2010–2019
Ny Fanahin’ny Fanambarana
Aprily 2011


Ny Fanahin’ny Fanambarana

Ny fanahin’ny fanambarana dia misy—ary afaka miasa sy tena miasa eo amin’ny fiainantsika manokana sy eo amin’ny Fiangonana.

Izaho dia maneho fankasitrahana noho ny aingam-panahy izay nahatonga ny fisafidianana ilay hira hatao aorian’ny lahateniko manao hoe “Have I Done Any Good?” (Moa ve Aho Nanao zavatra Tsara ?) (Fihirana amin’ny teny anglisy no. 223). Voaraiko ny hafatra.

Manasa anareo aho handinika ireto toe-javatra roa ireto izay misy ifandraisany amin’ny hazavana ary efa nianjady tamin’ny ankamaroany amintsika.

Ny toe-javatra voalohany dia mitranga rehefa miditra efitra maizina iray isika ka nandrehitra ny jiro. Tsarovy ny fomba namenoan’ilay firotsahana mamirapiratry ny havazana an’ilay efitrano ary nahatonga ny haizina hanjavona. Izay tsy hita sy nampisalasala teo aloha dia nanjary nazava sy azo fantarina. Izany toe-javatra izany dia voafaritra amin’ny alalan’ny fahafantarana ny fahazavana teo no ho eo sy tamin’ny fomba mahery vaika.

Ny toe-javatra faharoa dia niseho rehefa mahita ny alina miova ho maraina isika. Tsaroanareo ve ny fitombon’ny hazavana eny amin’ny faravodilanitra izay toa miadana sy saika tsy hita mihitsy? Ny fahazavana avy amin’ny masoandro miposaka dia tsy miseho tampoka avy hatrany, izay mifanohitra amin’ny fandrehetana jiro ao amin’ny efitra maizina iray. Nitombo tsikelikely sy tsy an-kiato kosa ny herin’ny fahazavana, ary voasolon’ny famirapiratan’ny maraina ny haizin’ny alina. Farany dia niposaka avy teny amin’ny faravodilanitra ny masoandro. Saingy efa tazana ora maro mialohan’ny tena niposahan’ny masoandro teny amin’ny faravodilanitra ny fihariharin’ny fahatongavana antomotry ny masoandro. Izany toe-javatra izany dia voafaritra amin’ny alalan’ny fanavahana tsikelikely sy tsimoramora ny fahazavana.

Afaka mianatra be dia be mikasika ny fanahin’ny fanambarana isika avy amin’ireo toe-javatra tsotra roa mikasika ny fahazavana ireo. Mivavaka aho mba hitaona sy hampianatra antsika ny Fanahy Masina raha hifantoka amin’ny fanahin’ny fanambarana sy ny lamina fototra izay handraisana ny fanambarana isika ankehitriny.

Ny Fanahin’ny Fanambarana

Ny fanambarana dia fifandraisana avy amin’Andriamanitra ho an’ireo zanany eto an-tany ary iray amin’ireo fitahiana lehibe mifandray amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina sy ny fananana azy ho namana tsy tapaka. Ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra fa “ny Fanahy Masina dia mpanambara,” ary “tsy misy olona afaka mandray ny Fanahy Masina ka tsy mandray fanambarana” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 132).

Ny fanahin’ny fanambarana dia omena ny olona rehetra izay mandray amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana marina ny ôrdônansin’ny batisa asitrika ho famelan-keloka sy ny fametrahana tànana ho fanomezana ny Fanahy Masina—ary miasa amim-pinoana ho fanatanterahana ilay fandidian’ny fisoronana manao hoe “raiso ny Fanahy Masina. ” Izany fitahiana izany dia tsy voatokana ho an’ny manam-pahefana miahin’ny Fiangonana fotsiny; fa kosa, ho an’ny fiainan’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy tsirairay izay tonga eo amin’ny taona maha-tompon’andraikitra azy sy miditra ao anatin’izany fanekempihavanana masina izany ary tokony hiasa eo amin’ny fiainan’izy ireo koa izany. Ny faniriana an-kitsim-po sy ny fahamendrehana dia manasa ny fanahin’ny fanambarana ho eo amin’ny fiainantsika.

I Joseph Smith sy i Oliver Cowdery dia nahazo traikefa sarobidy tamin’ny fanahin’ny fanambarana nandritra ny fandikan’izy ireo ny Bokin’i Môrmôna. Ireo rahalahy ireo dia nianatra fa afaka mandray na inona na inona fahalalana ilainy izy ireo mba hanatanterahana ny asany raha mangataka amin’ny finoana sy amin-kitsim-po, ary mino fa hahazo. Ary rehefa nandeha ny fotoana dia nitombo ny fahatakaran’izy ireo fa ny fanahin’ny fanambarana dia tena miseho amin’ny alalan’ny eritreritra sy ny fahatsapana izay tonga ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. (Jereo F&F 8:1–2; 100:5–8.) Ny Tompo dia nampianatra azy ireo hoe: “Ankehitriny, indro, io no fanahin’ny fanambarana; indro, io ilay fanahy nitondran’i Mosesy ny zanak’Isiraely namakivaky ny Ranomasina Mena, nandia tany maina. Koa io no fanomezam-pahasoavana anananao; ampiasao izany” (F&F 8:3–4).

Hamafisiko ilay fehezanteny hoe “ampiasao izany’’ izay ampifandraisina amin’ny fanahin’ny fanambarana. Ao amin’ny soratra masina, ny hery misariky ny Fanahy Masina dia faritana matetika ho toy ny “feo tony sy malefaka” (1 Mpanjaka 19:12; 1 Nefia 17:45; jereo ihany koa 3 Nefia 11:3) sy ilay “feo tony tanteraka miova tsy ny bitsika iray” (Helamàna 5:30). Satria mibitsika amintsika amin’ny feo malefaka ny Fanahy dia mora ny mahatakatra ny antony tokony hisorohana ny zavatra tsy mendrika amin’ny haino aman-jery sy ny zavatra mamoa fady ary ny zavatra fihinana sy ny fitondran-tena manimba sy mampiakin-doha. Ireo fitaovan’ny fahavalo ireo dia afaka mampihena ny hery ary mety miafara amin’ny famotehana ny fahafahantsika hahafantatra sy hamaly ireo hafatra malefaka avy amin’Andriamanitra izay omena amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy. Ny tsirairay amintsika dia tokony handinika ao anatin’ny fahamatorana sy hisaintsaina ombam-bavaka ny fomba ahafahantsika mandà ny fanangolen’ny devoly ary” amim-pahamarinana no “ampiasantsika izany, dia ny fanahin’ny fanambarana eo amin’ny fiainantsika manokana sy ny fianakaviantsika.

Lamin’ny Fanambarana

Ny fanambarana dia omena amin’ny fomba maro karazana, ao anatin’izany ohatra ny nofy, ny fahitana, ny fifampiresahana amin’ny mpitondra hafatra avy any an-danitra, ary ny fitaoman’ny fanahy. Ny fanambarana sasany dia voaray eo no ho eo sy amin’ny fomba mahery vaika. Ny sasany dia fantatra tsikelikely sy amin’ny fomba malefaka. Ireo toe-javatra roa niseho mikasika ny fahazavana izay notantaraiko taminareo ireo dia manampy antsika hahatakatra kokoa ireo lamina fototry ny fanambarana roa ireo.

Ny jiro arehitra ao amin’ny efitra maizina iray dia tahaka ny fandraisana hafatra avy amin’Andriamanitra amin’ny fomba haingana sy feno, ary indray mandeha miaraka. Maro amintsika no efa niaina izany lamin’ny fanambarana izany rehefa nahazo valiny tamin’ny vavaka natao tamin-kitsim-po isika na nomena fitarihana na fiarovana nilaina, araka ny sitrapo sy ny fotoanan’ny Tompo. Ny famaritana ny fisehoana eo no ho eo sy mahery vaika tahaka izany dia hita ao amin’ny soratra masina sy voalaza ao amin’ny tantaran’ny Fiangonana ary voaporofo eo amin’ny fiainantsika manokana. Eny, tena mitranga tokoa ireny fahagagana goavana ireny. Kanefa io lamin’ny fanambarana io dia toa lasa tsy dia mateti-pitranga.

Ny fitomboan’ny fahazavana tsikelikely mipariaka avy amin’ny masoandro miposaka dia tahaka ny mandray hafatra avy amin’Andriamanitra “andalan-tsoratra anampy an-dalantsoratra, fitsipika anampy fitsipika” (2 Nefia 28:30). Ny fanambarana raha ny tena matetika dia mitombo tsikelikely rehefa mandeha ny fotoana ary atolotra arakaraky ny faniriantsika sy ny famendrehantsika ary ny fiomanantsika. Ny fifandraisana tahaka izany avy amin’ny Ray any an-danitra dia “hitsika” tsikelikely sy moramora “amin’ny fanahin[tsika] toy ny ando avy any an-danitra” (F&F 121:45). Io lamin’ny fanambarana io dia miharihary ao amin’ireo zavatra niainan’i Nefia rehefa nanandrana fomba maro samihafa izy talohan’ny nahombiazany tamin’ny fahazoana ireo takela-barahina avy tamin’i Labana (jereo ny1 Nefia 3–4). Farany, notarihan’ny Fanahy hankany Jerosalema izy “tsy nahafantatra mialoha ny zavatra izay tokony hatao[ny]” (1 Nefia 4:6). Ary dia tsy nianatra ny fomba hanamboarana sambo araka ny fahaizana asa kanto izay indray mandeha monja izy; fa kosa nasehon’ny Tompo azy “ombieny ombieny ny fomba tokony handrafeta[ny] ny hazo amin’ny sambo” (1 Nefia 18:1).

Na ny tantaran’ny Fiangonana na ny fiainantsika manokana dia feno ohatra momba ny lamin’ny Tompo handraisana fanambarana “an-dalan-tsoratra anampy an-dalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika. ” Ohatra, ireo fahamarinana fototry ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny dia tsy nomena indray mandeha ny Mpaminany Joseph Smith tao amin’ny Ala kely Masina. Ireo harena sarobidy tsy voavidy vola ireo dia nambara araky ny nilan’ny toe-javatra niainana an’izany sy tamin’ny fotoana naha mety izany.

Ny Filoha Joseph F. Smith dia nanazava ny fomba nitrangan’izany lamin’ny fanambarana izany teo amin’ny fiainany. “Fony aho zazalahy kely…dia nangataka matetika…ny Tompo aho haneho amiko zava-mahagaga mba hahazoako fijoroana ho vavolombelona. Saingy tsy nomen’ny Tompo zava-mahagaga aho fa nasehony tamiko ny fahamarinana, an-dalan-tsoratra nanampy an-dalatsoratra …, mandrapahavita ny fampahafantarany ahy ny fahamarinana avy any an-tampon-dohako ka hatrany am-paladiako, ary mandrapialan’ny ahiahy sy ny tahotra tanteraka tato amiko. Tsy nila nandefa anjely avy any an-danitra mba hanao izany Izy, na koa niteny tamin’ny trompetran’ny anjely. Tamin’ny alalan’ilay feo malefaka sy tonin’ny Fanahin’Ilay Andriamanitra velona dia nanome ahy ny fijoroana ho vavolombelona izay ananako Izy. Ary amin’ny alalan’izany fitsipika sy hery izany no hanomezany ny zanak’olombelona rehetra fahalalana ny fahamarinana izay hitoetra amin’izy ireo, ary hampahafantatra azy ireo ny fahamarinana izany, tahaka ny ahafantaran’Andriamanitra izany, sy hampanao azy ireo ny sitrapon’ny Ray tahaka ny hanaovan’i Kristy an’izany. Ary tsy misy andiam-pisehoana mahagaga izay afaka hanatanteraka izany na oviana na oviana” (ao amin’ny Tatitry ny Fihaonamben’ny Fiangonana, Apr. 1900, 40–41).

Amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonana antsika dia toa mifantoka be loatra amin’ireo fisehoana ara-panahy mahavariana sy mampitolagaga isika hany ka tsy mahay mamantatra ary tena tsy mahita ilay lamina mahazatra mihitsy aza izay entin’ny Fanahy Masina hanaovana ny asany. Ny “fahatsoran’ny làlana” (1 Nefia 17:41) amin’ny fandraisana ireo fahatsapana ara-panahy kely sy mitombo miandalana, izay rehefa mandeha ny fotoana ary rehefa atao bango tokana dia mirakitra ny valiny izay niriantsika na ny fitarihana izay nilaintsika, dia mety hahatonga antsika hibanjina “ny any ivelan’ny tanjona” (Jakoba 4:14 ao amin’ny Bokin’i Mômôna).

Niresaka tamin’ny olona maro izay miahiahy mikasika ny tanjaky ny fijoroana ho vavolombelon’izy ireo manokana aho sy manamaivana ny fahaiza-manaon’izy ireo ara-panahy satria tsy maharay fahatsapan-javatra matetitetika na mahagaga na mahery vaika izy ireo. Angamba rehefa mandinika ny zavatra niainan’i Joseph tao amin’ny Alakely Masina, sy i Paoly teny amin’ny lalan’i Damaskosy, ary i Alma Zanany isika dia lasa mino fa misy zavatra tsy mety na tsy ampy amintsika raha toa ka tsy misy ireo ohatra mahazendana ara-panahy sy malaza toy ireo ny fiainantsika. Raha nanana eritreritra na ahiahy sahala amin’izany ianareo, dia fantaro fa tsy hafahafa ianareo. Mandrosoa hatrany amim-pankatoavana fotsiny sy miaraka amin’ny finoana ny Mpamonjy. Rehefa manao izany ianareo dia “tsy mety ho diso làlana” (F&F 80:3).

Ny Filoha Joseph F. Smith dia nanoro hevitra hoe: “Atoroy ahy ireo Olomasina izay mila miankina amin’ny fahagagana sy fambara ary fahitana mba hihazonana azy ireo ho mafy orina ato amin’ny Fiangonana, dia hasehoko aminareo ireo mpikambana … izay tsy manana laza tsara eo anoloan’Andriamanitra sy mandeha amin’ny làlana malama. Tsy amin’ny alalan’ny fisian’ny fisehoana mahavariana eo amintsika akory no hampijoro antsika ao amin’ny fahamarinana, fa amin’ny alalan’ny fanetren-tena sy ny fankatoavana feno fahatokiana ny didy sy ny lalàn’Andriamanitra” (Conference Report, April 1900, 40).

Misy toe-javatra iray hafa mateti-pitranga mikasika ny fahazavana izay manampy antsika hianatra fahamarinana fanampiny mikasika ilay lamin’ny fanambarana “an-dalan-tsoratra anampy an-dalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika”. Indraindray ny masoandro dia miposaka amin’ny maraina feno rahona na zavona. Noho ny fisian’ny rahona dia sarotra kokoa ny mahita ny fahazavana, ary ny famantarana ny fotoana marina iposahan’ny masoandro eny amin’ny faravodilanitra dia tsy hay fantarina. Saingy amin’ny maraina tahaka izany dia manana fahazavana ampy ihany anefa isika ahafantarana ny fisian’ny andro vaovao iray izay hanatanterahana ny asa aman-draharahantsika.

Torak’izany koa isika matetika dia mandray fanambarana imbetsaka fa tsy mahafantatra mazava ny fomba na ny fotoana andraisantsika fanambarana. Misy ampahany manan-danja avy ao amin’ny tantaran’ny Fiangonana izay maneho izany fitsipika izany.

Tamin’ny lohataona 1829 dia mpampianatra tany Palmyra, New York i Oliver Cowdery. Raha nandre mikasika an’i Joseph Smith izy sy ny asa fandikana ny Bokin’i Môrmôna dia nisy fahatsapana nanosika azy hanolotra ny fanampiany ho an’ilay mpaminany tanora. Vokatr’izany dia nandeha tany Harmony, Pennsylvanie izy ary lasa mpitantsoratr’i Joseph. Ny fotoana nofinidy hahatongavany sy ny fanampiana izay nentiny dia tena nilaina tamin’ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna.

Taty aoriana ny Mpamonjy dia nanambara tamin’i Oliver fa isaky ny mangataka fitarihana izy dia mandray torolalana avy tamin’ny Fanahin’ny Tompo. “Raha tsy izany” hoy ny Tompo nanambara, “dia tsy ho tonga teo amin’ny toerana izay misy anao amin’izao fotoana izao ianao. Indro fantatrao fa efa nanontany Ahy ianao ary nanazava ny sainao Aho; ary ankehitriny lazaiko aminao ireto zavatra ireto mba hahafantaranao fa efa nohazavain’ny fanahin’ny fahamarinana ianao” (F&F 6:14–15).

Noho izany dia nandray fanambarana tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith i Oliver izay nampahafantatra azy fa nandray fanambarana izy. Raha jerena, dia toa tsy nahafantatra ny fomba sy ny fotoana nandraisany fitarihana avy tamin’Andriamanitra i Oliver ary nila izany torolalana izany mba hampitomboana ny fahatakarany mikasika ny fanahin’ny fanambarana. Raha ny marina dia nandeha tao anaty fahazavana tahaka ny masoandro izay niposaka tao amin’ny maraina feno rahona izy.

Ao anatin’ireo fisalasalana sy fanamby maro izay atrehantsika eo amin’ny fiainantsika dia mitaky antsika hanao ny tsara indrindra vitantsika Andriamanitra (jereo 2 Nefia 2:26) sy hatoky Azy. Mety tsy mahita anjely isika na mandre feo avy any an-danitra, na mandray fahatsapana ara-panahy goavana. Matetika isika dia mety mandroso ao anatin’nyfanantenana sy fanaovana vavaka—saingy tsy manana antoka zato isan-jato—fa manao zavatra araka ny sitrapon’Andriamanitra isika. Saingy rehefa manaja ny fanekempihavanantsika sy mitandrina ny didy isika, rehefa miezaka tsy tapaka bebe kokoa hanao ny soa sy ho tonga tsaratsara kokoa dia afaka mandeha amim-pahatokiana isika fa Andriamanitra dia hitarika ny diantsika. Ary afaka miteny isika miaraka amin’ny fahatokiana fa Andriamanitra dia hitondra ny tenintsika ao am-bavantsika. Amin’ny ampahany dia izany no dikan’ny soratra masina izay manambara hoe: “Dia hihamahery ny fahatokian-tenanao eo anatrehan’Andriamanitra” (F&F 121:45).

Rehefa mikatsaka amin’ny fomba tokony ho izy sy mampiasa ny fanahin’ny fanambarana isika dia mampanantena anareo aho fa “handeha amin’ny fahazavana’ny Tompo” ianareo (Isaia 2:5; 2 Nefia 12:5). Indraindray ny fanahin’ny fanambarana dia hiasa eo no ho eo sy amin’ny fomba mahery vaika, ary amin’ny fotoana hafa dia amin’ny fomba malefaka sy mandeha miandalana no hitrangan’izany, ary matetika dia amin’ny fomba tena malefaka hany ka mety tsy ho hainareo ny mamantatra azy. Kanefa na manao ahoana na manao ahoana ny fomba andraisana io fitahiana io dia hanazava sy hampivelatra ny fanahintsika ny fahazavana izay entiny, ary hanazava ny fahatakaran’ny saintsika(jereo ny Almà 5:7; Almà 32:28), ary hitarika sy hiaro anareo sy ny fianakavianareo.

Mijoro ho vavolombelona amin’ny maha-apôstôly ahy aho fa ny Ray sy ny Zanaka dia velona. Tena misy ny fanahin’ny fanambarana—ary afaka miasa sy tena miasa eo amin’ny fiainantsika manokana sy ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana ireo aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.