2010–2019
Ny Asa Masin’ny Fifanampiana
Aprily 2011


Ny Asa Masin’ny Fifanampiana

Ilay asa fifampikarakarana sy ny fanehoana “hatsaram-panahy amin’ny mahantra” dia asa masina, nodidian’ny Ray.

Miarahaba anareo ry rahalahy sy anabavy! Tamin’ny 1897 dia nijoro teo amin’ny varavarana iray izay i David O. McKay fony mbola tanora, nihazona teo an-tanany taratasy fampahafantarana iray mikasika ny Fiangonana. Tamin’ny naha-mpitory ny filazantsara azy tany Stirling, Écosse, dia nanao toy izany im-betsaka izy talohan’izany. Fa tamin’ity andro ity dia nisy vehivavy tena trotraka nanokatra ny varavarana ary nijoro teo anoloany. Nitafy voron-kitsay izy, kaoka be ny takolany ary nisavoritaka ny volony.

Noraisiny ilay taratasy kely natolotry ny Loholona McKay azy ary niteny ireto teny enina ireto izy, izay tsy nohadinoin’ny Loholona McKay na oviana na oviana taty aoriana: “Hahafahako hividy mofo ve ity taratasy ity?”

Nisy fiantraikany maharitra teo amin’ity mpitory filazantsara vao herotrerony ity izany fihaonana izany. Taty aoriana izy dia nanoratra an’izao: “Nanomboka tamin’izay fotoana izay dia nahazo fahatakarana lalina aho fa ny Fiangonan’i Kristy dia tokony ho liana, ary liana amin’ny famonjena ara-batana ny olombelona. Niala teo amin’ilay varavarana aho niaraka tamin’ny fahatsapana fa iny [vehivavy] iny, izay … nanana alahelo tamin’ny olombelona sy tamin’Andriamanitra ao am-po[ny], [dia] tsy vonona handray ny hafatry ny filazantsara tamin’io. Nila fanampiana ara-nofo [izy], ary tsy nisy fikambanana, araky ny fahalalako azy, tany Stirling izay afaka manome izany [azy].”1

Am-polo taonany vitsivitsy taty aoriana dia nitambesaran’ny fiantraikan’ny Fahasahiranana Ara-toe-karena goavana izao tontolo izao. Tamin’izany fotoana izany indrindra, tamin’ny 6 Aprily 1936, no nanambaran’ny Filoha Heber J. Grant sy ireo mpanolotsainy, J. Reuben Clark sy David O. McKay, ny fandaharan’asa izay fantatra taty aoriana amin’ny hoe fandaharan’asa fifanampiana an’ny Fiangonana. Nahavariana fa roa herinandro taty aoriana dia notendrena ho filoha voalohan’izany ny Loholona Melvin J. Ballard ary i Harold B. Lee no tale mpitantana voalohany.

Tsy asa moramora izany. Na dia nanendry olona mahatalanjona hitantana izany aza ny Tompo, dia napetraky ny Filoha J. Reuben Clark mazava tsara fa “ny fananganana ny fandaharan’asan’ny [fifanampiana] dia vokatry ny fanambarana avy tamin’ny Fanahy Masina voarain’ny Filoha Grant, ary tamin’ny alalan’ny fanambarana mitovy amin’izany foana izay tonga teo amin’ireo rahalahy izay niandraikitra izany no nitantanana azy hatramin’izay ka hatramin’izao.”2

Sady hentitra no tsy miovaova ny fanoloran-tenan’ireo mpitariky ny Fiangonana mba hanamaivana ny fahorian’ny olombelona. Ny Filoha Grant dia te-hanana “fomba fiasa … hanampiana sy hikarakarana ny olona na ohatrinona na ohatrinona no mety ho lany.” Nilaza izy fa azony atao mihitsy ny “manajanona ny fianarana seminera, na manajanona ny asa fitoriana mandritra ny fotoana voafetra, na manakatona ireo tempoly mihitsy aza, fa tsy hamela olona ho fatin’ny hanoanana izy.”3

Niaraka tamin’ny Filoha Gordon B. Hinckley aho tany Managua, Nicaragua raha niresaka tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana miisa 1.300 izay tra-boina vokatry ny rivo-doza nandravarava ka nahafatesana olona mihoatra ny 11.000. “Raha mbola misy ny eo am-pelantanan’ny Fiangonana,” hoy izy tamin’izy ireo, “dia tsy hamela anareo ho noana, na tsy hitafy na tsy hanana trano izahay. Hanao izay rehetra vitanay izahay mba hanampiana araky ny fomba izay nofaritan’ny Tompo hanaovana izany.”4

Ny iray amin’ireo lafiny mampiavaka ity ezaka maty paika mifototra amin’ny filazantsara ity dia ny fifantohany amin’ny andraikitra sy fizakan-tenan’ny olona tsirairay. Nanazava ny Filoha Marion G. Romney hoe: “Maro ireo fandaharan’asa najoron’ny olona tsara sitrapo mba hanampiana ireo izay mila fanampiana. Kanefa maro amin’izy ireny no najoro mba hanatrarana tanjona fohy ho an’ny ‘fanampiana ny olona,’ izay mifanohitra amin’ny hoe ‘fanampiana ny olona mba hanampy ny tenany.’”’”5

Ny fizakan-tena dia vokatry ny fiainana mitsinjo ny hoavy ary fampiharana ny fifehezan-tena ara-bola. Efa hatrany am-boalohany ny Fiangonana no nampianatrafa ny fianakaviana—raha mbola vitan’izy ireo—dia mila mandray ny andraikiny eo amin’ny fitadiavana izay mahasoa azy ara-nofo. Ny taranaka tsirairay dia takiana mba hianatra ho an’ny tenany manokana ny fitsipika fototry ny fizakan-tena: toy ny tsy fidiran-trosa, ny fampiharana ny fitsipiky ny fihafiana, fiomanana ho amin’ny vody andro merika, fihainoana sy fanarahana ny tenin’ny mpaminany velona, fampivoarana ny fahaizana manavaka ny hoe ilaina sy ny hoe tiana, ary fiainana mifanaraka amin’izany.

Ny tanjona sy fampanantenana ary fitsipika izay manamafy orina ny asa ataontsika eo amin’ny fikarakarana ny mahantra sy ny sahiranadia mihoatra lavitra an’ity fiainana an-tany ity. Ity asa masina ity dia tsy hitondra soa sy hitahy fotsiny ireo mijaly na mila fanampiana. Amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra antsika dia tsy afaka ny handova amin’ny endriny feno ny fiainana mandrakizay isika raha tsy mirotsaka tanteraka amin’ny fikarakarana ny hafa mandritra ny fiainantsika ety an-tany. Amin’ny alalan’ny fampiharana an-tsitrapo ny fahafoizan-tena sy ny fanolorana izay ananantsika ho an’ny hafa no ianarantsika ireo fitsipika selestialin’ny fahafoizan-tena sy fanokanana.6

Nampianatra ny Mpanjaka lehibe Benjamina fa ny iray amin’ireo antony hizarantsika izay ananantsika amin’ireo mahantra sy hanamaivanantsika ny fahoriany dia ny mba hahafahantsika mitana ny famelana ny fahotantsika isan’ andro isan’ andro, ka hahazoantsika mandeha tsisy tsiny eo anoloan’Andriamanitra.7

Hatramin’ny nahariana an’izao tontolo izao dia nanana anjara manan-danja teo amin’ny fiaraha-monina mandala ny fahamarinana hatrany ny fanehoana fiantrana. Maniry tontolo feno fandriampahalemana isika eran-tany sy fiaraha-monina miroborobo. Mivavaka isika mba hisian’ny fiaraha-monina feno hatsaram-panahy sy miaina amim-pahitsiana izay tsy misy toerana ho an’ny faharatsiana ary anjakan’ny hatsaran-toetra sy ny fahamarinana. Mivavaka isika mba hisian’ny fiaraha-monina feno hatsaram-panahy sy miaina amim-pahitsiana izay tsy misy toerana ho an’ny faharatsiana ary anjakan’ny hatsaran-toetra sy ny fahamarinana. Na firy na firy ny tempoly hatsangantsika, na firy na firy ny habetsaky ny mpikambana ao amintsika, ary na tsara toy ny inona aza ny fahitan’izao tontolo izao antsika—raha toa ka tsy mahatanteraka ilay didy lehibe dia ny “[hamonjy] ny osa, [hampiakatra] ny tanana izay miraviravy ary [hampahatanjaka] ny lohalika malemy” 8 isika, na hitodi-damosina ireo mijaly sy malahelo, dia ho eo ambany fanamelohana sy tsy hahazo sitraka amin’Andriamanitra9, ary ho lavitra antsika ilay fanantenana mitondra hafaliana andrandrain’ny fontsika.

Manerana ny tany dia misy eveka miisa 27.000 izay mikaroka ireo mahantra mba hanomezana azy ireo izay ilainy. Ny eveka tsirairay dia hotronin’ny filankevitry ny paroasy izay ahitana mpitarika ao amin’ny fisoronana sy ao amin’ny vondrona fanampiny, ka ao anatin’izany ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana be fanoloran-tena. Afaka “mihazakazaka mamonjy ny hafa izy ireo; … manisy diloilo sy divay ny ferin’ireo manaintaina; … [ary] mamafa ny ranomason’ireo kamboty sy mampifaly ny fon’ireo mananotena.”10

Ny fon’ireo mpikambana sy mpitariky ny Fiangonana maneran-tany dia voaentana sy voatariky ny fotopampianarana sy ny fahatsapana avy amin’Andriamanitra mba haneho fitiavana sy hikarakara ny namana.

Nisy mpitariky ny fisoronana iray tany Amerika Atsimo novesaran’ny olana amin’ny hanoanana sy ny tsy fahampian’ny zavatra ilain’ireo mpikambana teo amin’ny tsatòka keliny. Noho ny faniriany tsy hamela ny zaza madinika ho noana dia nahita tanimboly kely izy ary nandamina ny fisoronana mba hikarakara sy hamboly eo amin’izany. Nahita soavaly antitra koa izy ireo ary nampiantsoroka angadin’omby tranainy teo amboniny ka nanomboka niasa ny tanimboly izy ireo. Kanefa raha mbola tsy vita akory ny asa dia nisy loza nitranga. Maty ilay soavaly.

Mba tsy hamelana ireo rahalahiny sy anabaviny hijaly amin’ny hanoanana dia nakarin’ireo rahalahy tao amin’ny fisoronana teo an-tsorony ilay angadin’omby tranainy ary nitarika izany mba hangadiana ilay tany mafy be izy ireo. Nentiny ara-bakiteny teo amin’izy ireo ny ziogan’ny fijaliana sy ny enta-mavesatr’ireo rahalahiny sy anabaviny.11

Nisy zava-nitranga teo amin’ny fianakaviako izay maneho ny fanoloran-tena hikarakara ireo mila fanampiana. Maro aminareo no efa nandre ny vondron’ny mpitarika saretin-dry Willie sy Martin sy ny fijaliana sy fahafatesan’ireo mpisava lalana ireo rehefa nizaka ny hatsiakan’ny ririnina sy ireo toe-javatra mafy niainana nandritra ny dian’izy ireo niankandrefana. I Robert Taylor Burton, iray amin’ireo raiben’ny raibeko, dia isan’ireo olona nangatahin’i Brigham Young mba handeha hamonjy ireo Olomasina trotraka ireo.

Nosoratan’ny Raibeko tao amin’ny diariny ny zava-nitranga tamin’izany fotoana izany. “Mandrevo sy mamirifiry tokoa ny ranomandry. … Tena mamirifiry ka tsy afa-nihetsika [izahay]. … Miiba 24 degre selsiosa ny mari-pana … ; tena mangatsiaka ka tsy afa-nandeha ny olona.”12

Nozaraina tamin’ireo Olomasina tafahitsoka anaty ranomandry ireo ny sakafo sy fitaovana enti-mamonjy azy ireo, kanefa “na nanao izay afany aza [izy ireo] dia maro tamin’izy ireo no maty an-dalana ka nalevina teny ihany.”13

Raha teo am-pamakivakiana ny ampahan-dalana misy an’i Echo Canyon ireto Olomasina voavonjy ireto, dia sarety maromaro no nijanona mba hanampy tamin’ny fahaterahan’ny zazavavikely iray. Tsikaritr’i Robert fa tsy ampy ny akanjo nananan’ity reny vao herotrerony ity mba hampitafiana ilay zaza vao teraka mba hampafana azy. Na dia nangatsiaka tokoa aza tamin’izany dia “nesoriny ny lobany vita zaitra tany an-trano ary nomeny ity reny ity mba hampitafiana ilay zazakely.” 14 Nomena ny anarana hoe Echo—Echo Squires—ilay zaza mba hahatsiarovana ilay toerana sy ny toe-java-nisy tamin’ny fahaterahany.

Taona maro taty aoriana dia voantso tao amin’ny Episkôpà Mpiahy teto amin’ny Fiangonana i Robert, ary nanompo nandritra ny telopolo taona mahery tao izy. Tamin’ny faha-86 taonany, dia narary i Robert Taylor. Novoriany teo an-doham-pandrianany ny fianakaviany mba hanomezany azy ireo ny tsodranony farany. Tao anatin’ny teny farany nolazainy dia nisy torohevitra iray tsotra nefa mifono zavatra lalina manao hoe: “Aoka ho tsara fanahy amin’ireo mahantra ianareo.”15

Rahalahy sy anabavy, maneho haja ireo olona be herimpo nantsoin’ny Tompo hanangana sy hitantana ity fandaharan’asa fifanampianaho an’ireo mpikambana sahirana eto amin’ny Fiangonany ityisika. Isika dia maneho haja ireo olona, amin’izao androntsika izao, izay mikatsakafomba maro tsy voatanisa sy fomba mangingina matetika mba hanehoana “hatsaram-panahy amin’ny mahantra,” hampita[fiana] ny mitanjaka sy hamahana[na] ny noana sy hanafa[hana] ny babo ary hitondra[na] fanampiana ho an’ny marary sy ny ory.

Ity no asa masina izay andrasan’ny Mpamonjy mba ho ataon’ny Mpianany. Izany no asa Tiany natao rehefa nandia teto an-tany Izy. Izany no asa izay fantatro fa ho nataony raha toa ka teto anivontsika Izy ankehitriny. Izany no asa izay fantatro fa ho nataony raha toa ka teto anivontsika Izy ankehitriny.16

Dimy ambin’ny fitopolo taona lasa izay dia naorina tamin’ny endriny tsotsotra tany am-piandohana ny fomba fiasa iray izay natokana ho an’ny famonjena ny zanak’olombelona ara-panahy sy ara-nofo. Hatramin’izay fotoana izay dia nampivoatra sy nitahy ny fiainan’ireo olona an-tapitrisany maro manerana an’izao tontolo izao izany. Tsy ambinambin-javatra mahaliana kely fotsiny eo amin’ny tantaran’ny Fiangonana izany drafitry ny fifanampiana izay azo avy amin’ny faminananiana izany. Ireo fitsipika izay iorenany dia mamaritra ny tena maha-izy azy antsika. Toetra fototra ao anatin’ny anjara asantsika amin’ny maha-mpanara-dia antsika tsirairay ny Mpamonjy sy Ilay ohatra ho antsika dia i Jesoa ilay Kristy izany.

Ilay asa fifampikarakarana sy ny fanehoana “hatsaram-panahy amin’ny mahantra” dia asa masina, nodidian’ny Ray, ary narafitra araky ny fombany mba hitahiana, sy hanadiovana ary hanandratana ny Zanany. Enga anie isika ka hanaraka ny torohevitra nomen’ny Mpamonjy an’ilay mpanao lalàna iray tao amin’ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy, manao hoe: “Mandehana hianao, ka mba manaova toy izany koa.”17 Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

  1. Cherished Experiences from the Writings of President David O. McKay, comp. Clare Middlemiss (1955), 189.

  2. J. Reuben Clark Jr., “Testimony of Divine Origin of Welfare Plan,” Church News, 8 Aog. 1951, 15; jereo koa ny Glen L. Rudd, Pure Religion (1995), 47.

  3. Glen L. Rudd, Pure Religion, 34.

  4. Tao amin’ny “President Hinckley Visits Hurricane Mitch Victims and Mid-Atlantic United States,” Ensign, Feb. 1999, 74.

  5. Marion G. Romney, “The Celestial Nature of Self-Reliance,” Liahona, Mar. 2009, 15.

  6. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:15–18; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:2–3.

  7. Jereo nyMôsià 4:26--27.

  8. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:5; jereo koa ny Matio 22:36–40.

  9. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:18.

  10. Joseph Smith, ao amin’ny History of the Church, 4:567--68.

  11. Tafa sy dinika niaraka tamin’i Harold C. Brown, tale mpitantana teo aloha an’ny Departemanta Fandaharan’asa Fifanampiana.

  12. Diarin’i Robert T. Burton, Church History Library, Salt Lake City, 2--6 Nôv. 1856.

  13. Robert Taylor Burton, in Janet Burton Seegmiller, Be Kind to the Poor: The Life Story of Robert Taylor Burton (1988), 164.

  14. Lenore Gunderson, in Jolene S. Allphin, Tell My Story, Too, tellmystorytoo.com/art_imagepages/image43.html.

  15. Robert Taylor Burton, in Seegmiller, “Be Kind to the Poor,” 416.

  16. Jereo ny Dieter F. Uchtdorf, “You Are My Hands,” Liahona.

  17. Lioka 10:37.