2010–2019
Ilay Fahafahana Hanao Indray Mandeha Ihany Zavatra Iray Mitondra Soa eo amin’ny Fiainana
Oktobra 2011


Ny Fahafahana Hanao Zavatra Indray Mandeha eo amin’ny Fiainana

Amin’ny alalan’ny asa feno fanoloran-tena sy fahafoizan-tena ataonareo, dia ho lasa traikefa masina ho anareo ny fitoriana ny filazantsara.

Fotoana iray manan-danja eo amin’ny fiainan’ny misiônera ny manao tafa sy dinika farany na tafa sy dinika “hivoahana,” miaraka amin’ny filohan’ny misiônany. Ny ho votoatin’izany tafa sy dinika izany dia ny firesahana ireo azo lazaina fa zavatra niainana tsy hay hadinoana mandritra ny fiainana ary ireo lesona manan-danja izay azo tao anatin’ny 18 ka hatramin’ny 24 volana monja.

Na dia toa mitovitovy aza ny ankamaroan’ireo zavatra niainana sy lesona ireo eo amin’ny asa fitoriana, dia samy miavaka kosa ny asa fitoriana tsirairay, miaraka amin’ireo fanamby sy fahafahana hanao zavatra mitondra soa izay mampivelatra sy mitsapa antsika arakaraka ny filàntsika manokana sy ny maha-izy azy antsika.

Efa ela talohan’ny nandaozantsika ny tokantranontsika teto an-tany mba hitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno, no nandaozantsika ny ray aman-drenintsika tany an-danitra mba hanatanteraka ilay iraka nampanaovina antsika eto an-tany. Manana Ray any an-danitra isika, izay mahafantatra antsika—ny tanjatsika, ny fahalementsika, ny fahaiza-manaontsika, ary ny hery anaty ananantsika. Fantany izay tokony ho filohan’ny misiôna sy namana mpiara-mitory ary ny mpikambana sy ny naman’ny Fiangonana ilaintsika mba hahafahantsika ho lasa ilay misiônera, vady, raim-pianakaviana, ary ilay mpihazona ny fisoronana izay vitantsika ny manatratra azy.

Ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara no manendry ny misiônera eo ambany fitarihana sy ny fitaomam-panahin’ny Fanahy Masina. Ireo filohan’ny misiôna nentanim-panahy no manendry ny fifindrana isaky ny enina herinandro ary mianatra haingana fa ny Tompo dia mahafantatra tsara ny toerana tiany hanompoan’ny misiônera tsirairay.

Taona vitsy lasa izay, dia nanompo ho misiônera amin’ny fotoana feno tany amin’ny misiônan’i Arizona i Elder Javier Misiego, avy ao Madrid, Espagne. Tamin’izany fotoana izany, ny antsony hitory ny filazantsara any Etazonia dia tsy dia mahazatra loatra, satria ny ankamaroan’ireo zatovolahy avy ao Espagne dia voantso hanompo ao amin’ny fireneny ihany.

Tany amin’ny fiafaran’ny takariva amorom-patana iray nokarakarain’ny tsatòka, izay nanasana azy sy ilay mpiara-mitory aminy mba handray anjara, dia natonin’ny mpikamban’ny Fiangonana malaina iray izay nentin’ny namana iray i Elder Misiego. Izay indray ity lehilahy ity vao niditra ny trano Fiangonana tao anatin’ny taona maro. Nanontaniany i Elder Misiego, raha mahafantatra an’i Jose Misiego avy any Madrid. Rehefa namaly i Elder Misiego fa ny anaran-drainy dia i Jose Misiego, dia nametraka tamim-pientanentanana fanontaniana vitsivitsy hafa ity lehilahy ity mba hanamarinana fa tena ilay Jose Misiego marina izany. Ary rehefa azo antoka fa olona iray ihany no resahin’izy ireo, dia nanomboka nitomany ity lehilahy izay mpikambana malaindaina ity. “Ny rainao no hany olona nataoko batisa nandritra ny fotoana iray manontolo nanaovako asa fitoriana,” hoy izy nanazava ary nilazalaza momba ny fandehan’ny asa fitoriany izy, izay raha araka ny eritreriny dia tsy fahombiazana. Nandritra ny taona maro izay nampalaindaina azy izay, dia nahatsapa ho tsy manana ny maha izy azy izy sy niahiahy noho ny fieritreretany fa tsy nahavita na inona na inona ho an’ny Tompo.

Nanazava ny zavatra nentin’izany hoe “tsy fahombiazan’ilay misiônera” izany ho an’ny fianakaviany i Elder Misiego. Nilaza taminy izy fa ny rainy izay natao batisa fony izy tanora mpitovo, dia nanambady tany amin’ny tempoly, ary i Elder Misiego no fahaefatra amin’ny zanak’izy ireo enina, ary ny telo lahy tamin’izy ireo sy ny anabaviny iray dia samy efa nahavita asa fitoriana ny filazantsara avokoa, ary mbola mpikambana mazoto ao am-piangonana avokoa, ary ireo rehetra nanambady dia nofehezina tany amin’ny tempoly avokoa.

Nanomboka nitomany ilay misiônera efa nahavita asa fitoriana izay nalaindaina. Tamin’ny alalan’ny ezaka nataony, dia nahafantatra izy izao fa olona maro no voatahy teo amin’ny fiainany, ary ny Tompo dia nandefa rahalahy avy any Madrid, Espagne, hankany amin’ny takariva amorom-patana tao Arizona mba hahafantarany fa ny zavatra nataony dia fahombiazana. Fantatry ny Tompo ny toerana tiany hanompoan’ny misiônera tsirairay.

Na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana no hisafidianan’ny Tompo hitahiana antsika mandritra ny asa fitoriana ataontsika, dia tsy natao ho tapitra amin’ny fotoana hisaoran’ny filohan’ny tsatòka ireo fitahiana avy amin’ny asa fitoriana. Ny asa fitorianao dia fotoana hiofananao hiatrehana ny fiainanao. Ny traikefa, ny lesona, ny fijoroana ho vavolombelona azonao nandritra ny fanompoana amim-pahatokiana dia natao hanome fototra miorina amin’ny filazantsara ary haharitra mandritra ny fiainana an-tany sy any amin’ny mandrakizay. Kanefa, mba hahafahan’ireo fitahiana hitohy aorian’ny asa fitoriana, dia misy ny fepetra izay tsy maintsy tratrarina. Mamaky isika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fa “Izay rehetra te hahazo fitahiana eo an-tanako dia handray ny lalàna izay voatendry ho an’izany fitahiana izany sy ireo fepetrany izay najoro” (F&F 132:5). Io fitsipika io dia nampianarina ao amin’ny tantara hita ao amin’ny Eksodosy.

Rehefa avy nandray didy avy tamin’ny Tompo i Mosesy, dia niverina tany Egypta mba hitarika ny zanak’i Isiraely hiala ny fanandevozana. Tsy nahazoan’izy ireo ny fahafahana ireo loza maromaro nifanesy, ary izany dia nitarika ilay loza faha-10 sady farany: “Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin’izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra amin’ny tany Egypta” (Eksodosy 12:12).

Ho fiarovana amin’ilay “mpandringana” (andininy 23), dia nanome torolalana ny olony ny Tompo mba hanolotra zanak’ondry “tsy misy kilema” ho fanatitra (andininy 5), ary hanangona ny ra avy amin’ny fanatitra. Avy eo izy ireo dia “haka ny ra” ka hateteny eo amin’ny varavarana fidirana izany—“tolanam-baravarana roa sy … amin’ny tataom-baravaran’ny trano” (andininy 7) —niaraka amin’ity fampanantenana ity: “Ary raha mahita ny ra Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo” (andininy 13).

“Dia nandeha ny Zanak’Isiraely ka nanao izany; araka izay nandidian’i Jehovah” (andininy 28). Nanolotra fanatitra izy ireo, nanangona ny ra, ary nanatete izany teo amin’ny tranon’izy ireo. “Ary nony namatonalina Jehovah namono ny lahimatoa rehetra tany amin’ny tany Egypta” (andininy 29). Voaro araka ny fampanantenan’ny Tompo i Mosesy sy ny olony.

Ny ra izay nampiasain’ireo Isiraelita, izay tandindon’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy izay mbola ho avy ary fanomezana ho an’ny olombelona rehetra, no vokatry ny fanatitra izay natolotr’izy ireo. Na izany aza, ny fanatitra sy ny ra fotsiny ihany dia tsy ampy hahazoana ny fitahiana nampanantenaina. Raha toa ka tsy nisy ny fanasiana ra teo amin’ny tolanam-baravarana, dia tsy ho nisy dikany izany fanatitra izany.

Ny Filoha Monson dia nampianatra fa: “Ny asa fitoriana dia sarotra. Mitaky betsaka ny herin’ny tena izany, mila fahaiza-manao izany, ary mitaky ny ezaka tsara indrindra avy amin’ny tena. … Tsy misy asa hafa tahaka izany izay mitaky fotoana lava kokoa sy fandavan-tena bebe kokoa na mitaky fahafoizan-tena toy izany ary vavaka amin-kafanampo” (“That All May Hear,” Ensign, Mey 1995, 49).

Vokatr’izany “fahafoizan-tena izany,” dia miverina miaraka amin’ny fanomezam-pahasoavantsika manokana isika avy any am-pitoriana ny filazantsara. Fanomezam-pahasoavan’ny finoana. Fanomezam-pahasoavan’ny fijoroana ho vavolombelona. Fanomezam-pahasoavan’ny fahatakarana ny andraikitry ny Fanahy. Ny fanomezam-pahasoavan’ny fandalinana ny filazantsara isan’andro. Ny fanomezam-pahasoavana nahafahana nanompo ny Mpamonjy antsika. Izany dia fanomezam-pahasoavana izay voafono tsara tao anatin’ny soratra masina efa tonta, tao anatin’ny tahadikan’ny Torio ny Filazantsarako izay rovidrovitra, sy tao anatin’ny diarin’ny misiônera, ary tao anatin’ny fo feno fankasitrahana. Na izany aza, tahaka ny zanak’i Isiraely, ireo fitahiana mitohy avy amin’ny asa fitoriana dia mitaky fampiharana aorian’ny fahafoizan-tena.

Taona vitsy lasa izay, raha niahy ny Misiônan’i Barcelone, Espagne izaho sy Rahavavy Waddell, dia nanome andraikitra farany hatrany ho an’ireo misiônera aho mandritra ny tafa sy dinika farany. Rehefa miverina mody any amin’ny misy azy izy ireo dia takiana avy hatrany haka fotoana handinihana ireo lesona sy fanomezam-pahasoavana nomena azy ireo avy tamin’ilay Ray any an-danitra malala-tanana. Angatahina izy ireo hanao lisitra sy handinika ombam-bavaka ny fomba tsara indrindra ahafahana mampihatra ireo lesona ireo eo amin’ny fiainana aorian’ny asa fitoriana—lesona izay hisy fiantraikany amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainan’izy ireo: fisafidianana ny fianarana sy ny asa, fanambadiana sy zanaka, fanompoana ny Fiangonana amin’ny hoavy ary ny tena zava-dehibe indrindra, dia tokony hanohy ny maha- mpanara-dia an’i Kristy azy izy ireo ary hanohy ny fivoaran’izy ireo tsy tapaka amin’ny maha-mpanara-dia an’i Kristy.

Tsy tara velively ho an’izay mety ho misiônera efa avy nitory ny filazantsara ny mandinika ireo lesona azo avy amin’ny asa fanompoana amim-pahavitrihana kokoa. Rehefa manao izany isika dia hahatsapa bebe kokoa ny fitarihan’ny Fanahy eo amin’ny fiainantsika, hihamafy orina ny fianakaviantsika ary hanatona akaikikaiky kokoa ny Mpamonjy sy ny Ray any an-danitra isika. Tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana farany teo, ny Loholona L. Tom Perry dia nanao ity fanasana ity: “Miantso anareo aho ry misiônera izay avy nanao asa fitoriana mba hanoloranareo tena indray, mba hitoetra ao aminareo indray ny faniriana sy ny fanahin’ny asa fitoriana. Miantso anareo aho mba handinika izany sy ho toy izany ary hanatanteraka ilay asa amin’ny maha-mpanompon’ny Raintsika any an-danitra antsika. … Tiako ny mampanantena anareo fa misy fitahiana goavana homanina ho anareo raha manohy mandroso hatrany ianareo miaraka amin’ilay fahazotoana izay nananareo fony misiônera tamin’ny fotoana feno ianareo” (“The Returned Missionary,” Liahona, Jan. 2002, 88, 89; Ensign, Nôv. 2001, 77).

Ankehitriny ry zatovolahy izay mbola tsy nitory ny filazantsara tamin’ny fotoana feno, dia zaraiko aminareo ny torohevitry ny Filoha Monson tamin’ny volana Ôktôbra lasa teo: “Averiko ilay zavatra nampianarin’ireo mpaminany hatry ny ela—fa ny zatovolahy rehetra izay mendrika sy salama ara-batana sy ara-tsaina dia tokony hiomana hanao asa fitoriana. Ny asa fitoriana dia andraikitry ny fisoronana—adidy izay andrasan’ny Tompo amintsika izay tena nomena be dia be” (“As We Meet Together Again,” Liahona Nôv. 2010, 5–6)

Tahaka ireo misiônera hatrizay sy amin’izao fotoana izao, ny Tompo dia mahafantatra anao ary manana traikefa avy amin’ny asa fitoriana ny filazantsara izay nomaniny ho anao. Fantany ny filohan’ny misiônanao sy ny vady malalany, izay ho tia anao tahaka ny zanaka naterany ary hikatsaka fitaomam-panahy sy fitarihana ho anao. Fantany daholo ireo mpiara-mitory aminao rehetra ary ny zavatra hianaranao avy amin’izy ireo. Fantany avokoa ny toerana rehetra izay hiasanao, ny mpikambana izay hihaona aminao, ny olona izay hampianarinao, ary ireo fiainan’olona izay novainao mandrakizay.

Amin’ny alalan’ny asa feno fanoloran-tena sy fahafoizan-tena ataonareo, dia ho lasa traikefa masina ho anareo ny fitoriana ny filazantsara. Hahita ny fahagagan’ny fiovam-po ianao rehefa miasa amin’ny alalanao ny Fanahy mba hikasihana ny fon’ireo izay ampianarinao.

Raha eo am-piomanana ny hanompo ianao dia maro ny zavatra tsy maintsy atao. Mitaky zavatra bebe kokoa mihoatra noho ny fanokanana, na ny fametrahana mari-pamantarana eo amin’ny tratra na ny fidirana ao amin’ny foibe fanofanana misiônera ny fahatongavana ho mpanompon’ny Tompo mahomby. Dingana nanomboka efa ela alohan’ny hiantsoana anao hoe “Elder” izany.

Tongava any amin’ny sahan’ny asa fitorianao miaraka amin’ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna, izay azonao tamin’ny alalan’ny fandalinana sy ny vavaka. Ny Bokin’i Môrmôna dia porofo mahery vaika amin’ny maha-Andriamanitra an’i Kristy. Porofon’ny Famerenana amin’ny laoniny koa tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith izany. … Amin’ny maha-misiônera anao dia voalohany indrindra tsy maintsy manana ny fijoroanao ho vavolombelona manokana ianao fa marina ny Bokin’i Môrmôna. …[Ho lasa] votoatin’ny fampianaranao izany vavolombelon’ny Fanahy Masina izany. ( Torio Ny Filazantsarako: Torolalana Ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera [2004], 103).

Tongava any amin’ny sahan’ny asa fitorianao miaraka amin’ny fahamendrehana ny hanana ny Fanahy Masina ho namana. Hoy ny Filoha Ezra Taft Benson hoe: “Ny Fanahy no singa tokana manan-danja indrindra amin’ity asa ity. Afaka manao fahagagana ho an’ny Tompo ianao any amin’ny sahan’ny asa fitorianao miaraka amin’ny Fanahy izay manome hery ny antsonao. Raha tsy misy Fanahy dia tsy hahita fahombiazana velively ianao na inona na inona talenta sy fahaizana anananao” (Ao amin’ny Torio Ny Filazantsarako, 176).

Mivonòna hiasa rehefa tonga any any amin’ny sahan’ny asa fitorianao ianao. Ny fahombiazanao amin’ny maha-misiônera anao dia [ho]refesina voalohany indrindra amin’ny alalan’ny fanoloran-tenanao hitady sy hampianatra, hanao batisa, ary handray ny olona ho mpikambana. Andrasana aminao ny “hiasa amim-pahombiazana isan’andro, [hanao] ny tsara … indrindra mba hitondrana fanahy eo amin’ny Kristy” (Torio ny Filazantsarako, 10, 11).

Averiko indray ny fanasan’ny Loholona M. Russell Ballard, izay nolazainy tamin’ireo vondron’ny zatovolahy miomana ny hanompo: “Miandrandra anareo izahay ry rahalahikelinay ao amin’ny Fisoronana Aharôna. Tahaka ireo zatovo miaramila 2.000 an’i Helamàna dia fanahy zanak’Andriamanitra koa ianareo, ary ianareo koa dia notafiana hery mba hanangana sy hiaro ny Fanjakany. Mila anareo izahay hanao ny fanekempihavanana masina, tahaka ny nataon’izy ireo. Mila anareo izahay mba hankatò sy hahatoky amin’ny antsipiriany, tahaka ny nataon’izy ireo” (“The Greatest Generation of Missionaries,” Liahona, Nôv. 2002, 47).

Rehefa manaiky izany fanasana izany ianareo, dia hianatra lesona goavana, tahaka an’i Elder Misiego sy ireo rehetra izay nanompo, niverina ary nampihatra amim-pahatokiana. Hianatra ianareo fa marina ny tenin’ny mpaminany, Filoha Thomas S. Monson izay manao hoe: “Ny fahafahana indray mandeha eo amin’ny fiainana hitory ny filazantsara dia atolotra anareo. Miandry anareo ny fitahiana mandrakizay. Nomena anareo ny fahafahana tsy ho mpitazana fotsiny fa ho mpandray anjara eo amin’ny sehatry ny fanompoana ao amin’ny fisoronana” (Ensign, Mey 1995, 49). Mijoro ho vavolombelona aho fa marina izany amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena