2010–2019
Mampianatra araka ny Fomban’ ny Fanahy
Oktobra 2011


Mampianatra araka ny Fomban’ ny Fanahy

Na dia mpampianatra avokoa aza isika rehetra, dia mila takatsika tsara fa ny Fanahy Masina no tena mpampianatra sy vavolombelon’ ny fahamarinana rehetra.

Taona maro lasa izay dia nahare feon-jaza izaho sy ny mpiara-mitory tamiko fony tao amin’ ny Foibe Fanofanana ho Misiônera, nilaza hoe: “Bebe a! Misiônera tena izy ve ireo?” Nihodina aho nijery ilay zazavavy kely nitazona ny tanan’ ny renibeny izay nanondro ahy sy ilay mpiara-mitory tamiko. Nitsiky aho ary nanolotra ny tanako, ary nibanjina ny masony avy hatrany, sady niteny hoe: “Manahoana! Elder Richardson no anarako, ary misiônera tena izy tokoa izahay.” Lasa miramirana ny endriny rehefa nijery ahy izy, ary faly izaitsizy niaraka tamin’ ny misiônera tena izy.

Nivoaka tao amin’ izay zavatra niainako izay niaraka tamin’ny fanoloran-tena nohavaozina aho. Tiako ny ho lasa toy ilay karazana misiônera izay andrandrain’ ny Mpamonjy sy andrandrain’ ny fianakaviako, ary andrandrain’ ity zazavavy kely ity. Nandritra ny roa taona taorian’ izay, dia niasa mafy aho mba hitovy amin’ ilay misiônera tena izy, sy hieritreritra toa azy, hanao ireo zavatra araka ny fombany ary indrindra hampianatra araka ny fombany.

Rehefa nody aho dia tena lasa hita taratra teo amiko, fa na dia efa nandao ilay asa fitoriako aza aho, dia tsy mba nandao ahy ilay asa fitoriako. Raha ny marina, na dia tao anatin’ izay taona maro lasa rehetra izay aza, dia mbola tsapako hatrany fa ny fotoana nitoriako no roa taona tsara indrindra ho an’ ny fiainako. Iray tamin’ ireo zavatra niseho tsy nampoizina nandritra ny asa fitoriako izay nisy fiantraikany hatramin’ izao ny feon’ izany zazavavy izany. Saingy amin’ izao aho dia tahaka ny mandre ato an-tsaiko ny hoe: “Bebe a! mpihazona fisoronana tena izy ve ireo?” “Bebe a! vady tena izy ve io? na raim-pianakaviana tena izy ve io?” na koa hoe “Bebe a! Tena mpikamban’ ny Fiangonana marina ve io?”

Nianatra aho fa fanalahidy iray hahatongavana ho tena izy eo amin’ny lafin-javatra rehetra eo amin’ ny fiainantsika ny fahafahanantsika mampianatra amin’ ny fomba izay tsy mametra ny fianarana. Hitanao fa ny fiainana tena izy dia mitaky fianarana tena izy izay miankina amin’ ny fampianarana tena izy. “Ny andraikitra hampianatra [amim-pahombiazana] dia tsy voafetra ho an’ ireo izay manana antso ho mpampianatra ihany.”1 Raha ny marina, ny olona rehetra ao amin’ ny fianakaviana, ny mpitarika ao amin’ ny Fiangonana, ny mpikamban’ ny Fiangonana (anisan’ izany ny tanora sy ny ankizy) dia manana andraikitra hampianatra.

Na dia mpampianatra avokoa aza isika rehetra, dia mila takatsika tsara fa ny Fanahy Masina no tena mpampianatra sy vavolombelon’ ny fahamarinana rehetra. Ireo izay tsy mahatakatra izany tsara dia na miezaka miala amin’ ny Fanahy Masina ary manao ny zavatra rehetra amin’ ny alalan’ ny tenan’ izy ireo manokana, ka manasa am-panajana ny Fanahy Masina hiaraka amin’ izy ireo fa ho mpanampy fotsiny ihany, na mino izy ireo fa ny fampianarany rehetra dia avy amin’ ny Fanahy, saingy ny tena marina dia manao izany “tsy amim-piomanana akory izy ireo.” Ny ray aman-dreny rehetra, ny mpitarika, ny mpampianatra dia manana andraikitra hampianatra “amin’ ny alalan’ ny Fanahy.”2 Tsy tokony hampianatra “alohan’ ny hahatsapana ny Fanahy” na “aorian’ ny fialan’ ny Fanahy” izy ireo fa “amin’ ny alalan’ ny Fanahy” mba hahafahan’ ny Fanahy mampianatra tsy misy fetra.

I Môrônia dia nanampy antsika hahatakatra ny fomba ahafahantsika “mampianatra amin’ ny alalan’ ny Fanahy” kanefa tsy manolo na mandevona, na manala ny maha-tena mpampianatra ny Fanahy Masina. I Môrônia dia nanampy antsika hahatakatra ny fomba ahafahantsika “mampianatra amin’ ny alalan’ ny Fanahy.”3 Izany dia mitaky zavatra mihoatra noho ny fananana ny Fanahy miaraka amintsika fotsiny. Ny fitondrana ny fiainantsika “araka ny fomban’ ny” Fanahy Masina dia midika fa mila manova ny fomba fampianarantsika hitovy amin’ ny fomba fampianaran’ ny Fanahy Masina isika. Rehefa ampifanarahantsika amin’ ny fomban’ ny Fanahy Masina ny fombantsika, dia afaka mampianatra sy mijoro ho vavolombelona tsy misy fetra ny Fanahy Masina. Izany fampifanarahana manan-danja izany dia azo aseho amin’ ny alalan’ ity ohatra manaraka ity.

Taona maro lasa izay dia nihanika ny teny an-tampon’ ny tendrombohitr’ i South Sister izaho sy ny zanako, izay tendrombohitra any Oregon mirefy eo amin’ ny 3.157 metatra eo. Taorian’ ny ora maro dia tonga teo amin’ ny fiakarana mideza be teo amin’ ny 45 degré teo izahay izay rakotra vaton’ afotroa kely madinika. Efa hitanay nanangasanga ny tampony, kanefa isaky ny mandroso izahay dia toa milentika ao anatin’ ireo vatokely ny tongotray ka mahatonga anay hikorisa miverina any amin’ ny santimetatra maromaro aty aoriana indray. Nandeha mialoha ilay zanako lahy 12 taona raha toa nijanona kosa niaraka tamin’ ilay zanako vavy valo taona taty aoriana aho. Vetivety dia tonga ny harerahana sy hakiviana ary vaky fo mihitsy izy rehefa nieritreritra fa tsy ho afaka ny hamonjy ny anadahiny eny an-tampony. Ny tao an-tsaiko voalohany dia ny hibata azy. Ny fanahiko dia vonona tsara hanao izany saingy ny vatako dia reraka. Nipetraka teo ambonin’ ireo vato izahay, nandinika ny toe-javatra nianjady taminay, ary nanao drafitra vaovao. Nilaza taminy aho mba hametraka ny tanany eo amin’ ny paosiko aoriana, hitazona izany mafy tsara, ary—ny tena zava-dehibe—dia vantany vao mamindra ny tongotro aho, dia mamindra haingana izy ary mametraka ny tongony eo amin’ ny dian-tongotro. Narahiny daholo ireo fihetsiko ary niantehitra tamin’ ilay fitarihana avy tamin’ ny fametrahany ny tanany tao amin’ ny paosiko izy. Taorian’ ilay fotoana noheverina ho toy ny tsy ho tapitra dia tonga teny amin’ ny tampon’ ilay tendrombohitra ihany izahay. Tsy voavidy vola ilay fahatsapany fandresena sy fahafahampo. Ary mazava ho azy fa izy sy ilay anadahiny, araka ny hevitro dia, tena mpihanika tendrombohitra marina.

Ny fahombiazan’ ny zanako vavy dia vokatry ny ezaka mavitrika nataony ary ny fihanihany tsara araka ny fomba nihanihako. Rehefa nampifanarahiny tamin’ ny fihetsiko ny fihetsiny, dia afaka nanao fihetsika niaraka izahay, ka nahafahako nampiasa ny heriko iray manontolo. Toy izany koa no mitranga rehefa mampianatra “araka ny fomba fiasan’ ny Fanahy” isika. Rehefa ampiarahantsika amin’ ny an’ ny fomba fampianaran’ ny Fanahy Masina ny fomba fampianarantsika, dia manatanjaka antsika ny Fanahy sady voatohitohina. Miaraka amin’ ireo zavatra ireo ao an-tsaina, dia tsarovy ireto zavatra fototra roa momba ny “fiasan’ ny Fanahy” ireto izay azontsika alain-tahaka ireto.

Voalohany, ny Fanahy Masina dia mampianatra ny tsirairay amin’ ny fomba tena manokana. Izany dia mahatonga antsika hahafantatra ny fahamarinana ho an’ ny tenantsika manokana. Noho ireo zavatra samihafa ilaintsika, sy toe-javatra samihafa iainantsika, ary ny fivoarantsika samihafa, dia mampianatra ireo zavatra tsy maintsy ilaintsika ho fantatra sy atao ny Fanahy Masina mba hahafahantsika ho lasa toy ilay karazan’ olona tena tsy maintsy hahatongavantsika. Mariho tsara fa rehefa mampianatra “ny fahamarinan’ ny zavatra rehetra,”4 ny Fanahy Masina dia tsy mampianatra indray mandeha ny fahamarinana rehetra. Ny Fanahy dia mampianatra ny fahamarinana “andalana anampy andalana, fitsipika anampy fitsipika, kely etsy kely eroa.”5

Ireo izay mampianatra araka ny Fanahy dia mahatakatra fa mampianatra olona izy ireo, fa tsy lesona. Rehefa manao izany izy ireo dia lasa mahafehy ilay faniriana hampianatra izay voalaza rehetra ao anaty boky fampianarana na hampianatra ny zava-drehetra nianaran’ izy ireo mikasika ilay lohahevitra ary mifantoka kosa amin’ izay zavatra ilain’ ny fianakaviany na ny olona ao amin’ ny kilasiny ho fantatra na hatao. Ireo ray aman-dreny, sy mpitarika, ary mpampianatra izay manaraka ny fomba fampianaran’ ny Fanahy, dia mianatra haingana fa ny fampianarana tena izy dia mifono zavatra mihoatra lavitra noho ny firesahana sy filazalazana fotsiny. Vokatr’ izany, dia manao izay hijanonana kely izy ireo mba hihainoana sy hijerena tsara, ary hahafantarana izay tokony hatao manaraka.6 Rehefa manao izany izy ireo dia hanana fahafahana sady hampianatra ny mpianatra no hampianatra ny mpampianatra momba ny zavatra tokony hataon’ izy ireo sy tokony holazain’ izy ireo ny Fanahy Masina.7

Faharoa, ny Fanahy Masina dia mampianatra amin’ ny alalan’ ny fanasana antsika sy famporisihana antsika ary fanentanana antsika mba hiasa. Nanome toky i Kristy fa afaka mahafantatra ny fahamarinana isika rehefa miaina ny fotopampianarana ary manao asa mifanaraka amin’ izany.8 Ny Fanahy dia mitantana sy mitarika ary mampiseho antsika ny zavatra tokony hataontsika.9 Na izany aza anefa dia tsy hanao izay zavatra tokony ho vitan’ ny tenantsika mihitsy Izy. Ny Fanahy Masina mantsy dia tsy afaka ny hianatra ho antsika, hahatsapa zavatra ho antsika, na hiasa ho antsika satria izany dia mifanohitra amin’ ny fotopampianaran’ ny fahafahana misafidy. Afaka manamora ny fahafahana manao zavatra izy sy manasa antsika hianatra sy hahatsapa ary hiasa.

Ireo izay mampianatra araka ny fomban’ ny Fanahy dia hanampy ny hafa amin’ ny alalan’ ny fanasana sy famporisihana ary amin’ ny alalan’ ny fanomezana azy ireo tombontsoa hampiasa ny fahafahana misafidy. Ny ray aman-dreny, sy ny mpitarika, ary ny mpampianatra dia samy nahatsapa fa izy ireo dia tsy afaka ny hahatsapa, ny hianatra, na ny hibebaka akory aza ho an’ ny fianakaviany, na ny mpiara-mivavaka aminy, na ny mpianany ao an-dakilasy. Alohan’ ny hametrahan’ izy ireo fanontaniana hoe: “Inona no azoko atao ho an’ ny zanako, na ho an’ ny olona ao amin’ ny kilasy, na ho an’ ny hafa?” dia mametraka fanontaniana izy ireo hoe: “Ahoana no hanasako sy hanampiako ireo izay manodidina ahy hianatra ho an’ ny tenan’ izy ireo?” Ireo ray aman-dreny izay maka tahaka ny fiasan’ ny Fanahy Masina dia mamorona tokantrano izay ianaran’ ny fianakaviana mampihatra fitsipika fa tsy mianatra fitsipika fotsiny. Torak’ izany koa, ny mpampianatra dia manampy ny mpianatra hahatakatra sy hiaina ireo fotopampianaran’ ny filazantsara fa tsy hilazalaza momba azy ireny fotsiny. Ny Fanahy Masina dia tsy voafetra rehefa mampihatra araka ny tokony ho izy ny fahafahan’ izy ireo misafidy ny olona tsirairay.

Raha ny zavatra iainana eto amin’ izao tontolo izao ankehitriny, dia mila mafy fahalalana sy fampianarana tena marina isika ao amin’ ny tokantranontsika sy ny fivoriantsika ary any amin’ ny kilasy fianarantsika ny filazantsara. Fantatro fa ny fikatsahanareo ny hanatsara ny fampianarana dia toa mavesatra ihany indraindray. Aza kivy amin’ ny fivoaranareo. Tsaroako ilay zavatra niainako nandritra ny fihanihako tendrombohitra niaraka tamin’ ireo zanako. Miara-manaiky izahay fa isaky ny mijanona maka aina dia ny mitodika mijery ny manodidina sy mijery ny eny ambanin’ ny tendrombohitra no ataonay, raha toa kosa ka tokony hifantoka amin’ ny halavirana izay mbola tokony ho aleha. Afaka mijery ny zava-bita isika ary mifampiresaka hoe: “Jereo ny halavirana efa vitantsika.” Ary avy eo isika dia hisento lalina, hitodika haingana manatrika ilay havoana, ary hanomboka hihanika tsikelikely indray. Ry rahalahy sy anabavy, afaka mitondra vokatra sy mitarika, ary mampianatra araka ny fomba fiasan’ ny Fanahy isika. Fantatro fa afaka manao izany ianareo. Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa afaka manao izany ianareo ary hisy fiainana hiova.

Voatahy tamin’ ny alalan’ ireo mpampianatra tena izy ny fiainako izay nampianatra niaraka tamin’ ny Fanahy ary indrindra tamin’ ny alalan’ ny Fanahy ny fiainako. Manasa anareo aho mba hampifanaraka ny fomba fampianaranareo araky ny fomban’ ny Fanahy Masina ao amin’ izay rehetra ataonareo. Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika ary ny filazantsarany dia naverina tamin’ ny laoniny. Noho izany dia tsy maintsy ray aman-dreny tena izy, mpitarika tena izy, mpampianatra tena izy, ary mpianatra tena izy marina isika. Mijoro ho vavolombelona aho fa Andriamanitra dia hanampy antsika amin’ ny ezaka ataontsika, amin’ ny anaran’ ny Mpamonjy antsika Jesoa Kristy, amena.