fanampiana. Tsy afaka ny hiresaka momba azy rehetra mandritra ity fotoana fohy iarahantsika ity aho. Ny fanantenako dia ny mba hanavaozantsika sy hanamafisantsika ny fanoloran-tena mba hiasa.

Misy fihirana iray hiraiko foana hatramin’ny fahazazako izay mikasika ny fanasan’ny Tompo antsika hanao ity asa ity. Fony mbola kely aho dia nifantoka kokoa tamin’ny feony fa tsy tamin’ny herin’ireo tonony. Mivavaka aho mba hahakasika ny fonareo ny tonony anio. Handeha hohenointsika indray izany tonony izany:

Nanao soa teto an-tany ve aho androany?

Ka nanampy ireo mila izany?

Nankahery ny malahelo ve aho ary nampifaly ny hafa koa?

Raha tsy izay dia tsy nahomby tokoa.

Nisy enta-mavesatra nihamaivana ve androany

Noho ny finiavako hizara?

Nisy marary sy trotraka nila fanampiana ve tany ho any?

Ka teo ve aho nikarakara?

Koa mitsangana ary manaova bebe kokoa

Mihoatra noho ny manonofy miandrandra ny lanitra.

Fahafinaretana ny fanaovan-tsoa, fifaliana tsy hita noanoa,

Fitahiana noho ny adidy sy fitiavana oneran’Andriamanitra.1

Mandefa hafatra matetika ny Tompo ho fanairana antsika rehetra amin’ireo olana. Indraindray izany mety fahatsapana fangorahana ho an’ny olona iray mila fanampiana. Mety efa nahatsapa izany ny raim6pianakaviana iray raha nahita ny zanany mianjera ka voakika ny lohaliny. Mety hahatsapa izany ny reny iray rehefa mandre ny zanany mitomany amin’ny alina. Mety nahatsapa fangorahana toy izany ny zanakalahy na zanakavavy iray ho an’ny olona iray izay toa mitanondrika na matahotahotra any am-pianarana.

Isika rehetra dia efa samy nahatsapa alahelo miaro fangorahana ho an’ny olon-kafa izay tsy fantatsika akory. Ohatra, rehefa nahare ny fanadihadiana mahakasika ilay onja namakivaky ny Ranomasimbe Pasifika vokatry ny horohoron-tany tany Japon ianareo dia niahiahy ny amin’ireo olona mety hiharan’izany voina izany.

Nahatsapa fangorahana ny an’arivony taminareo rehefa nandre ny tondra-drano tany Queensland, Australie. Tombatombana mikasika ny isan’ireo izay nila famonjena no notaterin’ny fampahalalam-baovao. Kanefa maro taminareo no nahatsapa ny fangirifirian’ireo olona. Novalian’ireo mpilatsaka an-tsitrapo mpikamban’ny Fiangonana miisa 1.500 na mihoatra tany Australie izany antso fanaraina izany, izay nitondran’izy ireo fanampiana sy fampiononana.

Izany fahatsapan’izy ireo fangorahana izany dia navadiny ho fanapahan-kevitra hiasa araky ny fanekempihavanana nataony. Hitako ireo fitahiana izay nirotsaka tamin’ireo olona nila vonjy izay nandray fanampiana sy tamin’ireo olona izay nandray izany fahafahana izany mba hanome fanampiana.

Ireo ray aman-dreny manam-panahy rehefa misy olona mila fanampiana dia mahita fomba entina hitahiana ny fiainan’ireo zanany lahy sy vavy amin’izany. Nisy ankizy kely telo vao tsy ela akory izay no nanatitra fitoeran-tsakafo misy hanina masaka tsara nahandro nandondona ny varavarambenay. Fantatry ny ray aman-drenin’izy ireo fa nila fanampiana izahay ka dia nampandraisany anjara tamin’izany fahafahana hanompo anay izany ireo zanany.

Nitahy ny fianakavianay noho ireo asa fanompoana amin-kalalahan-tanana nataony ireo ray aman-dreny. Noho ny safidiny ny hamela ny zanany handray anjara tamin’ny fanoloran-tanana dia nanolotra fitahiana ho an’ireo izay ho zafikeliny koa izy ireo. Ny fitsikin’ireo ankizy rehefa niala ny tokantranonay dia nanome antoka ahy fa hitranga tokoa izany. Hilaza amin’ireo zanany izy ireo ny amin’ny fifaliana tsapany tamin’ny fanaovana asa fanompoana tamin-katsaram-panahy ho an’ny Tompo. Tsaroako ireo fahafaham-po mangina tsapako rehefa avy nanadio ny bozaky ny mpifanolobodirindrina taminay aho rehefa nasain’ny raiko nanao izany. Isaky ny nasaina mba hanolo-tanana aho dia tsaroako ary inoako ilay fihirana hoe: “Tompo, tsara ny Asanao.”2

Fantatro fa ireo tonony ireo dia nosoratana mba hamaritana ny fifaliana izay azo avy amin’ny fanompoana ny Tompo amin’ny andro Sabata. Kanefa ireo ankizy teo am-baravaranay dia nahatsapa fifaliana tamin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo tamin’ny andro andavanandro. Ary nahita izany fotoana hahafahana manao zava-tsoa izany ny ray aman-drenin’izy ireo ka nampihanaka izany fifaliana izany amin’ny taranaka maro mifandimby.

Ny fomba fanampian’ny Tompo ireo izay mila fanampiana dia manome fahafahana iray hafa hitahian’ny ray aman-dreny ireo zanany. Hitako tao am-piangonana izany indray Alahady. Nisy zaza madinika iray nanolotra tamin’ny eveka ny valopy fanaovana fanomezana an’ny fianakaviany raha handeha hiditra ny efitrano fivavahana iny izy alohan’ny fivoriana fanasan’ny Tompo.

Fantatro ilay fianakaviana sy ilay zazalahikely. Vao avy nandre ilay fianakaviana fa misy olona mila fanampiana ao amin’ny paroasy. Nilaza zavatra toy izao tamin’ilay zaza ilay rain’ilay zazalahy teo am-panatsofohana fanomezana amin’ny fifandian-kanina bebe kokoa mihoatra noho ny mahazatra tao anaty valopy. Mba omeo kely an’i eveka ity valopy ity azafady! Fantatro fa hanome izany izy mba hanampiana ireo mila fanampiana kokoa noho isika.”

Tsy fanaintainana noho ny hanoanana tamin’io Alahady io no hotsaroan’ilay zazalahikely fa ny fahatsapana tsara ao anaty tamin’io andro io. Azoko lazaina avy tamin’ny fitsikiny sy ny fomba nihazonany mafy tsara ilay valopy fa nahatsapa ny fahatokiana lehibe apetraky ny rainy aminy izy amin’ny hitondrany izany fanomezana avy amin’ny fianakaviany izany ho an’ny mahantra. Hahatsiaro izany andro izany izy rehefa diakona, ary mety ho mandrakizay mihitsy.

Izany hafaliana izany ihany no hitako tamin’ny endrik’ireo olona izay nanampy ny olona ho an’ny Tompo tany Idaho taona maro lasa izay. Vaky ny Toho-drano Teton ny Asabotsy 5 Jona 1976. Olona iraika ambin’ny folo no namoy ny ainy. An’arivony ireo olona izay tsy maintsy nandao ny tranony tao anatin’ny ora vitsy. Rava difotry ny rano ny trano sasany. Ary tsy azo nonenana ny trano an-jatony raha tsy tamin’ny alalan’ny ezaka sy ny fitaovana izay mihoatra lavitra noho izay mety ho vitan’ireo tompony.

Ireo izay nandre ilay loza dia nangoraka ary namaly ilay antso mba hanao ny soa. Nandao ny tranony sy ny asany ireo mpifanolobodirindrina, ireo eveka, ireo filohan’ny Fikambanana Ifanampiana, ireo mpitarika ao amin’ny kôlejy, ireo mpampianatra sy mpamangy isan-tokantrano mba hanampy hanadio ireo tranon’ny hafa izay tondraky ny rano.

Nisy mpivady iray niverina tany Rexburg rehefa avy niala sasatra tonga taorian’ilay tondra-drano. Tsy nandeha nijery ny tranony akory izy ireo fa avy dia nandeha tany amin’ny eveka ary nanontany raha misy azon’izy ireo hanampiana. Nasain’ny eveka nanampy fianakaviana iray mila fanampiana izy ireo.

Taorian’ny andro vitsivitsy dia nandeha nijery izay nahazo ny tranony izy ireo. Tsy tao intsony izany fa rava tanteraka. Niverina nankany amin’ny eveka fotsiny izy ireo sady nanontany hoe: “Inona indray no tianao mba ho ataonay izao?”

Na aiza na aiza toerana ipetrahanao dia efa hitanao ny fahagagan’ny fangorahana izay nitarika tamin’ny asa fanampiana tsy misy tambiny. Mety ho tsy tamin’ny fotoan’ny loza lehibe ara-boajanahary izany. Hitako tao amin’ny kôlejin’ny fisoronana izany rehefa nitsangana ny rahalahy iray ary nilazalaza ny zavatra ilain’ny lehilahy na vehivavy iray izay nitady asa hahafahany mamelona ny tenany sy ny ankohonany. Tsapako tao amin’izany efitrano izany ny fahatsapana fangorahana, ka nisy nanolotra anaran’olona hafa izay mety afaka hampiasa ilay olona mila asa.

Ny zavatra nitranga tao amin’izany kôlejin’ny fisoronana izany sy ny nitranga tany amin’ireo trano tondraka tany Idaho dia endrika hisehoan’ny fomban’ny Tompo entina hanampiana ireo izay mila fanampiana goavana mba hizaka tena indray. Mahatsapa fangorahana ny fontsika ary haintsika ny fomba fanaovana asa araky ny fomban’ny Tompo mba hanampiana.

Mankalaza ny faha-75 taona nananganana ny fandaharan’asa fifanampiana an’ny Fiangonana isika amin’ity taona ity. Natomboka izany fandaharan’asa izany mba hanampiana ireo izay very asa, na toeram-pambolena sy fiompiana, hatramin’ny trano fonenana mihitsy aza tamin’ny fotoana izay antsointsika amin’ny hoe ilay Fahasahiranana Ara-toe-karena Lehibe.

Tonga indray ny fotoana ilana fanampiana goavana ara-nofo ho an’ireo zanaky ny Raintsika any an-danitra amin’izao androntsika izao toy ny tamin’ny andro taloha sy ny amin’ny fotoana hoavy rehetra. Ireo fitsipika fototry ny fandaharan’asa fifanampiana an’ny Fiangonana dia tsy indray mandeha fotsiny na amin’ny toerana iray monja. Ho an’ny fotoana rehetra sy ny toerana rehetra izany.

Ireo fitsipika ireo dia ara-panahy sy mandrakizay. Izany no mahatonga hoe ny fahatakarana azy ireo sy ny fampidirana azy ireo hiorim-paka ao am-pontsika dia mahatonga antsika hahita ireo fahafahana hanampy amin’ny fotoana rehetra sy toerana rehetra hanasan’ny Tompo antsika hanao izany.

Indreto misy fitsipika vitsivitsy izay mitarika ahy rehefa maniry ny hanampy araky ny fomban’ny Tompo aho sy tamin’ny fotoana nisy olon-kafa nanampy ahy.

Voalohany, faly sy mahatsapa ho mendri-kaja ny tsirairay rehefa afaka mamelona ny tenany sy ny fianakaviany izy ary avy eo mikatsaka ny hanampy ny hafa. Feno fankasitrahana aho tamin’ireo izay nanampy ahy tamin’ny zavatra nilaiko. Ary feno fankasitrahana lehibe kokoa aza aho nandritra ny taona maro ho an’ireo izay nanampy ahy hananako ny fizakan-tena. Ary avy eo dia lehibe indrindra ny fankasitrahako an’ireo izay nampiseho ahy ny fomba azoko hampiasana ny amby ampy teo am-pelantanako mba hanampiako ny hafa.

Nianarako fa ny fomba hananana amby ampy dia ny tsy mandany mihoatra noho izay raisina. Ary izany amby ampy izany dia nahafahako nianatra fa tena tsara tokoa ny manome noho ny mandray. Satria rehefa manome fanampiana araky ny fomban’ny Tompo isika dia omeny fitahiana.

Nilaza toy izao ny Filoha Marion G. Romney mahakasika ny asa fifanampiana, hoe: “Tsy mety hoe be loatra ny fanampiana atolotrao ka hampahantra anao izany.” Ary avy eo dia nolazainy ny tenin’ny filohan’ny misiônany, Melvin J. Ballard, izay manao hoe: “Tsy mety misy olona hoe hanolotra vodimofo ho an’ny Tompo ka tsy ho voatahy hahazo mofo iray avy Aminy ho valin’izany.”3

Hitako fa tena marina izany teo amin’ny fiainako. Rehefa malala-tanana amin’ny zanaky ny Ray any an-danitra aho dia malala-tanana amiko koa Izy.

Ny fitsipika faharoan’ny filazantsara izay nitari-dalana ahy teo amin’ny asa fifanampiana dia ny hery sy fitahiana avy amin’ny firaisan-kina. Rehefa mifandray tanana isika mba hanompoana ireo olona sahirana, dia ny Tompo no mampiray ny fontsika. Ny Filoha J. Reuben Clark, Zanany dia nilaza izany tamin’izao fomba izao: “Izany asa fanompoana izany… dia nitondra … fahatsapana firahalahiana be indrindra satria karazana lehilahy maro samy manana ny fahaizany sy ny asa fivelomany no niara-niasa teo amin’ny toeram-pambolena ho an’ny asa Fifanampiana na tamin’ny fandaharan’asa hafa.”4

Izany fahatsapana firahalahiana miroborobo izany dia sady ho an’ny mpanome no ho an’ny mpandray. Hatramin’ity andro ity dia misy fifandraisana mafy orina eo amiko sy ny lehilahy iray izay niara-nisoroka fotaka tamiko tao amin’ny tranony tondraky ny rano tany Rexburg. Ary nahatsapa ho mendri-kaja kokoa izy noho izy nanao izay rehetra vitany nanampiana ny tenany sy ny fianakaviany. Raha samy niasa irery izahay dia samy tsy ho nahazo izany fitahiana ara-panahy izany izahay roroa.

Izany dia mitarika amin’ny fitsipika fahatelo manosika hiasa eo amin’ny asa fifanampiana: Ento miara-miasa aminao ny fianakavianao mba ho afaka ny hianatra hifanampy izy ireo tahaka ny fomba hanampiany ny hafa. Ireo zanakao lahy sy zanakao vavy izay miara-miasa aminao mba hanompoana ny hafa dia hahay hifanampy kokoa rehefa mila fanampiana izy ireo.

Ny fitsipika manan-danja fahaefatra amin’ny fifanampian’ny Fiangonana dia nianarako fony aho eveka. Izany dia azoko avy tamin’ny didy ara-tsoratra masina hoe mizaha ireo mahantra. Andraikitry ny eveka ny mikaroka sy manome fanampiana ireo izay mbola mila fanampiana rehefa nanao izay tratrany izy ireo sy ny fianakaviany. Tsapako fa manome ny Fanahy Masina ny Tompo mba ho azo tanterahina ny hoe “tadiavo dia hahita ianao”5eo amin’ny fikarakarana ireo mahantra tsy misy hafa amin’ny fikarohana ny fahamarinana. Fa nianatra nampandray anjara ny Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana aho tao anatin’izany fikarohana izany Ary mety hahazo ny fanambarana alohanao izy.

Mety hila izany fitaomam-panahy izany ny sasany aminareo afaka volana vitsivitsy. Asaina mba hanao andron’ny fanompoana ny mpikamban’ny Fiangonana maneran-tany entina hankalazana ny faha-75 nanorenana ny fandaharan’asa fifanampiana an’ny Fiangonana. Hikatsaka fanambarana ireo mpitarika sy ireo mpikambana eo am-pandrafetana ny asa ho atao.

Hanome sosokevitra telo aho eo am-pandrafetanareo ny asa fanompoana izay hataonareo.

Voalohany, omano ara-panahy ny tenanao sy ireo olona tarihinao. Rehefa nohalefahan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ihany ny fonareo vao afaka ny hahita hoe ny tanjon’ny asa ho atao dia ny hitahiana ara-panahy sy ara-nofo ny fiainan’ireo zanaky ny Ray any an-danitra.

Ny sosokevitro faharoa dia ny fisafidianana ireo olona handray ny asa fanompoana hataonareo mba ho ireo olona ato amin’ny fanjakana na ireo eo amin’ny fiaraha-monina izay tena hahakasika ny fon’ireo mpanolotra ny zavatra maha-ory azy. Ho tsapan’ireo olona izay tompoinareo ny fitiavanareo. Izany no mety hahafaly kokoa azy ireo, araky ny nampanantenain’ilay fihirana, mihoatra noho ny fanomezana izay zavatra ilainy.

Ny sosokevitro farany dia ny hanaovana drafitra hampiasana ny herim-piraisan-kinan’ny fianakaviana, ny an’ireo kôlejy, ny an’ireo rafitra vondrona fanampiny, ary ireo olona izay fantatrareo eo anivon’ny fiaraha-monina. Ny fahatsapana firaisan-kina dia hampitombo avo heny ny voka-tsoa entin’ilay asa fanompoana ataonareo. Ary izany fahatsapana firaisana hina eo anivon’ny fianakaviana, ny Fiangonana ary ny fiaraha-monina izany dia hitombo ary ho tonga lova haharitra ela aorian’ny fiafaran’ilay asa fanompoana.

Izao no fotoana hilazako aminareo ny fankasitrahako fatratra anareo. Tamin’ireo asa fanompoana am-pitiavana nataonareo ho an’ny Tompo dia izaho no lasa niantefan’ireo teny fisaorana avy amin’ny olona nampianareo rehefa nifanena tamin’izy ireo aho.

Nahita fomba nampifaliana azy ireo ianareo teo am-panampiana azy ireo araky ny fomban’ny Tompo. Ianareo sy ireo mpanara-dia feno fanetren-tena an’ny Mpamonjy toa anareo no nanolotra ny fotoanareo hanompoana ary ireo olona izay nampianareo dia niezaka nanome ahy ny fony feno fankasitrahana ho valin’izany.

Mandray fanehoam-pankasitrahana toy izany koa aho avy amin’ireo olona niarahanareo niasa. Tsaroako ny fotoana iray izay nijoroako teo akaikin’ny Filoha Ezra Taft Benson. Niresaka mahakasika ny asa fanompoana eto amin’ny Fiangonan’ny Tompo izahay tamin’izany. Nanaitra ahy ny fihetsiny feno ilay fahavitrihana ananan’ny tanora raha niteny izy, sady nanao fihetsika tamin’ny tanany, nanao hoe: “Tiako ity asa ity, ary tena asa izany!”

Misolo tena ny Tompo aho maneho fankasitrahana amin’ny asa fanompoana nataonareo ho an’ny zanaky ny Raintsika any an-danitra. Fantany ianareo ary Hitany ny ezaka ataonareo, ny fikirizanareo ary ny fahafoizan-tena atolotrareo. Mivavaka aho mba hanomezany anareo ireo fitahiana ka hahita ny voan’ny asa nataonareo eo amin’ny fifalian’ireo olona izay nampianareo mba ho an’ny Tompo.

Fantatro fa velona Andriamanitra Ray ary mandre ny vavaka ataontsika Izy. Fantatro fa i Jesoa no Kristy. Afaka ny ho voadio sy hatanjahana ianao sy ireo izay notompoinao amin’ny alalan’ny fanompoana Azy sy ny fitandremana ny Didiny. Afaka mahafantatra ianareo tahaka ny ahafantarako, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, fa i Joseph Smith dia mpaminanin’Andriamanitra izay namerina tamin’ny laoniny ny Fiangonana marina sy velona, ary ity izany. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Filoha Thomas S. Monson no mpaminany velon’Andriamanitra. Izy dia ohatra tsara ny amin’izay nataon’ny Tompo: mandehandeha manao soa. Mivavaka aho mba hahafahantsika manararaotra ireo fahafahana “hampiakarana ireo tanana miraviravy, ary anatanjahana ny lohalika malemy.”6Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

  1. “Have I Done Any Good?” Hymns, no. 223.

  2. “Tsara ny Asa,” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, pejy 25.

  3. Marion G. Romney, “Welfare Services: The Savior’s Program,” Ensign, Nôv. 1980, 93.

  4. J. Reuben Clark Jr., tao amin’ny Conference Report, Ôkt. 1943, 13.

  5. Jereo ny Matio 7:7–8; Lioka 11:9–10; 3 Nefia 14:7–8.

  6. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:5.