2010–2019
Fanambarana ho an’ ny Tena Manokana sy Fijoroana ho Vavolombelona
Oktobra 2011


Fanambarana ho an’ ny Tena Manokana sy Fijoroana ho Vavolombelona

Raha mitandrina amim-pahavitrihana ny didy isika ary mangataka amim-pinoana dia ho tonga araka ny fomban’ ny Tompo manokana sy amin’ ny fotoanany ny valiny.

Taona maro lasa izay fony aho mpianatra tany amin’ ny oniversite dia nihaino ny fihaonamben’ ny Fiangonana tamin’ ny fampielezam-peo satria tsy nanana fahitalavitra izahay tao amin’ ilay efitrano kelinay. Tena nahavariana ireo mpandahateny nandritra ilay fihaonambe ary tena nigoka ireo fahatsapana mahery vaika avy tamin’ ny Fanahy Masina aho.

Tsaroako tsara nisy Manampahefana Ambony iray izay, izay niresaka momba ny Mpamonjy sy ny asa fanompoany ary avy eo nijoro ho vavolombelona tena mahery vaika. Nanamafy tamin’ ny fanahiko ny Fanahy Masina fa nilaza ny marina izy. Tamin’ izay fotoana izay dia tsy nanana ahiahy aho fa velona ny Mpamonjy. Tsy nanana ahiahy koa aho fa nahazo fanambarana ho an’ ny tenako manokana izay nanamafy tamiko “fa i Jesoa Kristy dia Zanak’ Andriamanitra.”1

Fony aho valo taona dia natao batisa sy noraisina ho mpikambana ary nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina. Fitahiana efa tena tsara izany tamin’ izany fotoana izany saingy lasa nihananan-danja tokoa rehefa nihalehibe aho ary niaina ilay fanomezana ny Fanahy Masina tamin’ ny fomba maro nanomboka tamin’ io.

Matetika isika rehefa miala any amin’ ny fahazazana dia miditra amin’ ny fahatanorana ary avy eo lasa olon-dehibe, dia miatrika olana sy miaina ireo toe-javatra miseho eny an-dalana eny, izay mahatonga antsika hahafantatra fa ilaintsika ny fanampian’ Andriamanitra izay tonga amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina. Rehefa tonga ireo fahasahiranana dia mety hanontany tena isika hoe: “Inona no valin’ ity olako ity?” ary “Ahoana no ahafantarako ny tokony hataoko?”

Matetika aho no mahatsiaro ilay tantara ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna mikasika an’ i Lehia izay nampianatra ny fianakaviany ny filazantsara. Nizara fanambarana sy fampianarana maro tamin’ izy ireo momba ireo zavatra ho avy amin’ ny andro farany izy. Nikatsaka ny fitarihan’ ny Tompo i Nefia mba hahatakarana tanteraka ny fampianaran’ ny rainy. Notaomim-panahy sy nahazo fitahiana izy ary nahazo aingam-panahy hahafantatra fa marina ireo fampianaran-drainy. Izany dia nahafahan’ i Nefia hanaraka antsakany sy andavany ny didin’ ny Tompo ary hanana fiainana marina. Nandray fanambarana ho an’ ny tenany manokana izy mba hitarika azy.

Tetsy ankilany anefa dia nifanditra ireo rahalahiny satria tsy azon’ izy ireo ny fampianaran-drainy. Dia nametraka fanontaniana manan-danja iray i Nefia: “Efa nanadina ny Tompo va ianareo?”2

Valinteny maivana no nomen’ izy ireo: “Tsy nanao izany izahay; satria tsy mampahafantatra anay ny zavatra toy izany ny Tompo.”3

Nanararaotra izany fotoana izany i Nefia mba hampianarana ireo rahalahiny ny fomba hahazoana fanambarana ho an’ ny tena manokana. Hoy izy hoe: “Moa tsy tsaroanareo va ny zavatra izay efa nolazain’ ny Tompo? —Raha tsy manamafy ny fonareo ianareo ary mangataka Amiko amin’ ny finoana, sady matoky fa hahazo izany, no mazoto amin’ ny fankatoavana ny didiko, dia hampahafantarina anareo marimarina tokoa ireo zavatra ireo.”4

Tena mazava tsara ny fomba hahazoana fanambarana ho an’ ny tena manokana. Mila maniry ny handray fanambarana isika, tsy tokony hanamafy ny fontsika, ary avy eo dia mila mangataka amim-pinoana isika ary mino marina fa hahazo valiny, dia mitandrina amim-pahavitrihana ny didin’ Andriamanitra avy eo.

Ny fanarahana io lamina io akory tsy midika hoe isaky ny mametraka fanontaniana amin’ Andriamanitra isika dia hiseho eo no ho eo ihany ny valiny miaraka amin’ ny antsipirian-javatra tokony hatao. Kanefa midika kosa izany fa raha mitandrina amim-pahavitrihana ny didy isika ary mangataka amim-pinoana dia ho tonga araka ny fomban’ ny Tompo manokana sy amin’ ny fotoanany ny valiny.

Fony mbola ankizy aho dia nieritreritra fa ny fanambarana ho an’ ny tena manokana na ny valim-bavaka dia tonga amin’ ny alalan’ ny feo izay heno. Marina fa misy fanambarana sasany izay tonga amin’ ny alalan’ ny fahenoana feo tokoa. Kanefa nianatra aho fa ny Fanahy dia miresaka amin’ ny fomba maro.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, fizarana faha-6 dia manazava fomba maro izay ahafahantsika mahazo fanambarana:

“Fa efa nanontany ahy ianao, ary indro, isaky ny avy nanontany ianao dia efa nandray toromarika avy amin’ ny Fanahiko.”5

“Nanazava ny sainao Aho.”6

“Tsy nilaza fiadanana tamin’ ny sainao va Aho momba izany?”7

Mianatra bebe kokoa momba ny fandraisana fanambarana isika any amin’ ny soratra masina hafa:

“Hiteny anao ao an-tsainao sy ao am-ponao Aho, amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina izay ho tonga ao aminao sy hitoetra ao am-ponao. Ankehitriny, indro io no fanahin’ ny fanambarana.”8

“Hahamay ny ao anatin’ ny tratranao Aho; koa ho tsapanao fa marina izany.”9

“Hanomezako amin’ ny fanahiko ianao, izay hanazava ny sainao, izay hameno fifaliana ny fanahinao.”10

Matetika ny fanambarana ho an’ ny tena manokana dia ho tonga rehefa mandalina ny soratra masina isika, rehefa mihaino sy manaraka ny torohevitr’ ireo mpaminany sy ireo mpitarika hafa ao amin’ ny Fiangonana, ary rehefa miezaka manana fiainana marina feno fahatokiana. Indraindray ny fitaomam-panahy dia tonga avy amin’ ny andinin-tsoratra masina iray monja na andalana iray tao anatin’ ny lahateny iray tao anatin’ ny fihaonambe. Angamba ilay valiny andrasanao dia mety ho tonga rehefa miventy hira tena kanto ny ankizy ao amin’ ny Kilonga. Fomba isehoan’ ny fanambarana daholo ireo.

Tany am-piandohan’ ny Famere-nana tamin’ ny Laoniny dia maro ireo mpikambana no nikatsaka fanambarana tamim-pahavitrihana ary nahazo fitahiana sy fitaomam-panahy mba hahafantarana izay tokony hatao.

Ny Rahavavy Eliza R. Snow dia nomen’ ny mpaminany Brigham Young andraikitra mba hanentana ny fanahin’ ireo rahavavy ao amin’ ny Fiangonana sy hampianatra azy ireo. Nampianatra izy fa ny vehivavy tsirairay dia afaka mahazo fitaomam-panahy hitarika azy ireo eo amin’ ny fiainany manokana sy eo amin’ ny fianakaviany ary eo amin’ ny andraikiny ao amin’ ny fianakaviany. Nilaza izy hoe: Lazao ireo rahavavy mba handroso sy hanatanteraka ny andraikiny ao anatin’ ny fanetren-tena sy fahatokiana, ary dia hitoetra eo amin’ izy ireo ny Fanahin’ Andriamanitra sy hotahiana ao anatin’ ny asa ataony izy ireo. Avelao izy ireo hikatsaka fahendrena fa tsy fahefana ary dia hanana ny hery rehetra izy ireo izay hananany fahendrena ny mampiasa azy.’”11

Nampianatra an’ ireo rahavavy mba hikatsaka ny fitarihan’ ny Fanahy Masina Rahavavy Snow. “Nilaza izy fa ny Fanahy Masina dia ‘Manome fahafaham-po sy manatanteraka an’ izay zavatra rehetra tadiavin’ ny fon’ olombelona, ary mameno izay banga rehetra. Rehefa feno an’ izany Fanahy izany aho dia afa-po ny fanahiko.’”12

Nampianatra ny Filoha Uchtdorf fa “tsy voatery hiseho amin’ ny endriny mahery vaika foana ny fanambarana sy ny fijoroana ho vavolombelona. Ho an’ ny ankamaroan’ ny olona dia tonga tsikelikely ny fijoroana ho vavolombelona—ampahany kely isaky mandeha.” Nanampy izy hoe: “Handeha isika hikatsaka amim-pahavitrihana ny fahazavan’ ny fitaomam-panahin’ ny tena manokana. Handeha isika hiangavy ny Tompo mba handrotsaka ao an-tsaintsika sy ao amin’ ny fanahintsika ilay sombin’ ny finoana izay ahafahantsika mandray sy mahafantatra ny asa masin’ ny Fanahy Masina.”13

Ny fijoroana ho vavolombelona dia manome hery sy manamafy orina antsika rehefa miatrika olana isika eo amin’ ny fiainantsika. Misy olona sasany izay ianjadian’ ny olana sarotra ara-pahasalamana, ny sasany miatrika olana ara-bola ary ny sasany dia manana olana eo amin’ ny fanambadiany na eo amin’ ny zanany. Ny sasany iharan’ ny fanirery sy ny fanantenana sy nofinofy tsy tanteraka. Ny fijoroantsika ho vavolombelona miaraka amin’ ny finoantsika an’ i Jesoa Kristy Tompo sy ny fahalalantsika mikasika ny drafitry ny famonjena no manampy antsika ho tafavoaka amin’ ireo fotoam-pitsapana sy fahasarotana.

Hitantsika ao amin’ ilay boky Daughters in My Kingdom, ny momba an-dRahavavy Hedwig Biereichel, vehivavy iray tany Alemana izay nianjadian’ ny fahoriana sy ny tsy fananana nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Noho ilay fitiavany sy ilay toetrany feno fiantrana ary na tao anatin’ ny fahasahiranana lehibe aza izy dia vonona nizara ny sakafony tamin’ ireo babo an’ ady izay noana mafy. Taty aoriana rehefa nanontaniana izy hoe ahoana no nahafahany “nihazona ny fijoroany ho vavolombelona nandritra [ireo] fitsapana rehetra [ireo],” dia namaly izy hoe: “Tsy izaho no nihazona fijoroana ho vavolombelona nandritra ireo fotoana ireo—ny fijoroana ho vavolombelona no nihazona ahy.”14

Tsy hoe manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka akory isika dia hijanona ao foana izany. Tsy maintsy kolokoloina sy hampahatanjahana izany mba hananan’ izany hery ampy hanohanana antsika. Izany no antony iray “[ihaonantsika] miaraka matetika” —mba hahafahantsika mandray ny fanasan’ ny Tompo sy manavao ny fanekempihavanantsika ary “mamahana ny tenantsika amin’ ny teny soan’ Andriamanitra.” Ny teny soan’ Andriamanitra no mitazona antsika mba “hiambina lalandava amim-bavaka, tsy hiantehitra afa-tsy amin’ ny fahamendrehan’ i Kristy izay tompony sy mpanefa ny finoan[tsika].”15

Nampianatra antsika ny Loholona David A. Bednar hoe: “Rehefa mikatsaka amin’ ny fomba tokony ho izy ny fanahin’ ny fanambarana isika dia mampanantena anareo aho fa ‘handeha amin’ ny fahazavan’ ny Tompo’ ianareo (Isaia 2:5; 2 Nefia 12:5). Indraindray ny fanahin’ ny fanambarana dia hiasa eo no ho eo sy amin’ ny fomba mahery vaika, ary amin’ ny fotoana hafa dia amin’ ny fomba malefaka sy mandeha miandalana no hitrangan’ izany, ary matetika dia amin’ ny fomba tena malefaka hany ka mety tsy ho hainareo ny mamantatra azy. Kanefa na manao ahoana na manao ahoana ny fomba andraisana io fitahiana io dia hanazava sy hampivelatra ny fanahintsika ny fahazavana izay entiny, ary hanazava ny fahatakaran’ ny saintsika (jereo ny Almà 5:7; 32:28), ary hitarika sy hiaro anareo sy ny fianakavianareo.16

Ny Tompo dia maniry ny hanome antsika fitarihana sy fahendrena ary torolalana eo amin’ ny fiainantsika. Te-handrotsaka ny Fanahiny eo amintsika Izy. Averina indray fa mba hahazoana fanambarana ho an’ ny tena manokana dia mila isika maniry ny handray izany, tsy tokony hanamafy ny fontsika, avy eo mangataka amim-pinoana ary mino marina fa hahazo valiny, dia avy eo mitandrina amim-pahavitrihana ny didin’ Andriamanitra. Ary rehefa mitady ny valin’ ireo fanontaniantsika isika dia homeny ny Fanahiny. Izany dia hijoroako ho vavolombelona amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.