2010–2019
Mifikira amin’ ny Fanekempihavanana
Oktobra 2011


Mifikira amin’ ny Fanekempihavanana

Rehefa manana finoana an’ i Kristy isika sy mifikitra amin’ ny fanekempihavanana dia hahazo ilay fifaliana voalaza ao amin’ ny soratra masina ary nampanantenain’ ireo mpaminanintsika amin’ ny andro farany.

“Koa asandrato ny fonao ary mifalia sy mifikira amin’ ny fanekempihavanana izay efa nataonao.”1 Tsy maintsy mahatsapa fifaliana aho isaky ny mamaky io soratra masina io. Faly ny foko rehefa mieritreritra ireo fampanantenana sy ireo fitahiana maro izay tonga teo amin’ ny fiainako rehefa nikatsaka ny hifikitra tamin’ ny fanekempihavanana nataoko tamin’ ny Raiko any an-danitra aho.

Satria samy efa nodimandry ny ray aman-dreniko dia nilaina ny hanadiovana ny tranon’ izy ireo tamin’ ity taona ity mba hanomanana ny fivarotana izany. Nandritra izay volana vitsivitsy lasa izay, rehefa nanadio sy nandamina ny tranon’ ny ray aman-dreniko izaho sy ireo iray tampo amiko dia nahita tantaram-pianakaviana sy antontan-taratasy manan-danja maro izahay. Tena nahafinaritra ny namaky ireo tantaran’ olona manokana sy ireo tsodranon’ ny patriarika an’ ny ray aman-dreniko sy ny raibeko ary ny renibeko. Nampahatsiahivina ahy ireo fanekempihavanana izay nataon’ izy ireo sy notandremany.

Renim-pianakaviana vao herotrerony i Ellen Hanks Rymer renibeko tamin’ ny 1912 raha nandray ny tsodranon’ ny patriarika. Rehefa namaky ny tsodranony aho dia nanaitra ny masoko ireto andalana ireto ary nijanona tato an-tsaiko: “Ianao dia efa voafidy talohan’ ny nahariana ny tany ary fanahy voafidy mba ho tonga ety amin’ izao andro izao. … Ho lasa lehibe ny fijoroanao ho vavolombelona ary hanana fahafahana hijoro ho vavolombelona ianao. … Nikasa ny hamotika anao ilay Mpandrava, saingy raha mifikitra amin’ ilay Andriamanitrao ianao dia tsy hanana hery handratrana anao izy [ilay Mpandrava]. Ianao, amin’ ny alalan’ ny fahatokianao dia hanana hery lehibe ary ilay mpandrava dia handositra eo anoloanao noho ny fahamarinan-toetranao. … Raha tonga aminao ny oran’ ny tahotra sy ny fitsapana ka mandeha any amin’ ny toerana mitokana ianao mba hivavaka, dia hahazo fampiononana ny fonao ary hoesorina ireo sakantsakana.”2

Nampanantenaina ny renibeko fa raha mitandrina ny fanekempihavanany izy ary mitoetra akaikin’ Andriamanitra, dia tsy hanana hery aminy i Satana. Hahazo fampiononana sy fanampiana izy ao anatin’ ireo fitsapany. Tanteraka teo amin’ ny fiainany ireo fampanantenana ireo.

Anio aho dia te-hiresaka momba (1) ny maha-zava-dehibe ny fifikirana amin’ ny fanekempihavanana sy (2) ny fifaliana ary fiarovana azo avy amin’ ny fitandremana ny fanekempihavanantsika.

Ny sasany amin’ ireo ohatra izay ho ampiasaiko dia avy amin’ ny Daughters in My Kingdom: The History and Work of Relief Society. Io boky io dia feno ohatr’ ireo vehivavy izay nahita fifaliana lehibe tao anatin’ ny fitandremana ny fanekempihavanana.

Ny Maha-Zava-dehibe ny Fifikirana amin’ ny Fanekempihavanana

Ny Torolalana ho an’ ny Soratra Masina dia milaza amintsika fa ny hoe fanekempihavanana dia fifanekena eo amin’ Andriamanitra sy ny olona. “Andriamanitra no manome ny fepetran’ ny fanekempihavanana ka manaiky ny hanao izay angatahany ny olona.”3 Ao anatin’ ilay fehezan-teny hoe “mifikira amin’ ny fanekempihavanana,” ilay teny hoe mifikitra dia midika hoe “mirotsaka mafy sy lalina” ao anatin’ ny zavatra iray.4

Ao amin’ ny soratra masina isika dia mianatra momba ireo lehilahy sy vehivavy izay nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra. Andriamanitra dia nanome torolalana momba ny zavatra tokony hatao mba hanajana ireo fanekempihavanana ireo ary rehefa voahaja ireo fanekempihavanana ireo dia tonga avy eo ireo fitahiana nampanantenaina.

Ohatra, amin’ ny alalan’ ny fanekempihavanan’ ny batisa dia manao fanekempihavanana amin’ ny Ray any an-danitra isika. Miomana amin’ ny batisa isika amin’ ny alalan’ ny fananana finoana an’ i Jesoa Kristy Tompo sy ny fibebahana amin’ ny fahotantsika ary amin’ ny alalan’ ny fitondrana eo amintsika ny anaran’ i Kristy. Manao fanekempihavanana ny hitandrina ny didin’ Andriamanitra isika ary hahatsiaro mandrakariva ny Mpamonjy. Isika dia manao fanekempihavanana “hifampitondra ny enta-mavesatra mba hanamaivana izany.” Milaza isika fa vonona ny hiara-malahelo amin’ izay malahelo ary hampionona izay mila fampiononana.5

Misy ôrdônansy masina hafa raisina any amin’ ny tempoly masina ary misy fanekempihavanana hafa atao. Tany am-piandohan’ ny Famerenana amin’ ny laoniny dia tsy andrin’ ny Mpaminany Joseph Smith izay hahazoan’ ireo Olomasina ireo fitahiana avy amin’ ny tempoly izay nampanantenaina. Nilaza ny Tompo hoe: “Aoka izany trano izany haorina ho an’ ny anarako, mba hahazoako manambara ireo ôrdônansiko amin’ ny oloko.”6

“Ny iray tamin’ ireo tanjon’ ny Tompo tamin’ ny nanorenana ny Fikambanana Ifanampiana dia ny hanomanana ireo zanakavaviny amin’ ireo fitahiana lehibe kokoa avy amin’ ny fisoronana izay hita ao anatin’ ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana any amin’ ny tempoly. Ireo … rahavavy tany Nauvoo dia naneho fifaliana lehibe mialoha mikasika ny hahavitan’ ny tempoly, satria fantatr’ izy ireo araka ny nampanantenain’ ny Mpampinany Joseph Smith tamin’ i Mercy Fielding Thompson fa ny fanafiana masina dia hamoaka azy ireo ‘ avy ao amin’ ny haizina hankany amin’ ny hazavana mahafinaritra.’”7

“Olomasina mihoatra ny 5.000 no tafavory teo amin’ ny Tempolin’ i Nauvoo taorian’ ny fitokanana izany mba hahafahan’ izy ireo mandray ny fanafiana masina sy ny ôrdônansin’ ny famehezana alohan’ ny hanombohan’ izy ireo ny diany” mankany amin’ ny Lohasahan’ i Salt Lake.8 Ny Filoha Brigham Young sy ireo mpitarika maro tao amin’ ny Fiangonana ary ireo mpanao asa tao amin’ ny tempoly dia nandany fotoana, andro sy alina, nanompo tao amin’ ny tempoly mba hahafahana manatanteraka izany asa manan-danja izany ho an’ ireo Olomasina.

Manohana antsika na amin’ ny fotoana tsara na amin’ ny fotoana sarotra ny fanekempihavanantsika. Nampahatsiahy antsika ny Filoha Boyd K. Packer fa “olon’ ny fanekempihavanana isika. Isika dia manao fanekempihavanana mba hanome avy amin’ izay ananantsika, dia ny fotoana sy ny vola ary ny talenta izany—ny maha-antsika antsika rehetra sy ny fananantsika rehetra—ho tombontsoan’ ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany. Raha tsorina dia manao fanekempihavanana mba hanao ny tsara isika. Olon’ ny fanekempihavanana isika ary ny tempoly no ivon’ ny fanekempihavanana ataontsika. Izany no loharanon’ ny fanekempihavanana.”9

Mampahatsiahy antsika ny soratra masina hoe: “Ary izao no fanekentsika—fa isika dia handeha araka ny ôrdônansy rehetra an’ ny Tompo.”10

Lehibe ireo fitahiana izay azontsika rehefa mifikitra amin’ ny fanekempihavanantsika isika.

Mitondra Fifaliana sy Fiarovana ny Fitandremana ny Fanekempihavanantsika

Hitantsika ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna ny lahatenin’ ny Mpanjaka Benjamina. Nampianatra ny olona momba an’ i Jesoa Kristy izy, izay ho avy ety an-tany sy hizaka ny karazam-pijaliana rehetra. Nampianatra ny olona izy fa i Kristy dia hanonitra ny fahotan’ ny olombelona rehetra ary tsy hisy fomba hafa ahazoan’ ny olona famonjena afa-tsy amin’ ny anarany ihany.11

Taorian’ ny nihainoan’ ny olona izany fampianarana tena tsara izany dia lasa feno fanetren-tena izy ireo ary naniry tamin’ ny fony manontolo ny mba ho afaka amin’ ny fahotana ary mba ho voadio. Nibebaka izy ireo ary naneho ny finoany an’ i Jesoa Kristy. Nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra izy ireo fa hitandrina ny didiny.12

“Nidina teo aminy ny Fanahin’ ny Tompo, ary feno fifaliana izy rehefa nandray ny famelana ny fahotany sy nahazo fiadanan-tsaina noho ny finoana fatratra izay nananany tao amin’ i Jesoa Kristy.”13

Nasehon’ i Amôna ny ohatra iray hafa mikasika ny fifaliana azo amin’ ny alalan’ ny fahatokiana eo amin’ ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra sy ny fizarana ny filazantsara amin’ ny hafa. I Amôna sy ireo rahalahiny dia fitaovana nampiasaina mba hanampiana ireo olona an’ arivorivony hanatona an’ i Kristy. Ireto ny sasany tamin’ ireo teny izay nampiasain’ i Amôna mba hamaritana ny zavatra tsapany raha maro tokoa ireo olona natao batisa sy nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra:

“Lehibe ny antony iravoravoantsika.”14

“Feno ny fifaliako, eny, safononoky ny fifaliana ny foko ary hifaly amin’ Andriamanitra aho.”15

“Tsy afaka milaza ny ampahany bitika indrindra izay tsapako aho.”16

“Tsy nisy na oviana na oviana olona izay nanana antony lehibe loatra hiravoravoana toa antsika.”17

Ny fanaovana sy ny fitandremana fanekempihavanana masina dia manome fahafahana antsika hanana ny Fanahy Masina miaraka amintsika. Io ilay Fanahy izay “hameno fifaliana ny fanahinao.”18

Niteraka fijaliana ho an’ ny olona maro manerana an’ izao tontolo izao ny Ady Lehibe II. Nianjadian’ ny fitsapana maro ireo Olomasina tany Allemagne. Rahavavy Maria Speidel dia filoha mahatokin’ ny Fikambanana Ifanampiana tao Stuttgart, Allemagne tamin’ izany. Raha niresaka momba ireo fitsapana niainan’ izy ireo izy dia nilaza hoe: “Ny fahatokianay ny Tompo sy ny fijoroanay ho vavolombelona momba ny Fiangonany no loharanon-kerinay. … Mihira amim-pifaliana ireo hiran’ ny Ziona izahay ary mametraka ny fahatokianay ao amin’ ny Tompo. Manao izay hahatsara ny zavatra rehetra Izy.”19

Averiko indray fa nahatsapa fifaliana na dia tao anatin’ ny fitsapana mivaivay aza ireo mpikambana rehefa nitandrina ny fanekempihavanany.

I Sarah Rich izay vehivavy marin-toetra nipetraka tany Nauvoo dia voantso mba hanompo tany amin’ ny tempoly talohan’ ny nandroahana an’ ireo Olomasina tao amin’ ilay tanàna. Ireto ny teniny momba ireo fitahiana avy amin’ ny fanekempihavanana atao any amin’ ny tempoly: “Maro ireo fitahiana noraisinay tany amin’ ny tranon’ ny Tompo izay nitondra fifaliana sy fankaherezana ho anay teo anivon’ ireo fahorianay rehetra ary nanome fahafahana anay mba hanana finoana an’ Andriamanitra noho ny fahafantarana fa hitarika anay Izy ary hanohana anay ao anatin’ ilay dia tsy fantatra izay hiseho tsy ho ela.”20

Talohan’ io dia nahavita ny Tempolin’ i Kirtland ireo Olomasina ary maro ireo olona nandray anjara tamin’ ny fitokanana izany. Taorian’ ny fitokanana dia noraisin’ ny Tompo ilay tempoly. Nilaza tamin’ izy ireo ny Tompo mba “hifaly fatratra tokoa noho ny fitahiana izay harotsaka … eo ambonin’ ny lohan’ ny vahoaka[ny].”21

Rehefa nihamaro hatrany ireo tempoly voaorina manerana ny tany dia hitako ny firotsahan’ ireo fitahiana teo amin’ ny fiainan’ ireo mpikambana. Tamin’ ny 2008 dia nanatri-maso ny fifaliana teny amin’ ny endriky ny mpivady iray avy any Ukraine aho rehefa nilaza tamiko izy ireo fa handeha ho any Fribourg, Allemagne, mba handray ireo ôrdônansin’ ny tempolin’ izy ireo. Ny dia mankany amin’ ny tempoly ho an’ ireo mpikambana be fanoloran-tena ireo dia adiny 27 na ny mandroso na ny miverina raha mandeha fiara fitateram-bahoaka ary tsy afaka nandeha matetika izy ireo. Tena faly izy ireo tamin’ ny hoe ho vita tsy ho ela ny Tempolin’ i Kiev, Ukraine, ary hanana fahafahana handeha any matetika kokoa izy ireo. Misokatra ilay tempoly ankehitriny ary olona an’ arivorivony no mandray fitahiana ao.

Rehefa namaky ny tantara manokan’ ny renibeko aho dia nahafantatra momba ny halehiben’ ny fifaliany tao anatin’ ny fanekempihavanany. Tiany ny mandeha any amin’ ny tempoly sy manatanteraka ôrdônansy ho an’ ireo olona an’ arivorivony izay efa maty. Izany no asa nanirahana azy tao anatin’ ny fiainany. Nanompo tamin’ ny naha-mpanao asa ao amin’ ny tempoly azy nandritra ny 20 taona mahery izy tao amin’ ny Tempolin’ i Manti Utah. Nanoratra izy fa niaina fahasitranana mahagaga maro mba hahafahany mitaiza ny zanany sy manompo ny hafa amin’ ny alalan’ ny fanaovana asa ho azy ireo any amin’ ny tempoly. Amin’ ny maha-zafikeliny anay, raha misy ny zavatra fantatray momba an’ i Bebe Rymer, dia ny naha-vehivavy marin-toetra azy izay nitandrina ny fanekempihavanany sy naniry ny hanaovanay an’ izany koa. Raha toa ka mikarokaroka ireo fananantsika ny olona aorian’ ny fahafatesantsika dia moa ve hahita porofo izy ireo fa nitandrina ny fanekempihavanantsika isika?

Ny mpaminany malalantsika, Filoha Thomas S. Monson, dia nilaza tamintsika nandritra ny fihaonamben’ ny Fiangonantsika farany hoe: “Rehefa mandeha any amin’ ny trano masin’ Andriamanitra izaho sy ianao ary rehefa mahatsiaro ireo fanekempihavanana ataontsika ao anatin’ izany isika, dia hahazaka bebe kokoa ny fitsapana rehetra ary handresy bebe kokoa ny fakam-panahy tsirairay. Ao anatin’ izany toerana izany no hahitantsika fiadanana, hanavaozantsika sy hankaherezantsika ny tenantsika.”22

Averina indray hoe: “Koa asandrato ny fonao ary mifalia sy mifikira amin’ ny fanekempihavanana izay efa nataonao.”23 Fifaliana marina ny azo avy amin’ ny fitandremana ny fanekempihavanana. Fankaherezana sy fiadanana izany. Fiarovana amin’ ny zava-dratsin’ izao tontolo izao izany. Hanampy antsika ao anatin’ ny fotoam-pitsapana ny fitandremana ny fanekempihavanana.

Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa manana finoana an’ i Kristy isika sy mifikitra amin’ ny fanekempihavanana dia hahazo ilay fifaliana voalaza ao amin’ ny soratra masina ary nampanantenain’ ireo mpaminanintsika amin’ ny andro farany.

Ry rahavavy malala, tiako ianareo ary manantena aho fa hiaina fifaliana lehibe eo amin’ ny fiainanareo manokana ianareo. Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.