2010–2019
Ny Fitiavana Tanteraka Mandroaka ny Tahotra
Oktobra 2011


Ny Fitiavana Tanteraka Mandroaka ny Tahotra

Raha hanaraka ilay fanasana ny hizara ny finoanareo sy ny fahatsapanareo mahakasika ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy izay naverina tamin’ ny laoniny ianareo dia ho namanareo lalandava ny fanahin’ ny fitiavana sy ny fanahin’ ny herimpo.

Ry Filoha Monson, faly tokoa izahay nandre ireo vaovao mahakasika ireo tempoly vaovao. Tena vaovao lehibe tokoa izany indrindra ho an’ ireo havako maro dia maro any amin’ ny faritr’ i Wyoming.

Manerana an’ izao tontolo izao rehefa misy tempoly iray vaovao voatsangana dia manao zavatra iray izay fomba fanao aty Etazonia sy Kanadà ny Fiangonana—manao varavarana misokatra. Mandritra ireo herinandro vitsivitsy alohan’ ny hanokanana ilay tempoly vaovao dia manokatra malalaka ny varavarantsika isika ary manasa ireo mpitondra fanjakana sy mpitarika fivavahana, ireo mpikamban’ ny Fiangonana eo an-toerana ary ireo olona avy amin’ny finoana hafa mba hitsidika ilay tempoly vaovao vao naorina.

Ireo zava-mitranga mahafinaritra ireo dia manampy ireo olona izay tsy dia mahalala loatra ny Fiangonantsika hianatra bebe kokoa mahakasika azy. Saika talanjona daholo amin’ ny hakanton’ ny endriny ivelany sy ny anatiny ny olon-drehetra izay mitsidika ny tempoly vaovao. Manaitra azy ireo ny asa tanana sy ny fanomezana lanja ny antsipiriany amin’ny endri-javatra rehetra eo amin’ ny tempoly. Ho fanampin’ izany, maro amin’ ireo mpitsidika no mahatsapa zavatra miavaka sy manokana mandrirta ny fitsidihan’ izy ireo ilay tempoly mbola tsy notokanana. Ireo rehetra ireo dia fahatsapana mahazatra ananan’ ireo mpitsidika amin’ ny varavarana misokatra ataontsika, kanefa tsy ireo no fahatsapana mahazatra indrindra. Ny tena manaitra ireo mpitsidika mihoatra ny zavatra rehetra dia ireo mpikamban’ ny Fiangonana izay mihaona amin’ izy ireo ao amin’ ny varavarana misokatra ataontsika. Rehefa mivoaka avy teo ireo mpitsidika dia mihazona mandrakizay ny zavatra tsapany tamin’ ireo mpampandroso azy, dia ny Olomasin’ ny Andro Farany.

Misintona kokoa ny sain’ izao tontolo izao mihoatra ny taloha ny Fiangonana ankehitriny. Manoratra na miresaka mahakasika ny Fiangonana ireo mpikirakira ny seraseram-pifandraisana isan’ andro, manao tatitra amin’ ireo asa maro ataon’ ny Fiangonana. Maro ireo mpampita vaovao manan-daza mivoaka eto Etazonia no mifanakalo hevitra tsy tapaka mahakasika ny Fiangonana na ireo mpikambana ao aminy. Mitranga manerana an’ izao tontolo izao koa izany fifanakalozan-kevitra izany.

Misarika ny saina ihany koa ny Fiangonana ao amin’ ny Internet, izay araky ny fantatsika, dia nanova tanteraka ny fomba fizaran’ ny olona fampahalalana. Na amin’ ny firy na amin’ ny firy manerana an’ izao tontolo izao dia olona izay tsy mbola nanoratra tamin’ ny gazety na gazetiboky mihitsy no mifanakalo hevitra amin’ ny Internet, amin’ ny blaogy sy ireo seha-pifandraisana ara-tsosialy mikasika ny Fiangonana sy ny fampianarany. Manao video izy ireo ary mizara izany amin’ ny Internet. Olona tsotra izy ireo—na mpikamban’ ny Fiangonana na avy amin’ ny finoana hafa—izay miresaka mikasika Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany.

Ireo fanovana teo amin’ ny fomba fanaovantsika serasera dia manazava amin’ ny ampahany ny antony hahitana antsika “Môrmôna” bebe kokoa noho ny teo aloha. Kanefa dia mitombo sy mandroso hatrany ny Fiangonana. Betsaka kokoa ireo olona izay manana mpifanolobodirindrina sy namana izay mpikamban’ ny Fiangonana, ary misy mpikamban’ ny Fiangonana mitana toerana ambony eny anivon’ ny governemanta, any amin’ ny sehatry ny fandraharahana, amin’ ny fialam-boly, amin’ ny fampianarana ary amin’ ny toerana hafa rehetra, raha ny fahitana azy. Na ireo izay tsy mpikamban’ ny Fiangonana aza dia nahatsikaritra izany ary manontany izy ireo hoe inona no mitranga. Mahafinaritra fa marobe ankehitriny ireo mahafantatra ny Fiangonana sy ireo Olomasin’ ny Andro Farany.

Na dia manomboka hita taratra bebe kokoa aza ny Fiangonana dia mbola maro ireo olona no tsy mahatakatra azy. Ny sasany dia nampianarina hametraka ahiahy ny amin’ ny Fiangonana ka mino zavatra tsy mitombina mahakasika ny Fiangonana, tsy manamarina akory ny loharano nahazoana izany na ny fahamarinan’ izany. Misy fampahalalan-diso sy fahaverezan-kevitra be koa mahakasika ny Fiangonana sy ny foto-kevitra ijoroany. Nisy foana izany hatramin’ ny fotoanan’ ny Mpaminany Joseph Smith.

Nanoratra ny tantarany i Joseph Smith mba hahafahana “[manazava] ny saim-bahoaka, ka ireo mpikatsaka ny fahamarinana rehetra dia mba hahalala ny zava-misy” (Joseph Smith—Tantara 1:1). Marina fa hisy hatrany ireo izay hanova ny fahamarinana sy hinia hampita fampianaran-diso mahakasika ny Fiangonana. Kanefa ny ankamaroan’ ireo izay mametra-panontaniana mahakasika ny Fiangonana dia te-hahatakatra tsotra fotsiny. Ireto olona izay tsy mandala ny atsy na ny aroa ireto dia liana am-piniavana te-hahafantatra momba antsika.

Manome fahafaha-manao zavatra miavaka ho antsika amin’ ny maha-mpikamban’ ny Fiangonana antsika ny fitomboan’ ny fahitana taratra ny Fiangonana sy ny lazany. Afaka manampy amin’ ny “[f]anazavana ny saim-bahoaka” isika ary manitsy ireo fampahalalan-diso rehefa lazaina fa zavatra iray isika nefa tsy izany akory. Ny tena manan-danja anefa dia ny fahafahantsika mizara ny maha-izy antsika.

Be dia be ny zavatra azontsika atao—izay azonao atao—mialoha mba hanatsarana ny fahatakarana ny Fiangonana. Raha toetra sy fihetsika mitovy amin’ izay asehontsika sy ataontsika rehefa mampandroso ireo olona mandritra ny varavarana misokatry ny tempoly no hanaovantsika izany, dia hahatakatra tsaratsara kokoa antsika ireo namantsika sy mpifanolobodirindrina amintsika. Hisinda ny ahiahin’ izy ireo, hanjavona ireo zavatra tsy mitombina lazaina mahakasika antsika ary hanomboka hahatakatra ny Fiangonana amin’ ny tena maha-izy azy izy ireo.

Mamelà ahy ianareo hanolotra hevitra vitsivitsy momba izay zavatra azontsika tsirairay avy atao.

Voalohany, tokony ho feno fahasahiana isika eo amin’ ny fampahafantarantsika an’ i Jesoa Kristy. Tiantsika ho fantatr’ ireo hafa fa mino Azy ho ilay olona manan-danja indrindra eo amin’ ny tantaran’ ny zanak’ olombelona manontolo isika. Ivon’ ny hafatra ao amin’ ny Baiboly sy ireo boky hafa ankatoavintsika ho soratra masina ny fiainany sy ny fampianarany. Manomana antsika hahatakatra ny asa fanompoan’ i Kristy teto an-tany ny Testamenta Taloha. Mamariparitra ny asa fanompoany teto an-tany ny Testamenta Vaovao. Manome antsika tenivavolombelona faharoa ny amin’ ny asa fanompoany teto an-tany ny Bokin’ i Môrmôna. Tonga teto an-tany Izy mba hanambara fa ny filazantsarany dia fototra ho an’ny olombelona rehetra mba hahafahan’ ny zanak’ Andriamanira rehetra mianatra momba Azy sy ny Fampianarany. Nanolotra ny ainy Izy avy eo mba ho tonga Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Amin’ ny alalan’ i Jesoa Kristy ihany no hahatanteraka ny famonjena. Izany no antony inoantsika fa Izy no olona manan-danja indrindra eo amin’ ny tantaran’ ny zanak’ olombelona rehetra. Mipetraka eo am-pelantanany foana ny hoavintsika mandrakizay. Zavatra tena lehibe izany hoe mino Azy sy manaiky Azy ho Mpamonjy antsika sy Tompontsika izany.

Mino koa isika fa amin’ ny alalan’ i Kristy irery ihany no maha tanteraka ny fahazoana ny fifaliana, sy fanantenana ary fahasambarana lehibe indrindra—eto amin’ ity fiainana ity sy any amin’ ny mandrakizay. Manambara tsy amim-pihambahambana ny fotopampianarantsika, araka izay nampianarina ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna, hoe: “Noho izany dia tsy maintsy mibosesika handroso amin’ ny fiorenana ao amin’ i Kristy ianareo, amin’ ny fanananareo fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra. Koa raha mibosesika handroso ianareo ka mivoky amin’ ny tenin’ i Kristy ary maharitra hatramin’ ny farany, dia indro, izao no lazain’ ny Ray: Hahazo ny fiainana mandrakizay ianareo” (2 Nefia 31:20).

Manambara ny finoantsika an’ i Jesoa Kristy isika ary mandray Azy ho Mpamonjy antsika. Hitahy sy hitarika antsika Izy amin’ ireo ezaka rehetra ataontsika. Hampahatanjaka antsika sy hitondra fahasambarana ho antsika Izy amin’ ny fotoam-pitsapana eo am-pandalovantsika ety amin’ ity fiainana an-tany ity. Miaina ny fiainana am-pinoana ireo mpikamban’ Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany, izay Fiangonany.

Faharoa, ho ohatra tsara ho an’ ny hafa. Aorian’ ny fanambarantsika ny finoantsika dia tokony manaraka ny torohevitra nomena antsika ao amin’ ny 1 Timoty 4:12 isika: “Ka aoka ho tonga fianarana ho an’ ny mino hianao amin’ ny fiteny, amin’ ny fitondrantena, amin’ ny fitiavana, amin’ ny finoana, amin’ ny fahadiovana.”

Nampianarin’ ny Mpamonjy ny maha-zava-dehibe ny ho tonga ohatra eo amin’ ny finoantsika raha nilaza Izy hoe: “Aoka hazava eo imason’ ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra” (Matio 5:16).

Tokony ho ohatry ny hatsaran-toetra sy hatsaram-panahy isika eo am-piezahana hanaraka ny ohatra nasehony eo amin’ izao tontolo izao. Ireo asa tsara avy amintsika tsirairay dia hanatsara ny lazan’ ny Mpamonjy sy ny Fiangonany. Rehefa mirotsaka manao ny tsara isika, ka tonga lehilahy sy vehivavy manan-kaja sy marina, dia ho hita soritra eo amin’ ny fiainantsika ny Fahazavan’ i Kristy.

Manaraka, ambarao amim-pahasahiana ny Fiangonana. Eo amin’ ny fiainantsika andavanandro dia manana fahafahana isika hizara ny zavatra inoantsika amin’ ny hafa. Rehefa manontany mahakasika ny finoantsika ara-pivavahana ireo mpiara-miasa na olom-pantatsika manokana dia manasa antsika izy ireo hizara ny maha-isika antsika sy ny zavatra inoantsika izany. Mety ho liana amin’ ny Fiangonana izy ireo na tsia, kanefa liana te-hahafantatra antsika lalindalina kokoa izy ireo.

Ny torohevitra omeko anareo dia hoe ekeo ny fanasan’ izy ireo. Tsy manasa anareo hampianatra, na hitory, na hanazava, na hanentana akory ny mpiara-miasa aminareo. Asao hifanakalo hevitra izy ireo—mizarà zavatra mahakasika ny finoanareo kanefa asaivo mizara mahakasika ny finoany koa izy ireo. Tombatombano hoe hatraiza ny halalin’ ny fahalianany amin’ ireo fanontaniana apetrany. Raha toa ka mametraka fanontaniana betsaka izy dia afantohy amin’ ny famaliana ireo fanontaniana ireo ny resadresaka. Tsarovy hatrany fa tsara kokoa ho azy ireo ny mametraka fanontaniana toy izay hoe ianareo no milaza izay lazainareo.

Misy mpikambana sasany te-hihazona ho tsiambaratelo ny maha-mpikambana azy ireo ato am-piangonana. Manana ny antony manokana hanaovany izany izy ireo. Ohatra, mety mino izy ireo fa tsy anjarany ny mizara ny finoan’ izy ireo. Angamba mety matahotra koa izy ireo hilaza zavatra diso na sao dia hametrahana fanontaniana tsy hain’ izy ireo valiana. Raha toa ka sendra mandalo ao an-tsainareo ny eritreritra toy izany dia manana torohevitra ho anao aho. Tsarovy fotsiny ity tenin’ i Jaona ity: “Tsy manan-tahotra ny fitiavana, satria ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra” (1 Jaona 4:18). Raha tia an’ Andriamanitra sy tia ny mpiara-belona amintsika fotsiny isika dia nomena fampanantenana fa hahatohitra ny tahotsika.

Raha toa ka efa nitsidika ny Mormon.org ianao faramparany teo, izay tranonkalan’ ny Fiangonana natokana ho an’ ireo liana te-hianatra mahakasika ny Fiangonana, dia ho tsikaritrao fa misy mpikambana izay nampiditra ny mombamomba azy ao. Namorona pejy milazalaza ny momba azy izy ireo izay manazava hoe iza izy ireo ary nahoana no zava-dehibe ho azy ireo ny finoany. Manambara amim-pahasahiana mahakasika ny finoany izy ireo.

Tokony hankafy sy hiatrika izany resadresaka izany isika miaraka amin’ ny fitiavana tahaka ny an’ i Kristy. Tokony haneho fanajana sy fahalalam-pomba ny haavon’ ny feontsika na ny fomba fanoratantsika rehefa miteny na manoratra, na manao ahoana na manao ahoana ny famalin’ ny hafa. Tokony ho mahitsy sy malala-tsaina isika ary miezaka ny ho mazava eo amin’ ny zavatra lazaintsika. Tsy te-ho lasa ho miaro-tena be fotsiny isika na hiady hevitra na amin’ ny fomba ahoana na amin’ ny fomba ahoana.

Nanazava ny Apôstôly Petera hoe: “fa araka ny fahamasinan’ Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa hianareo amin’ ny fitondrantena rehetra” (1 Petera 1:15).

Ny hoe “fitondrantena” ankehitriny dia toa misy idiran’ ny Internet bebe kokoa hatrany. Mamporisika ny olona izahay, na tanora na antitra, mba hampiasa ny Internet sy ireo fitaovan-tserasera ara-tsôsialy mba hanolorana tanana sy hizarana ny finoan’ izy ireo ara-pivavahana.

Rehefa mampiasa ny Internet ianao dia mety hahita resadresaka mifampitohy mahakasika ny Fiangonana. Aza misalasala mampiditra ny hevitrao ao anatin’ izany resadresaka izany rehefa tarihin’ ny Fanahy hanao izany.

Tsy hitovy amin’ ireo zavatra hafa hozarainao amin’ ny hafa ny hafatry ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy. Amin’ izao fotoana hihanahan’ ny fampahalalana avy amin’ ny loharano maro izao dia izany no fampahalalana sarobidy indrindra eto amin’ izao tontolo izao. Tsy mampametra-panontaniana ny lanjany. Voahangy lafo vidy izany (jereo ny Matio 13:46).

Aza manandrana manatsara ny Fiangonana mihoatra ny tokony ho izy rehefa miresaka mahakasika ny Fiangonana. Tsy mila mampihaingo ny hafatra zaraintsika isika. Mila mampita ny hafatsika amim-pahamarinana sy mivantana isika. Ny hafatry ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy izay naverina tamin’ ny laoniny ihany no hanaporofo ny tenany ho an’ ireo izay vonona handray azy rehefa manokatra tari-dresa-pifandraisana isika.

Misy fahasamihafana be indraindray—fahasamihafana eo amin’ ny fahatakarana—eo amin’ ny fomba handraisantsika ny Fiangonana amin’ ny maha-mpikambana antsika sy ny fomba handraisan’ ireo hafa ivelan’ ny Fiangonana izany. Izany no antony voalohany hanaovantsika varavarana misokatra alohan’ ny hanokanana tempoly vaovao. Ireo mpikambana milatsaka an-tsitrapo mandritra ny varavarana misokatry ny tempoly dia miezaka manampy fotsiny ireo hafa handray ny Fiangonana tahaka ny fandraisan’ izy ireo azy izay mpikambana ao anatiny. Mahafantatra izy ireo fa asa mahagaga sy mahatalanjona mihitsy aza ny Fiangonana, ary tian’ izy ireo hahafantatra izany koa ny hafa. Mangataka anareo tsirairay aho mba hanao toy izany koa.

Mampanatena anareo aho fa raha hanaraka ilay fanasana ny hizara ny finoanareo sy ny fahatsapanareo mahakasika ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy izay naverina tamin’ ny laoniny ianareo dia ho namanareo lalandava ny fanahin’ ny fitiavana sy ny fanahin’ ny herimpo, satria “ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra” (1 Jaona 4:18).

Fotoana hisian’ ny fahafahana maro hizarana ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy amin’ ny hafa izao. Enga anie isika hiomana hanararaotra izany fahafahana mizara ny finoantsika izany, izany no iriako amim-panetren-tena amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.