2010–2019
Fanekempihavanana
Oktobra 2011


Fanekempihavanana

Rehefa takatsika fa isika dia zanaky ny fanekempihavanana, dia fantatsika hoe iza isika ary inona no andrasan’ Andriamanitra amintsika.

Herinandro taorian’ ny nanirahana ahy vao tsy ela izay hanangana ny tsatòka voalohany tany Moscou, Rosia,1 dia nanatrika fihaonamben’ ny distrika iray aho tao St. Pétersbourg. Raha niresaka momba ny fankasitrahako aho noho ireo mpitory filazantsara voalohany sy ireo mpitarika eo an-toerana izay nanome hery ny Fiangonana tany Rosia, dia nanonona ny anaran’ i Vyacheslav Efimov. Izy no Rosiana niova fo voalohany ka lasa filohan’ ny misiôna. Tena nahavita be izy mivady tamin’ izany asa nampandraiketina azy ireo izany. Tsy ela akory taorian’ ny nahavitany ny asa fitoriana, dia nampalahelo be anay fa maty tampoka ny Filoha Efimov.2 Vao 52 taona monja izy tamin’ izany.

Teo am-piresahana momba ireo mpivady mpisava lalana ireo dia notaomin’ ny Fanahy aho hanontany ny mpanatrika sao dia manatrika eo Rahavavy Efimov. Nisy vehivavy iray nitsangana tery aoriana lavitra tery. Nasaiko nandroso teny amin’ ny polpitra mba handray fitenenana izy. Eny, tena Rahavavy Galina Efimov tokoa izy. Niteny tamim-paharesen-dahatra izy ary nizara fijoroana ho vavolombelona mahery vaika momba ny Tompo, sy ny Filazantsarany ary ny Fiangonany naverina tamin’ ny laoniny. Efa nofehezina tany amin’ ny tempoly masina izy mivady. Hoy izy hoe efa tafaray mandrakizay izy roa. Mbola mpinamana mpiara-mitory izy ireo hatramin’ izao, izy avy aty amin’ ny ilany aty amin’ ny voaly, ary ny vadiny kosa avy any ambadiky ny voaly.3 Tao anatin’ ny ranomasom-pifaliana no nisaorany an’ Andriamanitra noho ireo fanekampihavanana masin’ ny tempoly. Nitomany koa aho, sady nahatakatra tanteraka fa ny firaisan-kina maharitra mandrakizay nasehon’ ireto mpivady mahatoky ireto dia vokatra marin’ ny fanaovana sy fitandremana ary fanajana fanekempihavanana masina.

Iray amin’ ireo fitsipika manan-danja indrindra mampiavaka ny fivavahana marina dia ny fitsipiky ny fanekempihavanana masina. Raha amin’ ny fiteny fampiasa amin’ ny lalàna, ny hoe fanekempihavanana na fifanekena dia fifanarahana eo amin’ ny ankolafy roa na maromaro. Fa raha resaka fivavahana kosa, ny hoe fanekempihavanana dia misy hevitra lalina kokoa noho izany. Izany dia voady masina ifanaovana amin’ Andriamanitra. Izy no mametraka ny fepetra. Ary ny olona tsirairay dia afaka misafidy ny hanaiky ireo fepetra ireo. Raha manaiky ireo fepetra mifehy ilay fanekempihavanana ny olona iray, ka mankatò ny lalàn’ Andriamanitra dia mandray ireo fitahiana izay mifandray amin’ ilay fanekempihavanana. Fantatsika fa “rehefa mahazo fitahiana avy amin’ Andriamanitra isika, izany dia noho ny fankatoavana ny lalàna izay ifotorany.”4

Nandritra ny tantaran’ ny zanak’ olombelona dia nanao fanekempihavanana tamin’ ireo zanany Andriamanitra.5 Ireo fanekempihavanany dia hita soritra ao anatin’ ny drafitry ny famonjena manontolo ary dia tafiditra noho izany ao anatin’ ny fahafenoan’ ny Filazantsarany.6 Ohatra, nampanantena Andriamanitra fa haniraka Mpamonjy iray ho an’ ireo Zanany,7 ary etsy ankilany kosa Izy mangataka amin’ izy ireo ny hankatoavany ny Lalàny.8

Ao amin’ ny Baiboly isika dia mamaky mikasika ireo lehilahy sy vehivavy tany amin’ ny Tontolo Fahiny, izay nantsoina hoe zanaky ny fanehempihavanana. Fanekempihavanana inona moa? “Ny fanekena nataon’ Andriamanitra tamin’ ny [razan’ izy ireo], raha hoy Izy tamin’ i Abrahama: Ary amin’ ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.”9

Ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna isika dia mamaky mikasika ireo vahoaka tao amin’ ny Tontolo Vaovao izay nantsoina koa hoe zanaky ny fanekempihavanana.10 Izao no nampahafantarin’ ny Tompo efa nitsangana tamin’ ny maty azy ireo: “Ary indro, zanaky ny mpaminany ianareo; ary avy amin’ ny mpianakavin’ i Isiraely; ary avy amin’ ny fanekempihavanana izay efa nataon’ ny Ray tamin’ ny razanareo, tamin’ ny filazana tamin’ i Abrahama hoe: Ary amin’ ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra amin’ ny tany.”11

Nazavain’ ny Mpamonjy ny maha zava-dehibe ny hahafantaran’ izy ireo hoe zanaky ny fanekempihavanana izy ireo. Hoy Izy hoe “Ny Ray, rehefa avy nanangana Ahy ho anareo aloha, sy naniraka Ahy hitahy anareo amin’ ny fampihodinana ny tsirairay avy aminareo hiala amin’ ny helony; ary izany dia noho ianareo zanaky ny fanekampihavanana.”12

Ilay fanekempihavanana izay nataon’ Andriamanitra tamin’ i Abrahama13 ary nohamafisina taty aoriana tamin’ i Isaka14 sy Jakôba15 dia tena faran’ izay manan-danja. Hita tao amin’ izany ny fampanantenana maromaro, an’ isan’ izany ny hoe:

  • I Jesoa ilay Kristy dia ho teraka avy amin’ ny taranak’ i Abrahama.

  • Ny taranak’ i Abrahama dia ho maro, ary atokana hitombo isa mandrakizay ary atokana ihany koa hihazona ny fisoronana.

  • I Abrahama dia ho tonga rain’ ny firenena maro.

  • Hisy tany sasany ho lovain’ ny taranany.

  • Ny firenena rehetra maneran-tany dia hotahiana amin’ ny alalan’ ny taranany.16

  • Ary io fanekempihavanana io dia haharitra mandrakizay—eny hatramin’ ny “taranaka arivo mandimby.”17

Ny sasany amin’ ireo fampanantenana ireo dia efa tanteraka; ny sasany dia mbola andrasana ny fahatanterahany. Faminaniana iray voalohandohany ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna no tanisaiko: “Koa [Lehia] raintsika dia tsy niresaka ny amin’ ny taranatsika fotsiny fa ny amin’ ny mpianakavin’ i Isiraely rehetra koa, nanondro ny fanekempihavanana izay hotanterahina amin’ ny andro farany; dia ilay fanekempihavanana izay nataon’ ny Tompo tamin’ i Abrahama raintsika.”18 Koa tsy mahatalanjona ve izany? Tany amin’ ny 600 taona tany ho any talohan’ ny nahaterahan’ i Jesoa tao Betlehema, dia fantatr’ ireo mpaminany fa ny fanekempihavanan’ i Abrahama dia tsy ho tanteraka raha tsy amin’ ny andro farany.

Mba hanatanterahana izany fampanantenana izany dia niseho tamin’ izao andro farany izao ny Tompo mba hanavao io fanekempihavanan’ i Abrahama io. Hoy ny Tompo tamin’ i Joseph Smith Mpaminany hoe:

“Abrahama dia nandray fampanantenana momba ny taranany sy ny amin’ ny nateraky ny kibony—avy ao an-kibony no niavianao, … ry Joseph mpanompoko. …

“Izany fampanantenana izany koa dia anareo, satria taranak’ i Abrahama ianareo.”19

Tamin’ izany fanavaozana izany no nandraisantsika, tsy misy hafa tamin’ ireo fahiny, ny fisoronana masina sy ny filazantsara mandrakizay. Manana ny zo isika handray ny fahafenoan’ ny filazantsara, sy hahazo ireo fitahiana avy amin’ ny fisoronana, ary ho mendrika ny fitahiana lehibe indrindra avy amin’ Andriamanitra—dia ny fiainana mandrakizay.20

Ny sasany amintsika dia taranak’ i Abrahama ara-bakiteny; ny hafa kosa dia voangona ao amin’ ny fianakaviany amin’ ny alalan’ ny fananganana. Tsy manavakavaka ny Tompo na taranaka ara-bakiteny ianao na natsangana.21 Samy mandray ireo fitahiana nampanantenaina ireo isika—raha mikatsaka ny Tompo ary mitandrina ny Didiny.22 Fa raha tsy mitandrina kosa, dia very ireo fitahian’ ny fanekempihavanana.23 Mba hanampiana antsika dia manome tsodranon’ ny patriarika ny Fiangonany mba hanomezana ny mpandray tsirairay fahitana iray mikasika ny hoaviny, miaraka amin’ ny fifandraisany amin’ ny lasa, dia fanambarana ny rohim-pirazanana hatrany amin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakôba.24

Ireo rahalahy ao amin’ ny fanekampihavanana dia manana ny zo ho mendrika ny fianianana sy fanekempihavanan’ ny fisoronana.25 Raha toa ianao ka “mahatoky ka mahazo ireo fisoronana roa … ireo sy milofo amin’ ny antso ananan[ao], dia hamasinin’ ny Fanahy [ianao] ho fanavaozana ny vatan[ao].”26 Tsy izany ihany. Ireo lehilahy izay mandray ny fisoronana amim-pahamendrehana dia mandray an’ i Jesoa Kristy Tompo, ary ireo izay mandray ny Tompo dia mandray an’ Andriamanitra Ray.27 Ary ireo izay mandray ny Ray dia mandray izay rehetra ananan’ ny Ray.28 Fitahiana maro mahatalanjona no mirotsaka avy amin’ io fianianana sy fanekempihavanana io ho an’ ireo lehilahy sy vehivavy ary zanaka mendrika manerana an’ izao tontolo izao.

Andraikitsika ny manao izay ahatanteraka ny fanekempihavanan’ i Abrahama. Ny taranatsika no ireo taranaka voatendry mialoha sy nomanina mba hitahy ny olona rehetra maneran-tany.29 Izany no mahatonga ny asa fitoriana ho tafiditra ao anatin’ ny adidin’ ny fisoronana. Rehefa vita ny 4.000 taona nitsinjovana sy nanomanana, dia izao ilay fotoana voatondro hitondrana ny filazantsara amin’ ny olona rehetra maneran-tany. Izao no fotoanan’ ilay fanangonana an’ i Isiraely efa nampanantenaina. Ary dia mila mandray anjara isika! Tsy mampientanentana ve izany? Ny Tompo dia miantehitra amintsika sy amin’ ireo zanakalahintsika—ary tena velom-pankasitrahana lalina Izy amin’ ireo zanakavavintsika—izay manompo amim-pahamendrehana manao asa fitoriana amin’ izao fotoana lehibe fanangonana an’ i Isiraely izao.

Ny Bokin’ i Môrmôna dia porofo mivaingana fa ny Tompo dia efa nanomboka nanangona an’ i Isiraely Zanany ao amin’ ny fanekempihavanana.30 Io boky io, izay nosoratana ho an’ izao andron tsika izao dia manambara araka ny iray amin’ ireo tanjony hoe “ho azonareo fantarina fa ny fanekempihavanana izay efa nataon’ ny Ray tamin’ ny zanak’ i Isiraely … dia efa manomboka ho tanteraka sahady. … Satria indro, ny Tompo dia hahatsiaro ny fanekempihavanany izay efa nataony tamin’ ny olony tamin’ ny mpianakavin’ i Isiraely.”31

Tena tsy nanadino tokoa ny Tompo! Nomeny ny Bokin’ i Môrmôna isika sy ireo hafa manerana an’ izao tontolo izao. Iray amin’ ny tanjon’ io boky io ny “mba handresen-dahatra ny Jiosy sy ny Jentilisa fa i Jesoa no Kristy.”32 Manampy antsika izy io hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra. Manasa antsika izy io hahatsiaro Azy sy hahafantatra ny Zanakalahiny Malala. Testamenta iray hafa momba an’ i Jesoa Kristy izy io.

Ireo zanaky ny fanekempihavanana dia manan-jo handray ny Fotopampianarany sy hahafantatra ny drafitry ny famonjena. Mahazo izany zo izany izy ireo amin’ ny alalan’ ny fanaovana fanekempihavanana izay manana lanja masina. Nilaza i Brigham Young hoe: “Ireo Olomasin’ ny Andro Farany rehetra dia miditra amin’ ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay rehefa miditra amin’ ity Fiangonana ity. … Miditra ao amin’ ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay izy ireo mba hanohanana ny Fanjakan’ Andriamanitra.”33 Ny fomba hitandreman’ izy ireo ilay fanekempihavanana dia amin’ ny alalan’ ny fankatoavana ireo didiny.

Eo amin’ ny batisa dia manao fanekempihavanana isika ny hanompo ny Tompo sy hitandrina ny didiny.34 Rehefa mandray ny fanasan’ ny Tompo isika dia manavao izany fanekempihavanana izany ary manambara ny finiavantsika hitondra ny anaran’ i Jesoa Kristy eo amintsika. Amin’ izany fomba izany no hahafahantsika hatsangana ho Zanakalahiny sy Zanakavaviny ary antsoina hoe mpirahalahy sy mpirahavavy. Izy no rain’ ny fiainantsika vaovao.35 Amin’ ny farany, ao amin’ ny tempoly masina isika dia afaka ho tonga mpiray lova handova ny fitahiana hahazo fianakaviana mandrakizay, tsy misy hafa amin’ izay nampanantenaina tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakôba sy ireo taranany.36 Noho izany, ny fanambadiana selestialy no fanekempihavanan’ ny fisandratana.

Rehefa takatsika fa isika dia zanaky ny fanekempihavanana, dia fantatsika hoe iza isika ary inona no andrasan’ Andriamanitra amintsika.37 Voasoratra ao am-pontsika ny Lalàny.38 Izy no Andriamanitsika ary Vahoakany isika.39 Ireo zanaky ny fanekempihavanana manolo-tena dia mitoetra ho mahatoky, na dia ao anatin’ ny fotoan-tsarotra aza. Rehefa miorim-paka lalina ao am-pontsika izany fotopampianarana izany, dia na ny fanindronan’ ny fahafatesana aza dia mihamalefaka ary mihamatanjaka ny herintsika ara-panahy.

Ny fankasitrahana lehibe indrindra izay mety ho azo eto amin’ ity fiainana ity dia ny ho fantatra hoe mpitandrina fanekempihavanana. Ny valisoan’ ny mpitandrina fanekempihavanana dia ho raisina amin’ ity fiainana ity sy any ankoatra. Manambara ny soratra masina hoe: “[tokony hosaintsaini]nareo ny toetry ny fitahiana sy fahasambaran’ ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra. Fa indro izy ireo dia tahiana amin’ ny zava-drehetra, … ary raha mitoetra ho mahatoky hatramin’ ny farany izy ireo dia raisina any an-danitra … [ary] miara-monina amin’ Andriamanitra ao amin’ ny toetry ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana.”40

Velona Andriamanitra. I Jesoa no Kristy. Naverina tamin’ ny laoniny ny Fiangonany mba hitahiana ny olona rehetra. Ny filoha Thomas S. Monson no Mpaminaniny ankehitriny. Ary isika, amin’ ny maha-zanaka mahatoky antsika ao amin’ ny fanekempihavanana, dia hotahiana, ankehitriny sy mandrakizay. Izany no hijoroako ho vavolombelona amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.