2010–2019
Ny Herin’ ny Fisoronana Aharôna
Oktobra 2011


Ny Herin’ ny Fisoronana Aharôna

Ianareo sy ny anjara fanompoan’ ny Fisoronana Aharôna izay hazoninareo dia manan-danja eo amin’ ny asan’ ny Ray any an-danitra amin’ ny zanany sy eo amin’ ny fanomanana ny tany amin’ ny Fiavian’ ny Zanakalahiny Fanindroany.

Nandritra ny fivoriam-panofanana vao haingana nomena ny Manampahefana Ambony dia mbola naverin’ ny Filoha Thomas S. Monson nantitranterina ny momba ireo adidin’ ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna sy ireo fahafahana manao zavatra mitondra soa ananan’izy ireo.1 Araky ny torolalan’ ny fanahy voaray tamin’ izany no hanaovako lahateny aminareo.

Mamaritra ny hoavin’ ny vahoaka sy ny firenena ny fanaovana adidy araka ny tokony ho izy. Amin’ ny maha-zava-dehibe ny fitsipiky ny fanaovana adidy dia nampitandremana ireo mpihazona ny fisoronana hoe: “Koa ankehitriny, aoka ny olona tsirairay hianatra ny andraikiny ary hiasa amin’ ny zotom-po rehetra ao amin’ ny anjara fanompoana izay anendrena azy.”2

Nanazava ny Filoha Monson hoe: “Tonga tsimoramora ilay antso mba handray andraikitra rehefa mahavita ny adidy nasaina notontosaina isika izay mihazona ny fisoronana.”3 Nindrana ny teny nambaran’ i George Albert Smith ny Filoha Monson izay manao hoe: “Andraikitsika voalohany alohan’ ny zava-drehetra ny mamantatra ny zavatra tadiavin’ ny Tompo ary avy eo amin’ ny alalan’ ny hery sy ny tanjaky ny Fisoronany masina dia manandriana ny antsontsika eo anatrehan’ ireo namantsika isika, hany ka ho faly hanaraka ny ataontsika koa ny olona.”4

Raha niresaka momba ny andraikiny ny Tompo dia nilaza hoe: “Fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon’ ny Ray”.5 “Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’ Izay naniraka Ahy.”6 Satria nanatanteraka andraikiny i Jesoa Kristy, dia ho “azo vonjena ny olombelona rehetra, amin’ ny fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ ny filazantsara.”7 Ry rahalahy, izany no ohatra arahintsika.

Tsapako araky ny zavatra niainako fa ianareo izay manompo amin’ ny maha-diakona, mpampianatra ary mpisorona anareo dia manao zavatra an-tsitrapo, sy azo ianteherana, ary mahay manatontosa ny adidinareo araky ny andrasana aminareo. Mahafinaritra anay ianareo. Mifindra ny tanjakareo, mahavariana ny fahaizanareo, ary mankahery ny miara-miasa aminareo. Ianareo sy ny anjara fanompoan’ ny Fisoronana Aharôna izay hazoninareo dia manan-danja eo amin’ ny asan’ ny Ray any an-danitra amin’ ny zanany sy eo amin’ ny fanomanana ny tany amin’ ny Fiavian’ ny Zanakalahiny Fanindroany. Ny fahitanay anareo sy ny andraikitrareo dia tsy hijerena ny taonanareo. Niresaka mahakasika anareo i Paoly raha niteny hoe: “Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an’ ny mino hianao amin’ ny fiteny, amin’ ny fitondrantena, amin’ ny fitiavana, amin’ ny finoana, amin’ ny fahadiovana.”8

Tonga ara-potoana teo amin’ ireo lehilahy fahiny

Ilay fisoronana arak’ i Aharôna.

Tamin’ ny alalan’ ny Levita, mpisorona ary mpaminany koa,

dia nampiasaina izany hitahiana ireo zanak’ Andriamanitra.

Dia tonga ilay Mpamonjin’ izao tontolo izao

Nikaroka ilay lehilahy antsoina hoe i Jaona,

Mba hatao batisa amin’ izany fahefana izany Izy,

ary mba hanombohany ny asa famonjena eto an-tany.

Amin’ izao andro farany izao io fahefana io

Dia naverina eto an-tany indray,

Ka ho latsa-paka ao am-pontsika

Ny fahamarinan’ ny filazantsara tsy misy mipika.

Ny Fisoronana Aharôna, fahamarinana tsara lahatra,

Dia hanomana ny hoavy mahagaga—

Ka ho tontosa ny fanavotana

Amin’ ny alalan’ ny Zanaka malalan’ Andriamanira Lahitokana!

Ary ho an’ ireo izay manompo amin’ ny alalan’ izany fahefana izany—

Dia fahamatorana no takiana hatrany.

Ka rehefa mitafy ilay fahefan’ ny fisoronana ny tovolahy

Dia izao no azo ambara: “Indro ny lehilahy!”9

“Ny hery sy ny fahefan’ ny fisoronana ambany, na ny Fisoronana Aharôna, dia ny mihazona ny fanalahidin’ ny fanompoan’ ny anjely sy ny mitantana ireo ôrdônansy ivelany, ny soratry ny filazantsara, ny batisan’ ny fibebahana ho famelan-keloka, araka ny fanekempihavanana sy ny didy”10 Nanamarika ny Filoha Boyd K. Packer hoe: “Tena miasa tsara isika amin’ ny fizarana ny fahefan’ ny fisoronana. Saika efa mitoetra any amin’ ny toerana maro ny fahefan’ ny fisoronana ankehitriny. … Kanefa mieritreritra aho fa lasa aloha kokoa mihoatra ny fanomezana herin’ ny fisoronana ny fizarana ny fahefan’ ny fisoronana.”11 Mba ho tombontsoan’ ireo zanak’ Andriamanitra dia tokony ho hitsiana izany.

Nilaza ny fomba hanaovana izany ny mpaminanintsika. Nindrana ny tenin’ i George Q. Cannon ny Filoha Monson izay manao hoe: “Te hahita ny herin’ ny fisoronana hihamantanjaka aho. … Tiako izany tanjaka sy hery izany hisandrahaka manerana ny mpihazona ny fisoronana rehetra manomboka any amin’ ny lohany ka hatrany amin’ ny diakona faran’ ny kely sy manetry tena indrindra eto amin’ ny Fiangonana. Ny lehilahy tsirairay dia tokony samy hikatsaka sy handray ny fanambaran’ Andriamanitra, ny hazavan’ ny lanitra manazava ny fanahiny sy manome fahalalana azy mikasika ny adidiny, sy mikasika izany lafiny iray ao amin’ ny asa izany … izay andraikiny ao amin’ ny Fisoronany.”12

Inona no azon’ ny diakona, mpampianatra na mpisorona atao mba hahazoana ny fanahin’ ny fanambarana sy hahafahany manandriana ny antsony? Afaka miaina amim-pahamendrehana izy mba hahafahany mandray ilay herin’ ny Fanahy Masina izay manadio sy manamasina ary manazava.

Hita ao amin’ ny tenin’ i Almà ny lanjan’ ity zavatra ity: “Ary ankehitriny lazaiko aminareo fa araka izany lamina izany no iantsoana ahy … mba hitory amin’ ny … taranaka vao misondrotra … fa tsy maintsy mibebaka izy ireo ka ateraka indray.13 Rehefa nateraka indray ny olona dia miova ny fony. Tsy hirona any amin’ ny zavatra ratsy na maloto izy. Mahatsapa fitiavana lalina sy maharitra an’ Andriamanitra izy. Maniry ny hanao ny tsara, hanompo ny hafa ary hitandrina ny didin’ Andriamanitra izy.14

Namariparitra ny zavatra niainany mahakasika izany fiovana mahery vaika izany ny Filoha Joseph F. Smith: “Fahatsapana fiadanana, fitiavana ary fahazavana madio tsisy pentina no tonga teo amiko. Tsapako tao am-poko fa raha nanota aho … dia efa voavela izany. Tena voadio tamin’ ny fahotako aho. Niova fo aho ary nahatsapa fa tsy te-hampijaly na dia ny biby faran’ izay kely ao ambanin’ ny tongotro aza. Nahatsapa ho toy ireny te hanao ny tsara tamin’ ny olona rehetra sy tamin’ ny zava-drehetra ireny aho na aiza na aiza izany. Nahatsapa fiainam-baovao aho, faniriana vaovao hanao ny marina. Tsy nisy fanirian-dratsy intsony na dia indray mitete aza tavela tao anatin’ ny fanahiko. Marina fa mbola zazalahy kely aho, … kanefa tonga tamiko izany fahatsapana izany, ary fantatro fa avy any amin’ Andriamanitra izany, ary izany dia lasa fijoroana ho vavolombelona velona ho ahy mikasika ny fanekeko ny Tompo hatramin’ izay ka hatramin’ izao.”15

Koa dia miantso anareo izahay ry zatovolahy mahafinaritra mba hiezaka amim-pahazotoana ny ho “ateraka indray.”16 Mivavaha mba hisy izany fiovana mahery vaika izany eo amin’ ny fiainanareo. Mandalina ny soratra masina. Manàna faniriana mihoatra ny zava-drehetra hahafantatra an’ Andriamanitra sy ho tonga bebe kokoa tahaka ny Zanakalahiny Masina. Mifalia amin’ ny fahatanoranareo saingy “[ario] ny fahazazana”:17

Alaviro ny fanimbazimbana sy ireo resaka tsy maotina.

Alaviro ny haratsiana rehetra.

Sorohy ny fifandirana

Mibebaha rehefa ilaina izany.18

Hanampy anareo ho tonga any amin’ ilay hoe lehilahy manana ny maha izy azy izany. Ho azonareo ny herimpo, ny fananana fahamendrahana ho azo hianteherana, ny fanetren-tena, ny finoana ary ny hatsaram-panahy. Hahafinaritra ny namanareo ianareo, hidera anareo ny ray aman-dreninareo, hiantehitra aminareo ireo rahalahy ao amin’ ny fisoronana ary ho tia anareo ireo zatovovavy ary ho lasa tsaratsara kokoa noho ny aminareo. Hanaja anareo Andriamanitra ary handrotsaka hery avy any amin’ ny avo eo amin’ ny asa fanompoan’ ny fisoronana ataonareo.

Isika rehetra ambiny dia hanao ny anjarantsika. Aminy maha-ray aman-dreny sy dadabe sy nenibe anay dia hanomana anareo amin’ ny fanaovana asa fanompoana mitaky herimpo kokoa izahay ato amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra. Amin’ ny maha-rahalahinareo anay dia ho ohatra tsara kokoa mba ho arahinareo izahay. Hampitombo ny tanjaka ao amin’ ny kôlejinareo izahay. Hanohana ireo fiadidian’ ny kôlejinareo izahay eo am-pampiasan’ izy ireo ny fanalahidin’ ny fiadidiany. Hanome anareo fahafahana hanaovanareo tanteraka ny adidin’ ny Fisoronana Aharôna izahay sy hanandriananareo ny antsonareo ao anatin’ izany.

Hisy fitahiana lehibe maro hitranga eto amin’ ny Fiangonana amin’ ny alalan’ ny asa fanompoanareo. “Miteny amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina ny anjely.”19 Afaka manao izany koa ianareo. Rehefa miteny amin’ ny alalan’ ny herin’ ny Fanahy Masina ianareo, sy mikarakara ireo tandindona masin’ ny fanasan’ ny Tompo, ireo lehilahy sy vehivavy, zazalahy sy zazavavy, dia hiezaka ny hibebaka sy hampitombo ny finoany an’ i Kristy ary hanana ny Fanahy Masina hiaraka amin’ izy ireo hatrany.

Rehefa mifady hanina sy manangona ny fanomezana amin’ ny fifadian-kanina ianareo dia ho voatarika hanao ny asany araky ny fomban’ ny Mpamonjy ireo mpikambana. Nikarakara ireo mahantra sy kivy ny Tompo ary nanasa ny olona hoe: “Avia, manaraha Ahy.”20 Mampirotsaka antsika handray anjara ao amin’ ny asany masina ny asa fanompoana ataonareo amin’ ny fikarakarana ireo niangaran’ ny vintana ary manampy antsika hihazona ny famelana ny fahotantsika manokana.21

Rehefa “mamangy ny tranon’ ny mpikambana tsirairay” ianareo,22 dia aza matahotra na menamenatra. Ny Fanahy Masina hanome anareo amin’ ilay fotoana tena ilana azy ireo teny izay tokony hotenenina, ny fijoroana ho vavolombelona tokony hozaraina ary ny asa fanompoana tokony hatao.

Hisy vokany ny ezaka amim-pahavitrihana ataonareo amin’ ny “[fiahiana] mandrakariva ireo mpikambana”.23 Hanalefaka ny fon’ ireo olona tsy mino ilay fombanareo feno fanetren-tena ary hamaha ihany koa ny fatotr’ i Satana. Ny fanasana ataonareo amin’ ny olon-kafa mba handeha any am-piangonana miaraka aminareo, sy handray ny fanasan’ ny Tompo ary hanompo hiaraka aminareo dia ho toy ny fahazavana mitarika ireo izay very ao anatin’ ny aloka ka ilay hazavan’ ny filazantsara hita ao dia toy ny vain’ afo mitsilopilopy na tsy miredareda mihitsy.

Ry rahalahiko kely malala, “Aza tsy mitandrina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao,”24 izay noraisinareo rehefa nomena sy notendrena tao amin’ ny Fisoronana Aharôna ianareo.

“Fa tsy nomen’ Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.

“Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ ny Tompontsika. … fa aoka hianao ho mpiombona … [amin’ ny] filazantsara araka ny herin’ Andriamanitra;

“Izay … niantso antsika tamin’ ny fiantsoana masina, … izay nomena antsika tao amin’ i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola.”25

Niantso anareo “hihazona ny fanevan’ ny fisoronana” ny mpaminany malalantsika.26 Miarahaba anareo izahay, mivavaka ho anareo sy mifaly amin’ ny fiaraha-miasa aminareo ary manolotra fisaorana an’ Andriamanitra noho ny herin’ ny asa fanompoana mitondra famonjena ataonareo.

Mijoro ho vavolombelona aho fa Andriamanitra dia ilay Raintsika Mandrakizay ary mipetraka any an-danitra any. I Jesoa ilay Kristy no Zanak’ Andriamanitra Masina, Mpanavotra an’ izao tontolo izao, ary ianareo ao amin’ ny Fisoronana Aharôna no mpanompony eto an-tany, amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy, amena.