2010–2019
Tatitra mahakasika ny Antontan’isa ho an’ny Taona 2010
Aprily 2011


Tatitra mahakasika ny Antontan’isa ho an’ny Taona 2010

Ny Fiadidiana Voalohany dia namoaka ity tatitra manaraka ity izay mikasika ny Antontan’isa mahakasika nyFiangonana ho an’ny taona 2010. Hatramin’ny 31 Desambra 2010 dia nisy: Tsatòka2.896, Misiona 340, Distrika 614, ary Paroasy sy sampana 28.660.

Ny fitambaran’ny mpikamban’ny Fiangonana hatramin’ny faran’ny taona 2010 dia 14.131.467.

Nisy zaza miisa 120.528 vao notsofina rano voarakitra tato am-piangonana, ary olona niova fo miisa 272.814 no natao batisa tamin’ny taona 2010.

Ny isan’ireo mpitory filazantsara amin’ny fotoana feno amperin’asa tamin’ny fiafaran’ny taona dia 52.225.

Ny isan’ireo misiônera mpanao asa fanompoana eto amin’ny Fiangonana dia 20.813, izay maro no any an-tranony ihany no mipetraka ary voantso hanompo amin’ny fitantanan-draharaha samihafa eto amin’ny Fiangonana.

Tempoly efatra no notokanana nandritra ny taona: ny Tempolin’i Vancouver British Colombiaany Canada; ny Tempolin’i Gila Valley Arizona eto Etazonia; ny Tempolin’i Cebu City Philippines; ary ny Tempolin’i Kiev Ukraine.

Naverina notokanana tamin’ny 2010 ny Tempolin’i Laie Hawaii eto Etazonia.

Ny fitambaran’ny tempoly amperin’asa maneran-tany dia 134.

Manampahefana Ambony teo aloha sy olona hafa tato amin’ny Fiangonana izay nodimandry hatramin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana volana Aprily tamin’ny Taon-dasa

Ny Loholona W. Grant Bangerter, Adney Y. Komatsu, Hans B. Ringger, LeGrand R. Curtis, Richard P. Lindsay, Donald L. Staheli, ary Richard B. Wirthlin, mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Fitopololahy teo aloha; Barbara B. Smith, Filohan’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany teo aloha; Ruth H. Funk, Filohan’ny Zatovovavy Maneran-tany teo aloha; Norma Jane B. Smith, mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany teo aloha; Helen Fyans, vady navelan’ny Loholona J. Thomas Fyans, Manampahefana Ambony efa nisotro ronono; Arnold D. Friberg, Mpahaikanto sy Mpanao sary; ary J. Elliot Cameron, Mpiandraikitra ny Fampianaran’ny Fiangonana teo aloha.