2010–2019
Ireo Fampianaran’ i Jesoa
Oktobra 2011


Ireo Fampianaran’ i Jesoa

I Jesoa Kristy no ilay Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra sy Zanaka Malalany. … Izy no Mpamonjy antsika tamin’ ny fahotana sy fahafatesana. Izany no fahalalana manan-danja indrindra eto an-tany.

“Ahoana no hevitrareo ny amin’ i Kristy?” (Matio 22:42). Nampikorontan-tsaina an’ ireo Fariseo tamin’ ny andron’ i Jesoa izany teny nampiasainy izany. Amin’ ny alalan’ ireo teny ireo ihany koa no anontaniako ireo namako Olomasin’ ny Andro Farany sy ireo Kristianina hafa hoe inona marina no inoanareo momba an’ i Jesoa Kristy ary inona no ataonareo vokatr’ izany finoana izany.

Avy ao amin’ ny Baiboly ny ankamaroan’ ny soratra masina holazaiko eto, satria mahazatra ny Kristianina rehetra izany. Mazava ho azy fa ny fanazavako dia hosintonina avy amin’ ireo soratra masina maoderina, toy ny Bokin’ i Môrmôna, izay mampianatra antsika ny dikan’ ny soratra masina ao amin’ ny Baiboly izay toa saro-takarina tokoa ka mahatonga ireo Kristianina samihafa tsy hitovy hevitra amin’ ny dikany. Hiresaka amin’ ireo mpino aho sy amin’ ireo hafa ihany koa. Araka ny nampianarin’ ny Loholona Tad R. Callister anikeheo maraina dia maro ireo Kristianina no mandray an’ i Jesoa ho ilay mpampianatra lehibe kanefa mandà ny maha-Andriamanitra Azy. Mba hiresahana amin’ izy ireo dia nampiasa ireo tenin’ i Jesoa mivantana mihitsy aho. Tokony ho eritreretintsika ny zavatra nampianarin’ ny Tenany mikasika ny hoe, iza Izy ary inona no nanirahana Azy tety an-tany.

Zanaka Lahitokana

Nampianatra i Jesoa fa Izy no Zanaka Lahitokana. Hoy Izy hoe:

“Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.

“Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’ izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao” (Jaona 3:16–17).

Nanamafy izany Andriamanitra Ray. Tao anatin’ ilay fahatanterahan’ ilay zava-niseho tena masina teo amin’ ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy, dia nanambara avy any an-danitra Izy hoe: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy” (Matio 17:5).

Nampianatra ihany koa i Jesoa fa ny endriny dia toa ny an’ ny Ray. Nilaza tamin’ ny Apôstôliny Izy hoe:

“Raha nahafantatra Ahy hianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin’ izao dia mahafantatra Azy hianareo sady efa nahita Azy.

“Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay.

“Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray” (Jaona 14:7–9).

Noho izany ny Apôstôly Paoly dia namaritra ny Zanakalahy ho toy ny “endriky ny tenan [‘Andriamanitra Ray] indrindra” (Hebreo 1:3; jereo koa ny 2 Korintiana 4:4).

Mpahary

Nanoratra ny Apôstôly Jaona fa i Jesoa, izay antsoiny hoe “ny Teny,” “dia tao amin’ Andriamanitra tamin’ ny voalohany. Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza” (Jaona 1:2–3). Noho izany dia i Jesoa Kristy no ilay Mpahary ny zava-drehetra, tao anatin’ ny drafitry ny Ray.

Tompo Andriamanitr’ i Isiraely

Nandritra ny asa fanompoana nataony tamin’ ny vahoaka Palestiniana dia nanambara i Jesoa fa Izy no Jehovah, ilay Tompo Andriamanitr’ i Isiraely (jereo ny Jaona 8:58). Taty aoriana rehefa nitsangana tamin’ ny maty ny Tompo dia nanompo teo anivon’ ny vahoaka tany amin’ ny kaontinanta Amerikana koa. Nanambara tamin’ ireo Izy hoe:

“Indro, Izaho no Jesoa Kristy izay nambaran’ ny mpaminany fa ho avy eo amin’ izao tontolo izao. …

“… Izaho no Andriamanitr’ i Isiraely sy Andriamanitry ny tany manontolo” (3 Nefia 11:10, 14).

Inona no Nataony ho Antsika

Nihaona tamin’ ny vehivavy iray izay aho nandritra ny fihaonamben’ ny tsatòka iray taona maro lasa izay. Nilaza izy fa notaomina hiverina ato am-piangonana taorian’ ny taona maro nanalavirany izany nefa tsy mahita antony tokony hanaovany izany. Mba hanomezana famporisihana azy dia nilaza aho hoe: “Rehefa eritreretinao ireo zava-drehetra nataon’ ny Mpamonjy ho antsika, moa ve tsy manana antony maro hiverenana ato am-piangonana ianao mba hitsaoka sy hanompo Azy?” Gaga tamin’ ny valinteniny aho: “Fa inona no nataony ho ahy?” Ho an’ ireo izay tsy mahatakatra ny zavatra nataon’ ny Mpamonjy ho antsika dia hovaliako amin’ ny alalan’ izay teny nolazainy mihitsy izany fanontaniana izany sy amin’ ny alalan’ ny fijoroako ho vavolombelona.

Fiainana ho an’ Izao Tontolo Izao

Noraketin’ ny Baiboly ny fampianaran’ i Jesoa manao hoe: “Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be” (Jaona 10:10). Taty aoriana, tany amin’ ny Tany Vaovao dia nanambara Izy hoe: “Izaho na Fahazavana sy Fiainan’ izao tontolo izao” (3 Nefia 11:11). Izy no Fiainan’ Izao Tontolo Izao satria Izy no mpahary antsika ary satria, tamin’ ny alalan’ ny Fitsanganany tamin’ ny maty, dia azo antoka fa hiaina daholo indray isika. Ary tsy vitan’ ny fiainana an-tany fotsiny ilay fiainana izay atolony antsika. Nampianatra Izy hoe: “Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ ny tànako” (Jaona 10:28; jereo koa ny Jaona 17:2).

Fahazavan’ Izao Tontolo Izao

Nampianatra koa i Jesoa hoe: “Izaho no fahazavan’ izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ aina” (Jaona 8:12). Mbola nanambara koa izy hoe: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6). Izy no Lalana sy Fahazavana satria manazava ny lalantsika eto amin’ ny fiainana an-tany ny fampianarany ary mampiseho antsika ny fomba hiverenana any amin’ ny Ray.

Manao ny Sitrapon’ ny Ray

Nanaja ny Ray sy nanaraka Azy lalandava i Jesoa. Na tamin’ ny fahatanorany aza dia nilaza tamin’ ireo ray aman-dreniny teto an-tany Izy hoe: “Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ ny Raiko Aho?” (Lioka 2: 49). “Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho,” hoy Izy nampianatra taty aoriana “mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’ Izay naniraka Ahy” (Jaona 6:38; jereo koa ny Jaona 5:19). Ary dia nampianatra ny Mpamonjy hoe: “Tsy misy olona mankany amin’ ny Ray, afa-tsy amin’ ny alalako” (Jaona 14:6; jereo koa ny Matio 11:27).

Hiverina any amin’ ny Ray isika amin’ ny alalan’ ny fanaovana ny Sitrapony. Nampianatra i Jesoa hoe: “Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ ny Raiko Izay any an-danitra” (Matio 7:21). Nanazava Izy hoe:

“Maro no hanao amiko amin’ izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin’ ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia tamin’ ny anaranao va izahay? ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin’ ny anaranao va izahay?

“Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, hianareo mpanao meloka” (Matio 7:22–23).

Iza ary ireo hiditra ny fanjakan’ ny lanitra? Tsy ireo izay manao asa mahagaga ka mampiasa ny anaran’ ny Tompo araky ny nampianarin’ i Jesoa akory izany, fa ireo “izay manao ny sitrapon’ ny Raiko Izay any an-danitra [ihany].”

Ilay Ohatra Lehibe Fakan-tahaka

Nampisehon’ i Jesoa antsika ny fomba hanaovana izany. Namerimberina hatrany ny fanasany antsika hanaraka Azy Izy: “Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy” (Jaona 10:27).

Ny Herin’ ny Fisoronana

Nomeny ny herin’ ny fisoronana ny Apôstôliny (jereo ny Matio 10:1) ary ireo hafa koa. Hoy Izy tamin’ i Petera, ilay Apôstôly ela indrindra: “Homeko anao ny fanalahidin’ ny fanjakan’ ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao etỳ ambonin’ ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao etỳ ambonin’ ny tany dia hovahana any an-danitra” (Matio 16:19; jereo koa ny Matio 18:18).

I Lioka dia nirakitra hoe: “ny Tompo nanendry… fito-polo lahy [koa], ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin’ ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany” (Lioka 10:1). Taty aoriana ireo Fitopololahy ireo dia nanao tatitra tamim-pifaliana tamin’ i Jesoa hoe: “Na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao” (Lioka 10:17). Vavolombelon’ izany herin’ ny fisoronana izany aho.

Fitarihana avy amin’ ny Fanahy Masina

Tany amin’ ny fiafaran’ ny asa fanompoana nataony teto an-tany dia nampianatra ny Apôstôliny i Jesoa hoe: “Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ ny Ray amin’ ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo” (Jaona 14:26), ary “Izy no hitari-dàlana anareo ho amin’ ny marina rehetra” (Jaona 16:13).

Fitarihana amin’ ny alalan’ ny Didiny

Mitarika antsika amin’ ny alalan’ ny didiny koa Izy. Noho izany, dia nandidy ireo Nefita Izy mba tsy hifanditra intsony izy ireo mikasika ireo lafin-javatra ao anatin’ ny fotopampianarana, satria hoy Izy hoe:

“Izay manana ny fanahin’ ny fifandirana dia tsy Ahy fa an’ ny devoly kosa, izay rain’ ny fifandirana, ary mamoky ny fon’ ny olona izy mba hifanditra amim-pahatezerana izy samy izy.

“Indro, tsy fotopampianarako ny mamoky ny fon’ ny olona ho tezitra ka hifanohitra izy samy izy; fa izao kosa no fotopampianarako dia ny hampitsaharana ny zavatra toy izany” (3 Nefia 11:29–30).

Fifantohana amin’ ny Fiainana Mandrakizay

Nanome fanamby antsika koa Izy mba hifantoka Aminy fa tsy amin’ ny zavatr’ izao tontolo izao. Tao anatin’ ilay toriteny lehibe nataony mikasika ny mofon’ ny fiainana dia nanazava ny fahasamihafana eo amin’ ny sakafo mahavelona eto an-tany sy ny sakafo mahavelona mandrakizay Izy. “Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona,” hoy Izy, “fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen’ ny Zanak’ olona anareo” (Jaona 6:27). Nampianatra ny Mpamonjy fa Izy no Mofon’ ny Fiainana, ilay loharanon’ ny sakafo mahavelona mandrakizay. Raha mikasika ny sakafo mahavelona eto an-tany izay aroson’ izao tontolo izao, ary ao anatin’ izany ny mana izay nalefan’ i Jehovah namahanana ny zanak’ i Isiraely tany an-tany efitra dia nampianatra i Jesoa fa ireo izay niantehitra tamin’ izany mofo izany dia efa maty ankehitriny (jereo ny Jaona 6:49). Mifanohitra amin’ izany kosa ilay sakafo atolony izay “mofo velona izay nidina avy tany an-danitra,” ary nampianatra i Jesoa hoe: “raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy” (Jaona 6:51).

Nilaza ireo mpianany sasantsasany fa “sarotra izany teny izany,” ary nanomboka tamin’ izany fotoana izany dia maro tamin’ ireo mpanara-dia azy no “nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony” (Jaona 6:60, 66). Araky ny hita dia tsy neken’ izy ireo ilay fampianarana tany aloha hoe tokony “[hikatsaka] … aloha ny fanjakan [‘Andriamanitra]” (Matio 6:33) izy ireo. Ankehitriny koa aza, ireo izay manonona ny tenany ho Kristianina dia voasariky ny zavatr’ izao tontolo izao—ireo zavatra izay mahavelona eto an-tany saingy tsy manome ilay sakafo mahavelona mitondra any amin’ ny fiainana mandrakizay. Ho an’ ny sasany dia natao ho antony tsy hanarahana an’ i Kristy ireo “teny sarotra” nataony ireo.

Ny Sorompanavotana

Ny faratampony indrindra tamin’ ny asa fanompoan’ ny Mpamonjy teto an-tany dia ny Fitsanganany tamin’ ny maty sy ny Sorompanavotany ho an’ ny fahotan’ izao tontolo izao. Naminany izany i Jaona Mpanao Batisa rehefa nilaza hoe: “Indro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao” (Jaona 1:29). Taty aoriana i Jesoa dia nampianatra fa “ny Zanak’ olona [dia] tonga … hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro” (Matio 20:28). Nandritra ny Fanasana Farany araky ny fitantaran’ i Matio, dia nanazava i Jesoa fa ilay divay nohamasininy dia tsy inona fa hoe: “ity no rako, dia ny amin’ ny fanekena, izay alatsaka ho an’ ny maro ho famelan-keloka” (Matio 26:28).

Rehefa niseho tamin’ ireo Nefita ny Tompo izay efa nitsangana tamin’ ny maty, dia nanasa azy ireo handroso sy hitsapa ny ratra teo amin’ ny lanivoany sy ireo diam-pantsika teo amin’ ny tanany sy ny tongony. Nanao izany izy araka ny fanazavany: “Mba hahafantaranareo fa Izaho no Andriamanitr’ i Isiraely sy Andriamanitry ny tany manontolo, ary efa novonoina noho ny fahotan’ izao tontolo izao” (3 Nefia 11:14). Ary araky ny voarakitra ao amin’ ny tantara, dia lavo “teo an-tongotr’ i Jesoa izy ireo sy nitsaoka Azy” (andininy 17). Noho izany dia hitsaoka Azy tanteraka ny eto amin’ izao tontolo izao iray manontolo.

Nampianatra fahamarinana sarobidy maro mikasika ny Sorompanavotany koa i Jesoa. Ny Bokin’ i Môrmôna, izay manome antsipiriany bebe kokoa mikasika ireo fampianaran’ ny Mpamonjy sy manome fanazavana tena tsara mikasika ny asa nanirahana Azy, dia milaza hoe:

“Ary naniraka Ahy ny Raiko mba hahazoana manandratra Ahy eo amin’ ny hazofijaliana …, mba hahazoako misintona ny olon-drehetra aty Amiko, …

“… mba hotsaraina amin’ ny asany.

“Ary … na zovy na zovy no mibebaka sy atao batisa amin’ ny anarako dia ho henika; ary raha maharitra hatramin’ ny farany izy, dia indro, izy no hotanako tsisy tsiny eo anoloan’ ny Raiko amin’ io andro io rehefa hitsangana Aho hitsara izao tontolo izao. …

“Ary tsy misy zavatra tsy madio afaka miditra ao amin’ ny fanjakan[‘ ny Ray]; koa tsy misy na inona na inona miditra ao amin’ ny fitsaharany afa-tsy ireo izay efa nanasa ny fitafiany tamin’ ny rany, noho ny finoany sy ny fibebahana tamin’ ny fahotany rehetra ary ny fahatokiany hatramin’ ny farany” (3 Nefia 27:14–16, 19).

Ary dia takatsika fa manome antsika fahafahana handresy ny fahafatesana ara-panahy izay vokatry ny fahotana ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy ary amin’ ny alalan’ ny fanaovana sy fitandremana ireo fanekempihavanana masina dia hahazo ny fitahian’ ny fiainana mandrakizay isika.

Fanamby sy Fijoroana ho Vavolombelona

I Jesoa dia nampanao ilay fanamby hoe: “Ahoana no hevitrareo ny amin’ i Kristy?” (Matio 22:42). Nampanao fanamby an’ ireo olona avy tao Korinto ny Apôstôly Paoly manao hoe: “Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ ny finoana hianareo, na tsia” (2 Korintiana 13:5). Samy tokony hamaly ireo fanamby ireo ho an’ ny tenantsika isika tsirairay. Aiza ilay fahitsim-po aman-tsaintsika tanteraka? Moa ve isika toy ireo Kristianina arak’ ilay famaritana tsy hay hadinoana nataon’ ny Loholona Maxwell hoe namindra ny tena tranony tany Ziona kanefa mbola manana trano fialan-tsasatra any Babylona. 1

Tsy misy ny faritra hoe tsy miandany amin’ ny atsy na ny aroa ao amin’ izany. Mpanara-dia an’ i Jesoa Kristy isika. Isika dia mizaka ny zom-pirenena ao amin’ ny Fiangonany sy ny Filazantsarany, ary tsy tokony haka fahazoan-dalana hitsidika an’ i Babylona isika na haneho fitondrantena toy ireo olom-pirenen’ izany tanàna izany. Tokony hanaja ny Anarany isika, hitandrina ny didiny ary “[tsy hikatsaka] ny zavatr’ izao tontolo izao fa [hikatsaka] … aloha ny hanorina ny fanjakan’ Andriamanitra, sy ny hampitoetra ny fahamarinany” (Matio 6:33, fanovozan-kevitra eny amin’ ny farany ambanin’ ny pejy a; avy ao amin’ ny Dikantenin’ i Joseph Smith, Matio 6:38).

I Jesoa Kristy no ilay Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra sy Zanaka Malalany. Izy no Mpahary antsika. Izy ilay Mpahary antsika. Izy no Fahazavan’ Izao Tontolo Izao. Izy no Mpamonjy antsika tamin’ ny fahotana sy fahafatesana. Izany no fahalalana manan-danja indrindra eto an-tany, ary afaka mahafantatra mivantana izany ianao toy ny ahafantarako mivantana izany. Ny Fanahy Masina izay mijoro ho vavolombelona momba ny Ray sy ny Zanaka ary mitarika antsika amin’ ny fahamarinana, dia nanambara ireo fahamarinana ireo tamiko, ary hanambara izany aminao koa. Ny fomba hahatongavana amin’ izany dia amin’ ny alalan’ ny faniriana sy fankatoavana. Raha eo amin’ ny lafiny faniriana dia nampianatra i Jesoa hoe: “Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dòndòny dia hovohana ianareo” (Matio 7:7). Raha eo amin’ ny lafiny fankatoavana dia nampianatra Izy hoe: “Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ ny fampianarana izy, na avy amin’ Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho” (Jaona 7:17). Mijoro ho vavolombelona amin’ ny fahamarinan’ ireo zavatra ireo aho amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.

  1. Jereo ny Neal A. Maxwell, A Wonderful Flood of Light (1990), 47.