2010–2019
Ny Herin’ ny Soratra Masina
Oktobra 2011


Ny Herin’ ny Soratra Masina

Ny soratra masina dia toy ny ampaham-pahazavana kely izay manazava ny saintsika ary manome toerana ho an’ ny fitarihana sy aingam-panahy avy any ambony.

Izahay izay mandroso eto amin’ ity polipitra ity mandritra ny fihaonambe dia mahatsapa ny herin’ ny vavaka ataonareo. Mila izany izahay ary misaotra anareo manao izany.

Takatry ny Raintsika any an-danitra fa mba hahafahantsika mahazo ireo fivoarana iriana mandritra ny andro fizahan-toetra lalovantsika dia mila miatrika ireo fanamby sarotra isika. Saika tsy eran’ ny aina mihitsy ny sasantsasany amin’ ireo fanamby ireo. Manome fitaovana manampy antsika hahita fahombiazana eto amin’ ity andro fizahan-toetra lalovantsika ity Izy. Iray amin’ ireo fitaovana ireo ny soratra masina.

Nandritra ny vanim-potoana rehetra dia nisafidy lehilahy sy vehivavy nentanim-panahy ny Ray any an-danitra mba hikaroka ireo vahaolana amin’ ny olana saro-bahana indrindra eto amin’ ny fiainana, amin’ ny alalan’ ny fitarihan’ ny Fanahy Masina. Nitaona fanahy ireo mpanompo nahazo lalana hirakitra ireo vahaolana ireo Izy, ho toy ny boky torolalana ho an’ ireo zanany izay manam-pinoana amin’ ny drafitry ny fahasambarana sy amin’ilay Zanaka Malalany, i Jesoa Kristy. Afaka mikaroka ireo torolalana ireo amin’ ny alalan’ilay harena sarobidy antsointsika hoe soratra masina ankatoavin’ ny Fiangonana isika—izany dia ny Testamenta Taloha sy Vaovao, ny Bokin’ i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny Voahangy Lafo Vidy.

Fahamarinana madio ny soratra masina satria azo avy tamin’ ny fifandraisana nentanim-panahy tamin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina izy ireny. Tsy mila miahiahy ny amin’ ny fahamarinan’ ny fotokevitra voarakitra ao amin’ ireo soratra masina ankatoavina isika satria ny Fanahy Masina no fitaovana izay nanome hery sy nitaona fanahy ireo olona tsirairay izay nirakitra izany ho soratra masina.

Ny soratra masina dia toy ny ampaham-pahazavana kely izay manazava ny saintsika ary manome toerana ho an’ ny fitarihana sy aingam-panahy avy any ambony. Afaka ny ho tonga fanalahidy izy ireo izay hanokatra ny lalam-pifandraisana amin’ ny Raintsika any an-danitra sy amin’ilay Zanaka Malalany, i Jesoa Kristy.

Manome lanja ny fanambarantsika koa ny soratra masina rehefa ambara araky ny tokony ho izy. Afaka ny ho tonga namana mahatoky izay azo atonona izy ireo na aiza na aiza, na oviana na oviana. Eo foana izy ireo rehefa ilaina. Ny fampiasana azy ireo dia manome fototry ny fahamarinana izay azon’ ny Fanahy Masina hamafisina. Sahala ny mameno larimoara fampirimana antontan-taratasy amin’ ny alalan’ ny namana, hasina ary fahamarinana izay azo antsoina amin’ ny fotoana rehetra sy any amin’ ny toerana rehetra manerana an’ izao tontolo izao ny fandalinana ny fisaintsainana, ny fikarohana ary fanaovana tsianjery ny soratra masina.

Misy hery lehibe azo avy amin’ ny fanaovana tsianjery ny soratra masina. Toy ny manomboka finamanana vaovao ny fanaovana tsianjery soratra masina. Toy ny fiezahana mamantatra olona iray vaovao izay afaka manampy amin’ ny fotoana ilana fanampiana izany, sy afaka manome fitaomana ara-panahy sy fankaherezana, ary ho loharano hahazoana risim-po hanaovana ny fanovana izay ilaina. Ny fanoloran-tenako hanao tsianjery ity salamo ity ohatra, dia loharano nitondra hery sy fahatakarana ho ahy:

“An’ i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.

“Fa Izy no nanorina azy tambonin’ ny ranomasina. Tambonin’ ny rano no nampitoerany azy.

“Iza no hiakatra any an-tendrombohitr’ i Jehovah? ary iza no hitoetra ao amin’ ny fitoerany masina?

“Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin’ ny lainga, na mianiana hamitaka.

“Handray fitahiana avy amin’ i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin’ Andriamanitry ny famonjena azy” (Salamo 24:1–5).

Ny fisaintsainana soratra masina iray toy izany dia manome taridalana lehibe eo amin’ ny fiainana. Afaka manome fototra hiantsampazana ny soratra masina. Afaka manome loharano midadasika toy ny namana vonona hanampy antsika izy ireny. Ho lasa namana maharitra izay tsy ho ravan’ ny fotoana mandalo ny soratra masina iray lany tsianjery.

Afaka ho tonga fanalahidy hahazoana fanambarana sy fitarihana ary fitaomana avy amin’ ny Fanahy Masina ny fisaintsainana ny andalan-tsoratra masina iray. Afaka mampitony ny fanahy mikorontana, manome fiadanana, sy fanantenana ary famerenana ny fahatokian-tena amin’ ny fahaiza-manao ananan’ ny tena hanoherana ny fanambin’ ny fiainana ny soratra masina. Manana hery mahery vaika manasitrana ny fanamby ara-pihetsehampo koa izy ireny rehefa mifototra amin’ ny finoana ny Mpamonjy. Afaka manafaingana ny fanasitranana ara-batana koa izy ireny.

Mampita dikany samihafa amin’ ny fotoana samihafa eo amin’ ny fiainantsika arakarak’ izay ilaintsika ny soratra masina. Mety hahatakatra dikany hafa izay manavao hery sy fomba fijery indray ny soratra masina izay efa novakiantsika imbetsaka rehefa miatrika fanamby vaovao eo amin’ ny fiainana isika.

Ahoana no fomba ampiasanao ny soratra masina ho an’ ny tenanao? Manisy marika izany ve ianao? Manoratra ireo fanamarihana eo amin’ ny sisin’ ny pejy ve ianao mba hahatsiarovanao ireo fotoana nandraisana fitarihana ara-panahy na traikefa iray izay nampianatra lesona lalina anao? Moa mampiasa ny soratra masina ankatoavina rehetra ve ianao, isan’ izany ny Testamenta Taloha? Nahazo fahamarinana maro sarobidy avy tao amin’ ireo pejin’ ny Testamenta Taloha aho izay ampahany manan-danja nanorenako ny fototry ny fahamarinana izay nitarika ny fiainako ary nampiasaiko ho loharanom-panampiana rehefa nanandrana nizara ny hafatry ny filazantsara tamin’ ireo hafa aho. Izany no antony itiavako ny Testamenta Taloha. Nahita firavaka sarobidin’ ny fahamarinana aho tamin’ ireo pejiny rehetra. Ohatra:

“Sitrak’ i Jehovah moa ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà mihoatra noho ny mihaino ny feon’ i Jehovah? He! ny manafaka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran’ ondrilahy” (1 Samoela 15:22).

“Matokia an’ i Jehovah amin’ ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ ny fahalalanao.

“Maneke Azy amin’ ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny làlanao.

“Aza manao anao ho hendry; Matahora an’ i Jehovah, ka mifadia ny ratsy. …

“Anaka, aza manamavo ny famaizan’ i Jehovah, Ary aza tofoka amin’ ny fananarany:

“Fa izay tian’ i Jehovah no anariny, Dia tahaka ny ataon’ ny ray amin’ ny zanaka tiany.

“Sambatra izay olona mahita fahendrena sy izay olona mahazo fahalalana” (Ohabolana 3:5–7, 11–13).

Ahitana loharanom-pahamarinana sarobidy koa ny Testamenta Vaovao:

“Dia hoy Jesosy taminy: “Tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.”

“Izany no didy lehibe sady voalohany.

“Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.

“Izany didy roa izany no ihantonan’ ny lalàna rehetra sy ny mpaminany” (Matio 22:37–40).

“Ary hoy ny Tompo: Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary:

“Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka hianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao.

“Ary hoy izy taminy: Tompoko; vonona hanaraka Anao aho, na ho ao an-trano-maizina, na dia ho any amin’ ny fahafatesana aza.

“Fa hoy Jesosy: Lazaiko aminao, ry Petera: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà intelo ho tsy mahalala Ahy hianao. …

“Ary ny ankizivavy anankiray, nony nahita azy nipetraka teo anilan’ ny afo, dia nandinika azy ka nanao hoe: Ity koa nomba Azy.

“Fa izy nandà ka nanao hoe: Ravehivavy, tsy fantatro Izy.

“Ary vetivety foana rehefa afaka izany, dia nisy olona hafa koa nahita azy ka nanao hoe: Hianao koa mba naman’ ireny. Fa Petera nanao hoe: Ralehilahy, tsy mba namany aho.

“Ary rehefa afaka tokony ho ora iray dia nisy anankiray ka nitompo teny ka nanao hoe: Ilehio nomba Azy marina tokoa, fa Galiliana izy.

“Fa hoy Petera: Ralehilahy, tsy fantatro izay lazainao. Ary niaraka tamin’ izay, raha mbola niteny izy, dia nisy akoho naneno.

“Ary ny Tompo nitodika, dia nijery an’ i Petera. Ary Petera nahatsiaro ilay tenin’ ny Tompo nolazainy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà Ahy intelo hianao.

“Ary nivoaka Petera, dia nitomany mafy indrindra” (Lioka 22:31–34, 56–62).

Malahelo ny foko tamin’ ny zavatra nahazo an’ i Petera tamin’ io fotoana io.

Nitahy ny fiainako be dia be koa ity soratra masina ao amin’ ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ity: “Aza mikatsaka ny hitory ny teniko, fa katsaho aloha ny hahazo ny teniko, ary amin’ izay dia hovahana ny lelanao; amin’ izay raha irinao, dia hanana ny Fanahiko sy ny teniko ianao, eny, ny herin’ Andriamanitra ho fandresen-dahatra ny olona” (F&F 11:21).

Araka ny fahatsapako dia mampianatra fahamarinana miseho amin’ ny endriny mazava sy misy hery miavaka ny Bokin’ i Môrmôna. Ohatra:

“Ary ankehitriny dia mba tiako ianareo hanetry tena sy hanoa ary ho malemy fanahy; mora hihavanana; feno faharetana sy fahari-po; mahonom-po amin’ ny zava-drehetra; mazoto amin’ ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra amin’ ny fotoana rehetra; mangataka izay zavatra rehetra ilainareo, na ara-panahy na ara-nofo; mamaly saotra an’ Andriamanitra mandrakariva amin’ izay zavatra rehetra raisinareo.

“Ary ezaho izay anananareo finoana, fanantenana ary fiantrana, ary amin’ izany dia hihabe mandrakariva amin’ ny asa soa ianareo” (Almà 7:23–24)

Iray hafa koa:

“Ary ny fiantrana dia mahari-po sady malemy fanahy, ary tsy mialona sy tsy mieboebo, tsy mikatsaka ny ho azy, tsy mora hantsina, tsy mihevitra ratsy, tsy mifaly amin’ ny tsy fahamarinana fa mifaly kosa amin’ ny fahamarinana, mizaka ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, miaritra ny zavatra rehetra.

“Noho izany, ry rahalahiko malala, raha tsy manana fiantrana ianareo dia tsinontsinona, fa ny fiantrana tsy ho levona mandrakizay. Koa, mifikira amin’ ny fiantrana izay ny lehibe indrindra amin’ ny zavatra rehetra, fa ny zavatra rehetra dia tsy maintsy ho levona—

“Fa ny fiantrana kosa dia ny fitiavana madion’ i Kristy ary maharitra mandrakizay izany; ary na zovy na zovy no hita ho manana izany amin’ ny andro farany, dia soa ho azy izany.

“Noho izany ry rahalahiko malala dia mivavaha amin’ ny Ray amin’ ny herin’ ny fo manontolo mba hahazoana mameno anareo amin’ izany fitiavana izany, izay efa natolony ireo rehetra izay mpanaradia marina an’ i Jesoa Kristy Zanany; mba hahatonga anareo ho zanak’ Andriamanitra; ka rehefa hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy tahaka ny maha-Izy Azy; mba hananantsika izany fanantenana izany; mba hahazoana manadio antsika tahaka Azy izay madio” (Môrônia 7:45–48).

Tia ny Bokin’ i Môrmôna i Jeanene, vadiko malala. Lasa fototra nijoroan’ ny fiainany izany nandritra ny fahatanorany, fony izy zatovo. Loharanon’ ny fijoroana ho vavolombelona sy fampianarana izany nandritra ny asa fitoriana tamin’ ny fotoana maharitra nataony tany amin’ ny faritra avaratra andrefan’ i Etazonia. Rehefa nanompo tany amin’ ny sahan’ ny misiôna tany Córdoba, Argentine izahay dia namporisika foana ny fampiasana ny Bokin’ i Môrmôna eo amin’ ny asa fitoriana izy. Nanaporofo dieny aloha be teo amin’ ny fiainany i Jeanene fa ireo izay mamaky tsy tapaka ny Bokin’ i Môrmôna dia hanana be dia be ny Fanahin’ny Tompo, sy ny fahavononana tanteraka hankatò ny didiny, ary ny fijoroana ho vavolombelona mahery vaika amin’ ny maha-andriamanitra ny Zanakalahin’ Andriamanitra.1 Tsy tadidiko intsony hoe impiry, isaky ny faran’ ny taona maromaro nifanesy, no nahitako azy nipetraka tamim-pahanginana, namarana tamim-pitandremana ny Bokin’ i Môrmôna manontolo talohan’ ny faran’ ny taona.

Naniry hanolotra fanomezana miavaka nandritra ny Krismasy ho an’ ny fianakaviako aho tamin’ ny 1991. Noraketiko tao anaty diariko ny fahatanterahan’ izany faniriako izany, ka izao no voasoratra tao: “Alarobia 18 Desambra 1991, amin’ ny 12 ora sy 38 minitra. Vao avy namarana ny fandraisana ny feo ny Bokin’ i Môrmôna ho an’ ny fianakaviako aho. Tena traikefa izay nampitombo ny fijoroako ho vavolombelona mahakasika ity asa masina ity izany ary nanome tanjaka ahy amin’ ny faniriako ny ho te-hahafantatra kokoa izay zavatra raketin’ ireo pejiny izay mitondra fahamarinana azoko ampiasaina amin’ ny asa fanompoako ny Tompo. Tiako io boky io. Mijoro ho vavolombelona amin’ ny heriko rehetra aho fa marina izany, ary nomanina mba ho entina hitahiana ny Vahoakan’ i Isiraely izany, sy ireo ampahany rehetra miparitaka manerana an’ izao tontolo izao koa. Izay rehetra mandalina ny hafany amim-panetren-tena, amin’ ny finoana an’ i Jesoa Kristy, dia hahafantatra ny fahamarinany ary hahita zava-tsoa izay hitarika azy ireo amin’ ny fahasambarana, sy fiadanana ary fahombiazana bebe kokoa eto amin’ ity fiainana ity. Mijoro ho vavolombelona amin’ ny fomba masina indrindra aho fa marina ity boky ity.”

Enga anie isika tsirairay mba hampiasa ireo harem-pitahiana izay azo avy amin’ ny fandalinana soratra masina. Izany no vavaka ataoko amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.

  1. Jereo ny Gordon B. Hinckley, “A Testimony Vibrant and True,” Liahona, Aog. 2005, 6.