2010–2019
Fanomanana an’Izao Tontolo Izao ho amin’ny Fiaviana Fanindroany
Aprily 2011


Fanomanana an’Izao Tontolo Izao ho amin’ny Fiaviana Fanindroany

Ho fahafahana masina hitondranao ny hafa hanatona an’i Kristy ny asa fitorianao ary hanampy amin’ny fanomanana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

Hiresaka mivantana ho an’ireo lehilahy 12 ka hatramin’ny 25 taona aho anio hariva izay mihazona ny fisoronan’Andriamanitra. Mahatsiaro anareo izahay ary mivavaka ho anareo. Nitantara mahakasika ilay zafikeliko lahy efa-taona aho indray mandeha izay namely totohondry mafy be ny zandriny lahikely. Taorian’ny nanambatambazan’i Kathy vadiko ity zaza nitomany dia nitodika tamin’ilay iray efa-taona izy ary nilaza tamim-pandanjalanjana hoe: “Nahoana ianao no mamely totohondry ny zandrinao?” Nibanjina ny renibeny izy sady namaly hoe: “Bebe a! Manao azafady aho. Very ny peratro FNT [Fidio ny tsara], ka tsy afaka mifidy ny tsara intsony aho.” Fantatray fa miezaka ny hifidy ny tsara ianareo. Tianay be tokoa ianareo.

Moa ve ianareo efa nieritreritra hoe inona no antony nandefasana anareo tety an-tany amin’izao fotoana manokana izao? Tsy teraka nandritra ny fotoan’i Adama sy Eva ianareo, na nandritra ny fotoana nanjakan’ireo farao tany Egypta, na nandritra ny fiankohonan’i Ming. Tonga teto an-tany tamin’izao fotoana izay ianareo, taonjato roapolo taorian’ny fiavian’i Kristy voalohany. Naverina tamin’ny laoniny teto an-tany ny fisoronan’Andriamanitra, ary efa noraisin’ny Tompo eo An-tanany ny fanomanana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiaviany indray amim-boninahitra. Andro hisian’ny fahafahana manao zavatra sy andron’ny fihazonana andraikitra manan-danja lehibe izao. Andronareo izao.

Efa naneho ny finoanareo an’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny batisanareo ianareo. Vokatry ny fanendrena anareo tao amin’ny fisoronana dia nitombo ny talentanareo sy ny fahaiza-manaonareo ara-panahy. Iray amin’ireo andraikitra manan-danja hazoninareo ny manampy amin’ny fanomanana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

Nanokana mpaminany iray ny Tompo, ny Filoha Thomas S. Monson, mba hitarika ny asa an’ny Fisoronany. Nilaza toy izao, ho anareo, ny Filoha Monson: “Mila mpitory ny filazantsara ny Tompo.”1 “Ny zatovolahy sy zatovovavy mendrika rehetra dia tokony hiomana ny hanompo. Andraikitry ny fisoronana ny asa fitoriana—adidy andrasan’ny Tompo [aminareo] izay efa nomena be dia be.”2

Mitaky fahafoizan-tena ny asa fitoriana. Tsy maintsy hisy zavatra hafoinareo rehefa mamaly ny antson’ny Mpaminany mba hanompo ianareo.

Ho anareo izay mpanaraka ny lalao baolina lavalava dia mahafantatra ny ekipa All Blacks avy any Nouvelle Zélande, anarana izay nomena azy ireo noho ny lokon’ny fanamiany, izay ekipa mpanao baolina lavalava malaza indrindra hatrizay.3 Ny maha-voafantina ny olona iray ho tafiditra ao amin’ny “All Blacks” any Nouvelle Zélande dia mitovitovy amin’ny fisafidianana ny ekipa milalao amin’ny Superbowl aty Amerika na ny ekipa mpilalao baolina kitra amin’ny Fiadiana ny Amboara Eran-tany.

Tamin’ny taona 1961, i Sidney Going, izay 18 taona ary mihazona ny Fisoronana Aharôna dia efa mby ho tonga mpilalao baolina lavalava malaza tany Nouvelle Zélande. Noho ny fahaiza-milalaony manokana dia maro no nieritreritra fa ho voafidy ho ao amin’ny ekipam-pirenena All Blacks izy amin’ny taona manaraka.

Tamin’ny fahasivy ambin’ny folo taonany, amin’ny fotoana tena hahombiazany amin’ny filalaovana baolina lavalava, no nilazan’i Sid fa ho hajanony ny baolina lavalava mba handehanany hanao asa fitoriana. Tao ny niantso azy hoe adala. Ny sasany nanao azy hoe tsy misy saina.4 Nanambara izy ireo fa ny fotoana toy izao eo amin’ny lalao baolina lavalava dia mety tsy hisy intsony.

Ho an’i Sid dia tsy ny zavatra nafoiny no manan-danja—fa ny fahafahana sy ny andraikitra amin’ny hoavy. Nanana adidy ao amin’ny Fisoronana izy dia ny hanolotra roa taona amin’ny fiainany hitoriana ny fisian’ny Tompo Jesoa Kristy sy ny Filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. Tsy misy zavatra—na dia ny fahafahana hilalao ao amin’ny ekipam-pirenena sy ireo laza ho entin’izany aza—nahasakana azy amin’izany adidiny izany.5

Nantsoin’ny mpaminanin’Andriamanitra izy mba hanompo tany amin’ny Misiônan’i Canada Andrefana. Valo ambin’ny efapolo taona lasa amin’ity volana ity no nandaozan’ny Elder Sidney Going 19 taona an’i Nouvelle Zélande ka nanompoany ho mpitory ny filazantsara ho an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Nizara tamiko traikefa iray nitranga tany amin’ny misiônany i Sid. Indray hariva rehefa mby hiverina any amin’ny trano fipetrahany izy sy ny namana mpiara-mitory aminy no nanapa-kevitra hamangy fianakaviana iray farany. Nampandrosoin’ilay raim-pianakaviana izy ireo. Nijoro ho vavolombelona ny amin’ny Mpamonjy i Elder Going sy ny mpiara-mitory taminy. Nanaiky ny Bokin’i Môrmôna ilay fianakaviana. Namaky izany nandritra ny alina manontolo ilay raim-pianakaviana. Tao anatin’ny herinandro sy tapany taorian’io fotoana io dia voavakiny manontolo ny Bokin’i Môrmôna, sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny Voahangy Lafo Vidy. Herinandro vitsivitsy taty aoriana dia natao batisa ilay fianakaviana.6

Asa fitoriana namoizana toerana amin’ny maha-mpilalao ao amin’ny ekipan’ny All Blacks an’ny Nouvelle Zélande? Novalian’i Sid izany hoe: “Ny fitahiana amin’ny [fitondrana ny hafa] ho ao amin’ny filazantsara dia manan-danja lavitra noho izay zavatra mety nafoi[nao].”7

Mety hanontany tena ianao hoe inona no nitranga tamin’i Sid Going taorian’ny asa fitoriany? Ny zava-dehibe indrindra dia: ny fanambadiana mandrakizay tamin’i Colleen malalany, zaza dimy mendrin-kaja, ary taranaka loan-jafikely. Niaina ny fiainany manontolo tamim-pahatokiana ny Rainy any an-danitra izy, sy nitandrina ny didiny ary nanompo ny hafa.

Ary ny baolina lavalava? Taorian’ny asa fitoriany i Sid Going dia lasa isan’ny irakiraka nikoizana indrindra teo amin’ny tantaran’ny All Blacks, nilalao nandritra ny taom-pilalaovana in-11 izy ary kapiteny tao amin’izany ekipa izany izy nandritra ny taona maro.8

Tena nahay ve i Sid Going? Tena nahay tokoa izy hany ka novaina hatramin’ny fotoana hanazaran-tena sy hilalaovana satria tsy milalao andro Alahady izy. 9 Nahay tokoa i Sid hany ka nahazo mari-pankasitrahana avy tamin’ny Mpanjakavavin’i Angletera noho ny zavatra nentiny ho an’ny baolina lavalava.10 Nahay tokoa izy hany ka nisy boky nosoratana momba azy izay mitondra ny lohateny hoe: Super Sid.

Ahoana raha toa ka tsy niseho teo amin’ny fiainan’i Sid ireo zavatra ireo taorian’ny asa fitoriany? Iray amin’ireo fahagagana lehibe amin’ny asa fitorian’ny Fiangonana ny tsy fametrahan’i Sid Going sy ireo an’arivony maro hafa toa azy ny fanontaniana hoe: “Inona no zavatra ho azoko avy amin’ny asa fitoriana?” fa kosa ny hoe: “Inona no azoko homena?”

Ho fahafahana masina hitondranao ny hafa hanatona an’i Kristy ny asa fitorianao ary hanampy amin’ny fanomanana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

Efa ela no nanambaran’ny Tompo momba ireo fanomanana ilaina amin’ny Fiaviany Fanindroany. Nanambara tamin’i Enoka Izy hoe: “Fahamarinana no haidiko avy any an-danitra; ary ny marina no halefako avy eto an-tany, … ary fahamarinana sy marina no hasaiko mipaoka ny tany toy ny amin’ ny tondra-drano, ka hanangona ny olom-boafidiko avy amin’ ny vazan-tany efatra.”11 Naminany ny mpaminany Daniela fa amin’ny andro farany dia hikodiadia handrakotra ny faran’ny tany rehetra ny filazantsara, sahala ny “vato nendahana tamin’ny tendrombohitra, nefa tsy nendahan-tanana.”12 Niresaka mahakasika ny Fiangonana amin’ny andro farany i Nefia izay ho vitsy an’isa, kanefa hanenika ny tany manontolo.13 Ny Tompo dia nanambara tamin’izao fotoam-pitantanana izao fa “[ho] antsoina ianareo mba hanatanteraka ny fanangonana ny olom-boafidiko.”14 Ry rahalahikeliko isany, ny asa fitoriana ho ataonareo dia fahafahana hanao zavatra lehibe sy andraikitra, izay manan-danja amin’ny fanangonana nampanantenaina ary mifandray amin’ny hoavinareo mandrakizay.

Hatramin’ny fotoana niantombohan’ny Famerenana tamin’ny laoniny dia noraisin’ireo rahalahy tsy ho sangisangy tokoa ny adidy ny hitory ny filazantsara. Tamin’ny 1837, fito taona monja taorian’ny nanorenana ny Fiangonana, tao anatin’ny fotoan’ny fahantrana sy fanenjehana, dia nandefasana misiônera hampianatra ny filazantsara tany Angletera. Tao anatin’ny taona vitsivitsy manaraka dia efa nitory ny filazantsara tamin’ny toerana maro samihafa toa an’i Autriche, Polynésie Française, Inde, Barbades, Chili, ary Chine ireo mpitory ny filazantsara.15

Nitahy ity asa ity ny Tompo ary nanomboka naorina nanerana an’izao tontolo izao ny Fiangonana. Ity fivoriana ity dia adika amin’ny fiteny 92. Feno fankasitrahana isika ny amin’ireo mpitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno miisa 52.225 izay any amin’ny firenena mihoatra ny 150. 16 Tsy maty masoandro mihitsy ireo mpitory ny filazantsara mijoro ho vavolombelon’ny Mpamonjy. Eritrereto ny hery ara-panahin’ireo mpitory ny filazantsara miisa 52.000, mitafy ny Fanahin’ny Tompo, manambara amim-pahasahiana “fa tsy hisy anarana hafa omena na làlan-kafa na fomba izay mety hahatongavan’ ny famonjena amin’ ny zanak’ olombelona …, afa-tsy ao Aminy sy amin’ ny alalan’ ny anaran’ i Kristy ihany.”17 Maneho ny fankasitrahana ireo mpitory an’aliny izay efa niverina koa izahay izay nanome sy mbola manohy manome izay tsara indrindra any aminy. Azo lazaina fa voaomana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany izao tontolo izao vokatry ny asan’ny Tompo ataon’ireo mpitory ny filazantsarany.

Asa ara-panahy ny fitoriana ny filazantsara. Zava-dehibe ny fahamendrehana sy ny fiomanana. Nilaza ny Filoha Monson hoe: “Ry zatovolahy, manainga anareo aho mba hiomanana hanompo amin’ny fitoriana ny filazantsara. Aoka ianareo ho madio sy masina ary mendrika mba hisolo tena ny Tompo.”18 Mandritra ny taona maro alohan’ny asa fitoriana ataonareo dia tsarovy fa misy andraikitra masina miandry anareo amin’ny hoavy. Ny zavatra ataonareo alohan’ny asa fitorianareo dia hisy fiantraikany lehibe tokoa eo amin’ny herin’ny fisoronana izay entinareo any amin’ny sahan’ny misiônareo. Miomana tsara.

Niresaka mikasika ireo “zatovolahy rehetra izay mendrika sy afaka ara-batana sy ara-tsaina [izay miomana] hanao asa fitoriana” ny Filoha Monson.19 Indraindray dia mety tsy afaka ny hanompo ny olona iray noho ny tsy fahasalamana na ny antony hafa. Ho fantatrao ny fahafahanao hanompo rehefa miresaka amin’ny ray aman-dreninao sy ny evekanao ianao. Raha sendra izany toe-javatra izany ianareo dia aza mieritreritra hoe tsy misy ilana anareo eo amin’izany andraikitra manan-kaja hoavy izany. Tsara fanahy amin’ireo izay tia Azy ny Tompo, ary hanokatra ny varavaran’ny fanompoana hafa ho anareo Izy.

Mety manontany tena ireo sasantsasany hoe efa be taona loatra ve izy ireo ka tsy afaka hanompo. Nisy namako iray avy any Chine nahafantatra ny Fiangonana tany Cambodge tany amin’ny faha-25 taonany tany ho any. Nanontany tena izy raha mbola afaka ny handeha hanao asa fitoriana. Taorian’ny vavaka sy ny firesahany tamin’ny evekany dia voantso ary nanompo tamim-boninahitra taty New York City izy. Raha mampanahy anareo ny taonanareo dia mivavaha ary miresaha amin’ny evekanareo. Hanome fitarihana ho anao izy.

Ny dimam-polo isan-jaton’ireo mpitory ny filazantsara rehetra dia manompo ao amin’ny taniny ihany. Tena mety izany. Nampanantena ny Tompo fa “handre ny fahafenoan’ ny filazantsara amin’ ny teniny avy ny olona tsirairay ary amin’ ny fiteniny avy.”20 Ho voantso amin’ny alalan’ny faminaniana ianareo ary hanompo any amin’ny toerana izay tena ilana anareo indrindra.

Tiako ny mihaona amin’ireo misiônera manerana an’izao tontolo izao. Azonareo an-tsaina ve hoe iza koa no hitako tany amin’ny Misiônan’i Sydney tamin’izaho namangy tany vao haingana? I Elder Sidney Going—ilay sangan’ny baolina lavalava tany Nouvelle Zélande. 67 taona izy ankehitriny, ary mbola mpitory indray, fa amin’ity indray mitoraka ity dia miaraka amin’ny namana nosafidiany: Rahavavy Colleen Going. Notantarain’izy ireo tamiko ny amin’ny fianakaviana iray nampianarin’izy ireo. Mpikambana ireo ray aman-dreny saingy nalaindaina tato am-piangonana nandritra ny taona maro dia maro. Nanampy namelona indray ny finoan’ilay fianakaviana i Elder sy Rahavavy Going. Nolazain’i Elder Going tamiko ny hery izay tsapany raha nijoro teo akaikin’ilay raim-pianakaviana izy teo amin’ny batistera, raha nanao batisa ny zandriny lahy sy vavy ilay lahimatoa izay mihazona ny fisoronana. Nozarainy tamiko ny fifaliany tamin’ny fanatrehana fianakaviana iray miray hina amin’ny fiezahana hanatratra miaraka ny fiainana mandrakizay. 21

Nilaza toy izao ny Fiadidiana Voalohany raha niresaka taminareo, hoe:

“[Fanahy] voafidy ianareo izay tonga amin’izao fotoanandro izao izay mahabetsaka indrindra ny andraikitra sy ny fahafahana hanao zavatra, ary koa mahabetsaka ny fakam-panahy. …

Mivavaka ho anareo tsirairay izahay… [mba] hahafahanareo manao ilay asa lehibe izay eo anatrehanareo … ka mba ho mendrikaianareo sy hanao [an-tsitrapo] ireo andraikitra fampiroboroboana ny fanjakan’Andriamanitra ary fanomanana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.”22

Tiako ny sarihosodokon’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany nataon’i Harry Anderson. Mampahatsiahy ahy izany fa ho avy amin-kery sy amim-boninahitra Izy. Hisy zava-hitranga mahagaga maro eto an-tany sy eny amin’ny habakabaka.23

Ireo izay miandry ny fiavian’ny Mpamonjy dia “hiandrandra [Azy].” Ary nampanantenainy hoe: “Ho avy Aho!” Hahita Azy “eny amin’ ny rahon’ ny lanitra [miaraka amin’ny anjely masina], mitafy hery sy voninahitra lehibe” ireo olo-marina.24 Hisy “anjely hitsoka trompetra, ary ireo olomasina … dia hivoaka avy amin’ ny vazan-tany efatra”25 ary “[hi]tsena Azy.”26 Ka ireo “izay efa nandry,” izany hoe ireo olomasina mendrika efa nodimandry, “dia hivoaka [koa] mba hitsena [Azy].”27

Milaza ny soratra masina hoe: “ny Tompo dia hametraka ny tongony eo amin’ [ny] tendrombohitra” 28ary “Hiloa-bava [Izy] ka handre izany avokoa ny faran’ ny tany.”29

Ry rahalahikeliko ato amin’ny Fisoronana, mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny voninahitra, kanefa ambonin’ny zava-drehetra, ny amin’ny tena hisian’izany zava-hitranga mahavariana izany. Velona ny Mpamonjy. Hiverina eto an-tany Izy. Na mandritra ity fotoana ity na any ambadiky ny voaly dia hiara-paly amin’ny Fiaviany izaho sy ianao, ary hisaotra ny Tompo isika tamin’ny nandefasany antsika teto an-tany amin’izao fotoana izao mba hanatanteraka ny adidintsika masina, hanampy amin’ny fanomanana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiverenany Indray, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

  1. Thomas S. Monson, “Mila mpitory ny filazantsara ny Tompo,” Liahona Jan. 2011, 4.

  2. Thomas S. Monson, “Mandrapihaonantsika Indray,” Liahona Nôv. 2010, 5–6.

  3. Jereo ny stats.allblacks.com.

  4. Jereo ny Bob Howitt, Super Sid: The Story of a Great All Black (1978), 27.

  5. Resaka nifanaovana an-tariby niaraka tamin’ny Filoha Maxwell Horsford, Tsatòkan’i Kaikohe Nouvelle Zélande, Martsa 2011.

  6. Resaka nifanaovana an-tariby niaraka tamin’ny Elder Sidney Going, Martsa 2011.

  7. Taratasy nalefa E-mail avy tamin’ny Elder Sidney Going, Martsa 2011.

  8. Jereo ny stats.allblacks.com/asp/profile.asp?ABID=324.

  9. Resaka nifanaovana an-tariby niaraka tamin’ny Filoha Maxwell Horsford, Tsatòkan’i Kaikohe Nouvelle Zélande, Mar. 2011.

  10. Notolorana ny mari-pankasitrahana MBE (Member of the Order of the British Empire) i Sid Going tamin’ny 1978 noho ny zavatra nentiny teo amin’ny fanatanjahan-tena baolina lavalava (jereo ny Howitt, Super Sid, 265).

  11. Mosesy 7:62.

  12. Daniela 2:45.

  13. Jereo ny1 Nefia 14:12–14.

  14. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:7.

  15. Jereo ny Deseret News 2011 Church Almanac (2011), 430, 432, 458, 463, 487, 505.

  16. Tamin’ny 31 Desambra 2010.

  17. Môsià 3:17.

  18. Thomas S. Monson, Liahona Jan. 2011, 4.

  19. Thomas S. Monson, Liahona Nôv. 2010, 5–6.

  20. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:11.

  21. Resaka nifanaovana an-tariby niaraka tamin’ny Elder Sidney Going, Mar. 2011

  22. “Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany,”For the Strength of Youth: Fulfilling Our Duty to God (bokikely, 2001), 2–3.

  23. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:18; 45:40.

  24. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:44.

  25. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:45, 46.

  26. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:96.

  27. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:45; jereo ihany koa Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:13–8}; 88:96–97.

  28. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:48.

  29. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:49.