2010–2019
Ireo Hira Izay Tsy Mba Azon’ izy ireo Nohiraina
Oktobra 2011


Ireo Hira Izay Tsy Mba Azon’ izy ireo Nohiraina

Na dia tsy mahafantatra ny valiny rehetra aza isika dia fantatsika ireo fitsipika manan-danja izay ahafahantsika miatrika ireo zava-miseho mampitaintaina amim-pinoana sy amim-pahatokiana.

Maro ireo olona miatrika olana goavana na zava-miseho mahatsiravina mihitsy aza mandritra ity fiainana eto an-tany ity. Mahita ohatr’ ireo fitsapana sy fahoriana maro isika manerana an’ izao tontolo izao.1 Tohina ny fontsika rehefa mahita ireo sary amin’ ny fahitalavitra izay ahitana fahafatesana, fijaliana lehibe ary fahoriana. Hitantsika ireo Japoney izay miasa mafy amin-kerimpo noho ireo fandravana nateraky ny horohoron-tany sy ny tafofo-dranomasina mahery sy avo. Tena mafy ny niaina ireo zava-niseho nampikorontan-tsaina vokatry ny faharavan’ ireo trano goavam-be roa antsoina hoe World Trade Center, izay naverintsika nojerena vao haingana. Tohina ny fontsika rehefa misy zava-doza mitranga toy izany, indrindra fa rehefa olona tsy manan-tsiny no niantefan’ izany.

Indraindray dia ny tena manokana mihitsy no iharan’ ilay zavatra mampalahelo. Misy zanakalahy na zanakavavy izay maty nandritra ny fahatanorany na ianjadian’ ny aretina lehibe. Voahaisotra ny ain’ ny ray na reny be fitiavana iray noho ny fanaovan-javatra tsy voahevitra iray na noho ny loza iray. Rehefa misy loza miseho dia malahelo isika ary mifampitondra ny enta-mavesatra.2 Malahelo isika noho ireo zavatra izay tsy azo ho tanterahana sy ireo hira izay tsy ho azo hiraina.

Anisan’ ireo fanontaniana tena apetraky ny olona matetika amin’ ireo mpitarika ao amin’ ny Fiangonana ny hoe: “Nahoana no avelan’ Andriamanitra hitranga ireo zavatra ratsy, indrindra fa amin’ ny olona tsara?” “Nahoana ireo olo-marina sy ireo olona manao ny asan’ ny Tompo no tsy afa-bela amin’ izany zava-miseho mampalahelo izany?”

Na tsy fantatsika aza ny valin’ ny zavatra rehetra, dia mahafantatra fitsipika manan-danja isika izay hanome fahafahana antsika hiatrika zava-miseho mampalahelo miaraka amin’ ny finoana sy fahatokiana fa misy hoavy mamirapiratra novolavolaina ho antsika tsirairay any. Ny sasany amin’ ireo fitsipika manan-danja ireo dia:

Voalohany, manana Ray any an-danitra isika izay mahafantatra sy tia antsika manokana ary mahatakatra tanteraka ny fijaliantsika.

Faharoa, ilay Zanakalahiny, Jesoa Kristy dia Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, ary ilay Sorompanavotany dia tsy hoe manome famonjena sy fisandratana ho antsika fotsiny fa hanonitra koa ny tsifahamarinana rehetra eo amin’ ny fiainana.

Fahatelo, ny drafitry ny fahasambarana nataon’ ny Ray ho an’ ny zanany dia tsy hoe ahitana fotsiny fiainana talohan’ ny nahaterahana sy fiainana eto an-tany fa ahitana koa fiainana mandrakizay, ary tafiditra ao ilay fihaonana lehibe sy feno voninahitra amin’ ireo izay nandao antsika tamin’ ny alalan’ ny fahafatesana. Ho voahitsy daholo ireo fahadisoana rehetra ary hanana fahitan-javatra sy fomba fijery mazava tsara isika ary fahatakarana tsy misy tomika.

Raha toa ity fiainana ity ka raisina amin’ ilay fomba fijery voafetra izay an’ ireo olona tsy manam-pahalalana sy tsy dia mahataka-javatra na tsy manana finoana ny drafitry ny Ray—izay mijery an’ izao tontolo izao amin’ ny alalan’ ny veran-tsolomason’ ny fiainana an-tany miaraka amin’ ny adiny sy ny herisetrany ary ny aretiny sy zava-dratsiny—dia mety ho toy ny hoe mampisafotofoto ny saina sy feno korontana ary anjakan’ ny tsy rariny sy toy ny tsy misy lanjany izany. Ireo mpitarika ao amin’ ny Fiangonana dia nampitaha izany fomba fijery izany amin’ ny olona iray izay miditra ny trano fampisehoana iray rehefa efa eo antenantenany ilay tantara an-tsehatra misy fizarana telo.3 Ireo izay tsy manana fahalalana momba ny drafitry ny Ray dia tsy hahatakatra ny zavatra nitranga tao amin’ ny fizarana voalohany, na ny fiainana talohan’ ny nahaterahana izany, sy ireo tanjona napetraka tany. Izy ireo koa dia tsy hahatakatra ny fanazavana sy ny voka-javatra hiseho ao amin’ ny fizarana fahatelo, izay ilay fahatanterahan’ ny drafitry ny Ray amim-boninahitra.

Maro no tsy mankasitraka ny hoe, ao anatin’ ilay drafiny izay feno fitiavana sy mazava amin’ ny antsipiriany, ireo izay toa tsy mba nahazo tombontsoa noho ny antony tsy niankina taminy dia tsy hosaziana amin’ ny farany.4

Afaka volana vitsivitsy dia ho feno 100 taona ny naharendrika tamin’ ny fomba nampalahelo an’ ilay sambo mpitondra mpandeha an-dranomasimbe izay nantsoina hoe Titanic. Ireo toe-javatra nahatsiravina izay nanodidina izany zava-nitranga nampihoron-koditra izany dia nanakoako nandritra ilay taonjato iray manontolo hatramin’ ny nisehoan’ izany. Ireo nanorina izany sambo mirentirenty mpitondra mpandeha izany, izay nisy rihana 11 ary nirefy 270 metatra ny halavany,5 dia nanao fanambarana mihoapampana sy tsy voamarina mikasika ny fahazakan’ ny Titanic tsara ny ranon’ ny ririnina izay feno tendrombohi-dranomandry. Tsy noeritreretina hilentika izany mihitsy io sambo io, kanefa dia rendrika tany amin’ ilay ranomasimbe Atlantika izay tena mamanala izany. Maherin’ ny 1.500 no namoy ny ainy.6

Ny faharendrehan’ ny Titanic dia fanoharana mikasika ny fiainana sy ny fitsipiky filazantsara maro amin’ ny lafiny maro. Ohatra tena tsara maneho ny olana azo avy amin’ ny fijeren-javatra amin’ ny alalan’ ny veran-tsolomason’ ny fiainana eto an-tany fotsiny izany. Tena zava-doza ny famoizan’ aina vokatr’ izany saingy tsy nampoizina ny fitrangan’ izany. Miaraka amin’ ilay fahafatesan’ olona maro nandritra ireo Ady Lehibe anankiroa sy ny niatrehana vao haingana ny fahatsiarovana ny fahafolo taona naharavan’ ny Tranobe anankiroa, World Trade Center, dia hitantsika tamin’ ny ambangovangony tao anatin’ ny androntsika ireo zavatra manafintohina sy ny fahoriana ary ireo olana eo amin’ ny lafin’ ny toe-tsaina amam-panahy tao anatin’ ireo zava-niseho vokatry ny fampiasana tamin’ ny fomba ratsy ny fahafahana misafidy. Misy vokany mahatsiravina eo amin’ ny fianakaviana sy ny namana ary ny firenena ireo zavatra mampalahelo ireo, na inona na inona antony.

Raha mikasika ny Titanic, dia nisy ny lesona nosintonina mikasika ny loza ateraky ny fieboeboana sy ny fanaovana dia any amin’ ny rano mampidi-doza ary ny hoe “tsy mizaha tavan’ olona Andriamanitra.”7 Karazan’ olona samihafa no tao anatin’ izany. Ny sasany nanan-karena sy nalaza toa an-dry John Jacob Astor, saingy nisy koa ireo mpiasa tanana, mpifindra monina, vehivavy, ankizy ary ireo olona mpiasan’ ny sambo.8

Misy zavatra roa farafahakeliny ifandraisan’ ny Olomasin’ ny Andro Farany amin’ ny Titanic. Izy roa ireo dia samy mampiseho ny fanamby atrehintsika eo amin’ ny fahatakarana ny fitsapana sy ny olana ary manome torolalana momba ny fomba ahafahantsika miatrika izany. Ny voalohany dia ohatra iray momba ny fahaizana mankasitraka ireo fitahiana azontsika sy ireo olana sorohintsika. Tafiditra ao anatin’ izany i Alma Sonne, izay lasa Manampahefana Ambonin’ ny Fiangonana taty aoriana.9 Izy no filohan’ ny tsatòkako tamin’ izaho vao teraka tany Logan, Utah. Nanao dinidinika mikasika ny fandehanana hanao asa fitoriana tamin’ ny Loholona Sonne aho. Tamin’ izany andro izany ireo izay mikasa ny hanao asa fitoriana dia tsy maintsy nanao dinidinika tamin’ ny Manampahefana Ambonin’ ny Fiangonana. Nisy fiantraikany lehibe teo amin’ ny fiainako izy.

Fony i Alma mbola zatovolahy dia nanana namana iray izay mpikambana malaina tao amin’ ny Fiangonana izy, izay nantsoina hoe Fred. Niresaka imbetsaka momba ny fanaovana asa fitoriana izy ireo ary tamin’ ny farany dia nandresy lahatra an’ i Fred i Alma Sonne mba hiomana sy hanompo. Samy voantso hanompo tany amin’ ny Misiônan’ i Angleterre izy ireo. Rehefa nifarana ny asa fitorian’ izy ireo dia nokarakarain’ i Elder Sonne, izay mpitantsoratry ny misiôna ny dia hiverenan’ izy ireo any Etazonia. Nividy tapakila handehanana amin’ ny Titanic ho an’ ny tenany sy ho an’ i Fred ary ho an’ ny misiônera efatra hafa izy izay nahavita ny asa fitorian’ izy ireo koa.10

Rehefa tonga ny fotoana hanaovana ny dia, noho ny antony tsy fantatra dia nahemotra ny dian’ i Fred. Nofoanan’ i Elder Sonne ireo famandrihan-toerana enina mba handeha amin’ ilay sambo vaovao mirentirenty mpitondra olona izay hanao ny diany voalohany ary namandrika toerana tamin’ ny sambo iray izay handeha ny ampitson’ izany izy.11 Naneho ny fahadisoam-panantenany ireo misiônera efatra izay tena nientanentana ny handeha amin’ ilay sambo Titanic. Ny valintenin’ i Elder Sonne dia nitovy tamin’ ny zavatra niseho tamin’ i Josefa sy ireo rahalahiny tany Egypta izay voarakitra ao amin’ ny Genesisy: “Ataontsika ahoana no hiverina any amin’ ny fianakaviantsika nefa tsy miaraka amintsika ilay tovolahy iray?”12 Nazavainy tamin’ ireo namany fa niaraka tonga tany Angleterre izy ireo ary tokony hiaraka hiverina hody koa. Henon’ i Elder Sonne taty aoriana ny faharendrehan’ ny sambo Titanic ary nilaza tamim-pankasitrahana an’ i Fred izy hoe: “Namonjy ny aiko ianao.” Namaly i Fred hoe: “Tsia, noho ny fandresenao lahatra ahy mba handeha hanao an’ ity asa fitoriana ity dia novonjenao ny aiko.”13 Nisaotra ny Tompo ireo misiônera rehetra noho ny fiarovany azy ireo.14

Indraindray dia misy fitahiana lehibe tonga eo amin’ ireo izay mahatoky, toy ny nahazo an’ i Elder Sonne sy ireo misiônera niara-niasa taminy. Tokony ho feno fankasitrahana isika noho ireo famindram-po lehibe izay tonga eo amin’ ny fiainantsika.15 Tsy tsapantsika ireo fitahiana maro izay azontsika isan’ andro. Tena zava-dehibe ny hananantsika toetra mahay mankasitraka ao am-pontsika.16

Mazava ny soratra masina: Ireo izay marina sy manaraka ny Mpamonjy ary mitandrina ny didiny dia hiroborobo eo amin’ ny tany.17 Ny lafin-javatra iray tena manan-danja mba hiroboroboana dia ny fananana ny Fanahy eo amin’ ny fiainantsika.

Kanefa ny fahamarinan-toetra sy ny vavaka ary ny fahatokiana, dia tsy hiteraka fiafaran-javatra tsara foana eto amin’ ny fiainana an-tany. Maro ireo olona hiaina fitsapana mafy. Rehefa mitranga izany dia ho eken’ Andriamanitra ilay tena fananana finoana sy fikatsahana ireo tsodranon’ ny fisoronana. Nanambara ny Tompo hoe: “Loholona … no hantsoina ka hivavaka sy hametra-tanana aminy amin’ ny anarako; ary raha maty izy dia ho faty ho Ahy, ary raha velona izy dia ho velona ho ahy.”18

Tena manita-tsaina ny momba ilay zavatra faharoa ifandraisan’ ny Olomasin’ ny Andro Farany amin’ ilay sambo Titanic izay tsy nanana fiafarana tsara araka ny fihevitry ny eto an-tany. 30 taona tamin’ izay i Irene Corbett. Izy dia vehivavy vao herotrerony izay manambady sy renim-pianakaviana avy ao Provo, Utah. Manana talenta lehibe izy amin’ ny maha-mpahaikanto sy mpahay mozika azy. Mpampianatra sy mpanampy mpitsabo koa izy. Noho ny fitadiavana mafy mpitsabo matihanina tany Provo, dia nianatra nandritra ny enim-bolana mba ho mpampivelona tany Londres izy. Faniriany mafy ny hitondra fiovana eto amin’ ity izao tontolo izao ity. Izy dia olona malina, tsara fanahy, tia vavaka ary mahery fo. Ny iray tamin’ ireo antony nisafidianany ny sambo Titanic hiverenana any Etazonia dia noho ny fieritreretany fa handeha hiaraka aminy koa ireo misiônera ary hitondra fiarovana fanampiny izany. I Irene dia iray tamin’ ireo vehivavy vitsivitsy izay tsy tafavoaka velona tamin’ ilay loza mahatsiravina. Ny ankamaroan’ ireo zaza amam-behivavy dia nampidirina tao amin’ ny sambo kely avotr’ aina ary voavonjy ihany tamin’ ny farany. Tsy ampy ho an’ ny olona rehetra ireo sambo kely avotr’ aina. Saingy raha ny eritreritra dia tsy niditra tao anatin’ ny sambo avotr’ aina izy satria noho ilay fanofanana manokana nataony dia nanampy mpandeha maro izy izay naratra noho ny fifandonana tamin’ ilay tendrombohi-dranomandry.19

Maro ireo karazana olana. Ny sasany manome antsika traikefa ilaina. Ny voka-javatra ratsy eto amin’ ity fiainana an-tany ity dia tsy porofo maneho ny tsy fahampian’ ny finoana na ny tsy fahatomombanan’ ilay drafitry ny Raintsika any an-danitra amin’ ny ankapobeny. Tena misy ilay afon’ ny mpandrendrika, ary ireo toetra tsara sy ny fahamarinan-toetra voizina ao anatin’ ny toe-javatra sarotra dia mahatonga antsika ho tanteraka sy manadio antsika ary manomana antsika hihaona amin’ Andriamanitra.

Rehefa lasa gadra tao amin’ ny Fonjan’ i Liberty ny Mpaminany Joseph Smith, dia nanambara taminy ny Tompo fa misy loza maro mety hitranga amin’ ny olombelona. Izao no ampahany tamin’ ny zavatra nolazain’ ny Tompo: “Ary raha hatsipy any amin’ ny lalina ianao; raha mikomy aminao ny alon-drano misamboaravoara; raha manjary fahavalonao ny rivotra mahery; … ary miray tsikombakomba ny singa rehetra mba hamefy ny lalana; … Ireo zavatra ireo dia hanome anao traikefa ary ho soa ho anao izany.”20 Nofaranan’ ny Mpamonjy ny torolalany tamin’ ny hoe: “Fantatra ny andronao ary tsy hahena ny taonanao, koa aza matahotra …, fa homba anao mandrakizay Andriamanitra.”21

Ny olana sasany dia vokatry ny safidy nataon’ ny hafa. Ny fahafahana misafidy dia tena ilaina amin’ ny fivoarana sy fivelarana ara-panahy. Ny fitondran-tena ratsy dia lafiny iray ao anatin’ ny fahafahana misafidy. nazavain’ny Kapiteny Môrônia izany fotopampianarana manan-danja izany: “Fa avelan’ ny Tompo ny hamonoina ny olo-marina mba hahatonga ny fahamarinany sy ny famaliany amin’ ny olon-dratsy.” Nolazainy mazava tsara fa tsy very ny olo-marina, fa “miditra ao amin’ ny fitsaharan’ ny Tompo Andriamaniny.”22 Ny olon-dratsy dia ho tompon’ andraikitra amin’ ny zavatra mamohehatra ataon’ izy ireo.23

Ny olana sasany dia avy amin’ ny tsy fankatoavana ny lalàn’ Andriamanitra. Tena mahasanganehana ireo olana ara-pahasalamana vokatry ny fifohana sigara sy fisotroana toaka ary ny fidorohana zava-mahadomelina. Lasa tena zavatra mahazatra ny fampidirina an-tranomaizina vokatry ny toaka sy ny zava-mahadomelina izay misy ifandraisany amin’ ny fanaovana heloka bebe vava.24

Tena nitombo koa ny fisehoan’ ny fisaraham-panambadiana noho ny fivadiham-pitokisana. Azo sorohina amin’ ny alalan’ ny fankatoavana ny lalàn’ Andriamanitra ny maro amin’ ireo fitsapana sy olana ireo.25

Ilay filohan’ ny misiôna malalako, Rahalahy Marion D. Hanks (izay maty tamin’ ny volana Aogositra), dia nangataka anay misiônera mba hitadidy ilay fanambarana momba ny fomba hiatrehana ireo olana eo amin’ ny fiainana an-tany: “Tsy misy vintana, na anjara na hoavy izay afaka hanodina na hanelingelina na hamehy ny fanoloran-tenan’ ny fanahy feno fahavononana iray.”26

Nanaiky izy fa tsy hoe mety amin’ ny olana rehetra izay miseho amintsika izany, fa marina izany eo amin’ ny lafiny ara-panahy. Nankasitraka ny toroheviny aho nandritra ny fiainako.

Ny iray amin’ ireo antony nahatonga ilay famoizan’ aina lehibe teo amin’ ilay sambo Titanic dia ny tsy fahampian’ ny sambo kely avotr’ aina. Na inona na inona fitsapana atrehantsika eto amin’ ity fiainana ity, ilay Sorompanavotan’ ny Mpamonjy dia manome sambo kely avotr’ aina ho an’ ny olona rehetra. Ho an’ ireo izay mieritreritra fa tsy ara-drariny ny fitsapana atrehan’ izy ireo, dia manonitra ny tsifahamarinana rehetra eo amin’ ny fiainana ny Sorompanavotana.27

Ny hany fanamby atrehan’ ireo izay namoy ireo olon-tiany dia ny fisorohana ny fieritreretana be loatra momba ireo tsy fahafahana nanararaotra nanao zavatra maro teo amin’ ity fiainana ity. Matetika ireo izay maty aloha dia nampiseho fahaiza-manao sy fahalianana ary talenta lehibe. Miaraka amin’ ilay fahatakarantsika voafetra dia mitomany ny amin’ ireo zavatra tsy ho tanteraka isika sy ny amin’ ireo hira izay tsy ho hiraina. Izany dia voafaritra ho toy ny fahafatesana miaraka amin’ ilay mozikanao izay mbola ao anatinao. Ny mozika eto dia fanoharana hanehoana izay karazana fahaiza-manao izay tsy mba nampiasaina. Indraindray nanao fiomanana lehibe ny olona saingy tsy nanana fahafahana ny hanatanteraka izany teto an-tany.28 Ilay iray amin’ ireo tononkalo malaza izay tena be mpampiasa indrindra antsoina hoe Elegy (tononkalo mitoloko), nosoratan’ i Thomas Gray tany amin’ ny “Tokontany manodidina ny Fiangonana iray misy fasana tany ambanivohitra,” dia maneho izany tsy fahafahana nanatanteraka zavatra toy izany:

Maro ireo voninkazo izay namelatra nefa tsy hita,

Ary very tao anatin’ ny rivotry ny tany foana ny hatsarany.29

Ilay zavatra tsara iray tsy natao dia mety misy ifandraisany amin’ ny fianakaviana, na ny asa na ny talenta, na ny traikefa ananana, na zavatra hafa. Ireo zavatra rehetra ireo dia tsy nitohy intsony raha ho an-drahavavy Corbett. Nisy ireo hira izay tsy nohirainy ary hery ananana tsy nampiasainy teto amin’ ity fiainana an-tany ity. Saingy rehefa jerena amin’ ilay veran-tsolomaso lehibe sy mazavan’ ny filazantsara izany fa tsy amin’ ilay veran-tsolomaso voafetra tsy ahitana afa-tsy ny eto amin’ ny fiainana an-tany fotsiny, dia fantatsika ilay valisoa lehibe mandrakizay izay nampanantenain’ ilay Ray be fitiavana ao anatin’ ny drafiny. Nampianatra ny Apôstôly Paoly hoe: “Izay tsy mbola hitan’ ny maso ary tsy mbola ren’ ny sofina, na niditra tao am-pon’ ny olona, na inona na inona no efa namboarin’ Andriamanitra ho an’ izay tia Azy.”30 Misy andalana iray izay avy ao amin’ ny fihirana izay manome fankaherezana sy fampiononana ary fahitana tsara manao hoe: “Ary i Jesoa dia afaka maheno ireo hira izay tsy mba azoko nohiraina.”31

Nilaza ny Mpamonjy hoe: “Koa aoka hionona ny fonareo. … Mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra.”32 Isika dia manana ilay fampanantenany hoe hiaraka hihira “hiran’ ny fifaliana maharitra mandrakizay”33 Amin’ ny anarana masin’ i Jesoa Kristy, Mpamonjy antsika, amena.

  1. Jereo ny Jaona 16:33.

  2. Jereo ny Môsià 18:8–9; jereo koa ny Oct 26 20112 Nefia 32:7.

  3. Jereo ny Boyd K. Packer, “The Play and the Plan” (Church Educational System fireside for young adults, Mey 7, 1995), 3: “Isika eto an-tany dia toy ny olona iray izay miditra ao anatin’ ny trano fampisehoana tantara an-tsehatra iray raha iny niakatra mba hampisehoana ny fizarana faharoa iny ny lamban-tsehatra. Tsy nahita ny Fizarana 1 isika … ‘Ary ilay hoe niaina amim-pifaliana izy ireo avy eo’ dia tsy voasoratra velively ao anatin’ ny fizarana faharoa. Izany andalana izany dia tafiditra ao anatin’ ny fizarana fahatelo rehefa voavaha ireo mistery ary nalamina araka ny tokony ho izy ny zava-drehetra.” Jereo koa ny Neal A. Maxwell, All These Things Shall Give Thee Experience (1979), 37: “Andriamanitra … dia mahita ny fiandohana sy ny fiafarana. … Ny rafitrisa … dia zavatra iray izay tsy takatry ny saintsika olombelona. Tsy afaka manao ny kajikajy fanambarana isika satria tsy ananantsika ny tarehimarika rehetra. Voahidy ao anatin’ ny fotoana isika ary tafiditra ao anatin’ ilay fomba fijery voafetran’ ity fiainana an-tany ity.”

  4. Ireo izay maty alohan’ ny hahatongavany amin’ ny taona maha-tompon’ andraikitra azy dia voavonjy ao amin’ ny fanjakana selestialin’ ny lanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:10). Ireo izay rehetra efa maty tsy nanana fahalalana an’ ity filazantsara ity, izay ho nandray izany tamin’ ny fony manontolo, dia ho mpandova ny Fanjakana Selestialy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:7). Ankoatr’ izany, na dia ireo izay tsy tena niaina tamim-pahamarinana aza, rehefa tonga ny fotoana dia hahazo fiainana ambony noho ity fiainana ity (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:89).

  5. Jereo ny Conway B. Sonne, A Man Named Alma: The World of Alma Sonne (1988), 83.

  6. Jereo ny Sonne, A Man Named Alma, 84.

  7. Asan’ ny Apôstôly 10:34; jereo koa ny “The Sinking of the World’ s Greatest Liner,” Millennial Star, Apr. 18, 1912, 250.

  8. Jereo ny Millennial Star, 18 Apr. 1912, 250.

  9. I Elder Sonne dia dadatoan’ ny Loholona L. Tom Perry.

  10. Jereo ny Sonne A Man Named Alma, 83.

  11. Jereo ny Sonne, A Man Named Alma, 83–84; jereo koa ny “From the Mission Field,” Millennial Star, 18 Apr. 1912, 254: Releases and Departures. —Ireto misiônera voalaza anarana manaraka ireto dia nisaorana tamim-boninahitra ary nandeha nody tany amin’ izy ireo tamin’ ny 13 Aprily 1912, tamin’ ny alalan’ ny sambo nantsoina hoe Mauretania. Avy any Angleterre—Alma Sonne, George B. Chambers, Willard Richards, John R. Sayer, F. A. Dahle. Avy any Pays-bas—L. J. Shurtliff.”

  12. Jereo nyGenesisy 44:30–31, 34.

  13. Ao amin’ ny Frank Millward, “Eight elders missed voyage on Titanic,” Deseret News, 24 Jolay 2008, M6.

  14. Jereo ny “Friend to Friend,” Friend, Mar. 1977, 39.

  15. Jereo ny David A. Bednar, “The Tender Mercies of the Lord,” Liahona, Mey 2005, 99–102.

  16. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:21.

  17. Jereo ny Almà 36:30.

  18. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:44.

  19. Resadresaka nifanaovana tamin’ i Donald M. Corbett izay zafikelilahin’ i Irene Corbett, 30 Ôkt. 2010, nataon’ i Gary H. Cook.

  20. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:7.

  21. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:9.

  22. Almà 60:13.

  23. Nazava ny nolazain’ ny Mpamonjy hoe: “tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana; nefa lozan’ izay olona mahatonga an’ izany!” (Lioka 17:1).

  24. Jereo ny fizarana 89 ao amin’ ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana—“ny lamina sy ny sitrapon’ Andriamanitra amin’ ny famonjena ny vatan’ ny olomasina rehetra amin’ ny andro farany” (andininy 2)—dia mitahy be dia be ireo Olomasin’ ny Andro Farany.

  25. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:22–24.

  26. Jereo ny “Will,” Poetical Works of Ella Wheeler Wilcox (1917), 129.

  27. Jereo “Ny Sorompanavotana,” Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ ny Asa Fanompoan’ ny Misiônera (2004), 70–71.

  28. Jereo ny “The Song That I Came to Sing,” ao amin’ ny The Complete Poems of Rabrindranath Tagore’ s Gitanjali, ed. S. K. Paul (2006), 64: “Tsy nohiraina akory ilay hira tokony ho hiraiko./ Nandany ny androko nametraka sy nanala ireo tady teo amin’ ny zava-manenoko.”

  29. Thomas Gray, “Elegy Written in a Country Church-Yard,” ao amin’ ny The New Oxford Book of English Verse ed. Christopher Ricks (1999), 279.

  30. 1 Korintiana 2:9.

  31. “Ce jour, au coeur j’ ai du soleil,” Cantiques, no.144.

  32. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:16; jereo koa ny Salamo 46:10.

  33. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:18; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:71.