2010–2019
Tiavo ny Reniny
Oktobra 2011


Tiavo ny Reniny

Ahoana no ahafahan’ ny ray anankiray mitaiza zanakavavy iray faly sy hendry ao anatin’ ilay izao tontolo izao ankehitriny izay miha feno zavatra mampidi-doza? Nampianaran’ ireo mpaminanin’ ny Tompo ny valin’ izany.

Tsy misy teny afaka mamaritra ilay fotoana masina vao sambany hihazonan’ ny raim-pianakaviana vaovao iray eny an-tsandriny ilay zanany vavy kely. Tamin’ ity taona ity dia telo tamin’ ireo zanakay lahy no lasa raim-pianakaviana vaovao rehefa samy nahazo zazavavy kely. Rehefa nandinika an’ i Jon zanakay lahy aho, izay mpanao rugby mafy toto sy matanjaka, nihazona teny an-tsandriny ilay zanany vavy kely voalohany, ary nijery ilay zaza tamim-pitiavana feno fanajana izy ary avy eo dia nijery ahy tamin’ ilay endriny toa niteny hoe—“Ahoana no fomba hitaizako zazavavy?”

Anio maraina aho dia te-hiresaka amin’ ireo zanakay sy ny raim-pianakaviana rehetra. Ahoana no ahafahan’ ny ray anankiray mitaiza zanakavavy iray faly sy hendry ao anatin’ ilay izao tontolo izao ankehitriny izay miha feno zavatra mampidi-doza? Nampianaran’ ireo mpaminanin’ ny Tompo ny valin’ izany. Valiny tsotra izany ary marina—“Ny zavatra manan-danja indrindra azon’ny raim-pianakaviana atao ho an’ny [zanakavaviny] dia ny mitia ny reni[n-janany].”1 Amin’ny alalan’ny fomba hitiavanao ny reniny, no hampianaranao ny zanakao vavy momba ny fitiavana, ny fahitsim-po aman-tsaina, ny fanajana, ny fangorahana ary ny fanoloran-tena. Hianatra avy amin’ ny ohatra asehonao mikasika izay zavatra tokony ho antenaina amin’ ireo zatovolahy izy ary ireo toetra izay tokony ho tadiavina ao amin’ izay ho vadiny rahatrizay. Azonao aseho ny zanakao vavy amin’ ny alalan’ ny fomba itiavanao sy hanajanao ny vadinao fa izy dia tokony hanantena ny hanambady olona izay hitia sy hanaja azy. Ny ohatra asehonao dia hampianatra ny zanakao vavy hanome lanja ny maha vehivavy. Mampiseho azy ianao fa izy dia zanakavavin’ ny Raintsika any an-danitra izay tia azy.

Tiavo mafy tokoa ny reniny mba hahatonga ny fanambadianareo ho selestialy. Ny fanambadiana any amin’ ny tempoly mandritra izao fotoana izao sy ho mandrakizay dia mendrika ny hanaovanao ezaka lehibe indrindra sy hataonao ho laharam-pahamehana ambony indrindra. Efa taorian’ny nahavitan’i Nefia ny fanorenana ny tempoly tany an-tany foana vao nilaza izy hoe: “Ary … niaina tao amin’ny toetry ny fahasambarana izahay.” 2 Ilay hoe “toetry ny fahasambarana” dia hita any amin’ny tempoly. Fitandremana ny fanekempihavanana izany. Aza avela hisy zavatra hafa eo amin’ ny fiainanao na ao an-tokantranonao izay hahatonga anao hanimba ny fanekempihavanana nataonao sy ny fanoloran-tenanao tamin’ ny vadinao sy ny fianakavianao.

Ao amin’ ny Zatovovavy dia manampy ny zanakao vavy izahay mba hahatakarany ny maha izy azy amin’ ny maha zanakavavin’ Andriamanitra azy sy ny maha-zava-dehibe ny fijanonana ho masina sy mendrika ny handray ireo fitahiana entin’ ny tempoly sy ny fanambadiana any amin’ ny tempoly. Izahay dia mampianatra ny zanakao vavy ny maha-zava-dehibe ny fitandremana ireo fanekempihavanana masina. Mampianatra azy ireo izahay mba hanolo tena dieny izao mba hiaina amin’ ny fomba izay hahafahany ho mendrika foana ny hiditra any amin’ ny tempoly ary tsy hamela na inona na inona hanemotra na hanelingelina na hanao izay tsy hahamendrika azy amin’ izany tanjony izany. Ny ohatra asehonao amin’ ny maha-rainy anao dia hisy fiantraikany bebe kokoa noho izay zavatra manan-danja lazainay. Miahiahy ny momba ireo rainy ny zatovovavy. Maro izy ireo no maneho fa ny faniriany lehibe indrindra dia ny ho tafaraka mandrakizay ao anatin’ ny fianakaviana. Tiany ianareo mba ho eo rehefa mandeha any amin’ ny tempoly izy ireo na manambady any amin’ ny tempoly. Manakaikeza ny zanakao vavy ary ampio izy hiomana sy hitoetra ho mendrika ny hiditra any amin’ ny tempoly. Rehefa feno 12 taona izy dia ento matetika miaraka aminao any amin’ ny tempoly mba hanatanteraka batisa ho an’ ireo razambenareo sy ho an’ ny hafa. Ho ankamamiany mandrakizay ireo fahatsiarovana ireo.

Ny kolotsaina mibahan-toerana amin’ izao fotoana izao dia miezaka ny mandrava tsikelikely sy manamaivan-danja ny anjara asanareo mandrakizay amin’ ny maha patriarika sy ray anareo ary mampihen-danja ireo andraikitrareo manan-danja indrindra. Ireo zavatra ireo dia nomena anareo “araka ny drafitr’ Andriamanitra,” ary amin’ ny maha-ray anareo dia “tokony hitarika ny fianakaviana[reo] amim-pitiavana sy amim-pahamarinana ianareo ary tompon’ andraikitra amin’ ny fanomezana izay ilaina eo amin’ ny fiainana sy ny fiarovana ny fianakaviana[reo].”3

Ry ray! ianareo no mpiambina ny tokantranonareo sy ny vadinareo ary ny zanakareo. Ankehitriny, “dia tsy mora ny miaro ny fianakaviana amin’ ny fidikidiran’ ny ratsy ao amin’ ny saina sy ny fanahin’ [izy ireo]. … Afaka mikoriana sy tena mikoriana malalaka ao amin’ ny tokantranontsika ireo herin’ ny ratsy ireo. I Satana [dia tena maranin-tsaina]. Tsy mila mamaky ny varavarana izy mba hidirana.”4

Ianareo no tokony ho mpiambina ny hatsaran-toetra. “Ny mpihazona fisoronana dia tsara toetra. Ny fihetsika feno hatsaran-toetra dia midika hoe madio ny eritreritrao sy ny fihetsikao. … Ny hatsaran-toetra dia … toetra iray araka an’ Andriamanitra.” “Mitovy amin’ny fahamasinana” izany.5 Ireo hasin’ny Zatovovavy dia toetra tahaka ny an’i Kristy izay ahitana ny hasin’ny hatsaran-toetra. Miantso anareo izahay ankehitriny mba hiaraka aminay hitarika indray an’ ilay izao tontolo izao hiverina any amin’ ny hatsaran-toetra. Mba hahafahana manao izany dia “tsy maintsy mampihatra ny hatsaran-toetra sy ny fahamasinana”6 ianareo amin’ ny alalan’ ny fanesorana eo amin’ ny fiainanareo izay mety ho zavatra ratsy sy tsy sahazan’ ny olona iray mihazona ny fisoronana masin’ Andriamanitra. “Aoka handravaka tsy an-kijanona ny eritreritrao ny hatsaram-panahy; dia hihamahery ny fahatokian-tenanao eo anatrehan’ Andriamanitra ary … ny Fanahy Masina no ho namanao lalandava.”7 Noho izany dia mitandrema ianareo amin’izay fialamboly jerenareo eo amin’ny haino aman-jery na izay gazety na gazetiboky vakianao. Ny hatsaran-toetranareo manokana no ho ohatra ho an’ ny zanakareo vavy ary koa ho an’ ny zanakareo lahy mikasika ny tena tanjaka marina sy ny tena fahasahiana ara-pitondrantena. Rehefa mpiambina ny hatsaran-toetra ianareo eo amin’ ny fiainanareo manokana sy eo amin’ ny tokantranonareo sy ny fiainan’ ny zanakareo dia mampiseho amin’ ny vadinareo sy ny zanakareo vavy ilay tena fitiavana marina. Hanome hery anareo ny fahadiovanareo manokana.

Ianao dia mpiambina ny zanakao vavy mihoatra noho izay dikan’izany araka ny lalàna misy. Aoka ianao handray anjara amin’ ny fiainan’ ny zanakao vavy. Ampahafantaro azy ireo fenitra arahinao sy ireo zavatra andrasanao sy antenainao ary ireo nofinofinao mba hahazoany fahombiazana sy fifaliana. Resaho izy, fantaro ireo namany ary rehefa tonga ny fotoana dia fantaro izay tovolahy miaraka aminy. Ampio izy hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fianarana. Ampio izy hahatakatra fa ny fitsipiky ny fahamaotinana dia fitaovam-piarovana. Ampio izy hisafidy ny mozika sy ny haino aman-jery izay manasa ny Fanahy ary mifanaraka amin’ ny maha masina azy. Aoka ianao handray anjara mavitrika eo amin’ ny fiainany. Ary raha toa ao anatin’ ny taona maha zatovo azy izy no sendra tsy tafody ara-potoana any an-trano rehefa avy niaraka nivoaka amin’ ny tovolahy dia mandehana, alaivo izy. Hanohitra izy ary hilaza aminao fa nanimba ny fiainany ianao eo amin’ ny lafin’ ny fifaneraserany amin’ ny hafa, saingy fantany ao anatiny ao fa tia azy ianao ary manan-danja aminao izy matoa miambina azy.

Tsy lehilahy tsotra fotsiny ianareo. Noho ny herimponareo tany amin’ ny fiainana talohan’ ny nahaterahana dia mendrika ny ho mpitarika sy hanana ny herin’ ny fisoronana ianareo. Tany ianareo dia nampiseho “finoana be izaitsizy tokoa sy asa tsara,” ary ety ianareo izao mba hanao izany ihany koa.8 Mampiavaka anareo ny fisoronana anananareo.

Afaka herinandro vitsivitsy dia hanome anarana sy tsodrano ireo zanany vavy kely ireo zanakay telo lahy. Manantena aho fa ho voalohany amin’ ireo tsodranon’ ny fisoronana maro izay ho azony avy amin’ ny rain’ izy ireo izany, satria ao anatin’ ity izao tontolo izao izay hitomboan’ izy ireo ity dia ho ilain’ izy ireo ireo tsodrano ireo. Hanaja ny fisoronana ny zanakao vavy ary hanapa-kevitra ao am-pony fa izany no zavatra tiany hananana ho an’ ilay tokantranony sy ny fianakaviany ho avy. Tsarovy foana “fa ireo zon’ ny fisoronana dia mifamatotra tsy azo sarahina amin’ ny herin’ ny lanitra” ary “ tsy azo fehezina … raha tsy araka ireo fitsipiky ny fahamarinana.”9

Ry ray! Ianareo no no lehilahy be herimpo ho an’ ilay zanakao vavy. Ny raiko no lehilahy be herimpo ho ahy. Fanaoko taloha ny miandry izay hahatongavany isan-kariva avy miasa eo amin’ny tohotohatry ny tranonay. Raisiny aho ary ahodinkodiny, dia avy eo avelany mametraka ny tongotro eo ambonin’ ilay kirarony ngeza be ary dia entiny mandihy mankany an-trano aho. Tiako ilay fanamby hoe miezaka manaraka ny dian-tongony rehetra. Mbola tiako izany hatramin’ izao.

Moa ve fantatrareo fa misy fiantraikany mahery vaika eo amin’ ny zanakareo vavy ny fijoroanareo ho vavolombelona? Fantatro fa nanana fijoroana ho vavolombelona ny raiko. Fantatro fa tia ny Tompo izy. Ary satria ny raiko tia ny Tompo dia izaho koa torak’ izany. Fantatro fa nikarakara ireo mananotena izy satria nanokana ireo fotoam-pialan-tsasatra izy mba handokoana ny tranon’ ny mananotena iray izay nipetraka teo akaikinay. Nieritreritra aho fa izany no fotoam-pialan-tsasatra tena tsara indrindra niainan’ ny fianakavianay hatramin’ izay, satria nampianatra ahy nandoko izy! Hitahy ny fiainan’ ny zanakao vavy mandritra ireo taona maro ho avy ianao raha toa ka mitady fomba hanokanana fotoana iarahana aminy sy hizarana ny fijoroanao ho vavolombelona aminy.

Ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna, i Abisa dia niova fo tamin’ ny alalan’ ny fizaran-drainy taminy ilay fahitana nahatalanjona hitany. Nandritra ny taona maro taty aoriana dia notazoniny tao am-pony ilay fijoroany ho vavolombelona ary niaina tamim-pahamarinana tao anatin’ ny fiaraha-monina tena feno faharatsiana izy. Dia tonga ny fotoana izay tsy nahazakany intsony ny fahanginany, ka dia lasa izy nitety trano nizara ny fijoroany ho vavolombelona sy ireo fahagagana izay hitany tao amin’ ny lapan’ ny Mpanjaka. Ny herin’ ny fiovam-pon’ i Abisa sy ny fijoroany ho vavolombelona no fitaovana nanova fiaraha-monina iray manontolo. Ireo olona naheno azy nijoro ho vavolombelona dia lasa olona “niova fo ho an’ ny Tompo [ary] dia tsy nihemotra na oviana na oviana,” ary ny zanak’ izy ireo lahy dia lasa ireo zatovolahy miaramila roa arivo!10

Araka ny voalazan’ilay fihirana: “Mitsangana, ry lehilahin’Andriamanitra!”11 Izany dia antso ho anareo lehilahy mihazona ny fisoronana masin’Andriamanitra. Enga anie mba hitovy amin’ izay zavatra nolazaina momba ny Kapiteny Môronia ny zavatra lazaina momba anareo:

“[Izy] dia lehilahy matanjaka sy mahery; … lehilahin’ ny fahatakaran-tsaina fanaperana izy; … lehilahy izay niorina mafy tao amin’ ny finoana an’ i Kristy. …

“Raha ny olon-drehetra no efa nitovy sy nitovy ary ho nitovy mandrakizay tamin’ i Môrônia dia indro, ny fahefan’ ny helo mihitsy no efa nohozongozonina mandrakizay; … ny devoly dia tsy ho nanam-pahefana na oviana na oviana tamin’ ny fon’ ny zanak’ olombelona.”12

Ry rahalahy sy ray ary zatovolahy, “Aoka ianareo ho mahatoky amin’ ilay voninahitra ao anatinareo.”13

Noho izany ahoana no fomba hitaizanareo zazavavy? Tiavo ny reniny. Tariho mankany amin’ ny Tempoly ny fianakavianareo, aoka ianareo ho mpiambina ny hatsaran-toetra ary andriano ny fisoronanareo. Ry ray! nampiandraiketina an’ ireo zanakavavy be voninahitrin’ ny Raintsika any an-danitra ianareo. Tsara toetra sy voafidy izy ireo. Mivavaka aho mba hiambenanareo sy hampahatanjahanareo azy ireo. Aoka ianareo ho ohatra eo amin’ ny fananana fitondran-tena feno hatsaran-toetra ary hampianatra azy ireo hanaraka ny dian-tongotry ny Mpamonjy rehetra—satria velona Izy! Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.