2010–2019
Misafidy ny Fiainana Mandrakizay
Oktobra 2011


Safidio ny Fiainana Mandrakizay

Ny hoavinao mandrakizay dia tsy vokatry ny vintana fa vokatry ny safidy. Tsy mba tara loatra izao hanombohana hisafidianana ny fiainana mandrakizay!

Taona maro lasa izay, raha niaraka tamin’ ny fianakaviako teny amorontsiraka aho, dia nahatsikaritra famantarana sy saina nampitandrina anay fa hahery ny onja ka hisintona avy ety amin’ ny morony manjany amin’ ny lalina. Tsy dia hitan’ ny masoko tsy zatra mijery izany saingy tsikaritr’ ireo mpamonjy voina avy hatrany teo amin’ ny tilikambo tsy dia lavitra teo ilay koriandrano mahery vaika dia loza ho an’ ireo miala ny faritra voaro ety amin’ ny morony ka miditra ny rano. Tsaroako aho naminavina nanao hoe, “Mpilomano mahay aho. Fanatanjahantena tsara ny lomano. Tsy hampaninona ahy izany rano lalina izany.”

Rehefa tsy niraharaha ireo fampitandremana aho ary nahatsapa fahatokian-tena araka ny fitsarako azy, dia niditra tao anaty rano ary nankafy ilay lomano “nampahazo aina.” Minitra vitsy monja dia nijery ny toerana nisy ireo fianakaviako aho teo amin’ ny tora-pasika akaiky teo, kanefa dia tsy akaiky intsony ilay tora-pasika! Nisintona ahy haingana nanalavitra ahy tamin’ ny fianakaviako ilay koriandrano namitaka izay efa nampitandremana ahy.

Tamim-pahatokiana aloha tamin’ ny voalohany ary avy eo tamim-pahakiviana no nanandramako nilomano nankamin’ny sisiny, saingy ilay koriandrano izay tsy mamela mahazo dia nisintona ahy lavidavitra kokoa tany amin’ ny rano lalindalina sy mahery kokoa. Reraka aho ary nanomboka kofona fa nahatelina rano. Efa nila ho rendrika aho. Lasa daholo ny heriko ary tamim-pikofokofoana be no niantsoako vonjy nony farany.

Fahagagana fa toa teo anilako sahady ny mpamonjy voina iray. Tsy tsikaritro fa nijery ahy niditra tao anaty rano izy. Fantany fa hisintona ahy ilay koriandrano, ary fantany hoe hisintona ahy hatraiza izany. Nilomano nihodidina izy niala ilay koriandrano ary tonga taoriana kelin’ ny toerana nikofokofohako izy ary avy eo niandry tamim-paharetana hoe hiantso vonjy aho. Reraka loatra aho ka tsy afaka nilomano irery nakeny imorony ka dia velom-pankasitrahana noho ny famonjeny ahy. Raha tsy nisy ny fanampiany dia tsy ho vitako mihitsy ny niverina teny amin’ ny fianakaviako.

Tamin’ io andro io aho dia nanao safidy kitoatoa izay nety ho niteraka vokany goavana tokoa ho ahy sy ny fianakaviako. Raha hiara-hiijery ny fanomezam-pahasoavan’ ny safidy isika ankehitriny, dia mivavaka aho mba hanampy antsika tsirairay avy ny Fanahy Masina hanombantombana tsara ny safidy ataontsika.

Ny mpaminany malalantsika, Filoha Thomas S. Monson, dia nampianatra hoe: “Mbola antitranteriko mafy foana hoe ny fanapahan-kevitra no mamaritra ny hoavy. Tsy afaka mandray fanapahan-kevitra mandrakizay ianao ka hoe tsy hizaka ny vokany mandrakizay.”1

Ny tsirairay avy aminareo—araka ny nampianarina nandritra ity fihaonambe ity—dia zanakalahy sy zanakavavy malalan’ ny ray aman-dreny any an-danitra. Tena manana toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra ianareo.2 Nanditra ny fiainanareo talohan’ ny nahaterahana dia efa nianatra nitia ny fahamarinana ianareo. Nanao safidy mandrakizay tsara ianareo. Fantatrareo fa eto amin’ ity fiainana an-tany ity, dia hisy fijaliana sy fahoriana, alahelo sy fangirifiriana, ary fitsapana mba hanampiana antsika hitombo sy hivoatra. Fantatrareo ihany koa fa mbola afaka manohy manao safidy tsara ianareo, sy mibebaka amin’ ireo safidy ratsy, ary amin’ ny alalan’ ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy, dia afaka handova ny fiainana mandrakizay.

Inona no nampianarin’ i Lehia momba ny safidy? Nanoro hevitra izy hoe isika dia afaka “mifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay amin’ ny alalan’ Ilay Mpanalalana lehiben’ ny olon-drehetra na hifidy ny fahababoana sy ny fahafatesana araka ny fambaboana sy ny fahefan’ ny devoly.” Ary nampianatra izy avy eo hoe, “Mba tiako ny hiandrandranareo Ilay mpanalalana lehibe sy hihainoanareo ny didiny lehibe; ary ho mahatoky amin’ ny teniny ianareo ka hifidiananareo ny fiainana mandrakizay.3

Ry rahalahy sy ranabavy, moa ve eo amin’ ny zavatra safidiantsika ho eritreretina sy ho tsapa sy ho atao dia tena misafidy ny fiainana mandrakizay tokoa izaho sy ianao?

Ireo zafikelinay dia mianatra fa rehefa manao safidy iray izy ireo, dia misafidy ihany koa ny vokatr’ izany. Vao tsy ela akory izay ny iray amin’ ireo zafikelinay vavy telo taona no nandà tsy hihinana ny sakafony hariva. Nanazava tsara ny reniny, “Efa ho ora fatoriana izao. Raha toa ka misafidy ny hisakafo hariva ianao, dia misafidy ihany koa ny crème glacée ho tsindrin-tsakafonao. Raha toa ka misafidy ny tsy hisakafo ianao, dia misafidy ny handeha ho any am-pandriana ianao izao dia izao, ary tsy mihinana crème glacée.” Nodinihin’ ny zafikelinay vavy ireo safidy roa ireo dia namaly tamim-pahavononana izy avy teo hoe, “Izao no safidy tiako—hilalao sy hihinana crème glacée fotsiny ary tsy handeha hatory.”

Rahalahy sy ranabavy, moa ve isika maniry ny afaka hilalao, sy tsy hihinana afa-tsy crème glacée ary tsy handeha hatory mihitsy, ka afaka hiala amin’ ny vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny havizanana?

Raha ny tena marina dia tsy manana afa-tsy safidy mandrakizay roa ihany isika, ny tsirairay amin’ ireo dia samy manana ny vokany mandrakizay: na misafidy ny hanaraka ny Mpamonjy izao tontolo izao ary amin’ izany dia misafidy ny fiainana mandrakizay na misafidy ny hanaraka an’ izao tontolo izao sy misafidy ny hisaraka mandrakizay amin’ Andriamanitra.

Tsy afaka ny miara-misafidy ny fiarovana ao amin’ ny fahamarinana sy ny lozan’ izao tontolo izao isika. Ny fandrosoana amin’ ny zavatr’ izao tontolo izao dia mety ho toy ny tsy mampaninona, kanefa tahaka izany ihany koa ilay lomano “nampahazo aina” nataoko!

Tahaka ilay koriandrano izay efa saika nanova ny fiainam-pianakaviako, ny koriandranon’ izao tontolo izao ankehitriny, sy ny filôzôfia izay mamitaka, sy ny fampianaran-diso, ary ny fahalotoana ara-pitondrantena dia mikatsaka ny hisintona antsika hiala sy ho tafasaraka mandrakizay amin’ ny Raintsika izay any An-danitra.

Ireo mpaminanintsika velona, sy mpahita ary mpanambara dia samy nahita sy nikatsaka ny hampitandrina antsika amin’ ny koriandranon’ izao tontolo izao izay toa malemy nefa mampidi-doza ka mampatahotra antsika. Izy ireo dia manasa antsika amim-pitiavana, mamporisika, mampianatra, mampatsiahy, ary mampitandrina antsika. Fantatr’ izy ireo fa ny fiarovana antsika dia miankina amin’ ny fisafidianana ny hanaraka (1) ny fahitana izay azontsika mandritra ny fianarana soratra masina isan’ andro sy ny vavaka, (2) ny fitarihan’ ny Fanahy Masina, ary (3) ny torohevitra feno faminaniana avy amin’ izy ireo. Fantatr’ izy ireo fa tsy misy fiarovana sy hafaliana amin’ ny farany raha tsy amin’ ny alalan’ ny Mpamonjy Jesoa Kristy irery ihany, sy ny fiainana ny filazantsarany. Araka ny nampianarin’ ny Loholona Dallin H. Oaks dia nanambara ny Mpamonjy hoe, “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, tsy misy mankany amin’ ny ray raha tsy amin’ ny alalako.”4

Nandritra ny fitsapana sy ny fijaliana tany Rosia taorian’ ny vanim-potoan’ ny sôvietika, dia nisafidy ny fahamarinana i Anatoly sy i Svetlana Reshetnikov fa tsy ny zavatr’ izao tontolo izao. Taorian’ ny nidiran’ izy ireo tao amin’ ny Fiangonana, dia nenjehina izy ireo. Nesorina tamin’ ny toerany izy tao amin’ ny toeram-piasany. Nieritreritra tamim-pahatokiana hatrany izy ireo hoe, “Ankehitriny isika dia manana fotoana bebe kokoa hanompoana an’ Andriamanitra!” Nahazo fandrahonana matetika izy ireo, kanefa dia nisafidy hatrany izy ireo hanana fiainana mifototra amin’ ny filazantsara. Ny Loholona Anatoly Reshetnikov dia voantso ho Fitopololahin’ ny Vondrom-paritra Rosiana voalohany. Noho ny safidin’ izy ireo, dia nanohy nisafidy ny fiainana mandrakizay ry Reshetnikov.

Miatrika fitsapana daholo isika rehetra. Manana fakam-panahy daholo isika rehetra. Samy efa nanao hadisoana avokoa isika rehetra. Tsy mafy be ary tsy mbola tara ny fanaovana safidy tsara. Ny fibebahana no iray amin’ izany fanaovana safidy tsara izany.

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf dia nampianatra hoe:

“Ny hadisoana madinika sy ny fikisahana kely manalavitra ny fotopampianaran’ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy dia afaka mitondra vokatra mampalahelo eo amin’ ny fiainantsika. Noho izany dia tena zava-dehibe tokoa ny fahaizana mifehy tena mba hanaovana fanitsiana haingana sy tsy azo ivalozana mba hahafahana miverina eo amin’ ny lalana tena izy ary tsy miandry na manantena fa izany fahadisoana izany dia ho voahitsy ho azy amin’ ny fomba tsy fantatra.

“Arakaraka ny mahalava ny hanemorantsika ny asa fanitsiana, no mahalehibe kokoa ny fanovana ilaina ho atao, ary mahalava kokoa ny fotoana ilaina ahafahana miverina eo amin’ ilay lalana tena izy—eny fa na dia efa eo amin’ ny toeran’ ny loza mananontanona aza.”5

Ny sandrim-pamindram-po an’ ny Mpamonjy dia mitsotra ho antsika hatrany.6 Rehefa mibebaka amin-kitsim-po sy tanteraka isika, dia afaka ny ho voavela tanteraka amin’ ny hadisoantsika ary dia tsy hahatsiaro intsony ny hadisoantsika ny Mpamonjy.7

Eo amin’ ny famakafakana ny safidinao sy ny vokatr’ izy ireny, dia afaka manontany tena ianao hoe:

  • Moa ve aho mikatsaka fitarihan’ ny lanitra amin’ ny alalan’ ny fandalinana isan’ andro ny soratra masina sy ny vavaka, na moa ve aho nisafidy ny ho sahirana loatra na tsy dia taitra firy ka tsy manana fotoana handalinana ny tenin’ i Kristy sy ny firesahana amin’ ny Ray any An-danitra?

  • Moa ve aho misafidy ny hanaraka ny torolalan’ ny mpaminan’ Andriamanitra velona na moa ve aho manaraka ny fomban’ izao tontolo izao ary manohitra ny hevitry ny hafa?

  • Moa ve aho mikatsaka ny fitarihan’ ny Fanahy Masina eo amin’ izay safidiako ho eritreretina, na ho tsapa na hatao?

  • Moa ve aho manolo tanana hatrany hanampy hanavotra sy hanampy eo amin’ ny fanavotana ireo hafa?

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, ny hoavinao mandrakizay dia tsy vokatry ny vintana fa vokatry ny safidy. Tsy mety ho diso aoriana loatra ny fanombohana misafidy ny fiainana mandrakizay!

Mijoro ho vavolombelona aho fa noho ny drafitra lehiben’ ny fahasambarana an’ ny Ray any an-danitra, dia afaka ny ho tanteraka ny tsirairay avy amintsika amin’ ny alalan’ ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy. Afaka miaina miaraka amin’ ny Ray any an-danitra isika sy ny fianakaviantsika ary mahazo ny fahafenoan’ ny hafaliana. Hijoroako ho vavolombelona ny amin’ ireo zavatra ireo amin’ ny anarana masin’ i Jesoa Kristy, amena.