2010–2019
Miandry eny amin’ilay Lalana Mankany Damaskosy
Aprily 2011


Miandry eny amin’ilay Lalana Mankany Damaskosy

Ireo izay mikatsaka amim-pahavitrihana ny hianatra momba an’i Kristy no ho lasa hahafantatra Azy amin’ny farany.

Ny iray tamin’ireo zava-niseho tena niavaka indrindra teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao dia niseho teo amin’ny lalana mankany Damaskosy. Fantatrareo tsara angamba ny tantaran’i Saoly, tovolahy iray izay “nampahory mafy ny fiangonana, ka nidirany isan-trano … ka nataony an-tranomaizina [ireo Olomasina].”1 Feno fankahalana loatra i Saoly ka mpikambana maro tao amin’ny Fiangonana tany am-piandohana no niala tao Jerosalema tamim-panantenana ny hanalavitra ny hatezerany.

Nenjehin’i Saoly izy ireo. Saingy raha “tonga teo akaikin’i Damaskosy [izy dia] … nisy mazava avy tany an-danitra nanelatrelatra tampoka manodidina azy:

“Dia lavo tamin’ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana hianao no manenjika Ahy?”2

Izany zava-niseho nitondra fiovana tanteraka izany dia nanova mandrakizay an’i Saoly. Nanova an’izao tontolo izao mihitsy aza izany.

Fantatsika fa misy ny fisehoan-javatra toy izany. Raha ny marina dia mijoro ho vavolombelona isika fa nitranga tamin’ny zatovolahy iray nantsoina hoe Joseph Smith ny toe-javatra masina toy izany tamin’ny 1820. Manana fijoroana ho vavolombelona mazava sy azo antoka isika fa misokatra indray ny lanitra ary miresaka amin’ireo mpaminaniny sy apôstôliny Andriamanitra. Mihaino sy mamaly ny vavaka ataon’ireo Zanany Andriamanitra.

Na izany aza dia misy olona sasany izay mieritreritra fa raha tsy miaina toe-javatra toy ny an’i Saoly na ny an’i Joseph Smith izy ireo dia tsy afaka ny hino. Mijoro eo akaikin’ny ranon’ny batisa izy ireo saingy tsy miditra ao anatin’izany. Miandry eo an-tokonam-bavaravaran’ny fijoroana ho vavolombelona izy ireo fa tsy afaka mitondra ny tenany ao amin’ny fahafantarana ny fahamarinana. Raha tokony hanao ireo dingana madiniky ny finoana eny amin’ilay lalan’ny mpianatra izy ireo dia mitady zava-mitranga goavana mba hanosika azy ireo hino.

Nandany ny androny niandry teny amin’ny lalana mankany Damaskosy izy ireo.

Ny Finoana Dia Tonga Tsikelikely

Nisy rahavavy malala iray izay mpikamban’ny Fiangonana mahatoky nandritra ny fiainany. Nitondra alahelo manokana anefa izy. Taona maro tany aloha tany dia matin’ny aretina izay nandalo vetivety ny zanany vavy ary mbola nisy fiantraikany taminy ny ratra avy amin’izany zavatra mampalahelo izany. Nandrotidrotika azy ireo fanontaniana lehibe miaraka amin’ny toe-javatra mitranga toy izany. Tena niaiky izy fa tsy toy ny teo aloha ny fijoroany ho vavolombelona. Nahatsapa tanteraka izy fa raha tsy maneho zavatra aminy ny lanitra dia tsy ho afaka ny hino intsony indray izy.

Koa dia niandry izy.

Misy olona maro hafa izay mahita ny tenany ho miandry eny amin’ny lalana mankany Damaskosy noho ny antony maro samihafa. Manemotra ny firotsahan’izy ireo tanteraka ho mpianatra izy ireo. Manantena ny handray ny fisoronana izy ireo saingy miahiahy ny hiaina mba ho mendrika an’izany tombontsoa izany. Maniry ny handeha ho any amin’ny tempoly izy ireo saingy manemotra ilay asa farany hanehoana finoana mba hahamendrika amin’izany. Izy ireo dia mijanona miandry hoe atolotr’azy ireo ilay Kristy toy ny sary hosodoko mahatalanjona nataon’i Carl Bloch— mba hanala tanteraka ny ahiahiny sy ny tahony.

Ny marina dia ireo izay mikatsaka amim-pahavitrihana ny hianatra momba an’i Kristy no ho lasa hahafantatra Azy aty aoriana. Hahazo fahatakarana masina manokana momba ilay Mpampianatra izy ireo na matetika aza izany no tonga toy ny endriky ny piozila—singany iray ihany isaky ny mandeha. Mety tsy mora ny hamantarana ny singan-javatra iray manokana rehefa mandeha irery—mety tsy mazava ny fomba ifandraisan’izany amin’izy rehetra. Ny singany tsirairay avy dia manampy antsika hahita tsara kely kokoa ilay endriny rehefa mitambatra. Aty aoriana, rehefa ampy ny isan’ireo singany natambatra dia ho fantatsika ny hakanton’izy iray anontolo. Dia raha miverina mijery ny zavatra niainantsika isika, dia mahita fa tena niaraka tamintsika tokoa ny Mpamonjy—tsy hoe tampotampoka teo fa tamin’ny fomba mangina sy tony ary saika tsy tsikaritra mihitsy aza.

Afaka hiaina izany isika raha toa ka mandroso amim-pinoana ary tsy miandry ela loatra eo amin’ny lalana mankany Damaskosy.

Mihainoa ary Mankatoava

Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa tia ny Zanany ny Raintsika any an-danitra. Tia antsika Izy. Tia anao izy. Rehefa ilaina dia hitondra anao hihoatra ireo sakana ny Tompo rehefa mikatsaka ny fiadanana miaraka amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina ianao. Matetika Izy no miresaka amintsika amin’ny fomba izay tsy heno raha tsy amin’ny alalan’ny fontsika ihany. Mba hahenoana tsara kokoa ny feony, dia tsara kokoa raha vonoina ny feon’ny tabataban’izao tontolo izao eo amin’ny fiainantsika. Raha tsy miraharaha na raha manakana ny bitsiky ny Fanahy isika, na inona na inona antony, dia lasa zara raha fantatra izany ary tonga any amin’ny tsy fahafahantsika maheno izany intsony. Aoka isika hianatra hihaino ny bitsiky ny Fanahy ary avy eo maniry ny hanaraka izany.

Ny mpaminany malalantsika, Thomas S. Monson, dia ohatra iray ho antsika eo amin’izay lafiny izay. Maro be ireo tantarany mikasika ny fihainoany ny bitsiky ny Fanahy. Mitantara ohatra iray mikasika izany ny Loholona Jeffrey R. Holland:

Indray mandeha raha nirahina nanao asa tany Louisianne ny Filoha Monson, dia nanontany azy ny filohan’ny tsatòka iray raha toa ka manana fotoana hamangiana ankizivavy 10 taona iray nantsoina hoe Christal izy izay efa tonga tany amin’ny ambaratonga farany ny homamiadana nahazo azy. Nivavaka ny mba hahatongavan’ny Filoha Monson ny fianakavian’i Christal. Saingy tena lavitra ny tranon’izy ireo ary tery be ny fandaharam-potoana ka tsy nisy fotoana nanaovana izany. Noho izany dia nangataka an’ireo izay manao vavaka mandritra ny fihaonamben’ny tsatòka ny Filoha Monson mba hampiditra an’i Christal ao anatin’ny vavaka ataon’izy ireo. Azo antoka fa hahazo an-tsaina ny zava-miseho ny Tompo sy ilay fianakaviana.

Nandritra ny fivoriana Asabotsy tamin’ilay fihaonambe, rehefa nitsangana mba handray fitenenana ny Filoha Monson, dia nibitsika ny Fanahy hoe: “Avelao ny zaza hanatona ahy, ary aza rarana; fa an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra.”3

“Lasa nanjavozavo ny zavatra nosoratany. Niezaka ny hanohy ny lohahevitry ny fivoriana araka ny efa napetraka izy saingy tsy nety afaka tao an-tsainy ny anarana sy ny sarin’[ilay ankizivavy kely].”4

Nihaino ny Fanahy izy ary nanamboatra ny fandaharam-potoanany. Vao maraim-be ny ampitson’izany dia nandao ireo sivy amby sivifolo ny Filoha Monson ary nandeha an-kilaometatra maro mba ho eo an-doham-pandrian’ilay anankiray.

Vao tonga tany izy dia “nijery an’ilay zaza izay narary loatra ka tsy afaka nitsangana ary osa loatra ka tsy afaka niteny. Nampahajamba azy ny aretiny. Tohina lalina tamin’ny zava-niseho sy tamin’ny Fanahin’ny Tompo …, Rahalahy Monson ka dia nametraka ny tanana marefon’ilay zaza teo amin’ny azy. ‘Christal a!’ hoy izy nibitsibitsika, ‘Inty aho.’

“Tao anatin’ny ezaka mafy no nibitsibitsihany namaly hoe: ‘Ry Rahalahy Monson, fantatro fa ho avy ianao.’”5

Ry rahalahy sy rahavavy, aoka isika hiezaka ny ho anisan’ireo izay azon’ny Tompo itokisana mba hihaino ny bitsibitsiny sy hamaly toy ny nataon’i Saoly teny amin’ny lalanyho any Damaskosy hoe “Inona no tianao hataoko Tompoko?”6

Manompoa

Ny antony iray tsy hahafantarantsika ny feon’ny Tompo indraindray eo amin’ny fiainantsika dia satria mety tsy tonga mivantana eo amintsika toy ny valin’ny vavaka ataontsika ireo fanambaran’ny Fanahy.

Ny Raintsika any an-danitra dia manantena antsika mba handinika izany ao an-tsaina aloha ary avy eo mivavaka mba hahazo fitarihana eo amin’ny fitadiavana ny valin’ireo fanontaniana sy olana eo amin’ny fiainantsika manokana. Manana ny fanomezan-tokin’ny Raintsika any an-danitra isika fa hihaino sy hamaly ny vavaka ataontsika Izy. Ny valiny dia mety tonga amin’ny alalan’ny feo sy ny fahendren’ireo namana sy fianakaviana hatokisana, sy amin’ny alalan’ny soratra masina ary amin’ny alalan’ny tenin’ireo mpaminany.

Raha ny zavatra niainako dia tsy ho tombontsoantsika fotsiny ny sasany amin’ireo bitsika mahery vaika azontsika fa koa ho an’ny tombontsoan’ny hafa. Raha toa ka tsy mieritreritra afa-tsy ny tenantsika isika dia mety tsy hahazo ny sasantsasany amin’ireo traikefa ara-panahy tena mahery vaika sy tsy hahazo ireo fanambarana lalina ho an’ny fiainantsika.

Ny Filoha Spencer W. Kimball dia nampianatra ity foto-kevitra ity rehefa nilaza hoe: “Tena mahita antsika Andriamanitra ary miambina antsika. Saingy matetika dia amin’ny alalan’ny olona anankiray hafa no hanomezany izay ilaintsika. Noho izany dia zava-dehibe ny fifanompoantsika.”7 Ry rahalahy sy rahavavy, isika tsirairay dia manana andraikitra noho ny fanekempihavanantsika mba hahafantatra izay ilain’ny hafa sy hanompo toy ny nataon’ny Tompo —mba hanampiana sy hitahiana ary hanomezana hery ireo izay manodidina antsika.

Matetika ny valin’ny vavaka ataontsika dia tsy tonga rehefa mandohalika isika fa rehefa mijoro ka manompo ny Tompo sy ireo olona manodidina antsika. Ny asa fanompoana sy fanokanana feno fitiavana dia manadio ny fanahintsika, manala ny kiran’ny hazandrano amin’ny masontsika ara-panahy ary manokatra ny varavaran’ny lanitra. Rehefa lasa valin’ny vavaka nataon’ny olona anankiray isika dia matetika mahita ny valin’ny vavaka nataontsika.

Mizarà

Misy fotoana indraindray izay hanambaran’ny Tompo amintsika zavatra izay tsy natao afa-tsy ho antsika irery ihany. Na dia izany aza, dia maro dia maro ireo tranga izay nanomezan’ny Tompo fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinana an’ireo izay hizara izany amin’ny hafa. Izany foana no zava-niseho niaraka tamin’ireo mpaminany rehetra hatramin’ny andron’i Adama. Fa ambonin’izany aza, ny Tompo dia manantena ireo mpikamban’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny mba “hanokatra ny vavan’[izy ireo] amin’ny fotoana rehetra, ka manambara ny filazantsara[ny] amin’ny feom-pifaliana.”8

Tsy mora foana akory izany. Aleon’ny sasany mitarika sarety mamakivaky ny sahalava toy izay hiresaka momba ny finoana na fivavahana amin’ireo namany na mpiara-miasa aminy. Miahiahy ny mety handraisan’ny olona azy izy ireo na ny fomba mety hanimban’izany ny fifandraisany aman’olona. Tsy tokony ho izany no mitranga satria manana hafatra mahafinaritra hozaraina isika ary manana hafatra mifono fifaliana.

Taona maro lasa izay ny fianakavianay dia niaina sy niasa teo anivon’ny olona izay matetika mihitsy no tsy nitovy finoana taminay. Rehefa nanontany anay izy ireo hoe nanao ahoana ny faran’ny herinandronay dia niezaka niala tamin’ny firesahana ireo lohahevitra mahazatra izahay—toy ny fihetsiketsehana ara-panatanjahan-tena, sarimihetsika na toetr’andro—ary niezaka nizara ireo zavatra ara-panahy niainanay amin’ny maha-fianakaviana anay nandritra ny faran’ny herinandro. Ohatra, ny zavatra nolazain’ny zatovo iray nanao lahateny momba ireo fitsipika avy ao amin’ny Jeunes Soyez Fortsna ny zavatra nahakasika ny fonay noho ireo tenin’ilay tovolahy iray izay handeha hanao asa fitoriana na ny nanampian’ny Fiangonana anay amin’ny maha-fianakaviana anay mba handresena olana iray manokana nanananay. Niezaka ny tsy hanao fitoriana lava reny izahay na hanery ny olona. I Harriet vadiko no tena nahay nikaroka zavatra manentana ny fanahy na mitondra hery na mampihomehy mba hozaraina. Matetika izany dia nitarika tany amin’ny fifanakalozan-kevitra lalindalina kokoa. Ny zavatra mahavariana dia isaky ny miresaka amin’ny namana momba ny fiatrehana ireo olan’ny fiainana izahay dia matetika maheno izao hevitra izao: “Mora ho anareo izany satria manana ny fiangonanareo ianareo.”

Miaraka amin’ireo loharano tena maro entina ifandraisana amin’olona sy ireo fitaovana maro be izay ilaina na tsy dia ilaina loatra eo am-pelantanantsika dia mora kokoa ny fizarana ny vaovao mahafalin’ny filazantsara ary lasa lavitra kokoa ny fiantraikany noho ny teo aloha. Raha ny marina dia toa matahotra sahady aho hoe misy olona sasany izay efa nandefa hafatra sms toy ny hoe: “Efa 10 minitra izay no niresahany nefa mbola tsy nisy fanoharana mahakasika ny fiaramanidina ihany!” Ry tanora namako angamba ilay famporisihan’ny Tompo hoe “sokafy ny vavanao” 9 dia azo ampiana ankehitriny hoe “ampiasao ny tananao” mba hanoratana ao amin’ny blog na handefasana amin’ny sms ny filazantsara ho an’izao tontolo izao! Saingy mba tsarovy hoe tokony ho amin’ny fotoana mahamety azy izany sy any amin’ny toerana maha-mety azy.

Ry rahalahy sy rahavavy, amin’ny alalan’ny soa azo avy amin’ny teknôlôjia maoderina dia afaka maneho fankasitrahana sy fifaliana momba ny drafitra lehiben’Andriamanitra ho an’ny zanany isika amin’ny fomba izay tsy hoe mba hahafahan’ny olona any amin’ny toeram-piasantsika maheno izany fotsiny fa mba hahafahan’izao tontolo izao mihitsy maheno izany. Indraindray, dia fehezan-teny iray monja misy fijoroana ho vavolombelona dia afaka manova ny fitrangan-javatra izay hisy fiantraikany mandrakizay eo amin’ny fiainan’ny olona anankiray.

Ny fomba tena tsara indrindra hitoriana ny filazantsara dia amin’ny alalan’ny ohatra. Raha miaina araka ny finoantsika isika dia hahatsikaritra izany ny olona. Raha misoritra eo amin’ny fiainantsika ny endrik’i Jesoa Kristy,10 ary raha falifaly sy manam-piadanana isika dia haniry ny hahafantatra ny anton’izany ny olona. Ny iray amin’ireo toriteny tena lehibe indrindra natao hatramin’izay momba ny asa fitoriana dia ity torohevitra tsotra avy amin’i Masindahy François d’Assise ity: “Torio amin’ny fotoana rehetra ny filazantsara ary raha ilaina dia mampiasà teny.”11 Ny fahafahana manao izany dia eny amin’ny manodidina antsika rehetra eny. Tandremo sao tsy mahita izany noho ny fiandrasana ela loatra eo amin’ny lalana mankany Damaskosy.

Ilay Lalantsika mankany Damaskosy

Mijoro ho vavolombelona aho fa miresaka amin’ny mpaminaniny sy ny apôstôliny ny Tompo amin’izao androntsika izao. Miresaka amin’ireo izay manatona Azy amin-kitsimpo omban’ny tena fitiavana koa Izy.12

Aza miahiahy. Tadidio hoe: “Sambatra kosa izay tsy nahita nefa nino.”13 Tian’Andriamanitra ianareo. Maheno ny vavaka ataonareo Izy. Miresaka amin’ny zanany Izy sy manolotra fampaherezana, fiadanana ary fitiavana an’ireo izay mikatsaka Azy sy manaja Azy amin’ny alalan’ny fandehanana amin’ny lalany. Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manaraka ny lalana tokony haleha. Manana mpaminany velona isika. Ity Fiangonana ity dia tarihany, izay ny anarany no entintsika, dia i Jesoa Kristy izany.

Ry rahalahy sy ranabavy, ry namana malala, aoka isika tsy hiandry ela loatra eo amin’ilay lalantsika mankany Damaskosy. Fa aoka kosa isika handroso amim-kerim-po ao anatin’ny finoana, fanantenana ary fiantrana ary dia ho voatahy amin’ilay hazavana katsahintsika rehetra eo amin’ny lalan’ny tena mpanara-dia. Ho an’izany no ivavahako ary apetrako aminareo ny tsodranoko amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

  1. Asan’ny Apôstôly 8:3.

  2. Asan’ny Apôstôly 9:3–4.

  3. Marka 10:14.

  4. Jereo ny Jeffrey R. Holland, “President Thomas S. Monson: Always ‘on the Lord’s Errand,’” Tambuli, Ôkt.–Nôv. 1986, 20.

  5. Jeffrey R. Holland, Tambuli, Ôkt.–Nôv. 1986, 20.

  6. Asan’ny Apôstôly 9:6.

  7. Enseignement des Présidents de l’Eglise: Spencer W. Kimball (2006), 82.

  8. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:16.

  9. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:2.

  10. Jereo ny Almà 5:14.

  11. Ao amin’ny William Fay and Linda Evans Shepherd, Share Jesus without Fear (1999), 22.

  12. Jereo ny Môrônia 10:3–5.

  13. Jaona 20:29.