2010–2019
Fiomanana ao amin’ ny Fisoronana: “Mila ny Fanampianao Aho”
Oktobra 2011


Fiomanana ao amin’ ny Fisoronana: “Mila ny Fanampianao Aho”

Aza manahy mikasika ny tsy fanananao traikefa fa eritrereto ny zavatra mety ho vitanao, miaraka amin’ ny fanampian’ ny Tompo.

Ry rahalahiko malala, fifaliana ho ahy ny miaraka aminareo eto mandritra ity fivoriambe maneran-tany iarahan’ ny fisoronan’ Andriamanitra ity. Hiresaka mikasika ny fiomanana ao amin’ ny fisoronana aho anio, voalohany ho an’ ny tenantsika ary ho an’ ireo fanampiana atolotsika ny hafa ihany koa.

Maro amintsika no manontany tena hoe: “Moa ve vonona amin’ ity andraikitra ato amin’ ny fisoronana ity aho?” Ny valinteniko dia hoe: “Eny, vonona ianareo.” Ny tanjoko anio dia ny hanampy anareo hahafantatra izany fiomanana izany ary hahazo herimpo avy amin’ izany.

Araky ny fantatrareo dia natao ho fisoronana fanomanana ny Fisoronana Aharôna. Ny ankamaroan’ ireo mpihazona Fisoronana Aharôna dia zatovo diakona, sy mpampianatra ary mpisorona eo anelanelan’ ny 12 ka hatramin’ ny 19 taona eo.

Mety hieritreritra isika hoe ny fiomanana ao amin’ ny fisoronana dia zava-mitranga mandritra ny taona maha-Fisoronana Aharôna antsika. Kanefa ny Raintsika any an-danitra dia efa nanomana antsika hatrizay naha-teo anatrehany antsika tany amin’ ny fanjakany talohan’ ny nahaterahantsika izay. Manomana antsika izy anio hariva. Ary mbola hanohy hanomana antsika hatrany Izy raha toa ka mamela Azy hanao izany isika.

Ny tanjon’ ny fanomanana rehetra ato amin’ ny fisoronana, na tany amin’ ny fiainana talohan’ ny nahaterahana na eto amin’ ity fiainana ity, dia ny hahamendrika antsika sy ireo izay tompointsika ho Azy, ho amin’ ny fiainana mandrakizay. Azo antoka fa isan’ ireo lesona nozaraina tamintsika tany amin’ ny fiainana talohan’ ny nahaterahana ny drafitry ny famonjena, niaraka tamin’ i Jesoa Kristy ary ho ivon’ izany ny Sorompanavotany. Tsy vitan’ ny hoe nampianarina ilay drafitra fotsiny isika fa tao anatin’ ny filan-kevitra mihitsy isika nandritra ny fisafidianantsika izany.

Noho ny voalin’ ny fanadinoana izay napetraka handrakotra ny saintsika teo am-pahaterahana dia tsy maintsy mitady fomba isika hianarana indray eto amin’ ity fiainana ity ireo zavatra izay efa fantatsika sy narovantsika. Ampahan’ ny fiomanantsika eto amin’ ity fiainana ity ny hikaroka izany fahamarinana sarobidy izany mba hahafahantsika manolo-tena hanaraka izany indray amin’ ny alalan’ ny fanaovana fanekempihavanana. Mitaky finoana, sy fanetren-tena ary herimpo avy amintsika izany ary koa fanampiana avy amin’ ireo olona izay efa nahafantatra ny fahamarinana ary nizara izany tamintsika.

Mety ho ireo ray aman-dreny izany, na ireo mpitory ny filazantsara na ireo namana. Kanefa isan’ ny fiomanantsika izany fanampiana izany. Ny fiomanana ao amin’ ny fisoronana ataontsika dia ahitana hatrany ny fandraisan’ anjaran’ ireo hafa izay efa niomana ny hanampy antsika hanana fahafahana hanaiky ny filazantsara ary avy eo hanatanteraka izany amin’ ny fitandremana ireo fanekempihavanana mba hilatsahan’ izany lalina ao am-pontsika. Mba hahafahantsika hahazo ny fiainana mandrakizay, ny asa fanompoana ataontsika eto amin’ ity fiainana ity dia tokony hahitana fanaovana asa amin’ ny fontsika, sy ny saintsika ary ny herintsika rehetra ary koa ny fiezahana hanomana ireo hafa hiverina miaraka amintsika ho any amin’ Andriamanitra.

Koa dia ho ampahan’ ny fiomanana amin’ ny fisoronana izay horaisintsika eto amin’ ity fiainana ity ireo fahafahana hanompo sy hampianatra ny hafa. Mety ho hita amin’ izany ny ho mpampianatra ao amin’ ny Fiangonana, ny ho ray hendry sy be fitiavana, ny ho mpikambana ao amin’ ny kôlejy iray, ary ny ho mpitory ny filazantsaran’ ny Tompo. Hanome antsika fahafahana hanao zavatra ny Tompo, fa ny fahavononantsika kosa dia miankina amintsika. Ny tiako hiaviana anio hariva dia ny hanondro safidy vitsivitsy izay tena manan-danja mba hahitana fahombiazana eo amin’ ny fiomanana ao amin’ ny fisoronana.

Ireo safidy tsara na ny ataon’ ny olona mpampiofana izany na ny ataon’ ilay hofanina dia hiankina amin’ ny fahatakarana ireo fomba hanomanan’ ny Tompo ireo Mpanompony ao amin’ ny fisoronana.

Voalohany, miantso olona Izy, na tanora na olon-dehibe, izay mety toa malemy sy tsotra eo anatrehan’ ny fijerin’ izao tontolo izao, ary na amin’ ny tenan’ izy ireo koa aza. Afaka mamadika ireo zavatra izay toa fahalemena ireo ho tonga tanjaka ny Tompo. Izany dia hanova ny fomba hisafidianan’ ireo mpitarika hendry izay olona tokony hofanina ary ny fomba fanofanana. Ary afaka manova koa ny fomba handraisan’ ireo mpihazona ny fisoronana anjara amin’ ny fahafahana hivoatra atolotra azy izany.

Ndeha isika hijery ohatra vitsivitsy. Mpisorona tsy nanana traikefa tao amin’ ny paroasy goavana iray aho. Niantso ahy an-tariby ny evekako indray Alahady tolakandro. Rehefa noraisiko izany dia hoy izy hoe: “Moa ve manana fotoana malalaka hiarahana amiko ianao? Mila ny fanampianao aho.” Ny hany nazavainy tamiko dia hoe tiany hiaraka aminy aho ho namany hiara-hitsidika vehivavy iray izay tsy fantatro, izay tsy nanan-kohanina ary nila nianatra fitantanam-bola amin’ ny fomba tsara kokoa.

Fantatro tsara anefa fa manana mpanolotsaina roa be traikefa kokoa izy ao amin’ ny episkôpà. Samy olona efa matotra sy manana traikefa goavana izy roa ireo. Ny mpanolotsaina iray dia tompon’ orinasa goavana iray, izay taty aoriana lasa filohan’ ny misiôna ary Manampahefana Ambony. Ilay mpanolotsaina iray dia mpitsara fanta-daza teo an-toerana.

Izaho dia vao avy nantsoin’ ny eveka ho mpanampy voalohany tao amin’ ny kôlejin’ ny mpisorona. Fantany fa kely ihany ny zavatra fantatro momba ny fitsipiky ny fifanampiana. Ary mbola latsak’ izany ny zavatra fantatro mikasika ny fitantanam-bola. Mbola tsy mba nanoratra teo amin’ny taratasy solovola akory aho hatrizay; na nanana petra-bola tany amin’ ny banky; ary tsy mbola nahita izany hoe fomba fitantanam-bola manokana izany akory aza aho. Kanefa na dia teo aza ny tsy fananako traikefa dia tsapako fa tena tsy nisangy izy raha niteny hoe: “Mila ny fanampianao aho.”

Takatro avy eo ny tian’ ity eveka nentanim-panahy ity hatao. Hitany fa fahafahana tena tsara hanomana mpihazona fisoronana iray no manoloana azy. Azoko antoka fa tsy hitany mialoha tao amin’ ity zazalahy kely tsy nanana traikefa ity ny hoaviny ho tonga mpikambana iray ao amin’ ny Episkôpà Mpiahy. Kanefa tamin’izay andro izay ary ireo andro hafa rehetra nahafantarako azy dia noraisiny ho toy ny fandaharan’asa fanomanana izay maha-velom-panantenana aho.

Toa finaritra izy nanao izany, nefa asa be ho azy izany. Rehefa niverina teo an-tranonay izahay taorian’ ny fitsidihana ilay mananotena nila fanampiana, dia najanony ny fiarany. Nosokafany ny soratra masiny izay hita fa miasa be sy efa voaisy marika. Ary dia nanitsy ahy tamim-pitiavana izy. Nolazainy tamiko fa mila mandalina sy mianatra bebe kokoa ny soratra masina aho. Kanefa tsy maintsy hitany fa malemy sy tsotra aho ka azo ampianarina. Tsaroako hatramin’ izao ny zavatra nampianariny ahy tamin’ izany tolakandro iray izany. Kanefa tsaroako bebe kokoa mihoatra izany ny fahatokiany fa afaka mianatra sy afaka ho tonga tsara kokoa aho—ary ho tsara kokoa tokoa aho.

Hitany tamin’ ny maha-izaho ahy ireo fahafaha-manao zavatra tato anatin’ ny olona iray izay mahatsapa ho malemy sy tsotra sy maniry ny handray ny fanampian’ ny Tompo ary mino fa ho avy izany.

Afaka misafidy ny hanao zavatra manoloana ireo fahafaha-manao zavatra ireo ny eveka, sy ny filohan’ ny misiôna ary ireo raim-pianakaviana. Hitako nitranga izany vao haingana nandritra ny fivoriana alahady fifadian-kanina raha nijoro ho vavolombelona ny filohan’ ny kôlejin’ ny diakona iray. Efa hisondrotra ho mpampianatra izy ary handao ireo mpikambana hafa ao amin’ izany kôlejiny izany.

Nijoro ho vavolombelona tamim-pihetsehampo izy mahakasika ny fivoarana teo amin’ ny hatsaran-toetra sy ny hery teo amin’ ireo mpikambana tao amin’ ny kôlejiny. Mbola tsy nandre olona nidera fikambanana iray tamin’ ny fomba mahafinaritra mihoatra noho ny nataony aho hatramin’ izay. Noderainy ireo asa fanompoana natao. Ary avy eo izy dia nilaza fa fantany fa afaka nanampy ireo diakona vaovao izay nahatsiaro ho tsy maharaka eo amin’ ny andraikiny satria nahatsapa ho tsy naharaka koa izy tamin’ izy vao sambany niditra tao amin’ ny fisoronana.

Ny fahafantarany ireo fahalemeny dia nahatonga azy ho manam-paharetana kokoa, be famindrampo kokoa ary afaka nampatanjaka sy nanompo ny hafa. Tao anatin’ ireo roa taona naha-mpikambana azy tao amin’ ny Fisoronana Aharôna dia toa hitako fa nahazo traikefa sy nitombo fahendrena izy. Nahafantatra izy fa nahazo fanampiana tamin’ ny maha-filohan’ ny kôlejy azy tamin’ ny alalan’ ny fahatsiarovana iray mazava sy tsapain-tanana mikasika ny zavatra nilainy fony izy tanora kokoa tamin’ny roa taona lasa izay. Ny fanamby atrehiny amin’ ny hoavy sy atrehitsika dia ho tonga rehefa mihamanjavona sy manomboka mitsilopilopy ny fahatsiarovana tahaka izany sy ny fahombiazantsika rehefa mandeha ny fotoana.

Tsy maintsy hitan’ i Paoly tao anatin’ ny filankevitra niaraka tamin’ ny mpiara-mitory tanora niaraka taminy tao amin’ ny fisoronana, dia i Timoty izany loza izany. Nankahery sy nampianatra azy izy mikasika ny fiomanany tao amin’ ny fisoronana sy tamin’ ny fanampiany ny Tompo hanampy ireo hafa mba hiomana.

Henoy anie ny nolazain’ i Paoly tamin’ i Timoty, izay mpiara-mitory taminy izay mbola tanora, manao hoe:

“Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an’ ny mino hianao amin’ ny fiteny, amin’ ny fitondrantena, amin’ ny fitiavana, amin’ ny finoana, amin’ ny fahadiovana.

“Mandra-pihaviko tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana.

“Aza tsy mitandrina ny fanomezam-pahasoavana izao ao anatinao, izay nomena anao tamin’ ny faminaniana sy ny fametrahan-tanan[a]. …

“Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao;1ka mahareta amin’ izany; fa raha manao izany hianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.”2

Nanome torohevitra tsara ho antsika rehetra i Paoly. Aza manahy mikasika ny tsy fanananareo traikefa na izay heverinareo fa toetoetranareo, fa eritrereto ny zavatra mety ho vitanareo, miaraka amin’ ny fanampian’ ny Tompo.

Ny fotopampianarana izay nasain’ i Paoly ho ataontsika eo amin’ ny fiomanantsika ao amin’ ny fisoronana dia ny mivoky amin’ ny tenin’ i Kristy ka amin’ izay dia ho mendrika handray ny Fanahy Masina. Avy eo dia afaka mahafantatra izay tian’ny Tompo hataontsika eo amin’ ny asa fanompoantsika isika ary handray herimpo hanaovana izany koa, na inona na inona toe-javatra atrehatsika amin’ ny hoavy.

Efa omanina isika ho amin’ ny asa fanompoana ao amin’ ny fisoronana izay hihasarotra hatrany amin’ izao androntsika izao. Ohatra, hihaantitra ny nofontsika sy ny saintsika eo am-panaovana izany. Hihena ny fahafahantsika mianatra sy mahatadidy ny zavatra novakiantsika. Hitaky fifehezan-tena bebe kokoa isan’ andro isan’ andro eo amin’ ny fiainantsika ny fanomezantsika ireo asa fanompoana ao amin’ ny fisoronana izay takian’ ny Tompo amintsika. Afaka ny ho vonona amin’ izany fitsapana izany isika amin’ ny alalan’ ny fanorenana finoana amin’ ny alalan’ ny asa fanompoana ataontsika.

Nomen’ ny Tompo fahafahana isika hiomana amin’ ny alalan’ ny zavatra iray izay antsoiny hoe “fianianana sy ny fanekempihavanana izay [an’ ny] fisoronana.”3

Izany dia fanekempihavanana ataontsika amin’ Andriamanitra ny hitandrina ireo didiny sy hanolotra asa fanompoana izay ho nataony raha teto an-tany mivantana Izy. Ny fiainana izany fitsipika izany araka izay tratrantsika no hanorina ny tanjatsika ara-panahy izay ilaintsika mba hahafahana maharitra hatramin’ ny farany.

Nampiseho ahy ireo fomba hanorenana izany tanjaka izany ireo mpampiofana mahomby ao amin’ ny fisoronana: Izany dia ny fizarana handresy ny harerahana sy ny tahotra izay mety hamporisika anao hilavo lefona. Ireo mpampiofana mahombin’ ny Tompo ireo dia nampiseho tamiko fa ny fijanonana hanana hery ara-panahy dia avy amin’ ny alalan’ ny fihoarana ny tanjona raha toa ka ho niala sasatra kosa ireo hafa.

Ianareo mpitarika lehibe ao amin’ ny fisoronana izay nanorina izany tanjaka ara-panahy izany teny amin’ ireo tanoranareo dia mbola manana izany na dia efa mihaosa aza ny vatanareo.

Nanao raharaham-barotra tany amin’ ny tanàna kely iray taty Utah ny zandriko lahy indray mandeha. Nahazo antso an-telefaonina izy tao amin’ ny hôtely nisy azy avy tamin’ ny Filoha Spencer W. Kimball. Efa alina be tamin’ izay ary taorian’ ny andro izay niasan’ ny zandriko mafy ary mino koa aho fa ho toy izany koa ho an’ ny Filoha Kimball, izay nanomboka ny resaka an-telefaonina toy izao manaraka izao. Hoy izy: “Reko fa eto an-tanàna ianao. Fantatro fa efa alina be izao ary mety efa ao am-pandriana ianao, fa mba afaka manampy ahy ve ianao? Mila namana aho hiaraka amiko hijery ny endrikendrik’ ireo trano fiangonantsika manerana ny tanàna.” Nandeha niaraka taminy ny rahalahiko tamin’ izany alina izany, nefa tsy nanana fahalalana momba ny fikarakarana trano fiangonana ary tsy nahafantatra ny antony nanaovan’ ny Filoha Kimball izany taorian’ ny andro lava iray tototry ny asa na ny antony nilany fanampiana.

Taona maro taty aoriana dia nandray antso mitovitovy tamin’ izany aho tao amin’ ny hôtely iray nisy ahy tany Japon. Tamin’ izany aho dia Tompon’ andraikitra misahana ny Fampianarana ao amin’ny Fiangonana. Fantatro fa nivahiny tao amin’ izany hôtely izany koa ny Filoha Gordon B. Hinckley tamin’ izay fotoana izay nandritra ny fanatanterahany ny andraikiny tany Japon. Noraisiko ilay telefaonina, taoriana kelin’ ny nidabohan’ ny lohako teo am-pandriana, sady efa reraka nanao ny zavatra rehetra tsapako fa tratrin’ ny heriko.

Nanontany ahy ny Filoha Hinckley tamin’ ny fomba mahafinaritra izay mahazatra azy, hoe: “Nahoana ianao no matory nefa izaho ato mamaky boky ho atao printy nasaina ahitsintsika?” Ka dia nitsangana aho na dia fantatro aza fa afaka manao ny fanitsiana tsaratsara kokoa noho ny mety ho vitako ny Filoha Hinckley. Kanefa toa nampiseho ahy izy fa mila ny fanampiako.

Manontany ny mpitantsoratry ny Fiadidiana Voalohany foana ny Filoha Thomas S. Monson saika isaky ny fiafaran’ ny fivoriana rehetra hoe: “Arako tsara daholo ve ny asako?” Ary mitsiky hatrany izy rehefa mandre ny valiny hoe: “Eny ry Filoha, vitanao tsara.” Mampita hafatra ho ahy izany tsiky kelin’ ny Filoha Monson izany. Mahatonga ahy hieritrerira hoe: “Mbola misy zavatra hafa tokony hovitaiko ve amin’ ny andraikitro?” Ary dia lasa aho miverina mamonjy ny birao mba hiasa.

Nasehon’ ireo mpampianatra mahomby tamiko ny fomba hiomanana amin’ ny fitandremana ny fianianana sy ny fanekempihavanana rehefa sarotra ny manao izany satria mihatery ny fotoana sy mihalehibe ny taona. Nampiseho sy nampianatra ahy izy ireo hifehy tena mba hiasa mafy mihoatra ny eritreretiko ho vitako dieny mbola salama sy manana tanjaka.

Tsy afaka ny ho mpanompo tonga lafatra isan’ ora isan’ ora aho, kanefa afaka miezaka kosa aho manome bebe kokoa mihoatra izay heveriko fa vitako. Raha nizatra nanana izany fahazarana izany dieny mialoha isika dia ho voaomana amin’ ny fiatrehana ny fitsapana amin’ ny hoavy. Afaka miomana amin-tanjaka amin’ ny fitandremana ny fianianana sy fanekempihavanana izaho sy ianao amin’ ny alalan’ ny adina izay azo antoka fa hitranga rehefa manakaiky ny fiafaran’ny fiainana isika.

Nanatri-maso izany aho nandritra ny fivorian’ ny Filan-kevim-pitantanana misahana ny Fampianarana ao amin’ny Fiangonana. Tamin’ izany ny Filoha Spencer W. Kimball dia efa nanompo an-taonany maro kanefa mbola nandalo fanamby maro ara-pahasalamana izay i Jôba ihany no mety hahatakatra azy. Nitarika izany fivoriana izany izy.

Tampotampoka teo dia tsy niteny intsony izy. Nitolefika teo ambony sezany izy. Nikimpy ny masony. Nilofika teo amin’ ny tratrany ny lohany. Teo akaikiny aho no nipetraka. Teo akaikinay teo koa ny Loholona Holland. Nitsangana izahay mirahalahy nanampy azy. Noho ny tsy fanananay traikefa mahakasika ny famonjena olona tratran’ ny voina tsy nampoizina dia nanapa-kevitra izahay fa hibata azy, raha iny izy mbola nipetraka teo amin’ ny sezany iny, ho any amin’ ny biraony izay teo akaiky teo.

Lasa mpampianatra anay izy tamin’izany fotoana nahavoa mafy azy izany. Samy nibata ny sisin’ ny seza izahay, namakivaky ny lalantsara rehefa nivoaka ny efitrano fivorian’ ny Birao Fitantanan-draharahan’ ny Fiangonana. Nosokafany kely ny masony ary raha mbola somary verivery saina kely izy dia nilaza hoe: “Mba mitandrema ihany. Sao dia marary eo ny lamosinareo.” Rehefa tonga teo akaikin’ ny biraony izahay dia hoy izy: “Mahatsiaro ho meloka aho nanapaka iny fivoriana iny.” Minitra vitsivitsy taorian’ ny nanateranay azy tao amin’ny biraony ary raha mbola tsy nahafantatra izay nahazo azy izahay, dia nijery anay izy sady niteny hoe: “Moa ve tsy tokony hiverina any amin’ ilay fivoriana ianareo?”

Navelanay teo izy ary namonjy ilay fivoriana indray izahay, noho ny fahalalana fa ilain’ ny Tompo ny fanatrehanay izany. Niezaka nihoatra hatrany ny fetran’ ny tanjany tamin’ ny fanompoana sy ny fitiavana ny Tompo ny Filoha Kimball hatramin’ ny fahakeliny. Fahazarana nitsimoka tao anatiny tokoa izany ka teo foana rehefa nilainy. Efa vonona izy. Ary dia afaka nampianatra sy nampiseho antsika ny fomba hahavonona hitandrina ny fianianana sy ny fanekempihavavana izy, amin’ ny alalan’ ny fiomanana tsy tapaka mandritra ny taona maro amin’ ny fampiasana ireo tanjatsika amin’ ireo zavatra izay mety hiendrika ho andraikitra kely izay hitondra vokatra kely.

Ny vavaka ataoko dia enga anie isika hitandrina ny fanekempihavanan’ ny fisoronana mba hahafahantsika ho mendrika ny fiainana mandrakizay ary hahafahana koa manao izay hahamendrika ireo rehetra izay izay nasaina nampiofanintsika koa. Mampanantena aho fa raha manao izay rehetra vitanareo ianareo dia hanome tanjaka sy fahendrena anareo Andriamanitra. Hanomana anareo izy. Mampanantena anareo aho fa ireo izay hofaninareo sy hanehoanareo ohatra dia hankasitraka anareo tokoa toy ny nankasitrahako ireo mpampiofana lehibe izay fantatro.

Mijoro ho vavolombelona aho fa velona sy tia antsika Andriamanitra Ray. Fantany ianareo. Niseho tamin’ ny zazalahy kely tsy nanana traikefa, dia i Joseph Smith Izy sy i Jesoa Kristy Zanakalahiny izay efa nitsangana tamin’ ny maty. Nankinin’ Izy ireo taminy ny Famerenana amin’ ny laoniny ny fahafenoan’ ny filazantsara sy ny an’ ny fiangonana marina. Nankahery azy Izy ireo rehefa nilainy izany. Nataon’ Izy ireo izay nahatsapany famaizana feno fitiavana izay nampitraka azy tao anatin’ ny fahalavoana. Nanomana azy Izy ireo ary manomana antsika koa, hanana tanjaka hahafahantsika hiasa hahazoana ny voninahitra selestialy izay tanjona sy antony hanaovana izao asa fanompoana ao amin’ ny fisoronana izao.

Mametraka ny tsodranoko aminareo aho fa ho afaka mahafantatra ireo fahafaha-manao zavatra mampitolagaga avy amin’ Andriamanitra ianareo eo amin’ ny antso sy fanomanana anareo amin’ ny asa fanompoany sy amin’ ny fanompoana ireo hafa. Amin’ ny anaran’ ilay mpampianatra sy mpitarika malalantsika, Jesoa Kristy, amena.