2010–2019
Ireo Fitahiana Mandrakizain’ny Fanambadiana
Aprily 2011


Ireo Fitahiana Mandrakizain’ny Fanambadiana

Misy dikany lehibe kokoa ny famehezana natao tany amin’ny tempoly rehefa mandeha eny ny fiainana. Hanampy anareo hifanakaiky bebe kokoa mihitsy izany ary hanampy anareo hahita fifaliana sy fahafahampo lehibe kokoa eo amin’ny fiainana an-tany.

Ilay hafatra tena tsara nambaran’ity amboarampeo mahafinaritra ity raha araka ny eritreritro dia mamaritra ny lamin’ny fiainana ho an’ny maro amintsika: “miezaka ny ho toa an’i Jesoa.”

Tamin’ny 16 Jolay 1953, izaho sy Jeanene vady malalako izay mpivady vao dia nandohalika teo amin’ny alitaran’ny Tempolin’i Manti Utah. Nampiasa ny fahefan’ny famehezana ny Filoha Lewis R. Anderson ary nanambara fa mpivady izahay ary mivady mandritra ity fiainana ity sy ho mandrakizay. Izaho dia tsy manana hery hamaritana ny fiadanana sy ny fahatoniana avy amin’ny fahatokiana fa raha manohy miaina ao anatin’ny fahamendrehana aho dia ho afaka ny hiaraka mandrakizay amin’i Jeanene malalako sy amin’ireo zanakay noho ilay ôrdônansy masina izay notanterahana tamin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana marina tao amin’ny tranon’ny Tompo.

Nofehezina taminay tamin’ny alalan’ireo ôrdônansy masin’ny tempoly ny zanakay fito. Efa any ambadiky ny voaly i Jeanene vady malalako sy ny roa amin’ireo zanakay. Mitondra famporisihana mahery vaika ho an’ireo olona tsirairay sisa ao amin’ny fianakavianay mba hiaina amim-pahamarinana izy ireo mba handraisanay miaraka ireo fitahiana mandrakizay izay nampanantenaina tany amin’ny tempoly.

Ireo andry lehibe roa tena manan-danja izay ijoroan’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any an-danitra dia ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Vao mainka miharihary ny lanja lehiben’ireo andry roa ireo noho ny ezaka tsy misy fitsaharana ataon’i Satana mba hampisaraham-bazana ny fianakaviana sy hanozongozonana ny lanjan’ireo ôrdônansin’ny tempoly, izay mamehy ny fianakaviana hiaraka mandrakizay. Misy dikany lehibe kokoa ny famehezana natao tany amin’ny tempoly rehefa mandeha eny ny fiainana. Hanampy anareo hifanakaiky bebe kokoa mihitsy izany ary hanampy anareo hahita fifaliana sy fahafahampo lehibe kokoa eo amin’ny fiainana an-tany.

Indray mandeha aho dia nianatra lesona manan-danja iray avy tamin’ny vadiko. Nandehandeha be nandritra ny fotoana ela aho tamin’ny asako. Efa ho roa herinandro no nandehanako ary nody tany an-trano aho ny Asabotsy maraina. Nanana adiny efatra aho nialohan’ny tsy maintsy hanatrehako fivoriana iray hafa. Tsikaritro fa simba ilay milina fanasan-dambanay ary nanasa ny lambanay tamin’ny tanana ny vadiko. Nanomboka nanamboatra ilay milina aho.

Nanatona i Jeanene ary nilaza hoe: “Rich a! inona ity ataonao?”

Hoy aho hoe: “Manamboatra ny milina fanasan-damba aho amin’izay tsy mila manao izany amin’ny tanana ianao.”

Hoy izy hoe: “Tsia! Mandehana milalao miaraka amin’ny ankizy.”

Hoy aho hoe: “Afaka milalao amin’izy ireo aho amin’ny fotoana hafa. Te-hanampy anao aho.”

Dia nilaza izy hoe: “Richard a! mandehana re milalao amin’ny ankizy e!”

Rehefa niteny tamiko tamin’ny fomba feno fahefana izy dia nankato aho.

Nahafinaritra ny fotoana niarahako tamin’ny zanako. Nifanenjika izahay ary nikodiadia teo amin’ireo ravinkazo nihintsana. Avy eo dia nandeha tany amin’ny fivoriako aho. Raha toa ka tsy naniry ny mba hianarako lesona avy amin’izany zavatra niainako izany ny vadiko dia angamba mety tsy ho tadidiko izany.

Ny ampitson’izany teo amin’ny 4 ora maraina teo dia taitra aho rehefa nahatsapa sandry kely roa nanodidina ny tendako sy oroka teo amin’ny takolako ary naheno ireto teny ireto nisy nibitsibitsika teo amin’ny sofiko izay tsy hohadinoiko velively manao hoe: “Tiako ianao ry Dada. Ianao no namako be indrindra.”

Raha toa misy karazan-java-miseho toy izany eo amin’ny fianakavianao dia hahafantatra ilay iray amin’ireo fifaliana faratampon’ny fiainana ianao.

Raha toa ianao tovolahy eo amin’ny taonan’ny fanambadiana ka tsy manambady, dia aza mandany fotoana amin’ny fanaovan-javatra tsy misy dikany. Aoka ianao hivoatra eo amin’ny fiainana ary mametraha tanjona mba hanambady. Aza iainana fotsiny tsy hanaovan-javatra izao vanimpotoan’ny fiainana izao. Ry zatovolahy! Mandehana manao asa fitoriana am-pahamendrehana. Ary dia ataovy ho toy ny laharam-pahamehanao ambony indrindra ny fitadiavana ilay namana mendrika sy hiaraka aminao mandrakizay. Rehefa hitanao fa mitombo ny fahalianan’ny zatovovavy iray aminao dia ampisehoy azy fa ianao dia olona iray miavaka amin’ny rehetra ka hahaliana azy ny fahafantarany anao kokoa. Ento any amin’ny toerana mahafinaritra izy. Mampisehoa hakingan-tsaina. Raha te-hanana vady mahafinaritra ianao dia mila manao izay hahitany fa lehilahy manana ny maha-izy azy ianao ary azo vadiana.

Raha efa nahita olona iray ianao dia afaka manao fifamofoana sy fanambadiana faran’izay tsara ianareo ary afaka ho tena faly dia faly mandrakizay amin’ny alalan’ny fijanonana ao amin’ny fatoran’ny fahamendrehana izay napetraky ny Tompo.

Raha efa manambady ianao, dia moa ve ianao vady mahatoky ara-tsaina sy ara-batana koa? Moa ve ianao mahatoky eo amin’ny fanekempihavanan’ny fanambadiana nataonao ka tsy mirotsaka velively amin’ny fanaovana resaka amin’olon-kafa iray izay tsy ho tian’ny vadinao ny handrenesana azy tampoka? Moa ve ianao tsara fanahy amin’ny vadinao sy ny zanakao ary manohana azy ireo?

Ry rahalahy! Moa ve ianareo mba mitarika ireo fiaraha-mientan’ny fianakaviana toy ny fandalinana ny soratra masina, ny vavaky ny mpianakavy ary ny takarivan’ny mpianakavy, sa ny vadinareo no mameno ny banga noho ny tsy fandraisanareo andraikitra ao an-tokantrano? Moa ve ianareo mba miteny amin’ny vadinareo ny halehiben’ny fitiavanareo azy? Hitondra fifaliana lehibe ho azy izany. Rehefa miteny izany aho dia maheno lehilahy miteny amiko hoe: “Oay! Efa fantany izany.” Mila miteny izany aminy ianareo. Ny vehivavy dia mivoatra ary tena voatahy amin’ny alalan’izany fanomezana antoka azy izany. Manehoa fankasitrahana amin’ireo zavatra izay ataon’ny vadinao aminao. Asehoy matetika izany fitiavana sy fankasitrahana izany. Izany dia hahatonga ny fiainana hiroborobo lavitra kokoa sy hahafinaritra ary hanana tanjona kokoa. Aza tazonina ireny fanehoana ara-boajanahary ny fitiavana ireny. Ary misy fiantraikany bebe kokoa aza izany rehefa mamihina azy akaiky ianao eo am-pilazana izany.

Nianatra ny lanjan’ny fanehoam-pitiavana avy amin’ny vadiko aho. Tany am-piandohan’ny fanambadianay dia matetika aho rehefa manokatra ny soratra masina mba hizara hafatra mandritra ny fivoriana iray no mahita teny feno fitiavana sy fanohanana izay natsofok’i Jeanene tany anatin’ireo pejin’ny boky. Teny mamy loatra izany indraindray ka mila tsy ho afaka hiteny aho. Ireo teny sarobidy avy tamin’ny vady feno fitiavana ireo, tamin’izany fotoana izany ary mbola mitohy hatramin’izao, dia harena sarobidy tsy voavidy vola ahitana fankaherezana sy fitaomam-panahy.

Nanomboka nanao izany taminy koa aho ary tsy tsapako fa hay tena nanan-danja lehibe taminy izany. Tsaroako, indray taona izay dia tsy nanana voIa hividiananafanomezana ho azy tamin’ny andron’ny St Valentin aho, ka dia nanapa-kevitra ny hanao sary tamin’ny loko rano teo ivelan’ny vata fampangatsiahana. Nanao izay tsara indrindra vitako aho saingy nanao hadisoana iray. Loko varinesa ilay izy fa tsy loko rano. Tsy navelany mihitsy aho hanala izany loko mitoetra maharitra teo amin’ny vata fampangatsiahana izany.

Tsaroako aho indray andro naka itony taratasy kely boribory itony izay lasa maka izany endriny izany rehefa loahanao ny taratasy ary dia nosoratako teo amin’izy ireo ny isa 1 ka hatramin’ny 100. Navadiko izy tsirairay avy eo ary nanoratako hafatra ho azy. Noraisiko tamin’ny tanana izy ireo avy eo ary napetrako tao anaty valopy. Nieritreritra aho fa tena hihomehy izy.

Rehefa nodimandry izy dia hitako tao amin’ireo zavatra izay azy manokana fa tena nankafiziny ireo hafatra tsotra nifampizaranay. Hitako fa napetany tsara teo amin’ny taratasy iray ireo taratasy kely boribory tsirairay ireo. Tsy hoe notehiriziny fotsiny ireo teny kely nomeko azy ireo fa narovany tamin’ny alalan’ny fonon-javatra pilasitika toy ireny hoe zavatra sarobidy ireny. Anankiray ihany no tsy napetany niaraka tamin’ireo hafa ireo. Mbola ao ambadiky ny fitaritry ny famantaranandro ao amin’ny lakozianay izany. Mivaky toy izao izany: “Jeanene a! tonga ny fotoana hilazako fa tiako ianao.” Najanona eo izany ary mampahatsiahy ahy an’io zanakavavin’ny Ray any an-danitra tena miavaka io.

Rehefa nanao jery todika ny fiainanay aho dia nahatsapa fa tena voatahy tokoa. Tsy mba nifanditra izahay tao an-tokantranonay na nifanao teny maharary. Mahatsapa aho ankehitriny fa tonga ny fitahiana noho izy. Vokatry ny fahavononany hanome sy hizara ary tsy mba nieritreritra ny tenany izany. Taty amin’ny faramparan’ny fotoana niarahanay niaina, dia niezaka ny naka tahaka ny ohatra nasehony aho. Izaho dia manoro hevitra ny mba hanaovanareo izany koa any an-tokantranonareo.

Ny fitiavana madio dia hery tsy manam-paharoa sy mahomby izay mitondra amin’ny tsara. Ny fitiavana marina no fototry ny fanambadiana mahomby. Antony voalohany izay mahatonga ny zaza ho faly sy hivelatra tsara izany. Iza no afaka mandrefy marina ilay fiantraikany tsara avy amin’ny fitiavan’ny reny iray? Inona avy ireo voankazo maharitra avy amin’ny voan’ny fahamarinana izay nambolen’ny reny iray tsara sy tamim-pitiavana teo amin’ny tany lonaky ny saina sy ny fo feno fahatokian’ny zaza iray ? Amin’ny maha-reny anao dia nomena tsindrimandry masina ianao mba hanampiana anao hahatsapa ireo talenta manokan’ny zanakao sy ireo fahaiza-manaony miavaka. Ianao sy ny vadinao dia afaka miaraka mikolokolo sy mampatanjaka ary mampivelatra ireo toetra ireo.

Tena ahazoana tombontsoa ny manambady. Mahafinaritra ny fanambadiana. Rehefa mandeha ny fotoana dia hanomboka hahatsapa izany koa ianareo ary hanana ireo hevitra sy fahatsapana ireo koa. Misy ny fotoana izay tena mahafaly anareo, misy ny fotoam-pisedrana ary ny fotoam-pitsapana, saingy tarihan’ny Tompo miaraka ianareo ao anatin’ireo zavatra iainana izay mampivoatra ireo.

Indray alina ilay zanakay lahy kely, Richard, izay nanana olana tamin’ny fo dia taitra sady nitomany. Samy nandre izany izahay roa. Raha ny mahazatra dia ny vadiko foana no mitsangana mandeha mikarakara ny zazakely mitomany, saingy tamin’izay fotoana izay dia niteny aho hoe: “Aleo fa hokarakaraiko izy.”

Noho ny olana mahazo azy, raha vao manomboka mitomany izy dia midobodoboka be ny fony. Mandoa izy avy eo ary mandoto ny lambam-pandriana. Tamin’izay alina izay dia nofihiniko mafy izy mba hampitoniana ilay fony midobodoboka haingana sy hampitsaharana ny tomaniny rehefa nanolo ny akanjony aho sy nametaka lambam-pandriana vaovao. Notrotroiko izy mandrapatoriny. Tsy nahafantatra aho tamin’izay hoe ho faty izy afaka volana vitsivitsy monja. Hotsaroako foana ilay famihinako azy teo an-tsandriko tamin’izany alina izany.

Tadidiko tsara ny andro nahafatesany. Raha nandeha fiara avy tany amin’ny hopitaly izaho sy i Jeanene dia nijanona teo amin’ny sisin-dalana izahay. Notazoniko teny an-tsandriko izy. Samy nitomany kely izahay, saingy nahatsapa fa ho anay ihany izy any ankoatry ny voaly noho ireo fanekempihavanana nataonay tany amin’ny tempoly. Izany dia nahatonga ny fanekena ny fahalasany ho maivana kokoa.

Nampianatra ahy zavatra sarobidy maro tokoa ny hatsaram-panahin’i Jeanene. Izaho dia tena tsy matotra tokoa nefa izy dia tena mahay mifehy tena sy tena manam-panahy. Ny fanambadiana dia manome sehatra tonga lafatra mba handresena ny fironana any amin’ny fitiavan-tena na ny fiahoahoana. Mieritreritra aho fa ny iray amin’ireo antony hamporisihana antsika mba hanambady aloha eo amin’ny fiainana dia ny mba hisorohana ny fivelaran’ireo toetra tsy tsara izay sarotra ovaina.

Malahelo an’izay lehilahy mbola tsy nanapa-kevitra ny hitady namana mandrakizay aho ary ny foko dia mitomany an’ireo rahavavy izay mbola tsy nanana fahafahana hanambady. Mety mahatsapa ho irery sy tsy misy mpitia ny sasany aminareo ary tsy afaka mahita ny mety hahatanterahan’ny fahazoana ireo fitahiana avy amin’ny fanambadiana sy ny fananana zanaka na ny fianakavianareo manokana eo aminareo. Azo tanterahana ny zavatra rehetra ho an’ny Tompo ary mitazona ny fampanantenany izay nasainy nambaran’ny mpaminaniny izy. Fotoana lava be ny mandrakizay. Manàna finoana an’ireo fampanantenana ireo ary aoka ianao mba hanana fiainana mendrika azy ireo ka ho afaka hanatanteraka marina azy ireo eo amin’ny fiainanao ny Tompo amin’ny fotoanany. Azoko antoka fa hahazo ireo fitahiana nampanantenaina rehetra izay mendrika ny ho azonao ianao.

Mamela ahy ianareo noho ny niresahako an’i Jeanene vady malalako, saingy fianakaviana hiaraka mandrakizay izahay. Falifaly foana izy ary ny ankamaroan’izany dia tonga avy amin’ny fanompoany ny hafa. Na tao anatin’ny aretina mafy aza izy dia mbola nangataka ny Rainy any an-danitra ao anatin’ny vavaka ataony isa-maraina mba hitarika azy any amin’ny olona iray azony hampiana. Izany fangatahana tamin-kitsimpo izany dia voavaly foana. Lasa maivana ny enta-mavesatry ny olona maro ary nisy fahazavana teo amin’ny fiainan’izy ireo. Nahazo fitahiana foana izy noho ny naha fitaovana notarihan’ny Tompo azy.

Fantatro izany hoe mitia ny zanakavavin’ny Ray any an-danitra izany, izay amin’ny maha-zanakavavin’ny Ray any an-danitra azy dia nahavita nampiasa tamin-katsarana sy tamim-pahavitrihana ilay hery anaty ananan’ny vehivavy. Matoky aho fa rehefa hitako any ankoatry ny voaly indray izy amin’ny hoavy, dia hahatsapa izahay fa efa lasa nifankatia lalina tokoa. Hifankatia bebe kokoa izahay noho ny fisarahanay tamin’ny alalan’ny voaly nandritra izay fotoana izay. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.