2010–2019
Manao ny Zavatra Tsara amin’ ny Fotoana Mahamety izany, tsy misy Hatak’ andro
Oktobra 2011


Manao ny Zavatra Tsara amin’ ny Fotoana Mahamety izany, tsy misy Hatak’ andro

Ny Mpamonjy … dia naneho ohatra goavana tamintsika mikasika ny tsy fanaovana andraso andraso amin’ ny fanolorana fanampiana ho an’ ireo izay tsy mahafantatra intsony izany hoe fahasambarana sy fifaliana izany.

Amin’ izao androntsika izao dia maro ny olona no miaina ao anatin’ ny alahelo sy fisafotofotoana lehibe. Tsy mahita izay valin’ ny fanontaniany izy ireo ary tsy mahavita manome fahafahampo ny zavatra izay ilain’ izy ireo. Ny sasany dia tsy mahafantatra intsony izany hoe hasambarana sy hafaliana izany. Ny mpaminany dia efa nanambara fa ny tena hasambarana marina dia hita amin’ ny fanarahana ny ohatra sy ny fampianaran’ i Kristy. Izy no Mpamonjy antsika, Izy no Mpampianatra antsika, Izy ilay Ohatra tsy misy tomika.

Ny fiainany dia fiainam-panompoana. Rehefa manompo ny namantsika isika dia manampy ireo izay mila fanampiana. Eo am-panaovana izany dia afaka mahita vahaolana isika amin’ ireo fahasahiranana mianjady amin’ ny tenantsika manokana. Rehefa manaraka ny ohatry ny Mpamonjy isika dia maneho ny fitiavantsika ny Ray any an-danitra sy ny Zanany Jesoa Kristy, ary dia ho tonga tahaka Azy Ireo bebe kokoa.

I Benjamina Mpanjaka dia niresaka momba ny lanjan’ ny fanompoana raha nilaza fa rehefa eo amin’ ny “fanompoana ny mpiara-belona amin[tsika] isika, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitra.”1 Ny olona rehetra dia manana fahafahana hanao asa fanompoana sy haneho fitiavana.

Ny Filoha Thomas S. Monson dia nangataka antsika mba handeha “hamonjy” sy hanompo ny hafa. Hoy izy: “Ho hitantsika fa ireo izay tompointsika, izay nahatsapa tamin’ ny alalan’ ny asa nataontsika ny fikasihan’ ny tanan’ ny Tompo azy ireo, dia toa tsy afaka hanazava ny fiovana nitranga teo amin’ ny fiainan’ izy ireo izany. Misy faniriana hanompo am-pahatokiana, sy handeha am-panetren-tena, ary hiaina ho tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa eo amin’ izy ireo. Rehefa nahazo ilay fahiratana ara-panahy sy nahita sombiny tamin’ ireo fampanantenana mandrakizay izy ireo, dia niteny tahaka ny nolazain’ ilay lehilahy jamba nampahiratan’ i Jesoa, izay nilaza hoe: ‘Ny hany zavatra fantatro, fa jamba aho teo aloha, mahiratra aho ankehitriny.’”2

Isan’ andro isika dia manana fahafahana hanampy sy hanao asa fanompoana—manao zavatra tsara, amin’ ny fotoana mahamety izany, tsy misy hatak’ andro. Eritrereto ireo olona marobe izay mandalo fotoan-tsarotra amin’ ny fitadiavana asa na marary, na manirery, na izay mieritreritra mihitsy aza fa very avokoa izay rehetra nananan’ izy ireo. Inona no azonao atao mba hanampiana azy ireo? Alaivo sary an-tsaina hoe tratran’ ny orana niaraka tamin’ ny fiarany maty ny mpifanolobodirindrina iray, ka niantso anao mba hanampy azy izy. Inona no zavatra tsara hatao ho azy? Rahoviana no fotoana tsara hanatanterahana izany?

Tsaroako ny fotoana nandehananay mianakavy tany an-tampo-tanànan’ i Mexico hividy akanjo ho an’ ny zanakay roa. Mbola tena kely izy ireo tamin’ izany. Ny lahimatoanay dia vao roa taona monja, ary ny faralahy dia vao herintaona. Tomefy olona ny lalana. Raha teo am-piantsenana iny izahay, nitantana ireo zanakay, dia nijanona kely nijery zavatra, kinanjo tsy tsikaritray akory fa tsy hita ilay zanakay lahimatoa! Tsy fantatray hoe ahoana fa tsy niaraka taminay intsony izy. Tsy nisy hatak’ andro fa avy hatrany izahay dia nihazakazaka nitady azy. Nitady sy niantsoantso azy izahay, nitebiteby fatratra, nieritreritra fa mety tsy ho hitanay intsony mandrakizay izy. Tao an-tsainay izahay dia nitalaho tamin’ ny Ray any an-danitra mba hanampy anay hahita azy.

Fotoana fohy taorian’ izay dia hitanay izy. Io izy io, nijery tsy nisy ahiahy ireo kilalao teo amin’ ny fitaratry ny fivarotana iray. Nofihininay mivady izy ary norohanay, ary nanolo-tena izahay fa hiambina mafy ny zanakay mba tsy hisy velively na iray aza ho very. Nianatra izahay tamin’ izay fa tsy nila nanomana fivoriana hanaovana drafitra izahay mba hamonjena ny zanakay. Avy hatrany izahay dia niasa, ka nandeha nitady ilay iray izay very. Nianatra koa izahay fa ilay zanakay lahy dia tsy nahafantatra velively fa very izy.

Ry rahalahy sy anabavy, mety misy olona maro, izay noho ny antony samihafa, dia tsy hitantsika intsony, ary tsy mahafantatra akory hoe very izy ireo. Raha mangataka andro isika dia mety tsy hahita azy ireo intsony mandrakizay.

Ho an’ ny ankamaroan’ ireo izay mila ny fanampiantsika, dia tsy ilaina ny mamorona fandaharan’ asa vaovao na mamolavola asa izay sarotra tanterahina na mandany volabe. Ny hany ilain’ izy ireo dia ny fahavononantsika hanompo—hanao zavatra tsara amin’ ny fotoana mahamety izany, tsy misy hatak’ andro.

Tamin’ ny Mpamonjy niseho tamin’ ireo olona tao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna, dia naneho ohatra goavana tamintsika Izy mikasika ny tsy fanaovana andraso andraso amin’ ny fanolorana fanampiana ho an’ ireo izay izay tsy mahafantatra intsony izany hoe fahasambarana sy fifaliana izany. Rehefa avy nampianatra ny olona Izy, dia tsikariny fa tsy takatr’ izy ireo ny teniny. Nasainy nody tany an-tokantranony avy izy ireo mba hisaintsaina ny zavatra izay nolazainy azy ireo. Nasainy nivavaka tamin’ ny Ray izy ireo ary niomana ny ho tonga indray ny ampitson’ izany, rehefa hiverina hampianatra azy ireo indray Izy.3

Rehefa namarana Izy dia nitazana ny valalabemandry ary nahita azy ireo nitomany satria naniry Azy hijanona eo anivony izy ireo:

“Ary hoy Izy taminy: Indro, ny kiboko dia feno fangorahana aminareo.

“Moa va ianareo manana ireo izay marary eo anivonareo? Ento aty ireo. Moa va ianareo manana ireo izay malemy, na jamba, na mandringa, na kilemaina, na boka, na izay maina, na izay marenina, na izay ory na manao ahoana na manao ahoana izany? Ento aty izy dia hositraniko, fa manana fangorahana anareo Aho; ny kiboko dia feno famindram-po.”4

Ary dia nentin’ izy ireo teo Aminy ny mararin’ izy ireo, ary dia nositraniny izany. Niankohoka teo an-tongony ny valalabemandry sy nitsaoka Azy ary nanoroka ny tongony, “hany ka izy ireo dia nampandro ny tongony tamin’ ny ranomasony.” Ary nodidiany izy ireo hitondra ny ankizy madinika, ary dia nitso-drano azy ireo tsirairay Izy.5 Izany no ohatra nomen’ ny Mpamonjy antsika. Ho an’ ny olon-drehetra ny fitiavany, kanefa dia tsy nanadino velively ilay iray Izy.

Fantatro fa ny Ray any an-danitra dia be fitiavana, manana fahatakarana sy faharetana. Ny Zanany, Jesoa Kristy, ihany koa dia tia antsika. Manampy antsika Izy Ireo amin’ ny alalan’ ny mpaminaniny. Nianatra aho fa misy fiarovana goavana amin’ ny fanarahana ny mpaminany. “Ny famonjena” dia mitohy hatrany. Ny Filoha Monson dia niteny hoe: “Ny Tompo dia miandrandra antsika hisaina. Miandrandra antsika hiasa. Miandrandra antsika hiezaka. Miandrandra antsika hijoro ho vavolombelona. Miandrandra ny fandavan-tenantsika.”6

Manana andraikitra sy fahafahana manao zavatra goavana isika. Maro ireo olona izay mila migoka indray ny hamamin’ ny hasambarana sy ny hafaliana amin’ ny alalan’ ny fiaraha-mientana ao am-piangonana. Izany hasambarana izany dia tonga amin’ ny alalan’ ny fandraisana ôrdônansy, ny fanaovana fanekempihavanana masina, ary ny fanajana azy ireny. Ny Tompo dia mila antsika hanampy azy ireo. Ndeha isika hanao zavatra tsara, amin’ ny fotoana mahamety izany ary tsy misy hatak’ andro.

Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Andriamanitra ary izy no Raintsika. Velona i Jesoa Kristy ary nanolotra ny ainy Izy mba hahafahantsika miverina eo anatrehan’ ny Ray any an-danitra. Fantatro fa Izy no Mpamonjy antsika. Fantatro fa ny hatsaram-panahy tsy manam-petra ananan’ Izy ireo dia miseho tsy tapaka. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Filoha Thomas S. Monson dia mpaminanin’ Izy ireo ary ity no hany Fiangonana marina eto ambonin’ ny tany. Fantatro fa ny Mpaminany Joseph Smith no mpaminanin’ ny Famerenana amin’ ny laoniny. Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Bokin’ i Môrmôna dia tenin’ Andriamanitra. Mitondra fitarihana sy ohatra mba harahintsika izany mba hahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra sy ilay Zanaka Malalany. Ambarako izany amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy Tompo, amena.