2010–2019
Ny Fahafahana Mivavaka
Oktobra 2011


Ny Fahafahana Mivavaka

Ny vavaka no iray amin’ ireo fanomezana tena sarobidy nomen’ Andriamanitra ny olona.

Ry rahalahy sy anabaviko malala, ny Raintsika any an-danitra dia tsy fahatsapana iray na hevitra iray na hery iray. Olona masina Izy izay, araka ny ampianarin’ ny soratra masina, dia manana endrika sy tanana ary vatana tsy mety maty sy be voninahitra. Tena misy Izy sy mahafantatra antsika tsirairay ary tia antsika tsirairay. Te hitahy antsika Izy.

Hoy i Jesoa hoe:

“Ary iza moa aminareo, raha angatahin’ ny zanany mofo, no hanome azy vato?

“Ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana?

“Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an’ izay mangataka aminy?” (Matio 7:9–11).

Angamba mety ho ohatra tsara maneho izany ny zavatra niainan’ ny tena manokana. Fony aho dokotera vao herotrerony nanara-piofanana tao amin’ ny Hopitalin’ ankizy tao Boston, dia niasa nandritra ny ora maro ary tamin’ ny ankapobeny dia nandia ny lalana manelanelana ny hopitaly sy ny tranonay tany Watertown, Massachusetts tamin’ ny alalan’ ny bisikileta, satria nilain’ ny vadiko sy ilay fianakaviana keliko ny fiaranay. Indray hariva dia nitaingina bisikileta aho nandeha nody rehefa avy nijanona nandritra ny ora maro tany amin’ ny hopitaly ary nahatsapa tena ho vizana sy noana ary somary kivikivy ihany. Fantatro fa mila manokana ny fotoanako sy ny heriko ho an’ ny vadiko sy ireo zanako kely aho rehefa tonga any an-trano ary tokony hampiseho toetra falifaly koa. Tsoriko anefa fa na ny nivoy ilay bisikileta aza dia efa nanahirana ahy.

Nisy toeram-pivarotana akoho voahendy tamin’ ny lalana nandalovako ary nahatsapa aho fa tsy ho dia noana sy vizana loatra raha toa ka afaka mijanona kely mihinana silan’ akoho eny an-dalana mody. Fantatro fa manao fihenam-bidy izy ireo ho an’ ny fen’ akoho sy ny tongotr’ akoho ka 29 cents ny iray. Saingy rehefa nijery ny tao anaty poketrako aho dia tsy nanana afa-tsy vola 5 cents. Rehefa nanohy namoy bisikileta teny aho dia nolazaiko tamin’ ny Tompo ny toe-javatra nahazo ahy ary nangataka taminy tao anatin’ ny famindram-pony aho raha mba azony omena fahafahana hahita 25 cents eny amin’ ny sisin-dalana eny. Nilaza taminy aho fa tsy hoe mila izany mba hatao famantarana fa tena ho feno fankasitrahana aho raha toa ka omeny izany fitahiana feno hatsaram-panahy izany.

Nanomboka nijery tamim-pitandremana ny lalana aho, saingy tsy nahita na inona na inona. Rehefa niezaka nihazona toe-tsaina feno finoana nefa feno fankatoavana aho teny am-pandehanana teny dia nanakaiky ilay fivarotana. Dia nahita 25 cents teo amin’ ny tany aho tena tery am-pitan’ ny arabe misy ilay toerana fivarotana akoho. Noraisiko tamim-pankasitrahana sy tamim-pahatsapana fahamaivanana izany ary dia nividy ilay akoho sy nankafy tanteraka izany aho ary nandeha nody namoy bisikileta tamim-pifaliana.

Tao anatin’ ny famindram-pony, ilay Andriamanitry ny lanitra, ilay Mpahary sy Mpitarika ny zava-drehetra na aiza na aiza dia nandre vavaka momba ny zavatra tena bitika iray. Mety hisy hanontany tokoa hoe nahoana moa Izy no hisahirana amin’ ny zavatra tena kely toy izany. Izaho dia mino fa tia antsika fatratra ny Raintsika any an-danitra hany ka ireo zavatra izay manan-danja amintsika dia lasa manan-danja Aminy, satria tia antsika Izy. Tsy ho lehibe kokoa noho izany ve aza ny fitiavany hanampy antsika amin’ ireo zavatra lehibe angatahantsika izay ara-drariny (jereo ny 3 Nefia 18:20)?

Ho anareo ankizy sy tanora ary torak’ izany koa ianareo olon-dehibe, aoka ianareo hino ilay faniriana tena lehiben’ ny Ray any an-danitra be fitiavana mba hitahy anareo. Saingy noho Izy tsy hitsabaka amin’ ny fahafahantsika misafidy, dia tsy maintsy mangataka fanampiana avy Aminy isika. Atao amin’ ny alalan’ ny vavaka izany amin’ ny ankapobeny. Ny vavaka no iray amin’ ireo fanomezana tena sarobidy nomen’ Andriamanitra ny olona.

“Indray mandeha nangataka ireo mpianatr’ i Jesoa hoe: “Tompoko, mampianara anay hivavaka” (Lioka 11:1). Ho valin’ izany dia nanome antsika ohatra iray i Jesoa izay azo ampiasaina ho toy ny torolalana mikasika ireo fitsipika manan-danjan’ ny vavaka (jereo ny Russell M. Nelson, “Lessons from the Lord’ s Prayers,” Liahona, May 2009, 46–49; jereo koa ny Matio 6:9–13; Lioka 11:1–4). Araka ilay ohatra nomen’ i Jesoa dia:

Manomboka amin’ ny alalan’ ny firesahantsika amin’ ny Raintsika any an-danitra isika: “Rainay izay any an-danitra” (Matio 6:9; Lioka11:2). Voninahitra ho antsika ny firesahana mivantana amin’ ny Raintsika. Tsy mivavaka amin’ ny olon-kafa isika. Tsarovy fa notoroana lalana isika mba tsy hamerimberina teny, ka ao anatin’ izany ny tsy tokony hamerimberenana loatra ny anaran’ ny Ray rehefa mivavaka.1

“Hohamasinina anie ny anaranao” (Matio 6:9; Lioka 11:2). I Jesoa dia niresaka tamin’ ny Rainy tao anatin’ ny toetra feno fitsaohana sy tao anatin’ ny fiaikena ny halehibeny ary nanolotra dera sy fisaorana ho Azy. Azo antoka fa izany resaka fanehoana fanajana an’ Andriamanitra sy fanehoana fisaorana manokana sy avy amin’ ny fo izany dia iray amin’ ireo fanalahidin’ ny vavaka mahomby.

“Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao” (Matio 6:10; Lioka 11:2). Manaiky amin’ ny fomba malalaka ny fiankinantsika amin’ ny Tompo isika ary maneho ny faniriantsika hanao ny sitrapony na dia tsy mitovy amin’ ny sitrapontsika aza izany. Ny Rakibolan’ ny Baiboly amin’ ny teny Anglisy dia manazava hoe: “Ny vavaka dia ny mampifanaraka ny sitrapon’ ny Ray sy ny sitrapon’ ny zanaka. Ny tanjon’ ny vavaka dia tsy hoe hanova ny sitrapon’ Andriamanitra, fa mba hahazoantsika sy hahazoan’ ny hafa ireo fitahiana izay efa tian’ Andriamanitra omena antsika, izay tsy ho azo raha tsy angatahantsika” (Bible Dictionary, “Prayer”).

“Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay” (Matio 6:11; jereo koa ny Lioka 11:3). Mangataka ireo zavatra izay tadiavintsika any amin’ ny Tompo isika. Ilaina ny fahamarinan-toetra rehefa mangataka zavatra amin’ Andriamanitra. Tsy maneho fahamarinan-toetra tanteraka ohatra ny fangatahana ny Tompo mba hanampy amin’ ny fanadinana iray any an-tsekoly kanefa varimbariana aho any am-pianarana na tsy nanao ireo enti-modiko, na tsy nianatra hiomanana amin’ ilay fanadinana. Matetika rehefa mivavaka aho dia mibitsika moramora amiko ny Fanahy mba hiaiky fa betsaka ireo zavatra tokony hataoko mba hahazoana ilay fanampiana angatahiko avy amin’ ny Tompo. Dia tsy maintsy manolo-tena aho ary manao ilay anjarako. Mifanohitra amin’ ny drafitr’ Andriamanitra ny hoe, ny Tompo indray no manao, mba ho antsika, ireo zavatra izay azontsika atao amin’ ny tenantsika.

“Ary mamelà ny helokay” ( Matio 6:12) na jereo koa ao amin’ ny (Lioka 11:4). Ny lafiny iray ao amin’ ny vavaka ataon’ ny tena manokana izay ilaina ary matetika hadino, dia ny fibebahana. Raha tiana hisy fiantraikany ny fibebahana dia tsy maintsy mazava tsara sy feno fanajana ary maharitra izany.

“Tahaka ny namelanay izay meloka taminay” (Matio 6:12; jereo koa ny Lioka 11:4). Ny Mpamonjy dia naneho ny fifandraisana mazava misy eo amin’ ny famelana ny fahotantsika sy ny famelana ny hafa izay nanao ratsy tamintsika. Indraindray ny ratsy ataon’ ny hafa amintsika dia tena mankarary fo sy tena sarotra avela sy hadinoina. Tena feno fankasitrahana aho noho ny fankaherezana sy ny fanasitranana hitako tao anatin’ ny fanasan’ ny Tompo mba tsy hihazona ireo zavatra nandratra antsika ary hanolotra izany eo Aminy. Ao amin’ ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, fizarana 64, dia nilaza Izy hoe:

“Izaho Tompo dia hamela izay tiako havela heloka, fa takiana aminareo kosa ny hamela ny olon-drehetra.

Ary ianareo dia tokony hiteny ao am-ponareo hoe—aoka Andriamanitra hitsara ahy sy ianao ary hamaly anao araka ny ataonao” (andininy 10–11).

Dia tsy maintsy manadino tanteraka ilay zava-niseho isika ka mamela ny Tompo handray an-tanana izany raha maniry ny ho sitrana.

“Ary aza mitondra anay ho amin’ ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ ny ratsy” (Dikantenin’ i Joseph Smith, Matio 6:14, ao amin’ ny Torolalana ho an’ ny soratra masina). Araka izany ao anatin’ ny vavaka ataontsika isika dia afaka manomboka ilay dingan’ ny fitafiana ny fiadian’ Andriamanitra izay mifono fiarovana (jereo ny Efesiana 6:11; F&F 27:15) amin’ ny alalan’ ny fiandrandrana ny andro ho avy sy ny fangatahana fanampiana mikasika ireo zavatra mampatahotra mety atrehantsika matetika. Aoka ianareo ry namako malala mba tsy hanadino ny mangataka ny Tompo mba hiaro anareo sy hiaraka aminareo.

“Fa anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay” (Matio 6:13). Tena mifono fampianarana lalina tokoa ny namaranan’ i Jesoa ny vavaka nataony tamin’ ny alalan’ ny fiderana an’ Andriamanitra indray ary tamin’ ny alalan’ ny fanehoany fanajana sy fankatoavana ny Rainy. Rehefa mino marina isika fa mitarika ny fanjakany Andriamanitra ary manana hery sy ny voninahitra rehetra Izy, dia miaiky isika fa tena mandray andraikitra Izy sy tia antsika amin’ ny fitiavana tonga lafatra ary tiany ho faly isika. Hitako fa ny iray amin’ ireo tsiambaratelo mba hananana fiainana feno fifaliana, dia ny miaiky fa ny fanaovana ireo zavatra araka ny fomban’ ny Tompo dia hitondra fifaliana bebe kokoa ho ahy noho ny fanaovana zavatra araka ny fombako.

Mety hisy ihany ny loza toy ny hoe mahatsapa tsy dia manana faharisihana loatra ny hivavaka ny olona iray. Izany hevitra izany dia avy amin’ ny fanahin’ ny devoly izay ilay mampianatra antsika mba tsy hivavaka (jereo ny 2 Nefia 32:8). Tena mampivarahontsana mitovy amin’ ny olona iray tena marary izay mihevitra fa marary loatra ka tsy afaka mankany amin’ ny dokotera intsony, ny fieritreretana fa be fahotana loatra isika ka tsy afaka mivavaka intsony!

Tsy tokony hihevitra isika fa izay karazana vavaka atao rehetra na natao tamin’ ny fo toy ny inona aza izany dia hahomby raha toa ka nivavaka fotsiny ihany no nataontsika. Tsy hoe tokony hivavaka fotsiny isika fa tokony koa hiaina amim-pahamarinana sy hiasa mba hahazoana izay zavatra nivavahantsika. Ny Tompo dia faly kokoa amin’ ny olona izay mivavaka ary avy eo mandeha miasa toy izay ny olona izay mivavaka fotsiny. Ny vavaka dia mitovy tokoa amin’ ny fitsaboana izay tsy mahomby raha tsy ampiasaintsika araka ny torolalana nomena antsika.

Rehefa miteny aho hoe tombontsoa tena tsara ny vavaka dia tsy midika fotsiny akory izany hoe feno fankasitrahana aho noho ny fahafahako miresaka amin’ ny Ray any an-danitra sy mahatsapa ny Fanahiny rehefa mivavaka. Fa feno fankasitrahana koa aho noho ny famaliany antsika sy ny firesahany amintsika. Mazava ho azy fa ny fomba firesahany amintsika raha ny mahazatra dia tsy amin’ ny alalan’ ilay feo izay henontsika. Nanazava ny Filoha Boyd K. Packer hoe: “Ilay feon’ ny fanentanam-panahy izay kanto sy malefaka dia miseho amin’ ny alalan’ ny fahatsapan-javatra rehefa tonga fa tsy amin’ ny alalan’ ny feo. Azo resahana ao an-tsaina ny fahalalana madio. … Izany fitarihana izany dia miseho amin’ ny alalan’ ny eritreritra sy fahatsapan-javatra amin’ ny alalan’ ny bitsibitsika sy ny fihetsehampo” (“Prayer and Promptings,” Liahona, Nôv. 2009, 44).

Indraindray isika dia toa tsy mahazo ny valin’ ireo vavaka izay nataontsika tamin’ ny fo ary feno fiezahana. Mitaky finoana ny mahatsiaro fa ny Tompo dia mamaly amin’ ny fotoanany sy ny fombany mba tena hitahiana tsara antsika. Na rehefa alefa lavitra ny saina, dia ho tsapantsika matetika fa efa mahafantatra tanteraka ny zavatra tokony hataontsika isika.

Aoka ianao tsy ho kivy raha toa ka tsy tonga dia misy vokany aminao izany. Toy ny fianarana teny vahiny iray dia mitaky fampiharana sy ezaka izany. Aoka ho fantatrao anefa fa afaka mianatra ny fitenin’ ny Fanahy ianao ary rehefa hainao izany dia hanome finoana sy hery lehibe anao ao anatin’ ny fahamarinana.

Tena tiako ilay torohevitry ny Filoha Thomas S. Monson mpaminany malalantsika, izay nilaza hoe: “Ho anareo rehetra maheno ny feoko izay ianjadian’ ny olana lehibe sy kely, dia ny vavaka no mpanome hery ara-panahy ary mitondra any amin’ ny fiadanana izany. Ny vavaka no fitaovana izay ampiasaintsika mba hanatonana ny Raintsika any an-danitra izay tia antsika. Miresaha Aminy ao anatin’ ny vavaka ary dia henoy ny valiny. Tanteraka amin’ ny alalan’ ny vavaka atao ireo fahagagana” (“Be Your Best Self,” Liahona, Mey 2009, 68).

Feno fankasitrahana lalina aho noho ny fahafahako miresaka amin’ ny Raiko masina any an-danitra amin’ ny alalan’ ny vavaka. Feno fisaorana aho noho ireo fotoana tsy tambo isaina izay nihainoany sy namaliany Ahy. Noho ny famaliany ahy ary indraindray amin’ ny fomba efa voavinavina mialoha na amin’ ny fomba mahagaga, dia fantatro fa velona Izy. Mijoro ho vavolombelona amim-panetren-tena aho fa i Jesoa ilay Zanakalahiny Masina dia ilay Mpamonjy antsika velona. Ity no Fiangonany sy fanjakany eto an-tany ary marina ity asa ity. I Thomas S. Monson, izay entintsika am-bavaka mafy dia mpaminaniny. Ireo zavatra ireo no ijoroako ho vavolombelona amim-pahatokiana tanteraka amin’ ny alalan’ i Jesoa Kristy, amena.

  1. Jereo ny Francis M. Lyman, “Proprieties in Prayer,” ao amin’ ny Brian H. Stuy, comp., Collected Discourses Delivered by President Wilford Woodruff, His Two Counselors, the Twelve Apostles, and Others, boky 5. (1987–92), 3:76–79; B. H. Roberts, comp., The Seventy’ s Course in Theology, boky 5. (1907–12), 4:120; Encyclopedia of Mormonism (1992), “Prayer,” 1118–19; Bruce R. McConkie, Mormon Doctrine, boky nivoaka fanindroany (1966), 583.