2010–2019
Torohevitra ho an’ ireo Tanora
Oktobra 2011


Torohevitra ho an’ ireo Tanora

Fa na dia eo aza ny fanoherana sy ny fitsapana ary ny fakam-panahy dia tsy mila matahotra na ho lavo ianareo.

Hiresaka amin’ ireo tanora mivantana mihoatra noho ny fanaoko mahazatra aho, ary ohariko amin’ ny fahatanorako ny anareo.

Sarobidy mihoatra noho izay heverina ianareo. Efa nihaona tamin’ ny tanora ohatra anareo tany amin’ ny firenena am-polony maro sy tany amin’ ny kaontinanta rehetra aho. Tsara lavitra noho izahay ianareo fony izahay mbola tanora. Mahafantatra bebe kokoa mikasika ny filazantsara ianareo. Matotra sy manam-pinoana kokoa ianareo.

Efa 87 taona aho ankehitriny. Mety hanontany tena ianareo hoe inona koa no azon’ ity olona antitra ity hanampiana anay eo amin’ ny fiainanay. Efa nandalo ny zavatra niainanareo aho ary mahafantatra ny dia holalovanareo. Saingy ianareo kosa mbola tsy nandalo ny efa nalehako. Hozaraiko ny andalana vitsivitsin’ ity tononkalo malaza ity:

Ilay goaika antitra dia mihamandeha mora.

Ilay goaika tanora kosa manidina tsara.

Fa ny zavatra tsy hain’ ilay goaika tanora

Dia fantatr’ ilay efa antitra tsara.

Raha ny traikefan’ ilay goaika efa antitra,

Ilay goaika tanora dia resy tokoa.

Fa ny hany tsy hain’ ilay efa antitra

—Dia ny mandeha mafimafy kokoa.

Ilay goaika tanora misidina ambany, misidina ambony,

Ary mihodidina ilay goaika antitra be.

Fa inona no tsy hain’ itony goaika tanora itony?

—Dia ny lalana izay tena tokony haleha.1

Na dia tsy an’ i Wordsworth aza izany tononkalo izany, dia mbola malaza ihany!

Mitombo ao anatin’ ny tanin’ ny fahavalo ianareo ry tanora, noho ny zava-mitranga eo amin’ izao tontolo izao, sy ny fitotonganan’ireo fenitra ara-pitondran-tena.

Fantatsika avy amin’ ny soratra masina fa nisy ady tany an-danitra ary nikomy i Losifera sy ny mpanara-dia azy ka “nazera tamin’ ny tany.”2 Vonona ny hanakorontana ny drafitry ny Raintsika any an-danitra izy ary mikatsaka ny hifehy ny saina sy ny fihetsiky ny rehetra. Izany fitaomany izany dia ara-panahy, ary “mivezivezy eran-tany” izy.3

Fa na dia eo aza ny fanoherana sy ny fitsapana ary ny fakam-panahy dia tsy mila matahotra na ho lavo ianareo.

17 taona aho, ary efa hahavita ny fianarako tamin’ ny ambaratonga farany toy ny mpianatra antonontonony ihany sady feno fahalemena, no niova tao anatin’ ny indray Alahady maraina ny fitrangan-javatra teo amin’ ny fiainanay. Nantsoina hivory ao amin’ ny efitrano lehiben’ ny sekoly ambaratonga farany izahay ny ampitso. Nisy vata fampitam-peo iray teo ambonin’ ny seza tery amin’ ny lampihazo. Nalefan’ ny talen’ ny sekoly ilay vata fampitam-peo. Tamin’ izay no nahenoanay ny feon’ ny Filoha Franklin Delano Roosevelt izay nilaza fa voadaroky ny baomba i Pearl Harbor. Tafiditra anatin’ ny ady hifanandrinana amin’ i Japana i Etazonia.

Mbola niverina ihany ny toy izany taty aoriana. Dia mbola ny feon’ ny Filoha Roosevelt ihany, fa tamin’ ity fotoana ity dia nilaza ny ady vaky teo amin’ ny firenentsika amin’ i Alemana. Nihanaka naneran-tany ny Ady Lehibe faha-II.

Tampotampoka teo dia lasa nampiahiahy ny hoavinay. Tsy fantatray ny zavatra hoavy. Mbola ho velon’ aina hanambady sy hanana fianakaviana ve izahay?

Ankehitriny dia misy ny fandrenesana “ady sy filazana ady; ary ao anaty korontana ny tany manontolo.”4 Mety hahatsapa haizina sy tsy filaminana eo amin’ ny fiainanareo ianareo, ry tanora. Te-hanoro hevitra sy hampianatra anareo aho ary hampitandrina anareo amin’ ny zavatra sasantsasany tokony ho atao sy ny zavatra sasany tsy tokony ho atao.

Ny drafitry ny filazantsara no “ilay drafitra lehiben’ ny fahasambarana.”5 Ny fianakaviana no ivon’ izany drafitra izany. Miankina amin’ ny fampiasana amim-pahamendrehana ireo hery hamelomana aina izay ao anatin’ ny vatanareo ny fianakaviana.

Ao amin’ ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’ Izao Tontolo Izao,” izay taratasy nentanim-panahy navoakan’ ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo, dia mianatra isika fa tany amin’ ny fiainana talohan’ ny nahaterahana dia “Ny olombelona rehetra—ny lahy sy ny vavy—dia nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra. Ny tsirairay dia fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy malalan’ ny ray aman-dreny any an-danitra, ary araka izany, ny tsirairay dia samy manana toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra. Ny maha-lahy na maha-vavy dia toetra fototra iray [izay efa voapetraka hatrany amin’ ny fiainana talohan’ ny nahaterahana]. …

“… Ambaranay ihany koa fa Andriamanitra dia nandidy fa ny lehilahy sy ny vehivavy nivady ara-dalàna ihany no tokony hampiasa ny fahefana masin’ ny fananahana.”6

Ny sazy lehibe izay nihatra tamin’ i Losifera sy ireo mpanara-dia azy dia ny tsy fahazoany vatana mety maty.

Ny ankamaroan’ ireo fakam-panahy atrehinareo, ary azoko antoka fa ireo sarotra indrindra, dia misy ifandraisany amin’ ny vatanareo. Tsy vitan’ ny hoe manana fahafahana hanome vatana ho an’ ireo taranaka hoavy fotsiny ianareo fa manana fahafahana misafidy ihany koa.

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Manana fahefana amin’ ireo izay tsy manam-batana ireo olombelona rehetra manam-batana.”7 Noho izany dia manana hery handresena ny fahavalony ireo olombelona tsirairay izay manana vatana ara-nofo. Hiharan’ ny fakam-panahy ianareo noho ny toetra ara-boajanaharin’ ny vatanareo kanefa manana ny hery koa ianareo handresena azy sy ireo anjeliny.

Tamin’ ny fotoana nahavitanay ny kilasy famaranana tany amin’ ny ambaratonga farany, dia efa maro tamin’ ireo mpiara-mianatra taminay no lasa tany an’ ady, ary ny sasany tamin’ izy ireo dia tsy niverina intsony. Efa hirotsaka amin’ ny tafika koa izay sisa tavela taminay afaka fotoana fohy. Tsy azonay veroka ny hoavinay. Ho velona ve izahay aorian’ ny ady? Mbola hisy tavela ve ireto zavatra nahazatra anay ireto rehefa hiverina izahay?

Satria efa fantatro fa tsy maintsy ho voantso miaramila ihany aho dia naleoko tonga dia nilatsaka tamin’ ny tafika an’ habakabaka. Tsy ela dia nalefa tany Santa Ana, Californie aho mba hanatrika fiofanana manamory fiaramanidina.

Tamin’ izany aho dia tsy nanana fijoroana ho vavolombelona mafy orina hoe marina ny filazantsara, kanefa fantatro fa ireo mpampianatro tao amin’ ny seminera, Abel S. Rich sy i John P. Lillywhite, dia nahafantatra ny fahamarinan’ izany. Efa nandre azy ireo nijoro ho vavolombelona aho ary nino azy ireo. Hoy aho tamin’ ny tenako hoe: “Hiantehitra amin’ ny fijoroan’ izy ireo ho vavolombelona aho mandra-pahazoako ny an’ ny tenako manokana.” Ary dia toy izany no nataoko.

Efa nandre mikasika ny tsodranon’ ny patriarika koa aho saingy mbola tsy nandray izany. Isaky ny tsatòka tsirairay dia misy patriarika notendrena izay manana ny fanahin’ ny faminaniana sy fanambarana. Nomena lalana izy hanome tsodrano ho an’ ny tena manokana sy tsiambaratelo ho an’ ireo izay nahazo fahazoan-dalana handray izany avy tamin’ ireo evekany. Nanatona ny evekako aho mba haka izany fahazoan-dalana izany.

I J. Roland Sandstrom no patriarika notendrena izay nipetraka tany amin’ ny tsatòkan’ i Santa Ana. Tsy nahafantatra zavatra mikasika ahy izy ary tsy mbola nahita ahy akory, kanefa dia izy no nanome tsodrano ahy. Nahitako valim-panontaniana sy torolalana ao anatin’ izany.

Na dia tsiambaratelo aza ny tsodranon’ ny patriarika dia hozaraiko kely aminareo ny ampahany voalaza ao amin’ ny ahy: “Hotarihana amin’ ny alalan’ ny bitsiky ny Fanahy Masina ianao ary hampahafantarina mialoha ireo loza. Raha toa ka mihaino ireo fampitandremana ireo ianao dia hotahian’ ny Ray any an-danitra ary dia mbola hiverina ho tafaray amin’ ireo olon-tianao indray.”8

Ilay teny hoe raha toa ka, na dia amin’ ny tarehintsoratra kely aza, dia miendrika ho mibaribary be eo amin’ ilay pejy. Ho tafaverina soa aman-tsara avy any amin’ ny ady aho raha toa ka mitandrina ireo didy ary raha toa ka mihaino ny bitsiky ny Fanahy Masina. Na dia natolotra ahy nandritra ny batisa aza izany fanomezana izany dia mbola tsy haiko hoe inona izany Fanahy Masina izany na ahoana no fomba fiasany.

Hitako tao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna kosa anefa ny zavatra nilaiko ho fantatra mahakasika ny bitsika. Namaky aho fa “miteny amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina ny anjely; noho izany dia manambara ny tenin’ i Kristy izy. Izany no nilazako, … mivokisa amin’ ny tenin’ i Kristy; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’ i Kristy.”9

Angamba ny zavatra lehibe indrindra nianarako avy tamin’ ny famakiana ny Bokin’ i Môrmôna dia hoe ho tonga toy ny fahatsapana ny feon’ ny Fanahy fa tsy toy ny feon-javatra. Hianatra ianareo, tahaka ny nianarako, “hihaino” io feo io izay tsapa fa tsy re.

Niteny mafy ireo zokiny i Nefia, nanao hoe: “Efa nahita anjely iray ianareo, ary niteny taminareo izy; eny, efa nandre ny feony ombieny ombieny ianareo; ary niteny taminareo tamin’ ny feo tony sy malefaka izy, saingy efa donto ianareo, hany ka tsy nahatsapa ny teniny.”10

Misy ireo mpitsikera izay milaza fa misy diso amin’ ireo andininy ireo satria ny teny dia re fa tsy tsapa. Kanefa raha mahafantatra na dia kely fotsiny ny mahakasika ny fifandraisana ara-panahy ianareo dia ho fantatrareo fa ny teny mety indrindra hamaritana ny zava-mitranga dia ny teny hoe fahatsapana.

Ny fanomezana ny Fanahy Masina, raha toa ka mamela izany ianareo, dia hitarika sy hiaro ary hanitsy mihitsy ny fihetsikareo. Feo ara-panahy izay tonga ao an-tsaina izany toy ny eritreritra na fahatsapana tsapa ao am-po. Nilaza ny mpaminany Enôsa hoe: “Tonga tao an-tsaiko ny feon’ ny Tompo.”11 Ary dia nilaza tamin’ i Oliver Cowdery ny Tompo hoe: “Eny indro, hiteny anao ao an-tsainao sy ao am-ponao Aho, amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina izay ho tonga ao aminao.”12

Marina fa tsy maintsy hanao fahadisoana ianareo eo amin’ ny fiainana, kanefa tsy hahavita hadisoana goavana ianareo raha tsy efa nampitandreman’ ilay bitsiky ny Fanahy Masina mialoha. Izany fampanantenana izany dia mihatra amin’ ireo mpikamban’ ny Fiangonana rehetra.

Hanao fahadisoana goavana tokoa ny sasantsasany, handika ny lalàn’ ny filazantsara. Izao no fotoana ampahatsiahivana anareo mikasika ny Sorompanavotana sy ny fibebahana ary ny famelan-keloka tanteraka mba hahafahanareo ho madio indray. Niteny ny Tompo hoe: “Indro, izay efa nibebaka tamin’ ny fahotany dia izy no voavela, ary Izaho Tompo dia tsy mahatsiaro izany intsony.”13

Raha toa ka mambabo anareo ny fahavalo noho ny ota dia mampahatsiahy anareo aho fa ianareo no mihazona ny fanalahidy izay azo hamohana ny varavaran’ ny tranomaizina avy any anatiny. Afaka ny ho voadio amin’ ny alalan’ ny sorompanavotan’ i Jesoa Kristy Mpamonjy ianareo.

Mety hisy fotoana hieritreretanareo hoe tsy mendrika ny ho vonjena satria nahavita heloka, be na kely, ary mieritrerira ianareo ankehitriny fa efa very. Tsy marina velively izany! Ny fibebahana ihany no afaka manasitrana izay voaratra. Kanefa ny fibebahana dia afaka manasitrana ireo voaratra, na inona na inona ilay ratra.

Raha toa ianareo ka tafalatsaka amin’ ny zavatra tsy tokony ho ataonareo, na miaraka amin’ ny olona izay mitarika anareo amin’ ny lalana mampivarina an-kady, dia izao no fotoana ampiasana ny fahaleovan-tenanareo, ny fahafahanareo misafidy. Henoy ny feon’ ny Fanahy dia tsy hivarina amin’ ny lalan-diso ianareo.

Averiko indray fa miaina ao amin’ ny tanin’ ny fahavalo ireo tanora ankehitriny miaraka amin’ ireo fitsipika ara-pitondran-tena izay mivaralila fatratra. Kanefa amin’ ny maha-mpanompon’ ny Tompo ahy dia mampanantena aho fa ho voaro sy hanana fitaovam-piarovana amin’ ireo fanafihana ataon’ ny fahavalo ianareo raha toa ka mihaino ny bitsika izay avy amin’ ny Fanahy Masina.

Mitafià akanjo maotina, miresaha amim-panajana, mihainoa hira tsara. Halaviro ny fahavetavetana sy ireo fomba fanao mampirefarefa manokana ny tena. Raiso an-tanana ny fiainanareo ary miezaha ho mahatoky. Satria miantehitra tokoa aminareo izahay dia hotahiana tokoa ianareo. Tsy lavitra ny fitsinjovan’ ny Ray any an-danitra be fitiavana ianareo.

Niova ny tanjaky ny fijoroako ho vavolombelona nanomboka tamin’ ny fotoana nahatsapako ho mila miantehitra tamin’ ny fijoroana ho vavolombelon’ ireo mpampianatro tao amin’ ny seminera. Ankehitriny aho dia miantehitra amin’ ny olon-kafa rehefa mandeha noho ny fahanterana sy ny takaitran’ ny lefankozatra azoko fony fahakely fa tsy noho ny tsy fahampian’ ny finoana raha ny mahakasika ny zavatra ara-panahy. Lasa mino, sy mahatakatra ary mahafantatra ireo fahamarinan’ ny filazantsara sy ny Mpamonjy Jesoa Kristy aho.

Amin’ ny maha-iray amin’ ireo Vavolombelony manokana ahy no ijoroako ho vavolombelona fa ny fiafaran’ ity ady izay niantomboka hatrany amin’ ny fiainana talohan’ ny nahaterahana ity dia efa fantatra. Ho resy i Losifera.

Niresaka mikasika ireo goaika isika teo aloha teo. Ianareo ry goaika tanora, dia tsy mila manidintsidina tsy misy tanjona etsy sy eroa, tsy manana antoka ny amin’ izay lalana amin’ ny hoavy. Misy ireo mahafantatra ny lalana. “Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ ny mpaminany mpanompony.”14 Nanorina ny Fiangonany araky ny fitsipiky ny fanalahidy sy ny filan-kevitra ny Tompo.

Misy lehilahy 15 notohanana ho mpaminany, mpahita ary mpanambara eo amin’ ny lohan’ ny Fiangonana. Ny tsirairay amin’ ireo Fiadidiana Voalohany sy Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo dia mihazona ireo fanalahidy rehetra an’ ny fisoronana izay ilaina amin’ ny fitarihana ny Fiangonana. Ny Apôstôly ela indrindra no Mpaminany dia ny Filoha Thomas S. Monson, izay hany nahazo lalana hampiasa ireo fanalahidy rehetra ireo.

Takian’ ny soratra masina ny hiarahan’ ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo miasa ao anaty filan-kevitra ary ny fanapahan-kevitra raisin’ ireo filan-kevitra ireo dia tsy maintsy niarahana niombon-kevitra. Ary dia izany no atao. Matoky ny Tompo izahay hitarika ny lalana ary izahay dia tsy mikatsaka afa-tsy ny hanao ny Sitrapony. Fantatray fa nametraka andraikitra lehibe aminay Izy, na izahay tsirairay na ny fitambaranay.

Tsy maintsy mianatra ianareo ny “[hatoky] an’ i Jehovah amin’ ny fo[nareo] rehetra [ary tsy] miankina amin’ ny fahalala[nareo].”15 Tokony ho olona mahatoky ianareo ary hodidinin’ ny namana izay maniry ny ho toy izany koa.

Indraindray ianareo mety ho azon’ ny fakam-panahy hieritreritra tahaka ny nataoko nandritra ny fahatanorako, hoe: “Ho tonga ihany ny faran’ izao tontolo izao raha izao fandehan-javatra izao. Ho tonga alohan’ ny hahavitako ny zavatra tokony ho atao izany faran’ izao tontolo izao izany.” Diso be izany! Afaka miandrandra ny hanao ny zavatra tokony hatao amin’ny fomba tsara ianareo—manambady, manana fianakaviana, mahita ireo zanaka sy zafikely ary mety ho hatramin’ ny zafiafy aza.

Raha manaraka ireo fitsipika ireo ianareo dia hotsinjovina sy ho voaro ary hahafantatra ny bitsiky ny Fanahy Masina mivantana ianareo hahafantarana ny lalana hizorana, satria “amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina no hahafantaranareo ny fahamarinan’ ny zava-drehetra.”16 Mampanantena aho fa ho tanteraka izany ary mangataka fitahiana mba hirotsaka aminareo aho ry tanora sarobidinay, amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.