2010–2019
Manasitrana ny Fanaintainana Rehetra ny Sorompanavotana
Aprily 2011


Manasitrana ny Fanaintainana Rehetra ny Sorompanavotana

Ny fanamby lehibe ho an’ny tenatsika manokana eto amin’ny fiainana an-tany dia ny ho tonga “olomasina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy.”

Amin’ny maha-dokotera mpandidy ahy, dia nahita aho fa ampahany lehibe tao anatin’ny fotoana niasako no nobahanan’ny zavatra misy ifandraisany amin’ny fanaintainana. Noho ny tsy maintsy ilaina izany dia saika isan’andro mihitsy aho no nampitranga izany tamin’ny alalan’ny fandidiana—ary ny ankamaroan’ny ezaka ataoko avy eo dia lany amin’ny fiezahana hifehy sy hanala izany fanaintainana izany.

Nieritreritra momba ny tanjon’ny fanaintainana aho. Tsy misy na iza na iza amintsika afa-miala amin’ny fanaintainana. Nahita olona niatrika izany tamin’ny fomba tena samihafa aho. Ny sasany manalavitra an’Andriamanitra amin-katezerana ary ny hafa kosa dia mamela ny fanaintainany hitondra azy ireo akaiky kokoa an’Andriamanitra.

Efa niaina fanaintainana toa anao koa ny tenako. Ny fanaintainana dia toy ny famantarana ahafahana manaraka ny fivoaran’ny fahasitranana. Mampianatra antsika hanana faharetana izy io matetika.

Nanoratra ny Loholona Orson F. Whitney hoe: “Tsy misy fanaintainana mihatra amintsika na fitsapana mianjady amintsika ka handalo fotsiny. Mampianatra antsika izany ary manampy antsika hanana toetra tsara toy ny faharetana, ny finoana, ny fananana herin-tsaina ary ny fanetren-tena. … Amin’ny alalan’ny fahoriana, ny fijaliana, sy ny ezaka mafy ary ny fitsapana no ahazoantsika ilay fampianarana, izay ny haka izany no antony nahatongavantsika eto.”1

Nilaza zavatra mitovy amin’izany koa ny Loholona Robert D. Hales hoe:

“Ny fanaintainana dia mitondra anao any amin’ny fanetren-tena ary mamela anao hisaintsaina. Traik’efa iray izay nahafeno fankasitrahana ahy ny nahafahako niharitra izany. …

“Nianatra aho fa ny fanaintainana ara-batana sy ny fahasitranan’ny vatana taorian’ny fandidiana lehibe dia miharihary fa mitovy amin’ny fanaintainana ara-panahy sy ny fahasitranan’ny fanahy ao anatin’ny dingan’ny fibebahana.”2

Ny ankamaroan’ny fijaliantsika dia tsy voatery hoe noho ny hadisoantsika. Manodidina antsika ary misy fiantraikany eo amin’ny fiainantsika eto an-tany ireo zava-mitranga tsy nampoizina, ireo toe-javatra mifanohitra amin’ny tokony ho izy na mandiso fanantenana, ny aretina manakantsakana ary ny fahafatesana mihitsy aza. Ankoatr’izany dia mety ianjadian’ny fahoriana isika noho ireo zavatra nataon’ny hafa.3 Nilaza i Lehia fa i Jakôba dia “niaritra … alahelo betsaka noho ny halozan’ny [rahalahiny].”4 Ny fifanoherana dia tafiditra ao anatin’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any an-danitra. Isika rehetra dia miaina fifanoherana izay ampy hampahatonga saina antsika ny amin’ilay fitiavan’Andriamanitra sy ny filantsika ny fanampian’ny Mpamonjy.

Ny Mpamonjy dia tsy mpandinika mangina fotsiny. Fantany manokana ary ho fantany foana ny fanaintainana mianjady amintsika.

“Niaritra ny fijalian’ny olon-drehetra Izy, eny, ny fijalian’ny manan’aina tsirairay, na lehilahy na vehivavy na ankizy, izay isan’ny fianakavian’i Adama.”5

“Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory.”6

Indraindray rehefa ao anatin’ny fanaintainana lalina dia tratran’ny fakam-panahy isika hanontany hoe: “Moa tsy misy balsama va any Gileada? Moa tsy misy dokotera va any?”7 Mijoro ho vavolombelona aho fa eny ny valiny, misy dokotera any. Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia mahasahana ireo toe-javatra sy tanjona rehetra eo amin’ny fiainana an-tany.

Misy karazana fanaintainana iray hafa koa izay ary isika no tompon’andraikitra amin’izany. Ny fanaintainana ara-panahy dia mitoetra lalina ao anatintsika ary mety tsy hitsahatra toy ireny “mampijaly” amin’ny “horohoro tsy hay lazaina,” ireny mihitsy araka ny famaritan’i Almà.8 Tonga avy amin’ny zavatra feno fahotana ataontsika izany sy ny tsy fisian’ny fibebahana. Ho an’ity fanaintainana ity koa dia misy ny fanasitranana izay ho an’ny rehetra ary fanasitranana faratampony. Avy amin’ny Ray izany amin’ny alalan’ilay Zanakalahy ary ho antsika tsirairay izay vonona hanao izay rehetra ilaina mba hibebahana. Hoy i Kristy hoe: “Tsy mba te hiverina Amiko va ianareo, … ary hiova fo hahazoako manasitrana anareo?”9

I Kristy mihitsy no nampianatra hoe:

“Ary naniraka ahy ny Raiko mba hahazoana manandratra Ahy eo amin’ny hazo fijaliana; ary taorian’ny efa nanandratana Ahy teo amin’ny hazo fijaliana, dia ny mba hahazoako misintona ny olon-drehetra aty Amiko. …

“Koa araka ny fahefan’ny Ray, dia hosintoniko ny olon-drehetra.”10

Angamba ny asany lehibe indrindra dia ao anatin’ilay asa mitohy atao miaraka amintsika tsirairay manokana mba hanome hery, hitahy, hanamafy orina, hanohana sy hitarika ary hamela heloka antsika.

Araka ny zavatra hitan’i Nefia tamin’ny alalan’ny fahitana, ny ankamaroan’ny asa fanompoan’i Kristy teto an-tany dia niompana tamin’ny fitsofan-drano sy fanasitranana ny marary tratran’ny karazan’aretina rehetra—ara-batana, ara-pihetsehampo ary ara-panahy. “Ary nahita vahoaka sesehena aho, izay narary ary nampahorian’ny aretina isan-karazany. … Ary nositranin’ny herin’ny Zanak’ondrin’Andriamanitra ireo.”11

Naminany koa i Almà hoe: “Handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany; ary … hitondra eo Aminy ny fanaintainana sy ny aretin’ny olony Izy. …

“Mba hahatonga ny ao anatinyho feno famindram-po, … mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny.”12

Indray mandeha rehefa nandroso ny alina ka natory teo amin’ny fandrianan’ny hopitaly aho tamin’ny naha-olona narary ahy fa tsy tamin’ny naha-mpitsabo ahy tamin’izay fotoana izay dia namerimberina namaky ireo andininy ireo aho. Nisaintsaina aho hoe: “Ahoana no hanatanterahana izany? Ho an’iza izany? Inona no zavatra takiana mba hahazoana izany? Moa ve toy ny famelana ny fahotana izany? Moa ve isika mila miezaka mba ho mendrika ny fitiavany sy ny fanampiany?” Rehefa nisaintsaina teo aho dia nahatakatra fa nandritra ny fiainany teto an-tany i Kristy dia nisafidy ny hiaina fanaintainana sy fijaliana mba hahazoana mahatakatra antsika. Angamba isika koa dia mila miaina ny halalin’ny fiainana an-tany mba hahatakarana Azy sy ny tanjontsika mandrakizay.13

Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring hoe: “Hampahery antsika amin’ny fotoana hiandrasantsika mafy ilay fanamaivanana nampanantenain’ny Mpamonjy ny hoe fantany avy tamin’ny zavatra niainany ny fomba hanasitranana sy hanampiana antsika .… Ary ny finoana izany hery izany dia hanome antsika faharetana rehefa mivavaka sy miasa isika ary miandry fanampiana. Afaka nahafantatra ny fomba hanampiana antsika tamin’ny alalan’ny fanambarana fotsiny Izy saingy nisafidy Izy ny hianatra tamin’ny alalan’ny zavatra iainany manokana.14

Nahatsapa ireo sandrim-pitiavany nisakambina ahy aho tamin’io alina io.15 Kotsan’ny ranomasom-pankasitrahana ny ondako. Taty aoriana raha namaky tao amin’ny Matio momba ny asa fanompoan’i Kristy teto an-tany aho dia nahita zavatra iray hafa indray: “Ary nony hariva ny andro dia, nentin’ny olona tany aminy ny [olona] maro … ary izay narary rehetra dia nositraniny.”16 Nositraniny izay rehetra nanatona Azy. Tsy nisy na dia iray aza tsy noraisina.

Araka ny nampianarin’ny Loholona Dallin H. Oaks dia: “Tonga amin’ny fomba maro ny fitahian’ny fanasitranana, ka mifanaraka amin’izay ilaintsika manokana ny tsirairay amin’izany, izay fantatr’Ilay tena tia antsika indrindra. Indraindray ny ‘fanasitranana’ dia manala ny aretintsika na milanja ny enta-mavesantsika. Saingy indraindray dia ‘sitrana’ isika amin’ny alalan’ny fahazoana hery na fahatakarana na fanetren-tena mba hahazakana ilay enta-mavesatra apetraka eo amintsika.”17 Izay rehetra hanatona dia afaka ny “[hofihinina] eny an-tsandrin’i Jesoa.”18 Ny fanahy rehetra dia azo sitranina amin’ny alalan’ny Heriny. Ny fanaintainana rehetra dia azo alefahana. Ao Aminy dia afaka “mahita fitsaharana ho an’ny fanahin[tsika]” isika.19 Mety tsy tonga dia hiova ny toe-javatra iainantsika eto an-tany, saingy ny fanaintainantsika, ny ahiahintsika, ny fijaliantsika sy ny tahotra eo amintsika dia ho voatelina ao amin’ilay fiadanany sy ilay balsamany izay manasitrana.

Nahatsikaritra aho fa ny ankizy matetika dia manaiky ho azy kokoa ny fanaintainana sy ny fijaliana. Miaritra mangina ao anatin’ny fanetren-tena sy ny fahalemem-panahy izy ireo. Nahatsapa toe-panahy mahafinaritra sy tsara aho rehefa nanodidina ireo ankizy kely ireo.

I Sherrie izay telo ambin’ny folo taona dia nandalo fandidiana naharitra adiny 14 noho ny fivontosana tao amin’ny tsokan’ny hazon-damosiny. Rehefa nanomboka nahatsiaro saina izy tao amin’ny sampana fameloman’aina dia nilaza hoe: “Dada a! Io Nenitoa Cheryl, … ary … io Dadabe Norman … sy Bebe Brown. Ô ry Dada! Iza ilay olona mijoro eo anilanao io? … Mitovy aminao izy fa lava kokoa noho ianao fotsiny. … Milaza izy fa i Jimmy rahalahinao hono izy.” Efa maty teo amin’ny faha-13 taonany noho ny mucoviscidose ilay dadatoanyhoe Jimmy.

“Tao anatin’ny adiny iray latsaka kely dia namariparitra ireo mpamangy azy i Sherrie, izay olona efa maty tao amin’ny fianakaviana avokoa. Vizana izy avy eo dia resin-tory.”

Taty aoriana dia nilaza tamin-drainy izy hoe: “Dada a! ny ankizy rehetra ao amin’ity sampana fameloman’aina ity dia manana anjely manampy azy ireo.”20

Hoy ny Tompo tamintsika rehetra:

“Indro, ianareo dia ankizy madinika ka tsy mahazaka ny zavatra rehetra ankehitriny; tsy maintsy mitombo ao amin’ny fahasoavana sy ao amin’ny fahalalana ny marina ianareo.

“Aza matahotra rankizy madinika, fa Ahy ianareo. …

“Koa eo afovoanareo Aho, ary Izaho no mpiandry tsara.”21

Ny fanamby lehibe ho an’ny tenatsika manokana eto amin’ny fiainana an-tany dia ny ho tonga “olomasina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy.”22 Mety eo amin’ilay fanaintainana iainantsika sy ianao no sehatra tena hahafahana mandrefy tsara indrindra io fivoarana io. Ao anatin’ireo toe-javatra faran’izay sarotra dia afaka manao toy ny zaza isika ao am-pontsika sy manetry tena ary “mivavaka sy miasa ary miandry”23 amim-paharetana ny fanasitranana ny vatantsika sy ny fanahintsika. Isika dia “hivoaka tahaka ny volamena” toa an’i Joba, rehefa avy nohatsaraina tamin’ny alalan’ny fitsapana nianjady tamintsika.24

Mijoro ho vavolombelona aho fa Izy no Mpanavotra antsika, Namantsika, Mpisolo vava antsika, ilay Mpitsabo Lehibe, ilay Mpanasitrana Lehibe. Ao Aminy no ahafahantsika mahita fiadanana sy fankaherezana ao anatin’ny fanaintainantsika sy ny fahotantsika sy avy amin’izy ireny, raha toa ka mba manatona Azy fotsiny isika miaraka amin’ny fo feno fanetren-tena. “Ampy ho [antsika] ny fahasoava[ny].”25 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

  1. Orson F. Whitney, in Spencer W. Kimball, Faith Precedes the Miracle (1972), 98.

  2. Robert D. Hales, “Healing Soul and Body,” Ensign, Nôv. 1998, 14.

  3. Jereo ny Almà 31:31, 33.

  4. 2 Nefia 2:1.

  5. 2 Nefia 9:21.

  6. Hebreo 4:16. Nampianatra antsika i Paoly mba handray ny Mpamonjy ho toy ny ohatra eo amin’ny fiatrehana “ny fanoherana ataon’ny mpanota [amintsika], fandrao ho ketraka [isika] ka ho reraka ny fanahin[tsika]” (Hebreo 12:3).

  7. Jeremia 8:22.

  8. Almà 36:14.

  9. 3 Nefia 9:13.

  10. 3 Nefia 27:14–15; nampiana fanamafisana.

  11. 1 Nefia 11:31

  12. 12. Almà 7:11–12; nampiana fanamafisana.

  13. Jereo ny John Taylor, The Mediation and Atonement (1882), 97. Ny Filoha Taylor dia nanoratra momba ny “fanekempihavanana” iray izay nifanaovan’ny Ray sy ny Zanaka nandritra ireo filankevitra tany amin’ny fiainana talohan’ny fiainana an-tany mba hanatanterahana ilay sorona hanavotana ny zanak’olombelona. Ny fijalian’i Kristy an-tsitrapo nandritra ny fiainana dia fanampin’ny fijaliana tao amin’ny saha sy teo amin’ny hazo fijaliana (jereo ny Môsià 3:5–8).

  14. Henry B. Eyring, “Adversity,” Liahona sy Ensign, Mey 2009, 24; nampiana fanamafisana.

  15. Jereo ny Fotompampianarana sy Fanekempihavanana 6:20.

  16. Matio 8:16; nampiana fanamafisana.

  17. Dallin H. Oaks, “He Heals the Heavy Laden,” Liahona sy Ensign, Nôv. 2006, 7–8.

  18. Môrmôna 5:11.

  19. Matio 11:29.

  20. Jereo Michael R. Morris, “Sherrie’s Shield of Faith,” Ensign, Jiona 1995, 46.

  21. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:40–41, 44.

  22. Môsià 3:19.

  23. Henry B. Eyring,Liahona sy Ensign, Mey 2009, 24.

  24. Joba 23:10.

  25. 2 Korintiana 12:9; jereo koa ny Etera 12:26–27; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:31.