2010–2019
Ilay Fanomezana Masin’ ny Fibebahana
Oktobra 2011


Ilay Fanomezana Masin’ ny Fibebahana

Amin’ ny alalan’ ny fibebahana ihany no ahazoantsika ilay famindrampo nifono fanavotana nataon’ i Jesoa Kristy.

Ahitana ny tantaran’ ny lehilahy iray antsoina hoe Nehôra ny Bokin’ i Môrmôna. Mazava izao ny antony nieritreretan’ i Môrmôna, rehefa nanambatra ireo rakitsoratr’ ireo Nefita nandritra ny arivo taona maro Izy ary nampiditra zavatra mahakasika ity lehilahy ity sy ilay fiantraikany maharitra nentin’ ny fotopampianarany. Nikatsaka ny hampitandrina antsika i Môrmôna, satria fantany fa mbola hiverina amin’ izao androntsika izao izany foto-pisainana izany.

90 taona talohan’ ny nahaterahan’ i Kristy teo ho eo no niresahana voalohany momba an’ i Nehôra tao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna. Nampianatra Izy “fa hovonjena ny olombelona rehetra amin’ ny andro farany, … [satria] efa nahary ny olon-drehetra ny Tompo ary koa efa nanavotra ny olon-drehetra; ary amin’ ny farany, ny olon-drehetra dia hahazo ny fiainana mandrakizay” (Almà 1:4).

Teo ho eo amin’ ny 15 taona taty aoriana dia tonga nitory sy nanamafy ny fotopampianaran’ i Nehôra teo anivon’ ireo Nefita i Kôrihôra. Voarakitra ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna hoe: “izy dia Antikristy fa nanomboka nitory tamin’ ny vahoaka izy, nanohitra ny faminaniana … momba ny fiavian’ i Kristy” (Almà 30:6). Ny fitorian’ i Kôrihôra dia milaza “fa tsy mety hisy ny sorompanavotana natao ho an’ ny fahotan’ ny olona, fa ny olona tsirairay kosa dia nandia izao fiainana izao arakaraka ny nitondrany ny tenany; noho izany ny olona tsirairay dia niroborobo araka ny halalinan-tsainy, ary ny olona tsirairay dia nandresy araka ny heriny; ary na inona na inona nataon’ ny olona iray dia tsy heloka” (Almà 30:17). Ireto mpaminany sandoka ireto sy ireo mpanaraka azy dia “tsy nino ny fibebahana amin’ ny fahotany” (Almà 15:15).

Tahaka ny tamin’ ireo fotoanan’ i Nehôra sy Kôrihôra ireo koa dia miaina ao anatin’ ny fotoana alohan’ ny hahatongavan’ i Jesoa Kristy isika—saingy ny antsika dia fotoana hiomanana amin’ ny Fiaviany Fanindroany. Ka dia matetika tsy ankasitrahina ny hafatra mitory fibebahana toy ny tamin’ izany fotoana izany. Misy ireo sasany izay milaza fa raha misy Andriamanitra dia tsy hitaky zavatra be amintsika Izy (jereo ny Almà 18:5). Misy indray ny sasantsasany ankehitriny izay milaza fa mamela ny heloka rehetra ilay Andriamanitra be fitiavana raha manao fibabohana tsotra, na raha toa ka hisy ny famaizana amin’ ny fahotana, “dia hofaizin’ Andriamanitra amin’ ny dian-kapoka vitsivitsy, ary dia hovonjena ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra ihany isika amin’ ny farany” (2 Nefia 28:8). Misy indray ireo toa an’ i Kôrihôra izay mandà ny fisian’ i Kristy mihitsy ary milaza fa tsy misy izany ota izany. Ny fotopampianaran’ izy ireo dia mampitovy lenta ny hasina, fitsipika ary hatramin’ ny fahamarinana mihitsy aza. Hany ka rehefa mahatsapa ny olona iray fa mety ny ataony dia tsy azon’ ny olona hafa tsaraina izy hoe nanao hadisoana na nanota.

Amin’ ny voalohany dia toa mahasarika tokoa ny foto-pisainana toy izany satria manome antsika fahalalahana hahazo fy amin’ izay zavatra iriantsika ary tsy miraharaha izay ho vokany isika. Amin’ ny alalan’ ny fampiasana ny fotopampianaran’ i Nehôra sy Kôrihôra dia afaka manamarina sy manome rariny ny zavatra rehetra isika. Rehefa nanomboka niantsoantso fibebahana ireo mpaminany dia “tsy levon’ ny vavon’ ireo mpanota loatra izany.” Kanefa tokony ho noraisiny am-pifaliana izany antso mba hibebaka izany. Raha tsy misy ny fibebahana dia tsy misy ny fandrosoana na fivoarana marina eo amin’ ny fiainana. Tsy mampihena ny vesatra sy ny fanaintainana avy amin’ ny ota ny fiheverana fa tsy misy izany. Tsy manova zavatra ho tsaratsara koa ny fanaintainana avy amin’ ny ota. Ny fibebahana ihany no mitondra any amin’ ny fiainana tsaratsara kokoa. Ary mazava ho azy fa amin’ ny alalan’ ny fibebahana ihany no ahazoantsika ilay famindrampo nifono fanavotana nataon’ i Jesoa Kristy ary ilay famonjena. Fanomezana masina ny fibebahana ary tokony hisy tsiky eny amin’ ny tarehintsika rehefa miresaka izany isika. Mitarika antsika any amin’ ny fahafahana, fahatokian-tena ary fiadanana izany. Ny fanomezana ny fibebahana no tena antony iray mitondra fifaliana marina fa tsy raisina ho mpanembantsembana ny fifaliana ka mitondra fahoriana.

Misy ny fibebahana noho ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy irery ihany. Ilay sorona tsy manam-petra nataony no “mitondra fitaovana ho an’ ny olona mba hahazoany manana finoana ho amin’ ny fibebahana” (Almà 34:15). Ny fibebahana no fepetra ilaina ary ny famindrampon’ i Kristy no hery, izay “[ahafahana] manefa ny fitakian’ ny fahamarinana” (Almà 34:16). Izao no tenivavolombelonay:

“Ary fantatray fa ny fanamarinana [na famelan-keloka amin’ ny fahotana] amin’ ny alalan’ ny fahasoavan’ i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika dia mahitsy sy marina;

“Ary fantatray koa fa ny fanamasinana [na fahadiovana amin’ ny vokatr’ ireo fahotana] amin’ ny alalan’ ny fahasoavan’ i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika dia mahitsy sy marina, ho an’ ireo rehetra izay tia sy manompo an’ Andriamanitra amin’ ny heriny rehetra, ny sainy rehetra ary ny tanjany rehetra” (F&F 20:30–31).

Lohahevitra azo velabelarina be tokoa ny fibebahana, saingy androany aho dia te-hiresaka lafin-javatra dimy ao anatin’ izany fitsipika fototry ny filazantsara izany izay antenaiko fa hanampy antsika.

Voalohany, fomba iray hanehoana fitiavana ny fanasana olona iray hibebaka. Rehefa “nanomboka nitory teny [ny Mpamonjy] ka nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ ny lanitra” (Matio 4:17), dia hafatra mifono fitiavana izany, izay manasa ny rehetra mba hiaraka Aminy ary “hifaly amin’ ny tenin’ ny fiainana mandrakizay eto amin’ ity izao tontolo izao ity ary ny fiainana mandrakizay any amin’ ny tontolo ho avy” (Mosesy 6:59). Raha toa ka tsy manasa ireo hafa hiova isika na tsy mampihatra ny fibebahana eo amin’ ny tenantsika dia tsy mahatanteraka ny adidy fototra izay tokony hifanaovantsika isika ary tokony ho ataontsika amin’ ny tenantsika. Ireo ray aman-dreny diso malala-tsaina loatra, sy ireo namana izay tsy mba manakana ny fanaovana ota ary ireo mpitarika ao amin’ ny Fiangonana izay saro-tahotra dia miahiahy kokoa ny momba ny tenany noho izay mahasoa sy izay mahasambatra an’ ireo izay azony ampiana. Marina fa indraindray misy fotoana ilay fanasana mba hibebaka dia raisina ho toy ny tsy mba mandefitra na toy ny manafintohina na mampatezitra, kanefa rehefa eo ambany fitaoman’ ny Fanahy, raha ny marina, dia fihetsika hanehoana fitiavana izany (jereo ny F&F 121:43–44).

Faharoa, ny mibebaka dia midika hoe miezaka ny hiova. Toa miendrika fanimbazimbana ny fijalian’ ny Mpamonjy tao Getsemane sy teo amin’ ny hazofijaliana noho ny nataontsika ny fanantenana fa tokony hanova antsika ho olo-marina Izy ka tsy tokony hitaky ezaka marina avy aty amintsika izany. Fa ny izy dia mikatsaka ny famindrampony isika mba hameno sy hamaly soa ireo ezaka lehibe nataontsika (jereo ny 2 Nefia 25:23). Tokony hivavaka bebe kokoa hanana fotoana sy fahafahana hiasa sy hiezaka ary handresy ny ota isika, izay angamba mitovy amin’ ny fanaovantsika vavaka bebe kokoa mba hahazo famindrampo. Tena azo antoka fa hitahy ilay olona izay maniry ny hijoro manoloana ny fitsarana amim-pahamendrehana ny Tompo. Olona izay niasa mafy isan’ andro isan’ andro mba hanova ny fahalemena amin’ ny tanjaka. Mety mitaky ezaka matetitetika ny fibebahana marina, sy fiovana marina kanefa misy zavatra manadio sy manamasina ao anatin’ ny fiezahana toy izany. Mirotsaka ho azy amin’ ny fanahy toy izany ny famelan-keloka sy ny fanasitranana avy any an-danitra, satria, “ny hatsaran-toetra tia ny hatsaran-toetra; ny fahazavana miraikitra amin’ ny fahazavana; [ary] ny famindrampo manana fangorahana ny famindrampo ary mitaky izay azy” (F&F 88:40).

Rehefa mibebaka isika dia afaka mampivoatra tsikelikely ny fahafahantsika miaina ny lalàna selestialy, satria fantatsika fa “izay tsy afaka mandray ny lalàn’ ny fanjakana selestialy dia tsy afaka handray ny voninahitra selestialy” (F&F 88:22).

Fahatelo, ny hoe mibebaka dia tsy vitan’ ny hoe mahafoy ny ota fotsiny fa manolo tena hankatò koa. Milaza ny ao amin’ ny Torolalana ho an’ ny Soratra Masina fa “ny fibebahana dia midika hoe mampitodika ny fony sy ny sitrapony amin’ Andriamanitra, [ary koa] fialana amin’ ny fahotana izay mahasarika antsika ara-boa-janahary.”1 Ny iray amin’ ireo ohatra maromaro mikasika izany fampianarana izany izay avy ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna, hita ao amin’ ny tenin’ i Almà nataony tamin’ ny iray tamin’ ireo zanany lahy:

“Noho izany aho dia mandidy anao anaka, noho ny fahatahorana an’ Andriamanitra ny hitsaharanao amin’ ny helokao;

“Ny hitodihanao amin’ ny Tompo amin’ ny sainao, ny herinao ary ny tanjakao rehetra” (Almà 39:12–13; jereo koa ny Môsià 7:33; 3 Nefia 20:26; Môrmôna 9:6).

Mba hahatanteraka tsara ny fiverenantsika any amin’ ny Tompo dia tokony hahitana ilay zavatra tena manan-danja izany dia ny fanekempihavanana hankatò Azy. Matetika antsointsika hoe fanekempihavanan’ ny batisa izany noho izany asehontsika amin’ ny alalan’ ny fanaovana batisa amin’ ny rano (jereo ny Môsià 18:10). Ny batisan’ ny Mpamonjy, izay nampiseho ilay ohatra, dia nanamafy ny fanekempihavanana nataony mba hankatò ny Ray. “Nefa na dia masina aza Izy dia asehony ny zanak’ olombelona araka ny maha-nofo, fa manetry ny tenany eo anoloan’ ny Ray Izy ary mijoro ho vavolombelona amin’ ny Ray, fa hankatò Azy amin’ ny fitandremana ny didiny” (2 Nefia 31:7). Raha tsy misy izany fanekempihavanana izany dia toa tsy feno ihany ny fibebahana ary tsy ho azo ny famelan-keloka amin’ ny fahotana.2 Naneho tamin’ ny fomba tsy hay hadinoana an’ izany hevitra izany koa ny Profesora Noel Reynolds: “Ilay safidy hibebaka dia toy ny safidy handoro ireo tetezana izay eny amin’ ny lafin-dalana rehetra [rehefa nanapa-kevitra] fa hanaraka mandrakizay lalana iray monja, dia ilay lalana iray mitondra mankany amin’ ny fiainana mandrakizay.”3

Fahaefatra, ny fibebahana dia mitaky faniriana marina sy fahavononana haharitra, na dia mandalo fanaintainana aza izany. Ny fanaovana lisitra an’ ireo dingana manokana ho arahina ao anatin’ ny fibebahana dia mety ho tsara ho an’ ny sasany, saingy mety hitarika koa any amin’ ilay fomba iray izay fanasiana marika tsy am-piheverana fotsiny izany, miaraka amin’ ny tsy fisian’ ny fahatsapan-javatra na fiovana marina. Tsy zavatra amboarimboarina ny fibebahana marina. Nilaza zavatra fototra anankiroa izay takiana ny Tompo: “Izao no ahafantaranareo raha mibebaka amin’ ny fahotany ny olona—indro hibaboka izany izy ary hahafoy izany” (F&F 58:43).

Endri-javatra mahery vaika ny fibabohana sy fahafoizana. Mifono zavatra betsaka noho ny fitenenana mahazatra hoe “Miaiky aho fa diso” izy ireo. Fiaikena lalina, ary indraindray mangirifiry ny fahadisoana sy ny faniratsirana an’ Andriamanira sy ny olona izany. Matetika miara-dalana amin’ ny fibabohan’ ny olona iray ny alahelo, ny fanenenana sy ny ranomasom-panaintainana, indrindra rehefa niteraka fijaliana teo amin’ ny olona iray ny fihetsiny, na ratsy kokoa noho izany aza, dia ny hoe nitarika olona iray hafa hanota izany. Izany alahelo lalina izany, izany fijerena ny zavatra araky ny tena endriny izany no mitarika ny olona iray hihiakiaka, toy ny nataon’ i Almà hoe: ‘Ry Jesoa ô, Ianao Ilay Zanak’ Andriamanitra, mamindra fo amiko, izay ao anatin’ ny ngidin’ ny afero sy voahodidin’ ny gadra maharitra mandrakizain’ ny fahafatesana” (Almà 36:18).

Rehefa miaraka amin’ ny finoana an’ ilay Mpanavotra be famindrampo, sy amin’ ny alalan’ ny fahefany, dia hivadika ho fanantenana ilay fahakiviana. Miova ny ao anatin’ ny fo sy ny fanirian’ ny olona iray ary lasa mankahala an’ ilay toetra mora voasariky ny ota teo aloha. Maniry ao anatin’ izany fo vaovao izany amin’ izay fotoana izay ilay fahavononana tanteraka handao sy hahafoy ny ota ary hanitsy arak’ izay tratra ireo zavatra nosimbainy. Izany fahavononana tanteraka izany dia vetivety dia lasa fanekempihavanana ny hankatò an’ Andriamanitra. Rehefa vita izany fanekempihavanana izany dia hitondra fanamaivanana sy famelan-keloka ny Fanahy Masina, ilay mpitondra ny famindrampo avy any an-danitra. Hisy olona entanin’ ny fanahy hanambara indray miaraka amin’ i Almà hoe: “Ary ô, endrey fifaliana, ary endrey hazavana mahagaga no hitako; eny, ny fanahiko dia feno fifaliana izay nihoa-pampana toy izay fanaintainako izay!” (Almà 36:20).

Tsy hisy dikany ny fanaintainana nateraky ny fibebahana raha oharina amin’ ny zavatra takiana mba hanefana ny fitakian’ ny fahamarinana amin’ ireo fandikan-dalàna tsy nohitsiana. Tsy dia niresaka firy mikasika ny zavatra niaretany ny Mpamonjy mba hanefana ny fitakian’ ny fahamarinana sy hanonerana ny otantsika, kanefa nanao ity fanambarana ity Izy:

“Fa indro, Izaho Andriamanitra dia efa nijaly tamin’ ireo zavatra rehetra ireo ho an’ ny rehetra, mba tsy hahatonga azy ireo hijaly raha mibebaka;

“Nefa raha tsy mety mibebaka izy ireo dia tsy maintsy mijaly tahaka Ahy;

“Fijaliana izay nahatonga ny Tenako, Ilay Andriamanitra, Ilay lehibe indrindra noho ny rehetra, hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-dra amin’ ny mason-koditra rehetra, ary hijaly na vatana na fanahy—ary niriko ny mba tsy hisotroako ilay kapoaka mangidy” (F&F 19:16–18).

Fahadimy, na manao ahoana na manao ahoana fijaliana ateraky ny fibebahana dia ho atelin’ ny fifaliana entin’ ny famelan-keloka izany. Nanao izao fifanahafana manaraka izao ny Filoha Boyd K. Packer, tao anatin’ ny lahateny iray nandritra ny fihaonamben’ ny Fiangonana izay mitondra ny lohateny hoe: “Ilay Maraina Mamirapiratry ny Famelan-keloka:”

“Tamin’ ny Aprily 1847, dia nitarika vondron’ ny mpisava lalana niala tany Winter Quarters i Brigham Young. Tamin’ izay fotoana izay koa, tany amin’ ny 2.575 kilaometatra miankandrefana, dia nisy ireo olona nihotakotaka, izay sisa velona tamin’ ny vondron’ olona notarihan’ i Donner, izay nirenireny nidina ny lafin’ ny Tendrombohitr’ i Sierra Nevada mba ho any amin’ ny Lohasahan’ i Sacramento.

“Lanin’ ny ririnina namirifiry izy ireo rehefa voafandriky ny ranomandry navongan’ ny rivotra tao ambanin’ ny tampony. Tsy azo inoana ny mbola nisian’ ny tafavoaka velona rehefa nianjadian’ ny hanoanana sy fijalijaliana tsy hay faritana tao anatin’ ireo andro sy herinandro ary volana maro.

“Iray tamin’ izy ireo i John Breen, tovolahy kely dimy ambin’ ny folo taona. Ny alin’ ny 24 Aprily dia niditra ny Toeram-piompiana sy fambolen’ i Johnson izy. Taona maro taty aoriana dia nanoratra i John hoe:

“‘Tena efa alimbe vao tonga tao amin’ ny Toeram-piompiana sy fambolen’ i Johnson izahay, hany ka ny ampitso maraina mihitsy vao hitako maso tsara izany. Tsara be ny andro tamin’ izay, voarakotry ny bozaka maintso ny tany, velon-kira teny ambony hazo ireo voronkely, ary vita soa aman-tsara ilay dia. Saika tsy nino aho hoe mbola velon’ aina ihany.

“‘Toa vita sary tao an-tsaiko ny zavatra hitako tamin’ izany maraina izany. Niala tao an-tsaiko ireo zava-nanjo maro, kanefa afaka mahita foana ilay toby aho avy eo akaikin’ ny Toeram-piompiana sy fambolen’ i Johnson.’’

Hoy ny Filoha Packer hoe: “Tamin’ ny voalohany dia sanganehana aho tamin’ ny zavatra nolazainy manao hoe ‘niala tao an-tsaiko ireo zava-nanjo maro.’ Ahoana no ahafahan’ ireo volana maro nijalijaliana sy nahaory ireo hiala ao an-tsaina? Ahoana no ahafahana manolo an’ ilay ririnina maizina sy mahery setra amin’ ny maraina mamirapiratra?

“Rehefa tena nandinika aho anefa dia toa tsy mahagaga ihany izany. Efa nahita zavatra nitovitovy tamin’ izany aho izay nitranga tamin’ ny olona fantatro. Efa nahita olona iray aho izay niaina nandritra ny fotoana ela tao anatin’ ny ririnin’ ny fahatsapana ho meloka sy ny hanoanana ara-panahy ka tonga ihany tany amin’ ny marainan’ ny famelan-keloka. “Rehefa tonga ilay maraina dia izao no zavatra nianaran’ izy ireo:

“‘Indro, izay efa nibebaka tamin’ ny fahotany, dia izy no voavela, ary Izaho Tompo dia tsy mahatsiaro izany intsony’ [F&F 58:42].”4

Mahafantatra sy mijoro ho vavolombelona amim-pankasitrahana aho fa ny fanaintainan’ ny Tompontsika izay tsy hay takarina, ny fahafatesany sy ny Fitsanganany tamin’ ny maty dia “manatanteraka ny fepetran’ ny fibebahana” (Helamàna 14:18). Ilay fanomezana masin’ ny fibebahana no fanalahidy hahazoana fahasambarana eto an-tany sy any amin’ ny fiainana hoavy. Amin’ ny alalan’ ny tenin’ ny Mpamonjy sy amim-panetren-tena sy fitiavana lalina no hanasako antsika rehetra mba “[Hibebaka], fa efa akaiky ny fanjakan’ ny lanitra” (Matio 4:17). Fantatro fa hahita fifaliana ianao amin’ izao fotoana izao sy mandrakizay raha manaiky izany fanasana izany. Amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.

  1. Torolalana ho an’ ny Soratra Masina, “Fibebahana.”

  2. Miresaka matetika momba ny “batisa ho amin’ ny fibebahana” ny Bokin’ i Môrmôna (jereo ny Môsià 26:22; Almà 5:62; 6:2; 7:14; 8:10; 9:27; 48:19; 49:30; Helamàna 3:24; 5:17, 19; 3 Nefia 1:23; 7:24–26; Môrônia 8:11). Nampiasa izany teny izany koa i Jaona Mpanao Batisa (jereo ny Matio 3:11), ary niresaka momba ny “batisa ho amin’ ny fibebahana” koa i Paoly (Asan’ ny Apôstôly 19:4). Hita ao amin’ ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana koa izany andian-teny izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:5; 107:20). Ny hoe “batisa ho amin’ ny fibebahana” dia entina ilazana tsotra fotsiny fa ny batisa izay ahitana ny fanekempihavanana hankatò, no dingana faratampon’ ny fibebahana. Rehefa avy nibebaka tanteraka ny olona iray ary ao anatin’ izany ny fanaovana batisa, dia mendrika ny hametrahan-tanana handray ny fanomezana ny Fanahy Masina izy, ary amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina no handraisan’ ny olona iray ny batisan’ ny Fanahy (jereo ny Jaona 3:5) sy ny famelan-keloka amin’ ny fahotany: “Satria ny vavahady izay tokony hidiranareo dia ny fibebahana sy ny batisa amin’ ny rano; ary avy eo dia tonga ny famelana ny fahotanareo amin’ ny alalan’ ny afo sy ny Fanahy Masina” (2 Nefia 31:17).

  3. Noel B. Reynolds, “The True Points of My Doctrine,” Journal of Book of Mormon Studies, Boky faha- 5, lah. 2 (1996): 35; nampiana fanamafisana.

  4. Boyd K. Packer, tao amin’ ny Conference Report, Ôkt. 1995, 21; jereo koa ny “The Brilliant Morning of Forgiveness,” Ensign, Nôv. 1995, 18.