2010–2019
Ny Maha-Zava-dehibe ny Anarana
Oktobra 2011


Ny Maha-Zava-dehibe ny Anarana

Ndeha isika hizatra … amin’ ny fanazavana tsara fa Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany no anarana napetraky ny Tompo mba hahafantarana antsika.

Ry Loholona Hales, amin’ ny anaranay rehetra, dia maneho ny fitiavanay lalina anao izahay ary feno fankasitrahana fa eto ianao izao maraina izao.

Hatramin’ ny fihaonamben’ ny Fiangonana tamin’ ny volana Aprily farany teo, dia niverimberina tao an-tsaiko foana ilay lohahevitra hoe ny maha-zava-dehibe ny anarana. Tao anatin’ izay volana vitsivitsy lasa izay, dia maromaro ireo zafiafy izay teraka tao anatin’ ny fianakavianay. Na dia haingana tsy araka ny fieritreretako azy aza ny fahatongavan’ izy ireo, dia olona fanampiny raisinay tsara ao amin’ ny fianakavianay ny zaza tsirairay. Izy tsirairay ireo dia samy nahazo anarana manokana izay nofidian’ ny ray aman-dreniny avy, anarana izay ahafantarana azy mandritra ny fiainany, hampiavaka azy ireo tsirairay amin’ ny hafa. Zavatra fanao ao anatin’ ny fianakaviana rehetra izany, ary fanao ihany koa izany eo anivon’ ireo finoana rehetra manerana an’ izao tontolo izao.

Ny Tompo Jesoa Kristy dia nahafantatra ny maha-zava-dehibe ny fanomezana anarana mazava ny Fiangonany amin’ izao andro farany izao. Ao amin’ ny fizarana faha-115 ao amin’ ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia Izy tenany mihitsy no nanome anarana ny Fiangonana: “Satria toy izany no hiantsoana ny fiangonako amin’ ny andro farany, dia Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany” (andininy 4).

Ny Mpanjaka Benjamina tamin’ ny andron’ ny Bokin’ i Môrmôna dia nampianatra ny vahoakany manao hoe:

“Mba tiako ny hitondranareo eo aminareo ny anaran’ i Kristy, dia ianareo rehetra izay efa nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra fa ho mpankatò mandra-pahatapitry ny ainareo. …

“Ary mba tiako ny hahatsiarovanareo koa fa izany no anarana izay nolazaiko fa homeko anareo, izay tsy hovonoina mandrakizay raha tsy noho ny fandikan-dalàna; noho izany dia mitandrema mba tsy handikanareo lalàna, mba tsy ho voavono ao am-ponareo ilay anarana” (Mosià 5:8, 11).

Mitondra ny anaran’ i Kristy eo amintsika isika ao anatin’ ny ranon’ ny batisa. Manavao ny fanekena tamin’ ny batisa isan-kerinandro isika rehefa mandray ny fanasan’ ny Tompo, sy maneho ny fahavononantsika hitondra ny anarany ary mampanantena fa hahatsiaro Azy mandrakariva (jereo ny F&F 20:77, 79).

Moa ve isika mahatsapa fa tena voatahy tokoa noho ny fitondrantsika eo amintsika ny anaran’ ilay Zanaka malala sy Lahitokan’ Andriamanitra? Moa ve takatsika ny lanjan’ izany? Ny anaran’ ny Mpamonjy no hany anarana eto ambanin’ ny lanitra izay ahafahan’ ny olona ho voavonjy (jereo ny 2 Nefia 31:21).

Raha tsaroanareo tsara, ny Filoha Boyd K. Packer dia niresaka ny maha-zava-dehibe ny anaran’ ny Fiangonana nandritra ny fihaonamben’ ny Fiangonana tamin’ ny volana Aprily lasa teo. Nanazava izy fa “noho ny fankatoavana ny fanambarana, dia miantso antsika ho Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany isika fa tsy hoe Fiangonana Môrmôna” (“Tarihin’ ny Fanahy Masina,” Liahona Mey 2011, 30).

Satria zava-dehibe tokoa ny anarana fenon’ ny Fiangonana, dia averiko indray ny fanambarana avy amin’ ny soratra masina, sy ny torolalan’ ny Fiadidiana Voalohany tao anatin’ ireo taratasy tamin’ ny 1982 sy 2001, ary ny tenin’ ireo Apôstôly hafa izay namporisika ny mpikamban’ ny Fiangonana hihazona sy hampianatra izao tontolo izao fa ny Fiangonana dia fantatra amin’ ny anaran’ ny Tompo Jesoa Kristy. Izany no anarana izay hiantsoan’ ny Tompo antsika amin’ ny andro farany. Izany no anarana hiavahan’ ny Fiangonany amin’ ireo hafa rehetra.

Nieritreritra lalina ny antony nanomezan’ ny Mpamonjy ity anarana lava ity hiantsoana ny Fiangonany naverina tamin’ ny laoniny aho. Toa lava tokoa izany, fa raha raisintsika ho famaritana amin’ ny ambangovangony ny Fiangonana izany, dia lasa fohy sy mahafinaritra, ary mahitsy. Moa ve misy famaritana hafa mivantana kokoa sy mazava kokoa ary afaka maneho izany tsara kokoa kanefa voalaza ao anatin’ ny teny vitsy mihoatra noho io?

Ny teny rehetra dia mazava tsara ary manana ny lanjany manokana avokoa. Ny teny hoe Ny dia maneho ny toerana manokan’ ny Fiangonana naverina tamin’ ny laoniny eo anatrehan’ ireo finoana hafa manerana an’ izao tontolo izao.

Ny teny hoe Fiangonan’ i Jesoa Kristy dia manambara fa ity no Fiangonany. Ao amin’ ny Bokin’ i Môrmôna i Jesoa dia nampianatra hoe: “Ary ahoana no maha-fiangonako azy raha tsy antsoina amin’ ny anarako izy? Fa raha antsoina amin’ ny anaran’ i Mosesy ny fiangonana iray, dia fiangonan’ i Mosesy izy amin’ izany; na raha antsoina amin’ ny anaran’ ny olona iray izy, dia fiangonan’ io olona io izy amin’ izany; fa raha antsoina amin’ ny anarako kosa izy, dia fiangonako izy amin’ izany, raha toa izy ireo ka miorina amin’ ny filazantsarako” (3 Nefia 27:8).

Ny Andro Farany dia manazava fa ity dia ilay Fiangonana nitovy tamin’ ilay Fiangonana naorin’ i Jesoa Kristy nandritra ny asa fanompoany teto an-tany saingy naverina tamin’ ny laoniny amin’ izao andro farany izao. Fantatsika fa nisy ny fahalavoana, na apôstazia, izay nitaky ny famerenana amin’ ny laoniny ny Fiangonany marina sy feno amin’ izao androntsika izao.

Ny hoe Olomasina dia midika fa ny mpikambana ao aminy dia manaraka Azy sy miezaka manao ny sitrapony, mitandrina ny didiny, ary miomana indray ny hiaina eo Anatrehany sy eo anatrehan’ ny Raintsika any an-danitra amin’ ny fotoana hoavy. Ny hoe Olomasina dia maneho tsotra fotsiny ireo izay mikatsaka ny hanao ny fiainan’ izy ireo ho masina amin’ ny fanaovana fanekempihavanana hanaraka an’ i Kristy.

Ilay anarana izay nomen’ ny Mpamonjy iantsoana ny Fiangonana dia milaza amintsika marina hoe iza isika ary inona no inoantsika. Mino isika fa i Jesoa Kristy, no Mpamonjy sy Mpanavotra ny olona rehetra. Nanonitra ny fahotan’ ireo rehetra izay mibebaka marina Izy, ary namaha ny famatoran’ ny fahafatesana sy nanome ny fitsanganana amin’ ny maty. Manaraka an’ i Jesoa Kristy isika. Ary araka ny voalazan’ ny Mpanjaka Benjamina tamin’ ny olony, sady hamafisiko aminareo rehetra androany dia hoe: “[Tokony ho tsaroanareo] ny hitana ilay anara[ny] ho voasoratra mandrakariva ao am-ponareo” (Môsià 5:12).

Nangatahina isika mba hijoro ho vavolombelona momba Azy “amin’ ny fotoana rehetra sy amin’ ny zavatra rehetra, ary amin’ ny toerana rehetra” (Mosià 18:9). Midika amin’ ny ampahany izany fa tsy maintsy mivonona isika ny hampahafantatra ny hafa hoe iza no arahintsika ary Fiangonan’ iza no misy antsika: dia ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy izany. Azo antoka fa te hanao izany ao anatin’ ny toe-tsaina feno fitiavana sy maneho fijoroana ho vavolombelona tokoa isika. Te-hanaraka ny Mpamonjy isika amin’ ny alalan’ ny fanambarana amin’ ny fomba tsotra, sy mazava ary amim-panetren-tena fa mpikambana ao amin’ ny Fiangonany isika. Manaraka Azy isika amin’ ny maha-Olomasin’ ny Andro Farany antsika—mpanara-dia amin’ ny andro farany.

Matetika ny olona sy ny fikambanana dia omen’ ny hafa solon’ anarana. Ny solon’ anarana dia mety fanafohezana avy amin’ ny anarana, na mety avy amin’ ny tranga iray na endrika ety ivelany na lafiny hafa. Na dia tsy manana ny lanja mitovy amin’ ny tena anarana aza ny solon’ anarana, dia azo ampiasaina tsara izy ireny.

Samy nanana ny solon’ anarany ny Fiangonan’ ny Tompo na tamin’ ny andro taloha na ny ankehitriny. Ny Olomasina tamin’ ny fotoanan’ ny Testamenta Vaovao dia nantsoina hoe Kristianina satria izy ireo dia nitory ny finoan’ izy ireo an’ i Jesoa Kristy. Izany anarana izany, tany am-piandohana dia nampiasain’ ireo mpanenjika mba hitsikerana, fa ankehitriny kosa efa lasa anarana mampiavaka; ary voninahitra ho antsika ny antsoina hoe Fiangonana Kristianina.

Ny mpikambana ato amintsika dia antsoina hoe Môrmôna satria isika mino ny Bokin’ i Môrmôna: Testamenta Iray Hafa Momba an’ i Jesoa Kristy. Ny sasany mety miezaka mampiasa ny teny hoe Môrmôna amin’ ny ankapobeny entina ilazana ireo izay niala ny Fiangonana ary nanangana vondrona hafa nisaraka tamin’ izany. Miteraka fisafotofotoana izany. Feno fankasitrahana isika amin’ ny ezaka ataon’ ireo haino aman-jery amin’ ny tsy fampiasana ny teny hoe Môrmôna mba tsy hampisafotofotoana ny sain’ ny besinimaro ka hanafangaroana ny Fiangonana amin’ ireo mpandala ny fanambadiana maro sy ny vondrona fondamentaliste. Tiako ny milaza mazava tsara fa tsy misy ifandraisany amin’ Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany ireo vondrona mpandala ny fanambadiana maro, anisan’ izany ireo miantso ny tenan’ izy ireo hoe Môrmôna Fondamentaliste na ireo izay hafa mampiasa ny anarantsika.

Na dia tsy anarana feno sy anarana marin’ ny Fiangonana aza ny hoe Môrmôna, ary na dia nampiasain’ ireo mpitsikera nandritra ny taonan’ ny fanenjehana tany am-piandohana aza izany, dia lasa solon’ anarana azo ekena raha iantsoana ireo mpikambana fa tsy iantsoana kosa ilay fikambanana. Tsy mila manajanona ny fampiasana ny anarana Môrmôna isika, rehefa mety ny fampiasana azy, fa tokony hanohy hanantitrantitra ny anarana feno sy marin’ ny Fiangonana. Izany hoe, mila isika miala amin’ ny fitenenana hoe: “Fiangonana Môrmôna” sy tsy mamporisika ny fampiasana izany.

Nandritra ny taona maro nanatanterahako ireo andraikitra manerana an’ izao tontolo izao, dia nisy nanontany foana aho raha toa ka mpikamban’ ny Fiangonana Môrmôna. Ny valinteniko dia hoe: “Izaho dia mpikamban’ Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy. Satria izahay mino ny Bokin’ i Môrmôna, izay nantsoina avy tamin’ ny anaran’ ny mpaminany iray mpitarika tany Amerika fahagola ary testamenta iray hafa momba an’ i Jesoa Kristy, dia matetika antsoina hoe Môrmôna.” Nety hatrany izany famaliako izany tamin’ ny ankamaroan’ ny fotoana ary raha ny marina dia nanome fahafahana maro ho ahy hanazavako ny famerenana amin’ ny laoniny ny fahafenoan’ ny filazantsara amin’ ny andro farany.

Ry rahalahy sy anabavy, eritrereto ny fiantraikany mety ho entintsika amin’ ny alalan’ ny famaliana tsotra sy amin’ ny fampiasana ny anarana fenon’ ny Fiangonana araka ny nambaran’ ny Tompo fa tokony ho ataontsika. Ary raha toa ianao tsy afaka mampiasa avy hatrany izany anarana feno izany, dia farafaharatsiny miteny hoe: “Mpikambana ao amin’ ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy aho” ary hazavaina any aoriana hoe “Olomasin’ ny Andro Farany.”

Ny sasany mety hanontany hoe: ahoana indray ireo tranonkala toy nyMormon.org ary ireo haino aman-jery hafan’ ny Fiangonana? Araka ny nolazaiko hoe ny fiantsoana ireo mpikambana tsy an-kanavaka hoe Môrmôna dia matetika azo atao. Raha ny zava-misy anefa, ireo izay tsy iray finoana amintsika dia mikaroka ny momba antsika amin’ ny alalan’ izany anarana izany. Fa raha vao vantany manokatra ny Mormon.org ianao, dia hazavaina ao amin’ ny pejy fanombohana ny tena anarana marin’ ny Fiangonana, ary miseho isaky ny pejy fanampiny ao amin’ ilay tranokala izany. Tsy mora ny hanantena ny olona hanoratra feno ny anaran’ ny Fiangonana rehefa mikaroka ny momba antsika izy ireo na rehefa miditra ao amin’ ny tranonkala.

Na dia mety hitohy aza izany fanatsotsorana izany, dia tsy tokony hanakana ny mpikambana amin’ ny fampiasana ny anarana fenon’ ny Fiangonana araka izay tratrany izany. Ndeha isika hizatra ao amin’ ny fianakaviantsika sy ao amin’ ny fiaraha-mientan’ ny Fiangonana ary amin’ ny fifandraisantsika andavanandro hanazava tsara fa Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany no anarana nandidian’ ny Tompo antsika mba hahafantarana izany.

Ny valim-panadihadihana iray vao haingana dia naneho fa mbola maro loatra ireo olona no tsy mahatakatra tsara fa ny hoe Môrmôna dia natao iantsoana ny mpikamban’ ny Fiangonana. Ary ny ankamaroan’ ny olona dia mbola tsy mahazo antoka fa ny Môrmôna dia Kristianina. Na dia mamaky mikasika ilay asa hoe, Môrmôna Manome Tanana, aza izy ireo izay ataontsika manerana an’ izao tontolo izao rehefa mitranga ny rivo-doza, ny horohoron-tany, ny tondra-drano, ny mosary, dia mbola tsy raisin’ izy ireo ho fikambanana Kristianina isika amin’ ny ezaka ataontsika hitondrana fanampiana. Mazava ho azy fa ho mora kokoa amin’ izy ireo ny mahatakatra fa mino ny Mpamonjy isika raha toa ka lazaintsika fa mpikamban’ Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany isika. Amin’ izay ireo izay mandre ny teny hoe Môrmôna dia tonga dia hampifandray izany teny izany amin’ ny anarantsika nambara araky ny faminaniana sy hampifandray izany amin’ ny olona izay manaraka an’ i Jesoa Kristy.

Nangataka ny Fiadidiana Voalohany tao amin’ ny taratasin’ izy ireo tamin’ ny 23 Febroary 2001, hoe: “Ny fampiasana ilay anarana nambara araky ny faminaniana, Ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ ny Andro Farany, dia tena manan-danja eo amin’ ny andraikitsika hitory ny anaran’ ny Mpamonjy manerana an’ izao tontolo izao. Noho izany dia mangataka izahay rehefa miresaka momba ny Fiangonana isika mba hampiasa ny anarany feno na aiza na aiza maha-mety izany.

Ny Filoha George Albert Smith dia nilaza, tamin’ ny taona 1948 nandritra ny fihaonamben’ ny Fiangonana volana Ôktôbra, hoe: “Ry rahalahy sy anabavy, rehefa mandeha miala eto ianareo, dia mety hifanerasera amin’ ny antokom-pivavahan’ izao tontolo izao, kanefa tadidio fa iray ihany ny Fiangonana eto amin’ izao tontolo izao izay mitondra ny anaran’ i Jesoa Kristy Tompontsika, araka ny didin’ ny lanitra” (tao amin’ ny Conference Report, Ôkt. 1948, 167).

Ry rahalahy sy anabavy, enga anie isika hahatsiaro izany koa rehefa miala avy eto amin’ ity fihaonambe ity androany maraina. Aoka ho re ny fijoroantsika ho vavolombelona momba Azy ary ny fitiavantsika Azy ho ao am-pontsika mandrakariva. Izany no vavaka ataoko amim-panetren-tena amin’ ny anarany, ny Tompo Jesoa Kristy, amena.