2010–2019
Hitodika ny Fon’ ny Zanaka
Oktobra 2011


Hitodika ny Fon’ ny Zanaka

Manasa ireo tanoran’ ny Fiangonana aho mba hianatra momba ny Fanahin’ i Elia sy hiaina izany.

Rehefa mandalina, sy mianatra ary miaina ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy isika dia hita fa matetika no mampianatra zavatra ny filaharan’ ireo zava-miseho. Eritrereto, ohatra, ireo lesona ianarantsika mahakasika ny laharam-pahamehana ara-panahy avy tamin’ ny filaharan’ ireo zava-niseho lehibe izay nitranga nandritra ny famerenana tamin’ ny laoniny ny fahafenoan’ ny filazantsaran’ ny Mpamonjy tamin’ izao andro farany izao.

Nahita sy niresaka tamin’ ny Ray Mandrakizay sy i Jesoa Kristy tao amin’ ny Ala kely Masina i Joseph Smith. Anisan’ ireo zavatra niseho koa ny nianaran’ i Joseph mikasika ny tena toetoetran’ Ny Andriamanitra sy ny fitohizan’ ny fanambarana. Izany fahitana lehibe izany no nampiditra “ny fotoam-pitantanan’ ny fahafenoan’ ny fotoana” (Efesiana 1:10) ary iray amin’ ireo zava-niseho tena manan-danja tokoa teo amin’ ny tantaran’ izao tontolo izao.

Tokony ho telo taona taty aoriana, ho valin’ ny vavaka iray natao tamin-kitsimpo ny alin’ ny 21 Septambra 1823, dia heniky ny hazavana ny efitrano fatorian’ i Joseph mandrapahatongan’ izany ho “[n]azava bebe kokoa noho ny amin’ ny mitataovovonana” (Joseph Smith—Tantara 1:30). Nisy olona niseho teo anilan’ ny fandrianan’ ilay zazalahy kely ary niantso azy tamin’ ny anarany ary nanambara “fa iraka avy teo anatrehan’ Andriamanitra [izy] … ary i Môrônia no anarany” (andininy 33). Nampahafantatra an’ i Joseph mikasika ny fiavian’ ny Bokin’ i Môrmôna izy. Avy eo i Môrônia dia nilaza teny avy ao amin’ ny bokin’ i Malakia ao amin’ ny Testamenta Taloha, fa nisy fahasamihafana kely amin’ ny fiteny ampiasaina ao amin’ ny Baiboly nosoratan’ ny Mpanjaka James izany: “Indro, hanambara aminareo ny Fisoronana amin’ ny tanan’ i Elia aho mialohan’ ny fiavian’ ny andro lehibe sady mahatahotra, an’ ny Tompo.

“… Ary izy hamboly ao am-pon’ ny zanaka ny fampanantenana natao tamin-drainy ary ny fon’ ny zanaka dia hitodika amin-drainy. Fa raha tsy izany dia horavana tanteraka ny tany manontolo amin’ ny fiaviany” (andininy 1:38, 39).

Ireo torolalana nomen’ i Môrônia an’ ilay mpaminany tanora dia ahitana lohahevitra fototra roa: (1) ny Bokin’ i Môrmôna ary (2) ny tenin’ i Malakia izay manambara mialoha ny anjara asan’ i Elia amin’ ny Famerenana amin’ ny laoniny “ny zavatra rehetra, izay nampilazain’ Andriamanitra ny mpaminany masina hatramin’ ny voalohany indrindra” (Asan’ ny Apôstôly 3:21). Araka izany dia nanambara ny famaritana marina ny amin’ Ny Andriamanitra ireo zava-niseho nampiditra ny Famerenana amin’ ny laoniny sy nanamafy ny lanjan’ ny Bokin’ i Môrmôna ary nanazava mialoha ny asa famonjena sy ny fisandratana ho an’ ny velona sy ireo maty. Mampianatra zavatra ara-panahy izay tena laharam-pahamehana ho an’ Andriamanitra izany filaharan-java-niseho manentana ny fanahy izany.

Ny hafatro dia miompana amin’ ny asa nanirahana an’ i Elia sy ny Fanahin’ i Elia izay nambaran’ i Môrônia mialoha tao anatin’ ireo torolalana voalohany nomeny an’ i Joseph Smith. Mivavaka mafy aho mba hahazo ny fanampian’ ny Fanahy Masina.

Ny Asa Nanirahana an’ i Elia

I Elia dia mpaminanin’ ny Testamenta Taloha izay nanatanteraka fahagagana mahatalanjona maro. Nohidiany ny lanitra ary tsy nisy ranonorana nilatsaka tao Isiraely fahiny nandritra ny 3 taona sy tapany. Nampitombo ny sakafo sy ny diloilon’ ilay vehivavy mpitondratena izy. Nanangana ilay zazalahy kely tamin’ ny maty izy ary nampidina ny afo avy tany an-danitra raha nifanandrina tamin’ ireo mpaminanin’ i Bala. (Jereo ny 1 Mpanjaka 17–18.) Tamin’ ny fiafaran’ ny asa nanirahana an’ i Elia teto an-tany dia “niakatra tamin’ ny tafio-drivotra ho any an-danitra” izy (2 Mpanjaka 2:11) ary nampiakarina tany an-danitra.

“Isika dia mianatra avy amin’ ireo fanambaran’ ny andro farany fa i Elia no nihazona ny fahefana mamehy ao amin’ ny Fisoronana Melkizedeka ary mpaminany farany nihazona izany talohan’ ny fotoanan’ i Jesoa Kristy” (Torolalana ho an’ ny Soratra Masina, “Elia”). Ny Mpaminany Joseph Smith dia nanazava fa “Ny fanahy sy ny fahefana ary ny antson’ i Elia dia, ny hanana ny fahefana hihazona ny fanalahidin’ ny … fahafenoan’ ny Fisoronana Melkizedeka … ; ary ny … hahazo … ireo ôrdônansy rehetra izay an’ ny fanjakan’ Andriamanitra” (Enseignements des Présidents de l’ Eglise: Joseph Smith [2007], 311; nampiana fanamafisana). Izany fahefana masina mamehy izany dia zava-dehibe ho an’ ireo ôrdônansin’ ny fisoronana mba hampanan-kery izany ary hamehezana izany eto an-tany sy any an-danitra.

Niseho niaraka tamin’ i Mosesy teo amin’ ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy i Elia (jereo ny Matio 17:3) ary nanome izany fahefana izany an’ i Petera sy Jakoba ary i Jaona. Niseho indray i Elia niaraka tamin’ i Mosesy sy ireo hafa tamin’ ny 3 Aprily 1836, tao amin’ ny Tempolin’ i Kirtland ary nanolotra ireo fanalahidy ireo an’ i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery.

Milaza ny soratra masina fa nijoro teo anoloan’ i Joseph sy i Oliver i Elia mpaminany ary nilaza hoe:

“Indro, efa migadona tanteraka ny fotoana izay efa notenenin’ ny vavan’ i Malakia—sady nijoroany ho vavolombelona fa izy [i Elia] dia hirahina mialohan’ ny hahatongavan’ ny andron’ ny Tompo, ilay lehibe sy mahatahotra—

“Mba hampody ny fon’ ny ray ho amin’ ny zanaka ary ny fon’ ny zanaka ho amin’ ny ray, fandrao hasiana amin’ ny ozona ny tany—

“Koa atolotro ho eo an-tananareo ny fanalahidin’ ity fotoampitantanana ity; ary izany no ahafantaranareo fa ny andron’ ny Tompo, ilay lehibe sy mahatahotra, dia efa akaiky, mby eo am-baravarana aza” (F&F 110:14–16).

Nilaina amin’ ny fanomanana an’ izao tontolo izao ho amin’ ny Fiavian’ ny Mpamonjy Fanindroany ny famerenana amin’ ny laoniny ny fahefan’ ny famehezana izay nataon’ i Elia tamin’ ny 1836 ary nampitsiry ny fahalianana mikasika ny fikarohana ny tantaram-pianakaviana izay tsy mitsaha-mitombo sy lasa miely maneran-tany.

Ny Fanah’ i Elia sy ny Asan’ i Elia

Nanambara ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Ny andraikitra faran’ izay lehibe indrindra eto amin’ ity izao tontolo izao ity izay napetrak’ Andriamanitra amintsika dia ny hikaroka ireo havantsika efa nodimandry. … Satria ilaina ny fananana ny fahefan’ ny famehezana eo am-pelantanantsika mba hamehezana ny zanatsika sy ireo efa nodimandry ho an’ ny fahafenoan’ ny fotoampitantanana—fotoampitantanana izay hanatanteraka ireo fampanantenana nataon’ i Jesoa Kristy talohan’ ny nanorenana an’ izao tontolo izao ho an’ ny famonjena ny olombelona. … Noho izany dia nilaza Andriamanitra hoe: ‘ Handefa an’ i Elia mpaminany Aho’” (Teachings: Joseph Smith, 475).

Nanazava bebe kokoa i Joseph nanao hoe:

“Fa inona no tena tanjon’ [ny fiavian’ i Elia]? na ahoana no fomba hahatanterahan’ izany? Tokony ho atolotra ireo fanalahidy, ho tonga ny fanahin’ i Elia, haverina ny Filazantsara, hangonina ireo Olomasin’ Andriamanitra, haorina i Ziona ary ho tonga mpamonjy eo amin’ ny Tendrombohitr’ i Ziona ireo Olomasina [jereo ny Obadia 1:21].

“Ahoana no hahatonga azy ireo ho mpamonjy eo An-tendrombohitr’ i Ziona? Amin’ ny fananganana ireo tempoliny … ary ny fandehanana any sy fandraisana ireo ôrdônansy rehetra … eo amin’ ny toeran’ ireo razambeny rehetra izay efa nodimandry … ; ary izany no rojo izay hamatotra ny fon’ ny ray amin’ ny zanaka, ary ny zanaka amin’ ny ray, izay manatanteraka ny iraka nampanaovina an’ i Elia” (Teachings: Joseph Smith,472–73).

Nampianatra ny Loholona Russell M. Nelson fa ny Fanahin’ i Elia dia “fisehoan’ ny Fanahy Masina izay mijoro ho vavolombelona mikasika ny maha-masina ny fianakaviana” (“A New Harvest Time,” Ensign, Mey 1998, 34). Izany hery mitarika miavaky ny Fanahy Masina izany dia mamporisika ireo olona hamantatra ireo razambeny sy hanangona antontan-taratasy mikasika azy ireo ary haneho fitiavana amin’ izy ireo sy ireo olona ao amin’ ny fianakaviany—na ireo izay niaina taloha na ireo izay miaina amin’ izao fotoana izao.

Misy fiantraikany amin’ ny olona ao anatiny sy any ivelan’ ny Fiangonana ny Fanahin’ i Elia. Na izany aza, amin’ ny maha-mpikamban’ ny Fiangonan’ i Kristy izay naverina tamin’ ny laoniny antsika dia andraikitsika araky ny fanekempihavanana ny mikaroka ny momba ireo razambentsika ary manatanteraka ho azy ireo ny ôrdônansin’ ny famonjena ao amin’ ny filazantsara. “Mba tsy hatao tanteraka ireo, raha tsy efa mby eo koa isika” (Hebreo 11:40; jereo koa ny Teachings: Joseph Smith, 475). Ary “isika koa dia tsy hatao tanteraka raha tsy eo ny maty eo amintsika” (F&F 128:15).

Noho ireo antony ireo no hanaovantsika fikarohana ny tantaram-pianakaviana, hananganantsika tempoly ary hanatanterahantsika ireo ôrdônansy isoloana tena. Noho ireo antony ireo no nandefasana an’ i Elia hamerina ny fahefana mamehy izay mamatotra eto an-tany sy any an-danitra. Mpanompon’ ny Tompo isika eo amin’ ilay asa hitondrana famonjena sy fisandratana izay hanakana mba tsy “hasiana amin’ ny ozona ny tany” (F&F 110:15) rehefa hiverina indray Izy. Izany no adidy sy fitahiana goavana ho antsika.

Fanasana ho an’ ireo Taranaka Vao Misondrotra

Ankehitriny aho dia misarika ny sain’ ireo zatovovavy sy zatovolahy ary ireo ankizy ao anatin’ ny taranaka vao misondrotra eo am-panantitranterana ny maha-zava-dehibe an’ izany Fanahin’ i Elia izany eo amin’ ny fiainanareo amin’ izao fotoana izao. Natao ho an’ ny Fiangonana iray manontolo ny hafatro amin’ ny ankapobeny—saingy ho anareo izany indrindra indrindra.

Maro aminareo no mety mieritreritra fa natao ho tanterahan’ ireo olon-dehibe aloha ny fanaovana ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana. Kanefa izaho tsy mahita filazana fetran-taona ao amin’ ny soratra masina na torolalana izay nambaran’ ireo mpitarika ny Fiangonana ka mametra izany asa manan-danja izany mba ho ataon’ ireo olon-dehibe ihany. Zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra ianareo, zanaka araky ny fanekempihavanana ary mpanangana ny fanjakana. Tsy mila miandry mandrapahatongan’ izay taona eritreretina fa takiana ianao vao hanatontosa ny andraikitrao ao anatin’ ny asa famonjena ho an’ ny fianakavian’ ny zanak’ olombelona rehetra.

Nataon’ ny Tompo vonona amin’ izao andronareo izao ireo fitaovana mahagaga izay ahafahanareo mianatra sy mitia ity asa ity izay entanin’ ny Fanahin’ i Elia. Ohatra, ny FamilySearch dia ahitana ny fitambaran’ ireo firaketana, sy loharanom-pahalalana, ary fanampiana izay azo kirakiraina mora foana amin’ ny alalan’ ny solosainan’ ny tena manokana sy ireo karazana fitaovana samihafa azo entina amin’ ny tanana. Ny FamilySearch dia natao hanampiana ireo olona hahita sy hanao firaketana ny tantaram-pianakaviany. Ireo loharano azo ampiasaina ireo dia hita koa ao amin’ ny foiben’ ny tantaram-pianakaviana izay hita any amin’ ny ankamaroan’ ireo trano fiangonantsika manerana an’ izao tontolo izao.

Tsy kisendrasendra ny fahatongavan’ ny FamilySearch sy ireo fitaovana hafa amin’ izao fotoana izao izay fotoana maha havanana an’ ireo tanora eo amin’ ny lafin’ ny teknôlôjia ara-pahalalam-baovao sy ara-pifandraisana amin’ ny endriny maro. Voahofana handefa hafatra amin’ ireo finday sy amin’ ireo solosaina ny rantsantananareo mba hanafainganana sy hampandrosoana ny asan’ ny Tompo—fa tsy hoe hifandraisana amin’ ny fomba haingana fotsiny amin’ ireo namanareo. Ireo fahaiza-manao hita soritra eo anivon’ ireo tanora maro amin’ izao fotoana izao dia isan’ ny fiomanana mba hitondra anjara biriky ao anatin’ ilay asa famonjena.

Manasa ireo tanoran’ ny Fiangonana aho mba hianatra momba ny Fanahin’ i Elia sy hiaina an’ izany. Mamporisika anareo aho handalina, sy hikaroka momba ireo razambenareo ary hiomana hanatanteraka batisa amin’ ny alalan’ ny fisoloana tena ao amin’ ny tranon’ ny Tompo ho an’ ireo razambenareo (jereo ny F&F 124:28–36). Ary mamporisika anareo aho hanampy ireo olona hafa hamantatra ny tantaram-pianakaviany.

Raha toa ka manaiky amim-pinoana izany fanasana izany ianareo dia hitodika any amin’ ny ray ny fonareo. Hitoetra ao am-ponareo ny fampanantenana natao tamin’ i Abrahama, sy Isaka ary Jakoba. Ilay tsodranon’ ny patriarika voarainareo izay ahitana fanambarana momba ny rohim-pirazanana dia hampifandray anareo amin’ ireo rainareo ireo ary ho lasa manan-danja bebe kokoa aminareo. Hitombo ny fitiavanareo sy ny fankasitrahanareo ireo razambenareo. Ho lalim-paka sy haharitra ny fijoroanareo ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ny fiovam-ponareo hanaraka Azy. Ary mampanantena anareo aho fa ho voaro amin’ ny fisarihana mahery vaika ataon’ ny fahavalo ianareo. Ho voaro ianareo ao anatin’ ny fahatanoranareo sy mandritra ny fiainanareo rehefa mandray anjara ao anatin’ izany asa masina izany ary mitia izany.

Ry ray aman-dreny sy mpitarika, mba ampio ny zanakareo sy tanoranareo hianatra momba ny Fanahin’ i Elia sy hiaina izany. Kanefa aza atao mavesatra loatra izany ezaka izany na aza manome fampahalalana na fanofanana amin’ ny antsipiriany loatra. Asao ireo tanora hitrandraka sy hanandrana ary hianatra amin’ ny alalan’ ny tenany manokana (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:20). Izay mety ho tanora rehetra dia afaka manao izay nolazaiko teo amin’ ny alalan’ ny fanaovana ireo asa hianaran-javatra izay hita ao amin’ ny lds.org/familyhistoryyouth. Afaka mitana anjara toerana lehibe amin’ ny fanampiana ireo zatovo rehetra hahafantatra bebe kokoa mikasika ireo loharanom-pitaovana fototra ireo ny kôlejy ao amin’ ny Fisoronana Aharôna sy ireo fiadidian’ ny kilasy ao amin’ ny zatovovavy. Ny tanora dia tena mila mafy ny mba ho mpianatra izay manao asa ary avy eo mahazo fahazavana sy fahalalana fanampiny avy amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina—fa tsy ho mpianatra mipetrapetraka fotsiny izay tsy maintsy hetsehina aloha (jereo ny 2 Nefia 2:26).

Ry ray aman-dreny sy mpitarika, ho gaga ianareo amin’ ireo zanatsika sy ireo tanoran’ ny Fiangonana noho ny tena fahaizany haingana mampiasa ireo fitaovana ireo. Raha ny marina dia hianatra lesona sarobidy avy amin’ ireo tanora ireo ianareo momba ny fomba hampiasana amim-pahombiazana ireo fitaovana ireo. Ireo tanora ireo dia afaka manampy be dia be ireo olona zokinjokiny kokoa izay tsy dia mahafehy loatra na menamenatra manoloana ny teknôlôjia na tsy dia zatra mikirakira loatra ny FamilySearch. Ianareo koa dia hanisa ireo fitahiana maro ho voarainareo rehefa manolotra fotoana bebe kokoa amin’ ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana sy ireo asa fanompoana atao any amin’ ny tempoly ireo tanora ka ho kely kokoa ny fotoana ho atokan’ izy ireo hanaovana jeux vidéos sy fijeren-javatra amin’ ny Internet, ary ny fanaovana Facebook.

I Troy Jackson sy i Jaren Hope ary i Andrew Allan dia mpihazona ny Fisoronana Aharôna izay voantso tamin’ ny alalan’ ny eveka iray nentanim-panahy mba ho mpiara-mampianatra ao amin’ ny kilasin’ ny tantaram-pianakaviana ao amin’ ny paroasin’ izy ireo. Ireo zatovolahy ireo dia misolo tena ny maro aminareo izay manam-paniriana lalina ny hianatra sy hanompo.

Hoy i Troy hoe: “Matetika aho taloha no mankany am-piangonana ary mipetrapetra-potsiny, kanefa amin’ izao fotoana izao dia tsapako fa tokony hody aho ary hanao zavatra. Afaka manao ny tantaram-pianakaviana daholo isika rehetra.”

Nilaza i Jaren fa teo am-pianarany bebe kokoa mahakasika ny tantaram-pianakaviana dia takany fa “tsy anarana fe anarana fotsiny ireo fa tena olona izay niaina tokoa. Lasa nanana fientanentanana bebe kokoa aho ny hitondra ireo anarana ireo any amin’ ny tempoly.”

Ary i Andrew dia nanao fanamarihana hoe: “Izaho dia lasa nanana fahalianana tamim-pitiavana sy tamim-pahavitrihana mikasika ny tantaram-pianakaviana izay tsy noeritreretiko ho nananana hatrizay. Rehefa manomana ny fampianarako aho isan-kerinandro dia matetika aho no mahatsapa ny bitsiky ny Fanahy Masina mamporosika ahy hiasa sy hanandrana ireo fomba fiasa sasantsasany izay nampianarina tao amin’ ny lesona. Taloha dia zavatra nampitahotra ny fanaovana ny tantaram-pianakaviana. Kanefa rehefa nampian’ ny Fanahy aho dia afaka nanatontosa ny antsoko ary nanampy olona maro teo amin’ ny paroasiko.”

Ry zandriko lahy sy zandriko vavy malalako, tsy fandaharan’ asa na fiaraha-mientana mahaliana fotsiny izay tohanan’ ny Fiangonana ny tantaram-pianakaviana; fa tena ampahany manan-danja ao anatin’ ny asa ho an’ ny famonjena sy ny fisandratana. Nomanina ho amin’ izao andro izao ianareo ary mba hanangana ny fanjakan’ Andriamanitra. Eto an-tany ianareo ankehitriny mba hanampy amin’ ity asa mahagaga ity.

Mijoro ho vavolombelona aho fa niverina teto an-tany i Elia ary namerina tamin’ ny laoniny ny fahefana masin’ ny famehezana. Mijoro ho vavolombelona aho fa izay voafehy eto an-tany dia azo fehezina any an-danitra. Ary fantatro fa mitana anjara toerana lehibe eo amin’ ity asa goavana ity ny tanora ao anatin’ ny taranaka vao misondrotra. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ ny anarana masin’ ny Tompo Jesoa Kristy, amena.