2010–2019
Ny Bokin’ i Môrmôna—Boky iray avy amin’ Andriamanitra
Oktobra 2011


Ny Bokin’ i Môrmôna—Boky iray avy amin’ Andriamanitra

Rehefa miaraka amin’ ny Baiboly ny Bokin’ i Môrmôna dia vavolombelon’ ireo fotopampianaran’ i Kristy sy ny maha-Andriamanitra Azy izany.

Taona maro lasa izay no sambany nandraisan’ ilay dadan’ ny dadan’ ny dadabeko tahadikan’ ny Bokin’ i Môrmôna. Nosokafany teo afovoany izany ary namaky pejy vitsivitsy izy. Dia nanambara izy hoe: “Na ity boky ity nosoratan’ Andriamanitra na nosoratan’ ny devoly, ka dia ho karohako hoe iza no nanoratra izany.” Namaky izany in-droa izy nandritra ny 10 andro taorian’ izany ary dia nanambara hoe: “Tsy vitan’ ny devoly ny nanoratra an’ ity—tsy maintsy avy amin’ Andriamanitra ity.”1

Izany no zavatra mampiavaka ny Bokin’ i Môrmôna—tsy misy zavatra eo anelanelany. Na izany tenin’ Andriamanitra araka ny ambara na izany boky feno fitaka tanteraka. Ity boky ity dia tsy manambara tsotra fotsiny ny tenany ho toy ny asa soratra momba ny fitsipi-pitondrantena na fanehoan-kevitra mikasika ny finoana an’ Andriamanitra na amboaran-drakitsoratra mifono fampahalalan-javatra maro. Manambara ny tenany ho tenin’ Andriamanitra izany—ny fehezanteny rehetra, ny andininy rehetra ary ny pejy rehetra. Nanambara i Joseph Smith fa nisy anjely iray nitarika azy hankany amin’ ireo takelaka volamena izay ahitana ny rakitsoratr’ ireo mpaminany tany Amerika fahiny ary nadikany tamin’ ny alalan’ ny herin’ Andriamanitra ireo takelaka ireo. Raha marina izany tantara izany dia soratra masina izany ny Bokin’ i Môrmôna, toy ny efa voalazany. Raha tsia, dia boky tsara endrika fotsiny izany fa ny ao anatiny mifono fitaka mamohehatra.

I C. S. Lewis dia niresaka safidy roa mahasanganehana mitovy amin’ izany izay nianjady tamin’ ny olona iray izay tsy maintsy nisafidy na hanaiky na handà ny maha-Andriamanitra ny Mpamonjy—ary tsy misy zavatra eo anelanelany koa izany: “Miezaka aho eto mba hampitandrina ny rehetra tsy hilaza zavatra tena adaladala izay matetika filazan’ ny olona momba Azy: ‘ Vonona ny hanaiky an’ i Jesoa amin’ ny maha-mpampianatra lehibe Azy mikasika ny fitsipi-pitondrantena aho, saingy tsy ekeko ny fanambarany fa Andriamanitra Izy. ‘ Izany no zavatra anankiray izay tsy tokony holazaintsika. Ny olona iray izay olombelona tsotra fotsiny izao nefa nilaza karazan-javatra toy ny nolazain’ i Jesoa dia tsy ho mpampianatra lehibe mikasika ny fitsipi-pitondrantena mihitsy. … Tsy maintsy manao ny safidinao ianao. Na izany olona izany Zanak’ Andriamanitra: na olona adala iray na ratsy kokoa noho izany aza. … Saingy aoka isika tsy hilaza zavatra tsy voahevitra mikasika ny maha-mpampianatra lehibe ny olombelona azy. Tsy navelany hitoetra eo amintsika izany fomba fihevitra izany. Tsy nikasa ny hanao izany Izy.”2

Toy izany koa isika, tsy maintsy manao safidy tsotra mikasika ny Bokin’ i Môrmôna—na izany avy amin’ Andriamanitra na avy amin’ ny devoly. Tsy misy safidy hafa. Manasa anareo aho mandritra ny fotoana fohy mba hanao fitsapana kely izay hanampy anareo hahafantatra ny toetoetra marin’ izany boky izany. Anontanio ny tenanao raha toa ity soratra masina manaraka avy ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna ity ka mampanakaiky anao amin’ Andriamanitra na amin’ ny devoly:

“Mivokisa amin’ ny tenin’ i Kristy, fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’ i Kristy” (2 Nefia 32:3).

Na ireto teny be fitiavana nataon’ ny ray anankiray tamin’ ny zanany lahy ireto: “Ary ankehitriny, ry zanako, tsarovy, tsarovy fa eo amin’ ny vatolampin’ ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra, no tsy maintsy anorenanareo ny fototrareo” (Helamàna 5:12).

Na ireto tenin’ ny mpaminany iray ireto: “Manatòna an’ i Kristy ary aoka ho tanteraka ao Aminy” (Môrônia 10:32).

Mety ho ny devoly ve no nanoratra ireo teny avy amin’ ny Bokin’ i Môrmôna ireo? Rehefa avy nandroaka devoly vitsivitsy ny Mpamonjy dia nilaza ireo Fariseo fa “tamin’ ny alalan’ ny Belzeboba mpanjakan’ ny devoly” no nanaovany an’ izany. Namaly ny Mpamonjy fa hevitra tsy mitombina izany: Hoy izy hoe: “Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra … izay miady an-trano.” Ary ity no namaranany Azy: “Ary raha Satana no mamoaka an’ i Satana, dia miady an-trano izy; ka ahoana no haharetan’ ny fanjakany?” (Matio 12:24–26; nampiana fanamafisana.)

Raha toa ireo soratra masina avy ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna voalaza teo aloha teo ka mampianatra antsika hitsaoka sy hitia ary hanompo ny Mpamonjy (izay izany mihitsy no ataony), dia ahoana no ahafahan’ izany ho avy amin’ ny devoly? Raha izany no miseho dia hampizarazara ny tenany izy ary dia hamotika ny fanjakany, ary izay ilay fepetra mazava izay nolazain’ ny Mpamponjy fa tsy afaka ny hisy. Ny famakiana amin-kitsimpo sy amin’ ny saina misokatra ny Bokin’ i Môrmôna dia hitondra any amin’ ilay fehin-kevitra mitovy amin’ ny an’ ny dadan’ ny dadan’ ny dadabeko manao hoe: “Tsy vitan’ ny devoly ny nanoratra an’ ity—tsy maintsy avy amin’ Andriamanitra ity.”

Saingy nahoana no tena ilaina ny Bokin’ i Môrmôna raha toa isika ka efa manana ny Baiboly mba hampianatra antsika momba an’ i Jesoa Kristy? Efa mba nanontany tena ve ianao hoe, fa maninona no tena maro ireo fiangonana Kristianina manerana an’ izao tontolo izao ankehitriny raha toa ka avy ao amin’ ilay Baiboly mitovy ihany no ahazoan’ izy ireo ireo fotopampianarany? Satria tsy mitovy ny fomba handikan’ izy ireo izay lazain’ ny Baiboly. Raha mitovy ny fandikan’ izy ireo izany dia hitovy ny fiangonan’ izy ireo. Tsy fepetra iray izay tian’ ny Tompo anefa izany, satria i Paoly Apôstôly dia nanambara fa “iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa” (Efesiana 4:5). Mba hahatanteraka izany fitambarana ho iray izany dia nametraka lalàna masin’ ny vavolombelona ny Tompo. Nampianatra i Paoly hoe: “Amin’ ny tenin’ ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny rehetra” (2 Korintiana 13:1).

Ny Baiboly dia vavolombelona iray momba an’ i Jesoa Kristy ary ny Bokin’ i Môrmôna dia anankiray hafa. Nahoana no zava-dehibe ilay vavolombelona faharoa? Ity ohatra manaraka ity dia mety hanampy: Firy ny isan’ ny tsipika mahitsy azonao atao miala avy amin’ ny teboka iray eo amin’ ny taratasy iray? Ny valiny dia isa tsy manam-petra. Eritrereto mandritra ny fotoana fohy hoe izany teboka iray monja izany dia maneho ny Baiboly ary ireo tsipika mahitsy an-jatony maro avy eo amin’ ilay teboka dia maneho ny fandikana samihafa ny Baiboly ary ireo dikanteny samihafa ireo dia samy maneho fiangonana iray hafa.

Inona no mitranga anefa raha toa ka misy teboka faharoa eo amin’ izany taratasy izany izay maneho ny Bokin’ i Môrmôna? Firy ny isan’ ny tsipika mahitsy azonao faritana eo anelanelan’ ireo teboka ifantohana ireo—ny Baiboly sy ny Bokin’ i Môrmôna? Iray ihany. Dikanteny iray ihany momba ireo fotopampianaran’ i Kristy no afaka hisy noho ny fijoroana ho vavolombelon’ ireo vavolombelona roa ireo.

Averina indray fa ny Bokin’ i Môrmôna dia toy ny vavolombelona mitondra fanamafisana sy fanazavana ary fampiraisana mikasika ireo fotopampianarana nampianarina tao amin’ ny Baiboly ka noho izany dia tsy misy afa-tsy hoe “iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa.” Ohatra, misy olona sasany izay mikorontan-tsaina ny amin’ ny hoe ilaina ho an’ ny famonjena ve sa tsia ny batisa na dia nambaran’ ny Mpamonjy tamin’ ny Nikodemosy aza hoe: “Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra” (Jaona 3:5). Ny Bokin’ i Môrmôna, anefa, dia manala ireo ahiahy rehetra mikasika izany zavatra izany: “Ary mandidy ny olon-drehetra Izy ny tsy maintsy hibebahany sy hanaovana batisa azy amin’ ny anarany, … fa raha tsy izany dia tsy ho azo vonjena ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra izy” (2 Nefia 9:23).

Misy fomba fanaovana batisa maro eto amin’ izao tontolo izao ankehitriny na dia lazain’ ny Baiboly amintsika aza ny fomba nanaovana batisa ny Mpamonjy izay Ilay Ohatra lehibe ho antsika: “Dia niakatra avy teo amin’ ny rano niaraka tamin’ izay Izy” (Matio 3:16). Moa ve Izy afaka nivoaka avy tao anaty rano raha tsy nidina tao anaty rano aloha? Mba hisorohana ny tsy fitovian-kevitra mikasika izany lohahevitra izany dia hazavain’ ny Bokin’ i Môrmôna amin’ ny alalan’ ity fanambarana tonga dia mahitsy mikasika ny fotopampiarana ity ny fomba tena hanaovana batisa: “Ary amin’ izany ianareo dia hanitrika azy ao anaty rano” (3 Nefia 11:26).

Maro ireo olona mino fa tapitra niaraka tamin’ ny Baiboly ny fanomezana fanambarana na dia vavolombelon’ ny lamin’ Andriamanitra mikasika ny fanomezana fanambarana tao anatin’ ny 4.000 taona mahery niainan’ ny olombelona aza ny Baiboly. Saingy ny fotopampianarana diso toy izany dia tahaka ny daomy iray izay domina ka mahatonga ny ambin’ ny daomy hafa rehetra hianjera na raha eto amin’ ity lafiny iray ity izy dia mahatonga ny fianjeran’ ireo fotopampianarana marina. Ny finoana ny fahataperan’ ny fanomezana fanambarana dia miteraka ny fianjeran’ ilay fotopampianarana hoe: “Andriamanitra dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay” (Môrmôna 9:9). Izany dia miteraka ny fianjeran’ ilay fotopampianarana nampianarin’ i Amosa hoe: “Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ ny mpaminany mpanompony” (Amosa 3:7); ary miteraka ny fianjeran’ ilay fotopampianarana hoe: “Tsy mizaha tavan’ olona Andriamanitra” (Asan’ ny Apôstôly 10:34) ary noho izany dia miresaka amin’ ny olona rehetra ao anatin’ ny vanim-potoana rehetra. Saingy ny Bokin’ i Môrmôna dia namerina tamin’ ny toerany ilay fahamarinana ao amin’ ny Baiboly mikasika ny fitohizan’ ny fanambarana:

“Ary miteny koa aminareo izay mandà ny fanambaran’ Andriamanitra aho, ary milaza fa efa atsahatra izany, fa tsy misy fanambarana. …

“Moa tsy vakintsika fa Andriamanitra no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay … ?” (Môrmôna 9:7, 9).

Amin’ ny teny hafa dia hoe raha toa Andriamanitra, izay tsy miova, ka niteny tamin’ ny andro fahiny dia hiteny koa Izy amin’ izao andro izao.

Mitohy hatrany hatrany ny lisitr’ ireo fanamafisana sy fanazavana ara-potopampianarana saingy tsy misy amin’ izy ireo mahery vaika sy manohina ny fo toy ireo fanambaran’ ny Bokin’ i Môrmôna mikasika ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy. Moa ve ianao te-handraikitra ao am-ponao ny fijoroana ho vavolombelona tsy azo lavina fa ny Mpamonjy dia nidina tambanin’ ny fahotanao ary tsy misy fahotana na toe-javatra sarotra ka tsy takatry ny Sorompanavotany feno famindram-po—fa ho an’ ny tsirairay amin’ ny olanao dia manana fanefitra izay mifono hery fanasitranana faran’ izay lehibe Izy? Vakio ary ny Bokin’ i Môrmôna. Hampianatra anao sy hijoro ho vavolombelona aminao izany fa ny Sorompanavotan’ i Kristy dia tsy manam-petra satria mahafehy sy mahatakatra ary lehibe kokoa no izay mety ho fahalemena eto an-tany izay fantatry ny olona izany. Izay no antony nanambaran’ ny mpaminany Môrmôna hoe: “Hanana fanantenana ianareo amin’ ny alalan’ ny sorompanavotan’ i Kristy” (Môrônia 7:41).

Tsy mahagaga raha toa ny Bokin’ i Môrmôna ka manambara amim-pahasahiana hoe: “Ary raha mino an’ i Kristy ianareo dia hino ireto teny ireto, satria tenin’ i Kristy ireo” (2 Nefia 33:10). Rehefa miaraka amin’ ny Baiboly ny Bokin’ i Môrmôna dia vavolombelon’ ireo fotopampianaran’ i Kristy sy ny maha-Andriamanitra Azy izany. Rehefa miaraka amin’ ny Baiboly izany dia “mampianatra ny olon-drehetra mba hanao ny tsara” (2 Nefia 33:10). Rehefa miaraka amin’ ny Baiboly izany dia mitondra antsika ao amin’ ilay hoe “Tompo iray, finoana iray, batisa iray.” Izay no antony maha-zava-dehibe ny Bokin’ i Môrmôna.

Taona maro lasa izay dia nanatrika ny fotoam-pivavahantsika tany Toronto, Canada aho. Ankizivavy 14 taona no mpandahateny. Nilaza izy fa niresaka momba ny finoana niaraka tamin’ ny iray tamin’ ireo namany tany an-tsekoly. Nilaza taminy ilay namany hoe: “Inona no finoanao?”

Dia namaly izy hoe: “Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany na ny Môrmôna.”

Namaly ilay namany hoe: “Fantatro izay Fiangonana izay ary fantatro fa tsy marina izy io.”

“Ahoana no ahafantaranao izany?” hoy ny navalin’ ilay ankizivavy.

“Satria,” hoy ilay namany, “Nanao fikarohana momba izany aho.”

“Efa namaky ny Bokin’ i Môrmôna ve ianao?”

“Tsia,” hoy ny navaliny. “Tsy mbola namaky izany aho.”

Dia namaly ity ankizivavy mahafinaritra ity hoe: “Dia tsy nanao fikarohana momba ny Fiangonako izany ianao satria efa namaky ny pejy rehetran’ ny Bokin’ i Môrmôna aho ary fantatro izany fa marina.”

Izaho koa dia efa namaky ny pejy rehetran’ ny Bokin’ i Môrmôna, dia namerimberina izany, ary dia mijoro ho vavolombelona lehibe toy ilay dadan’ ny dadan’ ny dadabeko aho fa avy amin’ Andriamanitra izany. Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.

  1. Willard Richards, ao amin’ ny LeGrand Richards, A Marvelous Work and a Wonder, boky nohavaozina (1972), 81, 82.

  2. C. S. Lewis, Mere Christianity (1952), 40–41.