2010–2019
Ny Misiônera dia Harena Sarobidin’ ny Fiangonana
Oktobra 2011


Ny Misiônera dia Harena Sarobidin’ ny Fiangonana

Feno fankasitrahana aho fa ny misiônera dia nantsoin’ ny Tompo, ary mamaly an’ izany antso izany izy ireo sy manompo manerana an’ izao tontolo izao.

Indray alina taona maro lasa izay, dia nisy misiônera vaovao nantsoina hoe Rahalahy Swan sy ny mpiara-mitory aminy, Japôney efa zokiny teo amin’ ny asa fitoriana, tonga nitsidika ny tokantranonay. Soa ihany fa tao an-trano aho tamin’ izay ka nasaiko nandroso izy ireo. Rehefa niarahaba azy ireo teo am-baravarana aho, dia voasarika avy hatrany teny amin’ ny palitao izay nanaovan-drahalahy Swan ny masoko. Tsy nieritreritra aho fa tonga dia niteny taminy avy hatrany hoe: “Tena tsara izany palitao anaovanao izany!” Kanefa tsy palitao vaovao izany ary efa somary vasoka aza. Nihevitra aho fa izany dia palitao izay navelan’ ny misiônera anankiray tany aloha tany tao amin’ ny tranon’ ny misiônera.

Tonga dia namaly ny teniko avy hatrany Rahalahy Swan, ary dia ny nifanohitra tanteraka tamin’ ny zavatra noeritreretiko izany. Tamin’ ny alalan’ ny fiteny Japôney miakanakana no namaliany hoe: “Eny! tena palitao tsara tokoa izy ity. Nanaovan’ ny raiko ity palitao ity fony izy misiônera teto Japana 20 taona lasa izay.”

Ny rainy dia nanompo tao amin’ ny Misiônan’ i Okayama, Japana. Ary rehefa handeha hitory ny filazantsara any Japana ny zanany lahy, dia nomeny azy ilay palitaony. Io sary io dia mampiseho ilay palitao izay nanaovan’ ilay ray sy ilay zanaka samy nitondra ny anarana hoe Rahalahy Swan tany Japana.

Tohina ny foko rehefa nandre ny tenin-drahalahy Swan. Ary takatro tamin’ izay ny antony nanaovan-drahalahy Swan ny palitaon-drainy rehefa manao ny asa fitoriana izy. Rahalahy Swan dia nanomboka ny asa fitoriany rehefa nandova ny fitiavan-drainy an’ i Japana sy ny olony.

Mino aho fa ny sasany aminareo dia efa niaina zavatra mitovy amin’ izany. Maro ireo misiônera nanompo tao Japana no nilaza tamiko fa ny rainy, na ny reniny, na ny dadabeny, na ny dadatoany dia efa nanao asa fitoriana ny filazantsara tany Japana koa.

Izaho dia te haneho ny fitiavana avy amin’ ny fo, sy ny fanajana, ary ny fahatsapana fankasitrahana ho an’ ireo misiônera rehetra efa niverina izay nitory nanerana izao tontolo izao. Mino aho fa ireo izay nampianareo mba hiova fo dia tsy nanadino anareo. “Akory ny hatsaran’ ny tongtotr’ iry mitondra teny soa mahafaly … !”1

Izaho dia iray amin’ ireo niova fo ireo. Tamin’ ny faha-17 taonako aho no niova fo, fony mbola mpianatra tany amin’ ny sekoly ambaratonga faharoa. Ny misiônera nanao batisa ahy dia Rahalahy Rupp avy any Idaho. Vao haingana izy no nisaorana tamin’ ny naha-filohan’ ny tsatòka azy tany Idaho. Tsy nahita azy intsony aho hatramin’ ny nahavitan’ ny batisako, saingy nifanoratra taminy tamin’ ny alalan’ ny e-mail ary niresaka taminy tamin’ ny alalan’ ny telefaonina aho. Tsy mba hadinoko velively izy. Ilay endriny feno tsiky sy hatsaram-panahy dia voasokitra ato an-tsaiko. Tena faly izy rehefa nahafantatra fa mandeha tsara ny zava-drehetra ho ahy.

Tamin’ izaho 17 taona dia tsy nahatakatra tsara ireo hafatra izay nampianarin’ ireo misiônera ahy. Na izany aza anefa dia nanana fahatsapana niavaka mikasika an’ ireo misiônera aho. Naniry ny ho tahaka azy ireo aho. Ary tsapako ny fitiavana lalina sy maharitra nentin’ izy ireo.

Mamelà ahy ianareo hilaza momba ilay andro nanaovana batisa ahy. 15 Jolay tamin’ izay, ary tena nafana tokoa ny andro. Nisy vehivavy iray natao batisa koa tamin’ io andro io. Ny fitoeran-drano fanaovana batisa dia namboarin’ ireo misiônera tamin’ ny tanana, ary tsy dia manaitra ny endrik’izany.

Vao vita ny batisanay dia tonga dia noraisina ho mpikambana izahay. Voalohany, dia noraisn-dRahalahy Lloyd ho mpikambana ilay rahavavy. Niara-nipetraka tamin’ ireo mpikamban’ ny Fiangonana hafa aho ary nakimpiko ny masoko dia nihaino tamim-pahanginana aho. Noraisin-drahalahy Lloyd ho mpikambana izy, ary dia nanomboka nanome tsodrano azy izy. Kanefa nijanona tsy niteny Rahalahy Lloyd, dia nosokafako ny masoko ary nojereko tsara izy.

Na hatramin’ izao aza dia tsaroako foana izay zava-nitranga izay. Vonton-dranomaso ny mason-dRahalahy Lloyd. Vao voalohany teo amin’ ny fiainako no niainako izany hoe voarakotry ny Fanahy Masina izany. Ary tamin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina no nahazoako fahalalana azo antoka fa tia anay Rahalahy Lloyd ary tia anay Andriamanitra.

Dia tonga amin’ izay ny handraisana ahy ho mpikambana. Dia mbola Rahalahy Lloyd ihany no nanao izany. Napetrany teo ambonin’ ny lohako ny tanany ary nandray ahy ho mpikamban’ ny Fiangonana izy sy nanome ahy ny fanomezan’ ny Fanahy Masina, ary nanomboka nanome tsodrano ahy. Dia nijanona tsy niteny indray izy. Kanefa tamin’ ity indray mitoraka ity dia takatro ny zavatra nitranga. Tena fantatro tamin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina fa tia ahy ireo misiônera ary tia ahy Andriamanitra.

Te-hilaza teny vitsivitsy ho an’ ireo misiônera rehetra manao asa fitoriana manerana an’ izao tontolo izao aho ankehitriny. Ny toetra sy ny fitiavana asehonareo amin’ ny hafa dia hafatra tena manan-danja. Na dia tsy tonga dia takatro daholo aza ireo fotopampianarana izay nampianarin’ ny misiônera ahy, dia tsapako fa ny fitiavana lehibe sy ireo fihetsika feno hatsaram-panahy nasehon’ izy ireo dia nampianatra lesona lehibe ho ahy. Ny hafatra entinareo dia hafatra mifono fitiavana, hafatra mifono fanantenana, ary hafatra mifono finoana. Ny toetranareo sy ny fihetsika asehonareo dia manasa ny Fanahy ary ny Fanahy dia manome fahafahana antsika hahatakatra ireo zavatra izay manan-danja. Ny zavatra tiako hampitaina aminareo dia hoe, amin’ ny alalan’ ny fitiavana asehonareo no mampita ny fitiavan’ Andriamanitra ianareo. Harena sarobidy ho an’ ny Fiangonana ianareo. Feno fankasitrahana anareo rehetra aho noho ny fahafoizan-tenanareo sy ny fanoloran-tenanareo.

Te-hiresaka aminareo izay ho misiônera any aoriana any koa aho. Ao amin’ ny fianakaviako, dia efatra tamin’ ireo zanako no efa nahavita ny asa fitoriana ny filazantsara, ary ilay misiôneranay fahadimy dia hiditra ao amin’ ny Foibe Fanofanana Misiônera ao Provo amin’ ity faran’ ny volana ity. Amin’ ny taona ho avy ilay zanakay farany indrindra dia hiomana hitory ny filazantsara aorian’ ny fahavitan’ ny fianarany ao amin’ ny ambaratonga faharoa.

Noho izany dia miteny aminareo zanako lahy sy ianareo rehetra izay miomana ny hitory filazantsara aho. Ilaina ny fitondranareo zavatra telo rehefa handeha hitory ianareo:

  1. Faniriana ny hitory ny filazantsara. Tian’ ny Tompo ianareo mba hitady ny ondriny sy hahita azy ireo.2 Miandry anareo ny olona manerana an’ izao tontolo izao. Aoka ianareo mba handeha any amin’ izay misy azy ireo. Tsy misy olon-kafa miasa mafy kokoa noho ireo misiônera mba handeha hamonjy ny hafa. Izaho dia iray amin’ ireo olona voavonjy ireo.

  2. Ampitomboy ny fijoroanareo ho vavolombelona. Ny Tompo dia mitaky ilay “fonao sy sainao marisika.”3

  3. Tiavo ny hafa, toa ny Rahalahy Swan izay nitondra niaraka taminy tany am-panaovana asa fitoriana ny palitaon-drainy sy ny fitiavan-drainy an’ i Japana sy ny olony.

Ary ho an’ ireo izay tsy mahafantatra ny fomba hiomanana raha hanao asa fitoriana dia aoka ianareo mba handeha hihaona amin’ ny evekanareo. Fantatro fa hanampy anareo izy.

Feno fankasitrahana aho fa ny misiônera dia nantsoin’ ny Tompo, ary mamaly an’ izany antso izany izy ireo sy manompo manerana an’ izao tontolo izao. Mamela ahy ianareo mba hilaza aminareo misiônera malala izay efa niverina—Tena feno fisaorana noho ny ezaka rehetra nataonareo aho. Harena sarobidy ho an’ ny Fiangonana ianareo. Ary enga anie ianareo hanohy ho misiônera foana ary hitondra tena tahaka ny mpianatr’ i Kristy.”

Mijoro ho vavolombelona aho fa zanaky ny Ray any an-danitra isika, izay tia antsika, ary nandefa Ilay Zanaka malalany, Jesoa Kristy, Izy mba hahafahantsika miverina eo Anatrehany indray. Izany dia ataoko amin’ ny anarana masin’ i Jesoa Kristy, amena.