zanaka

Ao amin’ ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifololahy


Ijoroako ho vavolombelona ny fitahiana lehiben’ ny fananana zanaka ary ny hasambarana entin’ izy ireny ho antsika eto amin’ ity fiainana ity sy any amin’ ny mandrakizay.

Rehefa mijery ny mason’ ny zanaka iray isika, dia mahita zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra izay nijoro niaraka tamintsika tany amin’ ny fiainana talohan’ ny nahaterahana.

Tena voninahitra lehibe ho an’ ny mpivady izay afaka manan-janaka ny manome vatana ara-nofo ho an’ ireo fanahy zanak’ Andriamanitra ireo. Mino ny fianakaviana isika ary mino ny zanaka.

Rehefa ateraky ny mpivady ny zaza iray, dia manatanteraka ny ampahan’ ny drafitry ny Raintsika any an-danitra izy ireo, dia ny hitondra zanaka ho ety an-tany. Ny Tompo dia niteny hoe “Indro izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ ny olona.”1 Alohan’ny tsy fahafatesana, dia tsy maintsy misy ny fiainana an-tany.

Ny fianakaviana dia tendrin’ Andriamanitra. Ny fianakaviana no ivon’ ny drafitry ny Raintsika any An-danitra ety an-tany ary ho amin’ ny mandrakizay. Rehefa voatambatra tao anatin’ ny fanambadiana i Adama sy Eva, dia hoy ny soratra masina hoe: “Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.”2 Amin’ izao androntsika izao ny mpaminany sy ireo Apôstôly dia manambara hoe, “Ny didy voalohany izay nomen’ Andriamanitra an’ i Adama sy i Eva dia momba izay mety haha-ray aman-dreny azy amin’ ny maha-mpivady azy. Ambaranay fa ny didin’ Andriamanitra ho an’ ny zanany mba hitombo ka hameno ny tany dia mbola manan-kery.”3

Izany didy izany dia tsy nohadinoina na natao an-jorom-bala ato amin’ ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany.4 Maneho ny fankasitrahanay lalina izahay noho ny finoana goavana asehon’ ny mpivady (indrindra ireo vehivavy ato amintsika) amin’ ny fahavononan’ izy ireo hanan-janaka. Ny hoe rahoviana no hanan-janaka na firy no isan’ ny zaza ateraka dia fanapahan-kevitra manokana ataon’ ny mpivady sy ny Tompo. Fanapahan-kevitra masina izany—fanapahan-kevitra tokony hatao amin’ ny alalan’ ny vavaka amin-kitsimpo ary tanterahana am-pinoana lehibe.

Taona maro lasa izay no nizaran’ ny Loholona James O. Mason ao amin’ ny Fitopololahy tamiko izao tantara manaraka izao: “Ny nahaterahan’ ny zanakay faha enina dia tena traikefa tsy hay hadinoina mihitsy. Raha nandinika ity zanakay vavy vaovao mahafatifaty ity aho tao amin’ ny efitrano natokana ho an’ ny zaza vao teraka, fotoana fohy taorian’ ny nahaterahany, dia naheno feo niavaka tsara aho nilaza hoe, ‘mbola hisy anankiray hafa ary ho lahikely izany.’ Noho ny tsy fahendreko dia niverina haingana aho teo an-tongom-pandrian’ ny vadiko izay mbola tena torovana ary nilaza taminy izany vaovao mahafaly izany. Tena tsy fotoana tsara ny nilazako izany taminy tamin’ io.”5 Nifandimby teny ny taona ary niandry hatrany ny fahatongavan’ ny zanak’ izy ireo fahafito ry Mason. Telo, efatra, dimy, enina, fito taona no lasa. Farany, valo taona taty aoriana dia teraka ny zanak’ izy ireo fahafito—zazalahy kely.

Tamin’ ny volana aprily lasa teo dia nanambara ny Filoha Thomas S. Monson hoe:

“Nisy fotoana saika nitovy ny fenitra ato Am-piangonana sy ny fenitra iainana eo amin’ ny fiaraha-monina. Ankehitriny dia misy hantsana goavana manasaraka antsika ary tsy mitsahatra mihamalalaka hatrany izany. …

“Namaritra ny tenany ho eto amin’ izao tontolo izao ny Mpamonjin’ ny zanak’ olombelona fa tsy naman’ izao tontolo izao. Isika ihany koa dia afaka ny ho eto amin’ izao tontolo izao fa tsy naman’ izao tontolo izao rehefa mandà ny foto-kevitra sy fampianarana diso ary mijanona ho mahatoky amin’ izay zavatra nandidian’ Andriamanitra antsika.”6

Maro ny feo eto amin’ izao tontolo izao ankehitriny izay manao tsinontsinona ny maha-zava-dehibe ny fananan-janaka na manoro hevitra ny hanemorana na hamerana ny zaza ao anatin’ ny fianakaviana iray. Vao tsy ela akory izay ireo zanako vavy no nampiseho ahy ny blaogy iray nosoratan’ ny reny Kristiana iray (izay tsy iray finoana amintsika) manan-janaka dimy. Hoy ny filazany: “[Raha lehibe ato] amin’ ity kolontsaina ity, dia tena sarotra ny mahita ny fomba fijery ara-baiboly ny amin’ ny maha reny. … Ny toeran’ ny zanaka dia ambany lavitra noho ny fandratoana fianarana. Ambany noho ny fitetezana izao tontolo izao, mazava ho azy. Ambany noho ny fahafahana mandeha mivoaka amin’ ny alina manao izay mahafinaritra anao. Ambany noho ny fanatsarana ny vatanao any amin’ ny toerana fikotranana. Ambany noho izay mety asa anananao na irinao ho azo.” Avy eo izy dia nanampy hoe: “Ny maha-reny dia tsy fialam-boly, fa antso. Tsy manangona zanaka ianao satria hoe hitanao fa mahafatifaty noho ny hajia izy ireny. Tsy hoe zavatra azonao atao rehefa mba manam-potoana kely iny ianao. Fa ny hanan-janaka no antony nanomezan’ Andriamanitra fotoana ho anao.”7

Ny fananana zanaka madinika dia tsy mora. Maro ireo andro izay sarotra tsotra izao. Reny tanora iray no niditra ny fiara fitateram-bahoaka niaraka amin’ ny zanany fito. Dia nanontany ilay mpamily nanao hoe: “zanakao avokoa ve ireo madama? Sa mikarakara fitsangantsanganana iraisana ianareo?”

“Zanako avokoa ireo,” hoy ny navaliny. “Ary tsy mikarakara fitsangantsanganana iraisana izahay!”8

Raha tsy mitsaha-mitombo ny fanontanian’ izao tontolo izao manao hoe, “Zanakao avokoa ve ireo?” dia misaotra anareo kosa izahay nanao ny Fiangonana ho trano fialofan’ ny fianakaviana, izay hanomezantsika voninahitra sy hanampiantsika ireo reny manan-janaka.

Ho an’ ny raim-pianakaviana marina iray, tsy misy teny ampy hilazana ny fankasitrahana sy fitiavana tsapany noho ilay fanomezam-pahasoavana tsy hay refesina izay ananan’ ny vadiny dia ny fahafahana miteraka sy ny fikarakarana ny zanak’izy ireo.

Ny Loholona Mason dia mbola nanana traikefa iray hafa herinandro vitsy monja taorian’ ny fanambadiany, izay nanampy azy hanao laharampahamehana ny andraikiny ao amin’ ny fianakaviany. Hoy izy:

“Izaho sy i Marie dia nieritreritra fa mba hahafahako mamita ny fianarana ho mpitsabo dia tena ho nilaina ny hanohizan’i Marie ny asany. Na dia tsy izany loatra aza no tena [nirianay] atao, dia voatery hiandry any aoriana izany ny fananan-janaka. [Raha namadibadika gazetibokin’ ny Fiangonana iray tao an-tranon’ ny ray aman-dreniko aho] dia nahita lahatsoratra iray nosoratan’ ny Loholona Spencer W. Kimball, izay tao amin’ ny Kôlejin’ ny Roambinifololahy tamin’ izany, izay nanantitrantitra ny andraikitra mifanaraka amin’ ny fanambadidana. Araka ny hevitry ny Loholona Kimball dia andraikitra iray masina ny mihabetsaka sy mameno ny tany. Ny tranon’ ny ray aman-dreniko dia [akaikin’ ny] Birao Fitantanana ny Fiangonana. Avy hatrany aho dia nandeha tongotra nankeny amin’ ny birao ary 30 minitra taorian’ ny namakiako ilay lahatsoratra, dia efa nipetraka teo ampitan’ ny latabatra nisy an’ ny Loholona Spencer W. Kimball.” (Sarotrarotra kokoa ny hahatanteraka izany amin’ izao androntsika izao.)

“Nazavaiko fa te ho tonga dokotera aho. Tsy nisy fomba hafa ankoatran’ ny fanemorana ny fanananay zanaka. Nihaino tsara ahy ny Loholona Kimball ary avy eo dia namaly tamin’ ny feo malefaka izy, ‘Ry rahalahy Mason, tian’ ny Tompo ve ianao handika ny iray amin’ ireo didy manan-danja mba hahatongavanao ho dokotera? Raha miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo, dia sady afaka manana ny fianakavianao ianao no afaka ho tonga dokotera ihany koa. Aiza re ny finoanao?’”

Notohizan’ ny Loholona Mason ny tantara: “Tsy ampy herintaona taorian’ izay akory dia teraka ny zanakay voalohany. Niasa mafy izaho sy i Marie ary dia nosokafan’ ny Tompo ny varavaran’ ny lanitra.” Nahazo zanaka roa fanampiny ry Mason talohan’ ny nivoahany tao amin’ ny sekolin’ ny mpitsabo efa-taona taty aoriana.9

Manerana izao tontolo izao, dia fotoanan’ ny fitotonganan’ny toe-karena sy tsy fahatomombanana ara-bola izao fotoana izao. Nandritra ny fihaonamben’ ny Fiangonana tamin’ ny volana Aprily farany teo dia nilaza ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Raha toa ianao ka sahiran-tsaina amin’ ny famatsiana ara-bola ny vadinao sy ny fianakavianao, dia omeko antoka ianao fa tsy misy mahamenatra eo amin’ ny mpivady ny mihafy sy manangona. Amin’ ny ankapobeny dia mandritra ny fotoam-pitsapana no hifanaikaikezanareo bebe kokoa rehefa mianatra ny mihafy sy mandray fanapahan-kevitra sarotra.”10

Ilay fanontaniana manindrona napetraky ny Loholona Kimball manao hoe “Aiza re ny finoanao?” dia mampitodika antsika ho any amin’ ny soratra masina.

Tsy tao amin’ ny sahan’ i Edena no nahazoan’ i Adama sy Eva ny zanany voalohany. Raha nandao ny zaridaina “dia nanomboka niasa ny tany i Adama [sy Eva] … Ary i Adama nahalala ny vadiny, ka [niteraka] zazalahy sy zazavavy … , ary [nampiasa finoana] ireo dia nanomboka nihamaro sy nameno ny tany.”11

Tsy tao amin’ ny tokantranon’izy ireo tao Jerosalema izay feno volamena, sy volafotsy, sy zava-tsarobidy no nampiasan’ i Lehia sy Sariaha finoana ka niterahany an’i Jakôba sy i Josefa zanakalahiny. Fa tany an-tany foana. Niresaka momba an’ i Jakôba zanany lahy i Lehia hoe “lahimatoako tamin’ ny androm-pahoriako tany an-tany foana.”12 Hoy i Lehia mikasika an’ i Josefa hoe, “Teraka tany an-tany foana izay nahory [anay] ianao; eny, tamin’ ny andro tena nahabetsaka indrindra ny alaheloko no nitondran’ ny reninao am-bohoka anao.”13

Ao amin’ ny bokin’ ny Eksodosy dia nisy lehilahy iray sy vehivavy iray nivady ary, rehefa nampiasa finoana dia nahazo zazalahy kely. Tsy nisy fampafahantarana teo amin’ ny tolanam-baravarana nilaza ny fahaterahany. Nafenin’ izy ireo izy satria namoaka baiko i Farao fa izay zazalahy israelita teraka rehetra dia tokony ho “[ariana] an’ i Neily.”14 Dia fantatrao ny fiafaran’ ny tantara: ilay zaza maha-te ho tia nandry teo amin’ ny fiara zozoro, napetraka teny an-drenirano, ary nambenan’ ny anabaviny, dia hitan’ ny zanakavavin’ i Farao, ary ny reniny ihany no lasa mpitaiza nikarakara azy. Naverina tany amin’ ny zanakavavin’ i Farao ilay zazalahy, ary nanangana azy ho zanany izy ary niantso azy hoe Mosesy.

Ao amin’ ilay tantara maha-te ho tia indrindra mirakitra fahaterahan-jaza iray, dia tsy nisy efitrano natao ho an’ ny zaza, na fandriana natokana ho an’ ilay zaza—fa fihinanam-bilona no hany nandrian’ ilay Mpamonjy an’izao tontolo izao.

Amin’ ny “fotoana tsara indrindra [sy] … ny fotoana ratsy indrindra,”15 ny Olomasin’ Andriamanitra marina, izay miasa am-pinoana, dia tsy mba nanadino mihitsy, na nanakona, na nanao tsinontsinona ilay “didin’ Andriamanitra … [hoe] hitombo sy hameno ny tany.”16 Mandroso hatrany am-pinoana isika, ary mahafantatra fa ny fanampahan-kevitra amin’ ny isan’ ny zaza ateraka sy ny fotoana hananana azy ireny dia anjaran’ ny mpivady sy ny Tompo irery ihany. Tsy tokony hifampitsara isika amin’ io resaka io.

Ny fiterahana dia lohahevitra saro-pady izay mety mahavaky fo tokoa ho an’ ny vehivavy marina izay tsy manana fahafahana ny hanambady na hanana fianakaviana. Ho anareo ry vehivavy manan-kaja, ny Ray any an-danitra dia mahafantatra ny vavakareo sy ny fanirianareo. Feno fankasitrahana izahay noho ny fitaomam-panahy hafa kely entinareo, anisan’ izany ny fanoloranareo tanana amin’ ireo ankizy izay mila ny finoanareo sy ny tanjakareo.

Ny fiterahana dia mety ho loha-hevitra mahavaky fo ihany koa ho an’ ireo mpivady izay mahafantatra fa izy ireo dia tsy afaka ny hanana ireo zanaka izay efa nantenain’ izy ireo mafy, na ho an’ ny mpivady izay nihevitra ny hanana fianakaviana maro anaka kanefa dia nanana fianakaviana kelikely kokoa.

Tsy afaka ny hanazava foana ny fahasarotan’ ny fiainana an-tany isika. Indraindray ny fiainana dia toa tena miangatra izany—indrindra rehefa hoe ny faniriantsika lehibe indrindra dia ny manao araka izay handidian’ ny Tompo. Amin’ ny maha mpanompon’ ny Tompo ahy dia manome antoka anareo aho fa marina ity fampanantenana ity: “Ireo mpikambana mahatoky izay sendra ny toe-javatra tsy mamela azy ireo handray ny fitahian’ ny fanambadiana mandrakizay sy ny maha-ray aman-dreny eto amin’ ity fiainana ity dia handray ireo fitahiana rehetra nampanantenaina any amin’ ny mandrakizay, [raha] mitandrina ny fanekempihavanana nataon’ izy ireo tamin’ Andriamanitra.”17

Ny Filoha J. Scott Dorius tao amin’ ny Misiônan’ i Lima Andrefana, Pérou dia nilaza tamiko ny tantaran’ izy mivady. Hoy izy:

“Izaho sy i Becky dia nivady nandritra ny 25 taona nefa tsy nanana fahafahana hanana [na hanangana] zanaka. Nifindra monina matetika izahay. Ny fampahafantarana anay isaky ny faritra vaovao handehananay dia manahirana sy mangirifiry mihitsy indraindray. Nanontany tena ireo mpikambana ao amin’ ny paroasy ny amin’ ny antony [tsy hanananay] zanaka. Tsy izy ireo ihany no nanontany tena fa izahay ihany koa.

“Rehefa nantsoina ho eveka aho, dia [naneho] ahiahy ny mpikambana tao amin’ ny paroasy noho izaho tsy mba nanana traikefa tamin’ ny ankizy sy ny tanora. Nisaotra azy ireo aho noho ny fanohanan’ izy ireo ary nangataka azy ireo mba hamela ahy hampiasa ny fahaiza-manaoko amin’ ny fitaizana amin’ ny zanak’ izy ireo. Nanaiky tamim-pitiavana izy ireo.

“Niandry izahay, nahazo fomba fijery hafa, ary nianatra nanana faharetanana. Taorian’ ny 25 taona nivadiana, dia indro zazakelin’ ny fahagagana no tonga teo amin’ ny fiainanay. Nanangana an’ i Nicole, zaza roa taona, izahay, ary avy eo i Nikolai, zaza vao teraka. Ny vahiny ankehitriny dia midera anay noho ireo zafikelinay mahatehotia. Mihomehy izahay sady miteny hoe, ‘Zanakay ireo ka. Niaina ny fiainanay nihemotra izahay.’”18

Ry rahalahy sy anabavy, tsy tokony hifampitsara isika eo amin’ io andraikitra masina sy an’ ny tena manokana io.

“Ary nandray zaza [Jesoa] … ary raha notrotroiny ilay zaza [sady] nilaza izy hoe …

“Na zovy na zovy no mandray zaza iray tahaka itony amin’ ny anarako, dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy, dia … mandray Izay … naniraka Ahy.”19

Fitahiana lehibe ny mandray ny zanakalahy sy ny zanakavavin’ Andriamanitra ao an-tokantranontsika.

Andeha isika hikatsaka am-panetretena sy ombam-bavaka mba hahatakatra sy hanaiky ny didin’ Andriamanitra, ary hihaino am-panajana ny feon’ ny Fanahy Masiny.

Ivon’ny drafitra mandrakizay an’Andriamanitra ny fianakaviana. Ijoroako ho vavolombelona ny fitahiana lehiben’ ny fananana zanaka ary ny hasambarana entin’ izy ireny ho antsika eto amin’ ity fiainana ity sy any amin’ ny mandrakizay, amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.

Show References

  1.  

    1.  Mosesy 1:39.

  2.  

    2.  Genesisy 1:28.

  3.  

    3. “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’ Izao Tontolo Izao,” Liahona, Nôv. 2010, 129.

  4.  

    4. Araka ny fanadihadihana fanao isan-taona mikasika ny Fiarahamonina Amerikana, navoakan’ny Birao Fanisam-bahoaka Amerikana, dia “mbola i Utah ihany no manana ny tokatrano maro anaka indrindra, ny taha-piterahana ambony indrindra, ny salan-taona ambany indrindra, ny taona ambany indrindra hanambadiana ary ny tahan’ny renim-pianakaviana mpikarakara tokatrano” (“Who Are Utahns? Survey Shows We’ re Highest, Lowest, Youngest,” Salt Lake Tribune, 22 Sept. 2011, A1, A8).

  5.  

    5. E-mail azo avy tamin’ ny Loholona James O. Mason, 25 Jiona 2011.

  6.  

    6. Thomas S. Monson, “Ny Herin’ ny Fisoronana,” Liahona,Mey 2011, 66, 67.

  7.  

    7. Rachel Jankovic, “Motherhood Is a Calling (and Where Your Children Rank),” 14 Jolay 2011, desiringgod.org.

  8.  

    8. Jereo ny “Jokes and Funny Stories about Children,” thejokes.co.uk/jokes-about-children.php.

  9.  

    9. E-mail azo avy tamin’ ny Loholona James O. Mason, 29 Jiona 2011.

  10.  

    10. Thomas S. Monson, Liahona, Mey 2011, 67.

  11.  

    11.  Mosesy 5:1, 2.

  12.  

    12.  2 Nefia 2:1.

  13.  

    13.  2 Nefia 3:1.

  14.  

    14.  Eksodosy 1:22.

  15.  

    15. Charles Dickens, A Tale of Two Cities (Signet Classic, 1997), 13.

  16.  

    16.  Liahona, Nôv. 2010, 129.

  17.  

    17.  Manuel 2: Administration de l’ Eglise (2010), 1.3.3.

  18.  

    18. E-mail avy tamin’ ny Filoha J. Scott Dorius, 28 Aog. 2011.

  19.  

    19.  Marka 9:36–37.