2010–2019
Mihaona Indray Isika Izao
Oktobra 2011


Mihaona Indray Isika Izao

Mivavaka aho mba ho heniky ny Fanahin’ ny Tompo isika rehefa mihaino ireo hafatra anio sy rahampitso ary hianatra an’ ireo zavatra izay tian’ ny Tompo hampahafantarina antsika.

Mahafaly ahy, ry rahalahy sy ranabavy, ny miarahaba anareo tonga soa amin’ ity Fihaonamben’ ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasina Andro Farany fanao isaky ny tapa-taona faha-181 ity.

Ity fihaonambe ity no manamarika ny faha-48 taona—eritrereto hoe 48 taona—izay niantsoan’ ny Filoha David O. McKay ahy ho ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo. Tamin’ ny volana Ôktôbra 1963 izany. Ohatra ny tsy mampino hoe efa taona maro tokoa izay no nandalo hatramin’ io fotoana io.

Rehefa be zavatra atao isika dia toa mandeha haingana loatra ny fotoana ary izay enim-bolana lasa izay dia toy izany mihitsy ho ahy. Ny iray tamin’ ireo zavatra niavaka tao anatin’ izany fotoana izany dia ny nahafahako namerina nanokana indray ny Tempolin’ i Atlanta Georgie tamin’ ny 1 Mey. Niaraka tamiko tany ny Loholona M. Russell Ballard mivady, ny Loholona Walter F. González mivady, ary ny Loholona William R. Walker mivady.

Nandritra ilay fampisehoana ara-kolotsaina mitondra ny lohateny hoe “Hazavana avy any Atsimo,” izay natao ny hariva nialohan’ ny famerenana indray ny fanokanana an’ ilay tempoly, dia nijery zatovolahy sy zatovovavy 2700 avy amin’ ny distrikan’ ny tempoly nanao fampisehoana izahay. Iray amin’ ireo fampisehoana tena niavaka indrindra hitako izany ary nahatonga ny olona nitsangana imbetsaka mba hitehaka.

Ny ampitson’ izany dia natao tao anatin’ ny fivoriana anankiroa ny fanokanana indray ilay tempoly, izay nahatsapana firotsahan’ ny Fanahin’ ny Tompo be dia be teo aminay.

Tamin’ ny faramparan’ ny volana Aogositra, dia nitokana ny tempolin’ i El Salvador, San Salvador ny Filoha Henry B. Eyring. Niaraka taminy ny Rahavavy Eyring, ny Loholona D. Todd Christofferson mivady, ny Loholona William R. Walker mivady ary Rahavavy Silvia H. Allred ao amin’ ny Fiadidian’ ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany sy Jeffry vadiny. Nilaza ny Filoha Eyring fa tena fotoana nifantoka tamin’ ny ara-panahy tokoa izany.

Amin’ ny faramparan’ ity taona ity dia handeha ho any Quetzaltenango, Guatemala ny Filoha Dieter F. Uchtdorf mivady miaraka amin’ ny Manampahefana Ambony hafa, ka hitokana ny tempolontsika any izy.

Mitohy tsy tapaka, rahalahy sy ranabavy, ny fanorenana ny tempoly. Androany dia voninahitra ho ahy ny manambara ireto tempoly maro vaovao ireto.

Fa alohan’ izany dia mamelà ahy hilaza fa tsy misy trano naorin’ ny Fiangonana izay manan-danja noho ny tempoly. Ny tempoly dia toerana izay hamehezana miaraka ny fifandraisana mba haharitra mandrakizay. Feno fankasitrahana isika noho ireo tempoly maro manerana an’ izao tontolo izao ary noho ny fitahiana entin’ izy ireny eo amin’ ny fiainan’ ny mpikambana ato amintsika.

Tamin’ ny faramparan’ ny taona lasa teo dia niharan’ ny fahasimbana lehibe vokatry ny hain-trano nampidi-doza ny Tabernakelin’ i Provo ao amin’ ny faritr’i Utah. Ny rindrina tety ivelany sisa no mbola nitsangana tamin’ io trano tsara tarehy io izay tena nankamamian’ ireo taranaka maron’ ny Olomasin’ ny Andro Farany. Taorian’ ny fandinihina tsara dia nanapa-kevitra izahay fa hamerina hanangana izany ka kajiana tanteraka sy haverina amin’ ny laoniny ny ety ivelany mba ho lasa tempoly faharoan’ ny Fiangonana ao amin’ ny tanànan’ i Provo. Ilay Tempoly ao Provo misy amin’ izao fotoana izao dia iray amin’ ireo tempoly tena be mpandeha indrindra ato amin’ ny Fiangonana, ka ny fisian’ ny tempoly faharoa ao dia hanampy ireo mpikamban’ ny Fiangonana mahatoky maro mandeha any amin’ ny tempoly izay avy ao Provo sy ireo faritra manodidina izany.

Fifaliana ho ahy koa ny manambara ny fanorenana tempoly vaovao any amin’ ireto toerana manaraka ireto: Barranquilla, Colombie; Durban, Afrika Atsimo; Kinshasa any amin’ ny Repoblika Demokratikan’ i Congo; ary Star Valley, Wyoming. Ankoatra izany dia efa mandroso ny drafitsika ny amin’ ny hananganana tempoly any Paris, France.

Ny antsipiriany momba ireo tempoly ireo dia homena any aoriana any rehefa azo ireo fankatoavana momba ny toerana sy momba ireo zavatra ilaina hafa.

Nambarako nandritra ireo fihaonambe tany aloha ny fandrosoantsika eo amin’ ny fametrahana tempoly ho akaiky kokoa ny mpikambana ato amintsika. Na dia efa mora ho an’ ny mpikambana maro ato amin’ ny Fiangonana aza ny fandehanana any, dia mbola maro ireo faritra eto amin’ izao tontolo izao izay lavitra tokoa miala avy eo amin’ ny misy ireo mpikambana ato amintsika ny tempoly ka tsy afaka mandoa ny saram-pitaterana hahatongavana any izy ireo. Tsy afaka mahazo an’ ireo fitahiana masina sy mandrakizay izay omen’ ny tempoly izy ireo noho izany. Mba hitondrana fanampiana mikasika izany dia manana ny antsoina hoe Tahirim-bola Foibe Hanampiana ny Fankanesana any amin’ ny Tempoly isika. Izany tahirim-bola izany dia manolotra fahafahana mitsidika indray mandeha ny tempoly ho an’ ireo izay, raha tsy misy izany, dia tsy afaka ny handeha ho any amin’ ny tempoly nefa maniry mafy ny handeha. Izay rehetra maniry ny hitondra ny anjara birikiny ao anatin’ izany tahirim-bola izany dia afaka manoratra fotsiny ny fampahalalana momba izany ao anatin’ ilay taratasy kely mahazatra fanoratana ny anjara biriky izay omena ny eveka isam-bolana.

Ankehitriny ry rahalahy sy ranabavy, mivavaka aho mba hahatsapa mafy ny Fanahin’ ny Tompo isika rehefa mihaino ireo hafatra anio sy rahampitso ary hianatra ireo zavatra izay tian’ ny Tompo hampahafantarina antsika. Izany no vavaka ataoko amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.